Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19: “Lehibe ny hasarobidin’ny olona”


“22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19: -Lehibe ny hasarobidin’ny olona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris

Toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris, nataon’i Al Rounds

22–28 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19

“Lehibe ny hasarobidin’ny olona”

Angataho ny Ray any An-danitra hanampy anao hahita fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19 izay hanan-danja manokana amin’ireo ankizy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:2, dia hazavao fa ny Fanahy dia nanampy an’i Oliver Cowdery hahafantatra fa ny soratra masina dia marina. Lazao amin’ny ankizy ny fotoana iray nijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona taminao fa marina ny soratra masina. Avelao izy ireo hizara zavatra niainana izay nahatsapany fa marina ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12

Isika tsirairay avy dia tena sarobidy tokoa amin’ Andriamanitra.

Rehefa mahafantatra ny ankizy fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra, ary tia ny zanany rehetra, dia matoky tena kokoa izy ireo ary tsara fanahy kokoa amin’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamerimberina miaraka aminao im-betsaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10. Hazavao fa ny hoe “olona” dia hoentina hilazana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Avereno miaraka amin’ny ankizy ny andininy 10, fa amin’ity indray mitoraka ity kosa dia soloy ny anaran’ny ankizy ilay hoe “olona.” (Jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.)

  • Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay heverin’ny olona ho sarobidy. Dia avelao izy ireo hifandimby hijery fitaratra, ka rehefa manao izany izy ireo dia lazao amin’ny ankizy tsirairay avy fa izy dia zanak’ Andriamanitra ary tena sarobidy Aminy. Mijoroa ho vavolombelona fa izy ireo dia mbola manan-danja kokoa amin’ny Ray any An-danitra mihoatra noho ireo zavatra rehetra izay neritreretin’izy ireo teo aloha teo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13–16.

Mitondra fifaliana lehibe ny fizarana ny filazantsara.

Ahoana no hanentananao ny ankizy mba hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy ary hiaina fifaliana lehibe?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny zavatra iray izay mitondra fifaliana ho anao. Avelao ny ankizy hilaza aminao zavatra iray izay mitondra fifaliana aminy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13, 16. Inona no mitondra fifaliana ho an’ny Tompo? Inona no lazainy fa hitondra fifaliana ho antsika?

  • Iaraho mihira ny hira iray momba ny asa fitoriana, toy ilay hoe “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90), dia ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany mizara ny filazantsara, ka tafiditra amin’izany ny ao amin’ny tokantranony. Lazao ny fotoana iray nizaranao ny filazantsara, ary avelao ny ankizy hizara ihany koa ny zavatra niainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19, 23–24

Nankatò ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy, na dia tamin’ny fotoana naha-sarotra izany aza.

Ny fahavononan’ny Mpamonjy “hisotro ilay kapoaka mangidy sy [tsy] hitakemotra” (andininy 18) dia ohatra ho antsika rehetra amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra. Diniho ny fomba hanentananao ny ankizy hanaraka ny ohatr’i Jesoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy mijaly ao Getsemane (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asaivo tenenin’ny ankizy aminao izay fantatr’izy ireo momba izay zava-mitranga ao amin’io sary io. Fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19 momba ny fijaliany. Antitrantero fa ny fijaliana ho an’ny fahotantsika no zavatra sarotra indrindra nataon’ny olona iray, fa noho ny fitiavan’i Jesoa ny Rainy sy ho antsika anefa dia nankatò ny sitrapon’ Andriamanitra Izy. Ahoana no fomba ahafahantsika mankatò ny Ray any An-danitra?

  • Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra atao tsotra izay mifandray tsara amin’ireo andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23. Vakio im-betsaka ilay andininy eo am-panatanterahan’ireo ankizy ilay zavatra atao. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahantsika mianatra avy amin’i Kristy ary mihaino ny teniny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12

Isika tsirairay avy dia tena sarobidy tokoa amin’ Andriamanitra.

