Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: “Io no fanahin’ny fanambarana”


“25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: -Io no fanahin’ny fanambarana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
mpitantsoratra manoratra amin’ny taratasy

25–31 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9

“Io no fanahin’ny fanambarana”

Atombohy ny fiomanana hampianatra amin’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity dia afaka mampitsiry hevitra momba ny fomba hampianarana ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Moa ve ireo ankizy mahafantatra ny tantaran’i Oliver Cowdery mikasika ny fahazoana valim-bavaka? (jereo ny Olomasina, 1:58–60). Mety efa nanana traikefa tamin’ny vavaka ihany koa izy ireo, izay angamba azony zaraina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5; 8:2; 9:7–9

Afaka miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa manana Ray any An-danitra be fitiavana izy ireo izay mihaino ny vavaka ataon’izy ireo ary mamaly izany amin’ny alalan’ny Fanahiny.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny “Chapitre 5: Joseph Smith et Oliver Cowdery” (Histoires des Doctrine et Alliances, 22–25, na ny horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) mba hiresahana amin’ny ankizy momba an’i Oliver Cowdery sy ny zavatra nianarany momba ny fomba firesahan’ny Ray an An-danitra amintsika. Asaivo tantarain’ny ankizy aminao ny ampahany tian’izy ireo indrindra amin’ilay tantara, ary avelao izy ireo hifandimby hiteny aminao momba an’i Oliver Cowdery.

  • Lazao amin’ny ankizy fa nanandrana nandika ny Bokin’i Môrmôna i Oliver Cowdery saingy tsy nahavita, koa dia nanontanian’i Joseph tamin’ny Tompo ny anton’izany. Vakio amin’ny ankizy ny valintenin’ny Tompo: “Tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8). Asao izy ireo mody hanao hoe mandalina sy mivavaka. Ampio ny ankizy hahatakatra fa izany ihany koa no fomba hahafahana mahazo valiny avy amin’ny Tompo, dia amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny fangatahana ny fanampiany.

    Sary
    Oliver Cowdery

    Oliver Cowdery, nataon’i Lewis A. Ramsey

  • Asao ny ankizy hikasika ny lohany sy ny tratrany rehefa mamaky ny teny hoe “ao an-tsainao” sy “ao am-ponao” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2 ianao. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay manome antsika hevitra sy fahatsapana. Hirao miaraka ny hira iray momba ny Fanahy Masina, toy ny hoe “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Inona no ampianarin’ilay hira momba ny fomba firesahan’ny Fanahy amintsika? Mizarà zavatra niainana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina tao an-tsainao sy tao am-ponao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33–36

Tsy mila matahotra aho rehefa ampian’ny Mpamonjy.

Nanana antony maro hahatonga azy ireo hatahotra i Joseph Smith sy Oliver Cowdery, ny fanenjehana sy ny fahantrana dia ampahany fotsiny amin’ireo olana nianjady tamin’izy ireo. Ny hafatry ny Tompo ho an’i Joseph sy Oliver dia afaka mankahery ihany koa an’ireo ankizy rehefa mahatsiaro ho matahotra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo tononin’ny ankizy imbetsaka ilay andian-teny hoe “aza matahotra ry ondry vitsy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34). Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy miandry ondry (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 64), dia mijoroa ho vavolombelona fa miambina antsika Izy, tahaka ny fiambenan’ny mpiandry ondry iray ny ondriny. Noho ny fitiavany antsika dia tsy mila matahotra isika.

  • Avelao ny ankizy ho mody hatao hoe andian’ondry osaosa sy matahotra. Inona no zavatra mety hampatahotra ny ondry indraindray? Avelao ny ankizy iray mody hanao hoe izy no mpiandry ondry miambina ireo ondry mba ho voaro. Inona no atahorantsika indrindray? Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia toy ny mpiandry antsika, ary afaka mampitony ny tahotsika Izy. Iaraho mihira ny hira iray momba ny Mpamonjy, toy ilay hoe “I Jesoa dia namantsika” (Bokin-kiran’ny ankizy, 37).

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 dia asao izy ireo hamerina ilay andian-teny hoe “aza miroanàhana, aza matahotra.” Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo “[mibanjina],” na mahatsiaro ny Mpamonjy mandritra ny herinandro ho avy (jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5, 15–16, 22–23; 8:2; 9:7–9

Miresaka ao an-tsaiko sy ao am-poko ny Fanahy Masina.

