Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely


“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2021

ankizikely mipetraka

Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely

Ny ankizy dia vonona sy maniry ny hianatra rehefa aseho amin’ny fomba ahatakaran’izy ireo azy izany. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hampiasa ireto karazana asa atao ireto mba hanampiana azy ireo hianatra.

  • Mihirà. Ny Fihirana sy ireo hira avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy dia mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Ampiasao ny “Ireo lohahevitra” any amin’ny faran’ny Bokin-kiran’ny ankizy mba hahitana ireo hira izay mifandray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao. Ampio ny ankizy hampifandray ny hafatr’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, afaka mametraka fanontaniana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ilay tonony izy ireo. Ankoatra ny mihira dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ilay hira koa ny ankizy na mihaino fotsiny ny hira izay atao feo mandravaka eo am-panaovan’izy ireo zavatra eo amin’ny pejin’ny asa atao.

  • Mihainoa na milalaova tantara iray. Tia tantara ny ankizy kely, na ny mitantara izany na ny mihaino. Mizarà tantara avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ireo gazetibokim-piangonana, ary avelao ireo ankizy hitantara zavatra avy amin’ny fiainany. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo ao anatin’ny fitantarana tantara. Afaka mihazona sary na zavatra izy ireo, na manao sary ny zavatra henony, na milalao an-tsehatra ilay tantara, na manampy amin’ny fitantarana tantara. Ampio ny ankizy hahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao anatin’ireo tantara zarainao.

  • Mamakia soratra masina. Mety tsy tena hahay hamaky teny loatra ny ankizy madinika, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Mety mila mifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina iray ianao, na andian-teny manan-danja iray, na teny iray. Rehefa mamaky mafy soratra masina iray ianao dia afaka manasa ny ankizy mba hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno teny na andian-teny manokana tianao hifantohana izy ireo. Mety afaka manao tsianjery andian-teny fohy avy amin’ny soratra masina aza izy ireo rehefa mamerimberina kely izany. Rehefa maheno ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia hahatsapa ny Fanahy.

  • Manaova zavatra mampihetsiketsika. Noho ny ankizy kely izay matetika no mihetsiketsika, dia mandrafeta fomba hanomezanao fahafahana azy ireo hivezivezy, hitanjozotra, hitsambikimbikina, hiondrika, handehandeha, na hanao fihetsika hafa izay mifandray amin’ilay fitsipika na ilay tantara ampianarinao. Mety mahomby koa ireo fihetsika ireo rehefa miara-mihira ianareo.

  • Mijereva sary iray na mijereva horonan-tsary. Rehefa mampiseho sary na horonan-tsary iray mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray na tantara iray ao amin’ny soratra masina ianao, dia mametraha fanontaniana izay manampy azy ireo hianatra avy amin’ny zavatra hitany. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe: “Inona no mitranga eo amin’io sary io na ao amin’io horonan-tsary io?” na “Mahatonga anareo hahatsapa toy ny ahoana izany?” Ny application Bibliothèque de l’Évangile, ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org, ary ny children.ChurchofJesusChrist.org dia toerana tsara hitadiavana horonan-tsary.

  • Zarao ny traikefa sy ny fijoroanao ho vavolombelona. Ny ankizy kely dia mety tsy manana zavatra betsaka zaraina toy ny ataon’ny ankizy lehibe, saingy rehefa omenao torolalana manokana izy ireo, dia afaka mizara ny zavatra niainany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany mahakasika ny zavatra nianarany.

  • Mamorona. Ny ankizy kely dia afaka manamboatra zavatra, na manao sarina zavatra, na mandoko zavatra izay mifandray amin’ny tantara na fitsipika ianaran’izy ireo. Ampio izy ireo hitondra ny zavatra namboariny any an-trano ary hizara izany amin’ireo olona amin’ny fianakaviana mba hanampiana ny ankizy hahatadidy ny zavatra nianarany.