Olona betsaka no mijaly noho ny fahatsapan-tena ho tsy manan-danja; ny hafa kosa dia ratsy fanahy amin’ny olona izay tsy mitovy aminy. Ny hafatra mahery vaika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10 dia afaka manova ny fijerintsika ny tenantsika sy ny olona manodidina antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo soratan’ny ankizy tsirairay amin’ny taratasy kely ny anarany ary ampitapitao amin’ny mpianatra rehetra ireo taratasy ireo. Asao izy ireo hanoratra amin’ilay taratasy voarainy ny zavatra iray tiany momba io olona io. Amporisiho izy ireo mba ho tsara fanahy sy feno fitiavana rehefa maneho hevitra. Dia ampio ireo ankizy avy eo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12, ary asao izy ireo hizara izay nianarany mikasika ny fahatsapan’ Andriamanitra momba antsika. Hazavao fa isika rehetra dia tena sarobidy tokoa amin’ Andriamanitra satria zanany isika.

  • Ampisehoy zavatra izay tena sarobidy aminao ny ankizy. Ahoana no fomba handraisantsika ny zavatra izay sarobidy amintsika? Angataho ny ankizy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10. Ahoana no ahafahantsika mampiseho ny hafa fa “lehibe ny hasarobidin[y]” eo imasontsika?

    Sary
    i Jesoa mitantana ankizilahy

    Ny hasarobidin’ny olona iray, nataon’i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19

Nijaly noho ny amiko i Jesoa Kristy.

Ahoana no hanasanao ny fanahin’ny fanajana ao amin’ny kilasy ampianarinao mba hahafahan’ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona amin’ny ankizy fa nanefa ny saran’ny fahotan’izy ireo i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ny tantaran’i Jesoa Kristy nijaly ho an’ny fahotantsika (jereo ny “Toko 51: I Jesoa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 129–32, na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy hilaza ilay tantara indray amin’ny teniny manokana, dia asao izy ireo avy eo hamaky ny fomba namariparitan’ny Mpamonjy ny zavatra niainany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Inona no ianarantsika avy amin’ilay famariparitana nomeny?

  • Asao ny ankizy hanakimpy ny masony eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 ka hieritreritra momba ny fahatsapany mikasika ny Mpamonjy. Ampio ny ankizy hitady ao amin’ny Cantiques na ny Bokin-kiran’ny ankizy hira izay manampy azy ireo haneho ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny fanoroam-pejy araka ny lohahevitra ao amin’ireo boky ireo). Asao ny ankizy hihira ireo hira nosafidiany ary hijoro ho vavolombelona.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahatelo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26, 34–35, 38

Lehibe noho ireo harena eto ambonin’ny tany ireo fitahian’ Andriamanitra.

Lafo be ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna, ka tsy nanam-bola hanatontosana izany i Joseph Smith. Nangataka an’i Martin Harris ny Tompo “[hanome] ny ampahany amin’ny fananan[y],” dia ny toeram-pambolena sy fiompiany izay niroborobo tokoa izany, mba hanefana ny volan’ny mpanao printy (andininy 34). Nahazo fitahiana tsy tambo isaina isika noho ny fahafoizana nataon’i Martin sy ny olona maro hafa koa.

Asa atao azo tanterahina

  • Manorata fanontaniana toy ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26, 34–35, 38: Inona no nasain’ny Tompo ataon’i Martin Harris? Nahoana Izy no nangataka azy hanao izany? Inona no nampanantenainy ho setrin’izany? Asao ny ankizy hiara-hiasa amin’ny namana iray mba hitadiavana ny valiny ao amin’ireo andininy ireo. Anontanio azy ireo izay mety ho tsapany raha toa teo amin’ny toeran’i Martin Harris izy ireo.

  • Mampisehoa Bokin’i Môrmôna iray amin’ny ankizy ary teneno amin’izy ireo ny zavatra iray tianao momba azy io. Asao izy ireo hizara ny fahatsapany momba ilay boky. Resaho mandritra ny fotoana fohy ny fahafoizana nataon’i Martin Harris nahafahana namoaka printy ny Bokin’i Môrmôna (Histoires des Doctrine et Alliances, 33). Inona no nolazain’ny Tompo tamin’i Martin ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38 ka mety nanampy azy mba ho mahatoky sy mpankatò? Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azony afoy mba hankatoavana an’ Andriamanitra na hanampiana amin’ny asany.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra olona iray izay azo ampiana avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 na 19—ohatra, ny amin’ny hoe tena sarobidy tokoa isika eo imason’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo hanao drafitra amin’ny fomba hizaran’izy ireo izay nianarany amin’io olona io.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina. Ny ankizy sasany dia manana olana amin’ny famakiana soratra masina. Ny fifantohana amina andininy tokana na andian-teny iray ihany dia mety hanampy azy ireo.

Hamoaka printy