Ireo ankizy ampianarinao dia mety efa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Takatr’izy ireo ve ny fomba famantarana fanambarana manokana avy amin’ny Fanahy?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina loha sy fo eny amin’ny solaitrabe. Ampio ny ankizy hamaky ireto andininy manaraka ireto ary hamaritra izay manoritsoritra ny hoe ny Fanahy Masina miresaka amin’ny saintsika, na amin’ny fontsika, na amin’izy roa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15, 23; 8:2; 9:89:9. Avy amin’ny traikefanao manokana dia lazalazao amin’ny ankizy hoe manao ahoana izany hoe ny Fanahy Masina miresaka amin’ny sainao sy ny fonao izany.

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5, dia asao ireo ankizy hizara zavatra niainana momba ny vavaka sy ny fahazoana valiny. Ampio izy ireo hieritreritra ohatra iray ana olona ao amin’ny soratra masina izay nivavaka ka nahazo ny valin’ny fanontaniana iray (jereo ny 1 Nefia 2:16; Enôsa 1:1–6; Etera 2:18–3:6).

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Ahoana no fomba firesahan’ny Fanahy Masina amintsika? Asao ny ankizy hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15–16, 22–23; 8:2; 9:7–9 ny valin’izany fanontaniana izany. Mizarà zavatra niainana izay nahatsapanao ny Fanahy Masina niresaka taminao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33–37

“Aza matahotra ny hanao soa.”

Ny ankizy ampianarinao dia mety hahatsiaro indraindray ho matahotra hijoro amin’ny marina. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33–37 dia afaka mankahery azy ireo mba hanana herim-po, na dia amin’ny toe-javatra sarotra aza.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33, ary ifanakalozy hevitra ny antony mety hatahoran’ny olona iray hanao soa (jereo koa ny andininy 28–29). Ampio ny ankizy hahita teny na andian-teny ao amin’ny andininy 33–37 izay manampy azy ireo hahazo herim-po hanao soa.

  • Ampio ny ankizy hanao sary, izay azony aranty any an-tranony mba hampahatsiahivana azy ireo hoe “Banjino [i Jesoa Kristy] amin’ny eritreritra rehetra” (andininy 36). Eo am-panaovan’izy ireo ny sariny, dia ifanakalozy hevitra ny dikan’ny hoe mibanjina ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahan’izany miaro azy ireo.

  • Iaraho mihira ny hira iray momba ny herim-po, toy ny “Sahia manao izay tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 80) na “Ndao handroso hatrany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 20). Asaivo tadiavin’ny ankizy ao amin’ilay hira ny antony sasany tsy tokony “[hatahorantsika]” (andininy 6).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10

Afaka mangataka amim-pinoana aho.

Ao anatin’ny soratra masina dia mampahatsiahy antsika ny Tompo mba hanana finoana Azy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao mba hanana finoana an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Raha tsy misy ny dia tsy mahavita na inona na inona ianao; koa mangataha amin’ny . Asao ny ankizy hieritreritra teny izay sady azo ampidirina ao amin’ilay banga iray no azo ampidirina ao amin’ilay banga iray hafa. Dia vakio miaraka avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10 mba hahitana ny valiny. Inona avy ireo zavatra sasany izay vitantsika raha toa manana finoana isika?

  • Aorian’ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10, dia ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo angatahana fanampiana amin’ny Tompo. Asao izy ireo hanao sary iray izay maneho ny zavatra tokony hangatahany. Eo am-panehoan’izy ireo ny sariny amin’ny kilasy manontolo dia avelao ny ankizy hafa hamantatra ny hoe maneho inona ilay sary.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hisafidy andian-teny iray avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9 izay tiany hozaraina amin’ny olona any an-tokantranony, toy ilay hoe “aza matahotra ny hanao soa” (6:33), “aza miroanàhana, aza matahotra.” (6:36), na “raha tsy misy ny finoana, dia tsy mahavita na inona na inona ianao” (8:10).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara. Ny tantara dia manampy ny ankizy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria mampiseho ny fomba niainan’ny hafa ireo fitsipika ireo izany. Rehefa mampianatra ianao dia mitadiava fomba hampiasana tantara—avy amin’ny soratra masina, avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana, na avy amin’ny fiainanao manokana—izay mandravaka ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina.

Hamoaka printy