Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11: “Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”


“1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11: -Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana

tahadika mitovy tanteraka amin’ilay dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana tena izy.

1–7 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11

“Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”

Vakio ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11, sady saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ireo fizarana ireo. Ireo hevitra ao anatin’ity rindran-damina ity, na ireo izay natokana ho an’ny ankizy kely na ireo ankizy lehibe izany, dia afaka manampy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy hizara izay tsaroany momba ny lesona teo aloha mikasika an’i Martin Harris sy ireo pejin’ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna izay very. Zarao izay antsipirian-javatra tsy tsaroan’izy ireo. Azonao atao ny mijery ny “Chapitre 4: Martin Harris et les pages perdues” (Histoires des Doctrine et Alliances, 18–21).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5

Rehefa mivavaka mandrakariva aho dia hitahy ahy ny Ray any An-danitra.

Indraindray ny ankizy dia mieritreritra fa amina fotoana sy toerana voafaritra tsara ihany izy ireo no afaka mivavaka, ary rehefa mandohalika na mikimpy ihany. Ahoana no fomba hanampianao azy ireo hianatra “[hivavaka] mandrakariva”?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina zavatra izay ataontsika matetika, toy ny hoe mihinan-kanina, na matory, na milalao. Ahoana no ahafahan’ireo zavatra ireo manampy antsika? Mampisehoa sarina ankizy mivavaka eo am-pamakianao amin’ny ankizy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 ny hoe “mivavaha mandrakariva.” Asaivo haverin’ny ankizy im-betsaka ireo teny ireo. Manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny mivavaka mandrakariva?

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra ireo toerana sy fotoana maro ahafahan’izy ireo mivavaka.

  • Asao ny ankizy hanao ny sariny na ny an’ny fianakaviany mivavaka amin’ny fotoana sy amin’ny toerana samihafa, toy ny any am-piangonana, alohan’ny handeha hianatra, na alohan’ny hatory. Hazavao fa ny hoe mivavaka mandrakariva dia mety hidika hoe mivavaka matetika mandritra ny tontolo andro. Ahoana no fomba ahafahantsika mivavaka na dia misy olona aza manodidina antsika, toy ny hoe rehefa any an-tsekoly na miaraka amin’ny namana?

    Sary
    ankizilahy mivavaka

    Hanampy antsika ny Tompo rehefa mivavaka isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13

Mitarika ahy hanao zavatra tsara ny Fanahy Masina.

Na dia mbola kely aza ny ankizy dia afaka manomboka mamantatra izy ireo hoe miresaka amin’izy ireo ny Fanahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Afeno ao amin’ny toerana iray ao amin’ny efitrano ny takamoa na fanilo iray mandeha amin’ny herinaratra sy ny sarina endrika iray faly. Asaivo tadiavin’ny ankizy ireo zavatra ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13, dia ampio ny ankizy hamantatra teny mifandray amin’ireo zavatra hitany. Inona no ampianarin’ireo teny ireo momba ny fomba anampian’ny Fanahy Masina antsika?

  • Omeo toe-javatra vitsivitsy ireo ankizy izay ilàna ny hisafidianan’izy ireo ny tsara sy ny ratsy, toy ny hoe misafidy ny hilaza ny marina na handainga, na ny misafidy ny ho tsara fanahy na ho ratsy fanahy. Ahoana no fomba ahafahantsika mahafantatra hoe safidy inona no tokony ho raisina? Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12, ary mijoroa ho vavolombelona fa ny Fanahy Masina dia hanampy antsika hanao ny safidy tokony atao raha toa mihaino Azy isika.

  • Mihirà hira iray momba ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ilay hira momba ny fomba fanampian’ny Fanahy Masina antsika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5

Rehefa mivavaka mandrakariva aho dia afaka mandresy ireo fakam-panahin’i Satana.

Afaka manampy ireo ankizy ianao hahatakatra fa ny fivavahana tsy tapaka dia manome azy ireo hery handresena fakam-panahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manorata amin’ny tapa-taratasy teny na andian-teny avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 dia asaivo alamin’ny ankizy araka ny tokony ho izy izany. Amporisiho izy ireo hijery ilay andininy raha toa ka mila fanampiana. Araka io andininy io, inona no fitahiana azontsika rehefa mivavaka mandrakariva isika? Afaka manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana mivavaka mandrakariva, indrindra indrindra rehefa alaim-panahy hanao zavatra tsy mety isika?

