Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17: “Mijoro[a] ho vavolombelona”


“15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17: “Mijoro[a] ho vavolombelona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo mandohalika mivavaka

15–21 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17

“Mijoro[a] ho vavolombelona”

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hijoro ho vavolombelon’ny filazantsara? Mety hanome hevitra anao ireo zavatra atao ao amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Diniho ny hanasana ankizy vitsivitsy hizara zavatra nianaran’izy ireo tamin’ity herinandro ity tany an-trano na taty amin’ny Kilonga, izay hinoan’izy ireo fa marina.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1–7

Afaka manampy an’Andriamanitra aho hanao ny asany.

Diniho hoe ahoana no ahafahan’ny tenin’ny Tompo tamin’i David Whitmer hanampy ireo ankizy hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny asan’Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao vetivety ny mombamomban’ny fianakaviana Whitmer (jereo ny Olomasina, 1:68–71 na ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Ohatra, zarao hoe iza moa i David Whitmer ary ahoana no nanampiany sy nanampian’ny fianakaviany an’i Joseph Smith raha izy teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ampio ireo ankizy hahatakatra ny fampitahana eo amin’ny fiasana eny an-tsaha sy ny fandraisana anjara amin’ny “asa[n’ Andriamanitra] lehibe sy mahatalanjona” (andininy 1). Ohatra, ny fijinjana vokatra dia azo anehoana ny fitondrana fanahy ho ao amin’i Kristy. Azonao atao ny mampiseho sarina mpamboly, na mitondra akanjona mpamboly hoharin’ireo ankizy, na miresaka momba ireo asa fanaon’ireo mpamboly an-davanandro. Hazavao fa i David Whitmer dia mpamboly iray izay naniry hahafantatra izay fomba ahafahany manampy ny Tompo. Vakio amin’ireo ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:3–4 ary ampio izy ireo hahita izay zavatra nasain’ny Tompo hataon’i David Whitmer. Ahoana no ahafahantsika manampy eo amin’ny asan’ny Tompo?

  • Mampiasà fanomezana mba hampianarana an’ireo ankizy mikasika ilay fanomezan’Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay. Ohatra, mampisehoa fanomezana an’ireo ankizy izay ahitana ao anatiny taratasy iray misy soratra hoe “Fiainana mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Avelao ireo ankizy hanokatra ilay fanomezana ary hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7. Zarao fa ny hoe fiainana mandrakizay dia midika hoe miaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra ary lasa mitovy Aminy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fitahiana azo amin’ny fitandremana ireo didy sy ny fahazoana ny fiainana mandrakizay.

    misiônera mampianatra fianakaviana iray

    Ny asa fitoriana dia fomba iray ahafahantsika manampy ny Tompo hanao ny Asany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6; 16:6

Afaka manampy ny hafa aho hanatona an’i Jesoa Kristy.

I John Whitmer sy Peter Whitmer Zanany dia rahalahin’i David Whitmer. Tahaka an’i David, izy ireo koa dia naniry hahafantatra izay fomba ahafahan’izy ireo manampy ny Tompo. Nangataka azy ireo Izy “[h]itondra fanahy ho” Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy mba hanoritsoritra zavatra iray izay manan-danja na sarobidy amin’izy ireo (toy ny kilalao na boky iray). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6 na ny 16:6, dia asaivo mananga-tanana ireo ankizy rehefa maheno hoe inona ilay lazain’ny Tompo fa “manan-danja indrindra.”

  • Miaraha amin’ny ankizy manao lisitra iray ahitana ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy olona hanara-dia an’i Jesoa Kristy, toy ny hoe minamana amin’ny hafa, na mizara soratra masina amina namana, na mivavaka ho an’ny olona iray sahirana. Mba hanomezana hevitra an’ireo ankizy, dia azonao atao ny mampiseho sary avy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara. Na azon’ireo ankizy atao ny manao sary foronin’izy ireo manokana. Asao izy ireo hiezaka hanao zavatra voarakitra ao amin’ilay lisitra mandritra ny herinandro.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Afaka ny ho vavolombelon’ireo zavatra nataon’Andriamanitra tamiko aho.

Lasa anisan’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna i David Whitmer, ary efatra amin’ireo rahalahiny no lasa anisan’ireo Vavolombelona Valo. Tahaka an’i David sy ireo rahalahiny, isika tsirairay dia afaka ny “hijoro ho vavolombelon’” ny fahamarinana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:8).