  • Mandraisa anjara amin’ireo lesona maneho ohatra mivaingana. Ny lesona tsotra maneho ohatra mivaingana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fitsipiky ny filazantsara anankiray izay sarotra takarina. Rehefa mampiasa lesona maneho ohatra mivaingana dia mitadiava fomba hamelana ny ankizy handray anjara. Hianatra bebe kokoa avy amin’ny toe-javatra misy fampandraisana anjara izy ireo noho ny avy amin’ny fijerena fanazavana fotsiny.

  • Milalaova toe-javatra an-tsehatra. Rehefa milalao an-tsehatra toe-javatra iray izay hitranga eo amin’ny fiainany ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fiantefan’ny fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainany.

  • Averimbereno ireo asa atao. Mety ilain’ny ankizy ny mihaino imbetsaka hevitra mba hahatakaran’izy ireo azy. Aza matahotra ny hamerina matetika tantara na asa atao, na dia mandritra iny lesona iny ihany aza. Ohatra, mety hizara imbetsaka tantara iray ao amin’ny soratra masina amin’ny fomba samihafa ianao mandritra ny lesona iray: amin’ny alalan’ny famakiana avy ao amin’ny soratra masina, famintinana amin’ny alalan’ny teninao manokana, fampisehoana horonan-tsary, famelana ny ankizy hanampy anao amin’ny fitantarana ilay tantara, fanasana azy ireo mba hilalao an-tsehatra ilay tantara sy ny sisa. Raha averina any an-trano koa ilay asa atao any am-pianarana, dia hanampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ilay famerimberenana.

  • Mifandraisa amin’ny hafa. Ao anatin’ny fampivelarana ny fahaizany mifanerasera amin’ny hafa ny ankizy ary matetika mankafy miara-mianatra sy milalao amin’ny namany. Mamoròna fotoana ahafahan’izy ireo mizara, mifandimby mandray anjara, sy miara-miasa rehefa mianatra izy ireo.

  • Mandraisa anjara amina asa atao isan-karazany. Raha ho an’ny ankizy kely manokana dia fohy ny fifantohan-tsainy ary manana fomba samihafa hianarana izy ireo. Mampiasà asa atao samihafa dia jereo tsara ireo mari-pamantarana maneho fa mila fanovana ny famindra ny ankizy. Ohatra, mety mila mampifandimby ny asa atao milamindamina sy ny asa atao mampihetsiketsika ianao.

Anisan’ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra ankizy kely anao, ankoatra ny fampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara, ny manampy ny ankizy hianatra ny fomba fandraisana anjara araka ny tokony ho izy ao anatin’ny kilasy any am-piangonana. Ohatra, mety mila mianatra mikasika ny fifandimbiasana manao zavatra, ny fizarana, sy ny fanajana ny hafa sy ny sisa izy ireo. Ny mpampianatra sasany dia mamorona tabilao izay ahitana ny asa ampanaovina mba handraisan’ny ankizy tsirairay anjara amin’ny fomba manokana ao amin’ny kilasy (toy ny fanaovana vavaka, fihazonana sary, na fizarana taratasy). Azo ovaina isan-kerinandro ny asa ampanaovina. Manampy ny ankizy hifandimby hanao zavatra sy hifantoka amin’ny fitondrantena tokony hananana ao an-dakilasy izany.

Ny ankizy—indrindra ny ankizy kely—dia matetika mahazo tombontsoa amin’ilay zavatra mahazatra fanao tsy tapaka sy azo vinavinaina. Satria fohy ny fifantohan-tsain’ny ankizy kely ary indraindray sahirana izy ireo eo amin’ny fifantohana mandritra ny fotoam-pianarana iray manontolo, dia matetika tena tsara raha ampidirina ao amin’ilay zavatra mahazatra ny fanovana matetika ny asa atao iray amin’ny asa atao iray hafa. Ohatra, ny zavatra mahazatra fanaon’ny kilasinao dia mety ahitana ny fiatoana kely indraindray mba hanaovana kilalao, sy ny fandokoana sary iray, ary ny fihirana hira iray sy ny sisa.

ankizy sy mpampianatra ao an-dakilasy