  • Asao ny ankizy hanao lisitra iray mitanisa ireo fotoana sy toerana sasantsasany izay ahafahantsika mivavaka. Mba hahazoana hevitra fanampiny dia amporisiho izy ireo hijery ao amin’ny Almà 34:17–27.

  • Ampio ny ankizy hamorona famantarana kely na sary izay hampahatsiahy azy ireo ny hivavaka mandrakariva. Asao izy ireo hanantona ny famantarany any an-tokantranony amin’ny toerana izay ahafahany mahita izany matetika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13

Mitarika ahy hanao zavatra tsara ny Fanahy Masina.

Matetika ny olona tanora no manontany tena hoe manao ahoana izany fitarihan’ny Fanahy Masina izany. Azonao ampiasaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 hampianarana ny ankizy ny fomba hamantarana “ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara” (andininy 12).

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra iray ahitana ireo olona izay atonony rehefa mila fanampiana na manana fanontaniana izy ireo. Nahoana isika no matoky fa hanampy antsika ireo olona ireo? Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12 ary hitady ny hoe nasaina hatoky an’ Iza i Hyrum Smith. Inona no ianarantsika avy amin’io andininy io mikasika ny antony tokony atokisantsika ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra ho lazainy amin’ny namana iray izay manontany azy ireo hoe manao ahoana izany resahin’ny Fanahy Masina izany. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13 mba hahitana ny valiny sasany amin’izany fanontaniana izany.

  • Zarao amin’ny ankizy ny traikefanao sasany mikasika ny Fanahy Masina mitarika anao hanao zavatra tsara. Asao ny ankizy hisaintsaina ny fotoana izay mety nahazoan’izy ireo traikefa tahaka izany ary avy eo hizara ny traikefany raha toa tsy mampaninona azy ireo ny fanaovana izany. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia maniry ny hitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Amporisiho ny ankizy hanamarika ny fotoana hahatsapany ireo zavatra voasoritsoritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13 mandritra ny herinandro ho avy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21, 26

Mila mahafantatra ny filazantsara aho mba ahafahako manampy ny hafa hahita ny fahamarinana.

Ireo ankizy ampianarinao dia hanana fahafahana maro hizara ny filazantsara. Ireo andininy ireo dia afaka manampy azy ireo hiomana ho amin’izany fahafahana izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao tantara an-tsehatra ny fomba hiresahan’izy ireo momba ny filazantsara amin’ny olona iray izay mbola tsy nahare izany mihitsy. Ohatra, ahoana no hamalian’izy ireo fanontaniana mikasika ny Bokin’i Môrmôna? Ahoana no hanazavan’izy ireo ny hoe iza moa i Jesoa Kristy? Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21, 26. Inona no nolazain’ny Tompo tamin’i Hyrum Smith fa mila ataony mba hahafahany mampianatra ny filazantsara? Inona ny dikan’ny hoe “[m]ahazo” ny tenin’ Andriamanitra, ary ahoana no ahafahantsika manao izany? Ahoana no fomba “[iraketana]” ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika?

  • Asao ny ankizy hizara soratra masina tiany iray ary hanazava ny antony itiavany ilay izy. Avelao izy ireo hiresaka momba ny fitahiana entin’ny soratra masina eo amin’ny fiainany sy izay zavatra ataony mba handalinana ny tenin’ Andriamanitra any an-tokantrano. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona amin’ny famakiana ny tenin’ Andriamanitra matetika kokoa.

  • Iaraho mihira ny hira iray mikasika ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90). Inona no ampianarin’io hira io antsika momba ny fomba ahafahantsika ho misiônera isan’andro?

  • Mizarà zavatra avy amin’ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson (fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo, 3 jona 2018, ChurchofJesusChrist.org) mba hanentanana ireo ankizy hanampy amin’ny fanangonana ny zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hiresadresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany momba ny zavatra iray nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 na 11 androany. Ohatra, afaka mizara ny drafiny izy ireo mba hahafahana nivavaka mandrakariva.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha fanambarana isan’andro. Rehefa miomana hampianatra ianao dia mivavaha ary saintsaino ny soratra masina mandritra ny herinandro. Ho hitanao fa “hanazava ny sainao” ny Fanahy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13). Mety hitsiry amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny hevitra sy fahatsapana momba ny fomba hampianarana—rehefa mandeha any am-piasana ianao, rehefa manao raharaha ao an-tokantrano, na rehefa miresaka amin’olona.

Hamoaka printy