Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: “Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”


“1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: -Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
tranon’i Peter Whitmer

Tranon’i Peter Whitmer, nataon’i Al Rounds

1–7 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22

“Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22 ianao mandritra ity herinandro ity dia mety hisy hevitra hoenti-mampianatra tonga ao an-tsainao. Afaka mahita hevitra hoenti-mampianatra fanampiny ianao ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary angataho ny ankizy hizara izay fantany mikasika ny fitsanganan’ny Fiangonana. Mba hahazoana fanampiana dia jereo ny “Chapitre 9: L’Eglise veritable de Jésus-Christ” (Histoires des Doctrine Et Alliances, 40–42).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21

Tafaverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ny 6 aprily 1830 dia nivory niaraka tamin’olona hafa i Joseph Smith sy Oliver Cowdery mba hanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny lanjan’io zava-nitranga io?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny sasin-tenin’ny fizarana an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 na ny chapitre 9 ao amin’ny Histoires des Doctrine et Alliances mba hilazana fohifohy amin’ny mpianatra ny zava-nitranga nandritra ilay andro nitsanganan’ny Fiangonana.

  • Lazao amin’ny ankizy ny antony maha-feno fankasitrahana anao noho ny fananantsika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Farany. Hazavao fa ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manomana antsika hiaina hiaraka amin’ Andriamanitra indray. Ampio izy ireo hamerimberina ny andian-teny hoe “Izaho dia mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” im-betsaka na hihira ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 71–74

Miomana ny hatao batisa aho.

Miomana ny hatao batisa ireo ankizy ampianarinao. Ampio izy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe atao batisa ary ny zavatra azony atao mba ho vonona.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina ankizy atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 104), dia asaivo manao fanamarihana izay zavatra tsikariny ny ankizy. Vakio na fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:71–74, dia ampio ny ankizy hahita ny fifandraisan’ireo torolalana ao amin’ireo andininy ireo amin’ilay sary. Mijoroa ho vavolombelona fa tokony hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika ka atao batisa amin’ny fomba izay nandidiany.

  • Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Inona no ianarantsika avy amin’io andininy io mikasika ireo olona izay maniry ny atao batisa? Mampisehoa sary maneho ny fomba ahafahan’ny ankizy miomana ho amin’ny batisa, toy ny hoe manompo ny hafa sy mivavaka.

  • Mihirà hira momba ny batisa, toy ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53). Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ny hoe atao batisa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra kokoa ny antony handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77. Asaivo mitsangana izy ireo rehefa mahare ny zavatra tokony ataontsika rehefa mihinana ny mofon’ny fanasan’ny Tompo. Ataovy toy izany koa ny andininy 79. (Mety mila manamarika ianao fa rano no sotrointsika fa tsy divay.) Ahoana no ahafahantsika maneho fa mahatsiaro an’i Jesoa isika?

  • Lazao amin’ny ankizy ny fotoana iray nanaovanao fampanantenana ka nanajanao izany. Asao izy ireo hilaza tantara azy ireo manokana mitovy amin’izany koa. Hazavao fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao fampanantenana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, ka antitrantero ireo fampanantenana ataontsika ny “hahatsiaro Azy mandrakariva” ary ny “hitandrina ny didiny.” Asao ny ankizy hizara ny fotoana iray nahatsiarovany ny Mpamonjy na nankatoavany didy iray.

    Sary
    ankizy mandray ny fanasan’ny Tompo

    Mampahatsiahy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21

Tafaverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ho fankatoavana ny baikon’ny Tompo dia nanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, tamin’ny 6 aprily 1830, i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ary olona hafa. Diniho ny fomba hanampiana ny ankizy hahita ny fomba nitondran’izany tranga izany fitahiana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampahatsiahivo ny ankizy ireo zava-nitranga manan-danja sasany izay efa nianaran’izy ireo—toy ny namerenana ny fisoronana tamin’ny laoniny na ny nandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana ireo zavatra ireo no nila nitranga izay vao afaka natsangana ny Fiangonana?

  • Mampisehoa sarina zavatra ataontsika ao amin’ny Fiangonana ka voafariparitra ao amin’ny fizarana 20, toy ny fianarana momba an’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy, fanompoana, batisa, ary fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ampio ny ankizy hampifandray ireo sary ireo amin’ny soratra masina izay manoritsoritra azy, toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–21, 47, 70, 72–74, 75–79, ary ny sasin-tenin’ny fizarana 21. Inona no fitahiana ananantsika noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika?

  • Iaraho mihira ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77, 79

Nampanantena ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho tamin’ny natao batisa.

Maro amin’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao no efa vita batisa. Ampahatsiahivo azy ireo ilay fanekempihavanana nataony “ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà mpianatra vitsivitsy ho vonona hizara izay tsapany na niainany tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy. Azon’izy ireo atao koa angamba ny mitondra sary tamin’ny andro nanaovana batisa azy ireo mba hampisehoana ny iray kilasy. Nahoana izy ireo no nisafidy atao batisa? Nitahy azy ireo tamin’ny fomba ahoana ny hoe vita batisa ary nandray ny Fanahy Masina?

  • Iaraho vakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, ary asaivo fantarin’ny ankizy ireo fampanantenana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa misy zavatra azony atao isan’andro mba “hahatsiaro[vana an’i Jesoa Kristy] mandrakariva,” dia manasà mpianatra iray hilalao an-tsehatra ny zavatra iray azony atao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy. Asaivo mamantatra ny hafa hoe inona ilay zavatra. Araka ny andininy 77, dia amin’ny fomba ahoana isika no voatahy rehefa mahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva?

  • Ampio ny ankizy hampitaha ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 amin’ny andininy 77 mba hahitana andian-teny izay miverina ao amin’ireo soratra masina roa ireo. Ampisehoy zavatra izay ahitana anarana eo aminy ny ankizy (toy ny anaram-barotra na anarana fiantso). Inona no lazain’ilay anarana amintsika momba ilay zavatra? Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mba hahitana hoe anaran’ Iza no hoentintsika eo amintsika rehefa atao batisa isika. Midika inona ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika? Tokony hanao ahoana ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika noho ny fananantsika an’io anarana io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6

Voatahy aho rehefa manaraka ny mpaminany.

Ahoana no hanampianao ny ankizy handray ireo fitahiana ampanantenaina ao amin’ireo andininy ireo ho an’ireo izay manaraka ny mpaminany?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Didy ary Fitahiana. Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6, hitadiavana ireo didy izay nomen’ny Tompo ary ireo fitahiana nampanantenainy. Asao izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany.

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany ankehitriny, ary asao ny ankizy hizara zavatra iray izay nianarany na henony avy aminy vao tsy ela. Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5. Asao ny ankizy hanoratra na hanao sary ny zavatra iray azony atao mba hanarahana ny mpaminany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa rehefa manaraka ny mpaminany isika, dia manaraka ny Mpamonjy isika izay.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanao ny lisitr’ireo antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny. Amporisiho izy ireo hizara ny lisitra nataony amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny namany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara hampianarana ilay fotopampianarana. “Ny tantara dia manampy ny ankizy hahita ny fihatran’ny filazantsara eo amin’ny fiainana andravanandro. … Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia mandrafeta fomba hampandraisana anjara ny ankizy ao amin’ilay tantara. Ohatra, afaka mihazona sary na mamerina andian-teny na milalao an-tsehatra ny ampahany kely amin’ilay tantara izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy