Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Ianao dia mpampianatra ankizy


“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
i Jesoa mipetraka miaraka amin’ny ankizy

Ianao dia mpampianatra ankizy

Nantsoin’ Andriamanitra ianao mba hitia sy hampianatra ireo zanany amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Natokana ho amin’io antso io tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronany masina ianao. Na dia tsy mpampianatra efa za-draharaha aza ianao, rehefa miaina am-pahamendrehana sy mivavaka isan’andro ary mandalina ny soratra masina ianao, dia hanome anao ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahomby ny Ray any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Zanaky ny Ray any An-danitra ireo izay ankinina aminao, ary fantany izay ilain’izy ireo sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo. Hitarika anao mandritra ny fiomananao sy mandritra ny fotoana hampianaranao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Hanambara aminao izay tokony holazainao sy tokony hataonao Izy (jereo ny 2 Nefia 32:5).

Amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo, ireo ankizy sarobidy ireo dia migoka fampahalalana, manorina sy manatsara ny hevitra ananan’izy ireo, ary mahita sy mizara zava-baovao tsy tapaka. Tena marina indrindra izany ao amin’ny filazantsara, satria vonona sy maika hianatra ireo fahamarinana tsotra ao amin’izany matetika ny ankizy. Matanjaka sy madio ny finoan’izy ireo zava-masina, ary mandray ny fotoana rehetra ho fahafahana mianatra izy ireo. Manao asa amim-pahavononana araka ireo zavatra nianarany izy ireo, na dia tsy feno aza ny fahatakarany. Toy izany no tokony handraisantsika rehetra ny filazantsara. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory” (Lioka 18:17).

Ny antso mba hampianatra ankizy dia fametraham-pitokisana masina, ary tsy mahagaga raha mahatsapa ho tototra be indraindray. Tsarovy anefa fa niantso anao ny Ray any An-danitra ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy. Asan’ny Tompo ity, ary rehefa manompo “amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2.) ianao, dia hampivelatra ireo fahafahanao manao zavatra, ireo fanomezam-pahasoavana anananao, ary ireo talentanao Izy, ary hitahy ny fiainan’ireo ankizy ampianarinao ny asa fanompoana ataonao.

Hamoaka printy