Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26: “Fampaherezana ny fiangonana”


“8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26: -Fampaherezana ny fiangonana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Emma Smith

8–14 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

“Fampaherezana ny fiangonana”

Eo am-piomananao hampianatra, dia diniho ny hampiasa ireo asa atao amin’ireo fizarana “Ankizy lehibe” sy “Ankizy kely”.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny sarin’i Emma Smith (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ny ankizy hizara izay fantany momba azy, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra mety nianarany rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 tamin’ny herinandro lasa teo. Ny “Chapitre 13: Joseph et Emma” (Histoires des Doctrine et Alliances, 51–55) dia afaka manampy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:6; 26:1

Tian’ Andriamanitra aho hivavaka sy hianatra avy amin’ny soratra masina isan’andro.

Nanoro hevitra ireo mpitarika sy naman’ny Fiangonana tany am-piandohan’ny Fiangonana ny Tompo hivavaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:6) sy handalina ny soratra masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1). Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatonga ny vavaka sy ny soratra masina ho ampahany ao amin’ny fiainan’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:6, manomboka amin’ilay hoe “tsy maintsy mivavaka.” Ampio izy ireo hamantatra ireo fomba sy toerana samihafa nolazain’ny Tompo fa tokony hivavahantsika. Asao izy ireo hanao ny sariny mivavaka ao amin’ny iray amin’ireo fomba na toerana ireo.

  • Raha ilaina dia hazavao amin’ny ankizy ny fomba fivavahana. Mety hanampy ny hira iray momba ny vavaka, toy ny “Mivavaka am-pinoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 141).

  • Vakio amin’ny ankizy ny hoe: “Tsy maintsy atokanareo ny fotoanareo handinihina ny soratra masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1). Lazao azy ireo ny antony handalinanao ny soratra masina. Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba izay azony ianarana avy amin’ny soratra masina, na dia mbola tsy afaka mamaky izany aza izy ireo.

  • Iaraho mihira ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66) na hira hafa momba ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina. Ampio ny ankizy hahita ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ilay hira. Lazao azy ireo ny fahatsapana ara-panahy nanananao rehefa nivavaka sy namaky ny soratra masina ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12

I Jesoa dia tia “ny hiran’ny fo.”

Nilaza ny Tompo fa “zavatra ankasitraha[ny]” ny hira masina. Ampio ny ankizy hahita fa ny mihira dia tsy zavatra mahafinaritra fotsiny fa fomba hitsaohana Azy ihany koa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy tsirairay avy hizara ny hiran’ny Fiangonana na hiran’ny Kilonga tiany indrindra, dia iaraho mihira ny sasany amin’izany. Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12, ary asao izy ireo haka sary an-tsaina ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa rehefa mahare antsika mihira ireo hira ireo Izy Ireo.

  • Ampianaro ny ankizy ny hira iray momba ny fihirana, toy ny “Ndao hihira sy hanandra-peo” (Bokin-kiran’ny ankizy, 124), na hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21). Asao izy ireo hihira ilay hira miaraka amin’ny fianakaviany mandritra ity herinandro ity.

    Sary
    ankizy mihira

    Ny fihirana dia fomba iray ahafahantsika mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13, 15

Afaka miomana hanao fanekempihavanana masina aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia eo am-piomanana hanao ny fanekempihavanany voalohany amin’ny Ray any An-danitra rehefa atao batisa. Ahoana no fomba hanampianao azy ireo hahita ny maha-sarobidy ireo fanekempihavanantsika?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13. Hazavao fa ny teny hoe “mifikira” ao amin’io andininy io dia milaza fihazonana mafy ny zavatra iray. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra dia ampitapitao manodidina ny efitra fianarana ny zavatra mafy iray, toy ny vato (na anja-by mihitsy aza) ary asao ny ankizy hihazona ilay zavatra araka izay mafy indrindra vitany. Hazavao fa ny fifikirana amin’ireo fanekempihavanantsika dia midika hoe mihazona (na mitandrina) ireo fampanantenana ataontsika amin’ny Ray any An-danitra ary tsy mamotsotra izany mihitsy (na tsy milavo lefona mihitsy).

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity hampianarana ireo ankizy momba ireo fotoana hanaovantsika fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:15, ary hazavao fa ny “satroboninahitry ny fahamarinana” dia milaza ny fitahiana amin’ny fiverenana miaina miaraka amin’ Andriamanitra Mpanjakantsika any An-danitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3–7; 25:7

Tian’i Jesoa aho hankahery ireo manodidina ahy.

