Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy


“Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina ireo asa atao avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba ho azo ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Kilonganao. Aza miahiahy ny amin’ny hoe efa nanao ireo asa atao ireo ny ankizy niaraka tamin’ny fianakaviany tany an-tokantrano; ny famerimberenana dia manampy ny ankizy hianatra. Mandritra ny kilasin’ny Kilonga dia mety ho tian’ny ankizy ny hizara amin’ny hafa ny zavatra nianaran’izy ireo tany an-tokantrano momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

Cantiques sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy Bibliothèque de l’évangile.

Jereo ny madinikareo

Maro amin’ireo lohahevitra resahina ao amin’ny Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie no mifandraika amin’ireo izay hampianarinao ao amin’ny Kilonga. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hijery ao amin’ny boky torolalana hampianarana zaza madinika mba hahitana ireo hira, tantara, sy asa atao, ary asa tanana fanampiny.

Gazetiboky Namana sy ny Liahona

Ny gazetiboky Namana sy ny Liahona dia manolotra tantara sy asa atao izay afaka mameno ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga.

Histoires des Doctrines et Alliances

Ny Histoires des Doctrines et Alliances dia mampiasa sary sy teny tsotra mba hampianarana ny ankizy hianatra avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Afaka mahita horonan-tsarin’ireo tantara ireo ihany koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile    .

.

.

Horonan-tsary sy sary

Ny sary dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haka sary ao an-tsaina ilay fotopampianarana sy ireo tantara izay hita ao amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Horonan-tsary sy feo momba ny filazantsara ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hijerena ireo karazana loharanom-pitaovana amin’ny endriny haino aman-jery izay an’ny Fiangonana. Ireny loharanom-pitaovana ireny ihany koa dia hita ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile, ary misy sary maro ihany koa hita ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara.

Sary
woman and child reading Church material

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Olomasina

Ny Olomasina, dia andiana boky maro mitantara ny tantaran’ny Fiangonana. fitantarana amin’ny fomba vaovao ny tantaran’ny Fiangonana. Ny boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, ary ny boky 2, No Unhallowed Hand, dia mirakitra ny tantaran’ny Fiangonana mitovy ny amin’ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo tantara ireo dia afaka manome hevi-baovao ny amin’ny sahan-kevitra manodidina ireo fanambarana halalininao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Hamoaka printy