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy ny mombamomba ireo Vavolombelona Telo sy Vavolombelona Valo (jereo ny “Chapitre 7: Des témoins voient les plaques d’or” [Histoires des Doctrine et Alliances, 31–33], na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo vavolombelona mahita an’ireo takelaka.

  • Asao ireo ankizy handoko ilay pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity, ary hampiasa izany hitantarana ny tantaran’ireo Vavolombelona Telo.

  • Mitazoma Bokin’i Môrmôna iray ary vakio amin’ireo ankizy ny andalana farany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6: “Raha velona koa ny Tomponareo sy ny Andriamanitrareo dia marina izany.” Lazao amin’ny ankizy ny fomba hahafantaranao fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo ankizy ho lasa vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny famakiana izany sy ny fivavahana mba hahafantarana raha marina izy io, ary avy eo mizara ny fijoroana vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny hafa.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16

Afaka manampy an’Andriamanitra aho hanao ny asany.

Rehefa miresaka momba ireo fanambarana ho an-dry Whitmer mirahalahy ianareo, dia azonao zaraina ny sasany amin’ireo fomba hanasan’ny Tompo antsika tsirairay hanampy Azy amin’ny Asany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mizarà tantara momba an’i David Whitmer sy ny fianakaviany izay tsapanao fa mety hitaona fanahy an’ireo ankizy (jereo ny Olomasina, 1:68–71). Ahoana no fomba nampiasan’ny Tompo an-dry Whitmer mba hanampiana eo amin’ny fanorenana ny Fanjakany?

  • Makà taratasy maromaro dia manorata fanontaniana tsotra izay mifanaraka amina andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16. Ohatra: Mitovy amin’ny inona ny tenin’ Andriamanitra? (14:2). Inona no fanomezan’Andriamanitra lehibe indrindra? (14:7). Inona no lazain’ny Tompo fa manan-danja indrindra? (15:6; 16:6). Asao ny ankizy tsirairay hisafidy fanontaniana iray ary hitady ny valiny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny roa hoe: Asa eny an-tsaha sy Ny asan’ny Tompo. Ampio ireo ankizy hitady ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:3–4 ireo andian-teny izay mifandraika amin’ny asa eny an-tsaha, ary soraty eo ambanin’ilay lohateny voalohany izy ireo. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba ny asan’Andriamanitra? Soraty eo ambanin’ilay lohateny faharoa ny valintenin’ireo ankizy. Ahoana no ahafahantsika manampy eo amin’ny asan’ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Afaka ny ho vavolombelon’ireo zavatra nataon’Andriamanitra tamiko aho.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17, dia nolazain’ny Tompo tamin’i Oliver Cowdery sy David Whitmer ary Martin Harris fa izy ireo no ho Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna. Ampio ireo ankizy hianatra ny fomba ahafahan’izy ireo ho vavolombelon’ny fahamarinana koa.

  • Asao ireo ankizy hiomana hizara ny tantaran’ireo Vavolombelona Telo (jereo ny “Chapitre 7: Des témoins voient les plaques d’or” [Histoires des Doctrine et Alliances, 31–33], na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io mikasika ny fomba hahatongavana ho vavolombelona mahafatra-po? Azonao atao ihany koa ny mampiseho zavatra voafantina avy ao amin’ilay horonan-tsary “A Day for the Eternities” (ChurchofJesusChrist.org; ny ampahany mikasika Ireo vavolombelona telo dia manomboka eo eo amin’ny 15:00).

  • Iaraho mamaky ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–3, ary ampio ny mpianatra hitady ny fahatanterahan’izany ao amin’ “Ny teny vavolombelon’ireo vavolombelona telo” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–5 mba hahitana izay zavatra nasaina nataon’i Oliver Cowdery sy Martin Harris ary i David Whitmer rehefa avy nahita ilay takelaka volamena. Inona avy ireo fahamarinana izay azontsika ijoroana ho vavolombelona? Resaho ny fomba nizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona tamin’ny hafa ary asao ireo ankizy hizara izay traikefa ananan’izy ireo.

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra iray izay nianaran’izy ireo avy amin’ny lesona androany. Asao izy ireo hizara ny fomba nanaovany izany amin’ny lesona manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Avelao ny ankizy hazoto handray anjara. Afaka manorina zavatra avy amin’ny toetran’ny ankizy tia mandray anjara ianao ka manasa azy ireo hilalao tantara na hanao fihetsika izay mifanaraka amin’ny hira iray na andinin-tsoratra masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26