Tany am-piandohan’ny fitsanganan’ny Fiangonana dia tsy dia betsaka ny mpikambana. Nangataka ireo Olomasina ny Tompo mba hanorina ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara ary ny fifankaherezana. Afaka manao toy izany koa isika amin’izao vanin’andro izao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo tadiavin’ny ankizy ny fisehoan’ny teny hoe “fanentanana” sy “hanentana” rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3–7; 25:7. Ampio izy ireo hanome famaritana ho an’ireo teny ireo. Mety hankahery ny olona iray amin’ny fomba ahoana ny fanentanana azy? Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny “fanentanana” olona iray, fa atao am-pitiavana anefa izany.

  • Ahoana no fomba ahafahantsika mahavita misimisy kokoa amin’ny asa fampatanjahana ny mpikamban’ny Fiangonana hafa? Mba hanehoana tsaratsara kokoa izany fitsipika izany dia omeo asa atao iray izay mitaky olona mpanampy maro ny ankizy iray. Dia asaivo manampy ny ankizy hafa avy eo, ary ifanakalozy hevitra ny hoe tena lasa mora kokoa ny fanaovana ilay asa. Zarao ny zavatra niainana iray izay nampatanjahana anao noho ny asa fanompoana nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1, 8

Afaka manandratra ahy “hiala [ao] amin’ny fijalia[ko]” ny Mpamonjy.

Niaina fisedrana maro i Joseph Smith, saingy “[naharitra] [t]amin’ny fahoriana” izy satria nampanantena ny hiaraka aminy foana ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fijaliana sy olana sasantsasany natrehan’i Joseph Smith sy ireo Olomasina hafa tany am-piandohan’ny Fiangonana (jereo ny “Chapitre 11: D’autres personnes deviennent membres de l’Eglise,” Histoires des Doctrine et Alliances, 46–47, na ilay horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Dia asao izy ireo hijery ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph momba ny fijaliany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1, 8. Ahoana no fomba ahafahantsika mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy rehefa miatrika fotoan-tsarotra isika?

  • Mba hampianarana ny ankizy fa indraindray isika dia mila “mahar[itra] amin’ny fahorian[tsika],” dia azonao aseho ilay horonan-tsary hoe “Continue in Patience” (ChurchofJesusChrist.org). Asaivo mieritreritra zavatra iray izay tena iriany mafy ny ankizy nefa tsy maintsy miandry izy ireo vao afaka mahazo izany. Nahoana ny Tompo indraindray no mitaky antsika mba haharitra mandritra ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no fomba hampahafantarany antsika fa “momba an[tsika] hatrany” Izy mandritra ireo fahoriantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13

Afaka “mifiki[tra] amin’ny fanekempihavanana” izay nataoko aho.

Fotoana fohy taorian’ny nahavitana ny batisan’i Emma Smith dia niteny taminy ny Tompo hoe: “Mifikira amin’ny fanekempihavanana izay efa nataonao.” Diniho hoe ahoana no ahafahan’izany torohevitra izany mitahy ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13, dia anontanio ny ankizy ny dikan’ny hoe “mifikira amin’ny fanekempihavanana” ataontsika ao amin’io andininy io. Mba hanehoana izany tsaratsara kokoa dia ampitapitao amin’ny ankizy ny zavatra izay mifatotra mafy tsara ary avelao izy ireo hanandrana hamaha izany. Nahoana ny teny hoe “mifiki[tra]” no teny tena tsara hamariparitana ny tokony ho tsapantsika momba ireo fanekempihavanantsika?

  • Raha ilaina dia ataovy famerenana miaraka amin’ny ankizy ireo fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa isika (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). Midika inona ny hoe “mifiki[tra]” amin’ireo fanekempihavanana ireo?

  • Ataovy famerenana miaraka ireo zavatra sasany fantatrao momba an’i Emma Smith (jereo ny “Chapitre 13: Joseph et Emma” [Histoires des Doctrine et Alliances, 51–55], na ny horonan-tsary mifandraika amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Omeo andininy iray na roa avy amin’ny fizarana 25 ny ankizy tsirairay, ary asao izy ireo hizara ny hoe mety nanampy an’i Emma “[h]ifiki[tra] amin’ny fanekempihavanana” nataony tamin’ny fomba ahoana ny torohevitra sy andraikitra avy amin’ny Tompo. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy haka ny andininy tiany indrindra izay nataonareo fifanakalozan-kevitra, sy hanoratra ny toko sy andininy, ary hizara izany amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny namany.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana dia ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo mba haneho fanajana am-pahanginana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’i Jesoa anankiray.

Hamoaka printy