Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28: “Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”


“15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28: -Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Joseph Smith

15–21 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28

“Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”

Ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28 dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelon’ireo ankizy ampianarinao. Eo am-pandinihanao ny zavatra ilain’ny ankizy, dia inona no fahamarinana tsapanao fa tokony ifantohana ao an-dakilasy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny sarin’ny mpaminany ankehitriny. Asao ny ankizy hanome ny anaran’ireo olona ao amin’ny sary ary hizara ny zavatra izay ataon’ny mpaminany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Ny ankizy kely dia afaka mianatra ny lanjan’ny fanasan’ny Tompo ary mitady fomba hahatsiarovana ny Mpamonjy mandritra io ôrdônansy masina io.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny ankizy ny sarin’i Jesoa manome ny fanasan’ny Tompo an’ireo Apôstôliny (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 54). Mety hanao ahoana izany hoe mandray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny Mpamonjy izany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2, manomboka amin’ny hoe “mahatsiaro eo anoloan’ny Ray,” dia asaivo henoin’ny ankizy ny zavatra tian’ny Mpamonjy ho tsaroantsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika.

  • Ampisehoy mofo sy rano ny ankizy ary sarin’ny Mpamonjy. Avelao ny ankizy hihazona ilay sary rehefa mampianatra azy ireo ianao fa ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azony atao mba hahatsiarovana an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo. Inona no ataon’ny fianakavian’izy ireo mba hifanampiana haneho fanajana? Asao ny ankizy hanao sary iray izay azony jerena mandritra ny fanasan’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra dia miaro ahy.

Mieritrereta fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahita fa ny fitandremana ireo didy dia toy ny fitafiana ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy sarina fiarovan-tena ny ankizy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 ianao dia ampio ny ankizy hahita ireo singa ao amin’ilay fiarovan-tena ao amin’ilay sary. Lazao amin’ny ankizy ny fomba nanampian’ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra anao “hahatant[y] ny andro mahory” (andininy 15).

  • Ny rindran-damina ho an’ny Efesiana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 dia ahitana pejin’ny asa atao momba ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra. Hetezo ireo singa ao amin’ilay fiarovan-tena, ary avelao ny ankizy hametraka izany eo amin’ilay sarin’olona eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18. Ampio ny ankizy hahatakatra ireo zavatra izay azony atao mba hitafiana ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra, toy ny mivavaka, misafidy ny marina, manompo ny hafa, sy ny sisa.

    Sary
    ankizy milalao

    Afaka mitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra aho.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–7

Mitarika ny Fiangonana ny mpaminany.

Moa ve ireo ankizy ampianarinao mahafantatra ny antony ananantsika mpaminany? Ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 hanampiana azy ireo hahafantatra fa ny mpaminany no hany olona afaka mitarika ny Fiangonana.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio na lazao amin’ny teninao manokana ny tantaran’i Hiram Page (jereo ny “Chapitre 14: Le Prophète et les révélations pour l’Eglise,” Histoires des Doctrine et Alliances, 56–57). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nisafidy an’i Joseph Smith hitarika ny Fiangonana tamin’ny androny ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny mpaminany ankehitriny dia voantso hanampy ny Tompo hitarika ny Fiangonany amin’izao androntsika izao.

  • Asaivo milalao ny “araho ny mpitarika” ny ankizy—mitsangana eny aloha ny ankizy iray, ary ny ankizy ambiny dia haka tahaka izay ataony. Izany dia mety hitarika ho amin’ny resadresaka momba ny antony hanarahantsika ny mpaminany. Azonao aseho ny sarin’i Jesoa Kristy ary antitranterina fa manaraka ny mpaminany isika satria izy dia manaraka ny Mpamonjy ary milaza ny tenin’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2 manampy ireo ankizy hanana traikefa mana-danja kokoa amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanoratra izay heveriny fa irian’ny Mpamonjy ho fantany momba ny fanasan’ny Tompo. Raha ilaina dia azonao vakiana ny “Fanasan’ny Tompo” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Avelao izy ireo hizara ny sasany amin’ireo zavatra nosoratany, ary asaivo manampy ao amin’ny lisitra nataony izy ireo rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2. Hiantraika amin’ny fandraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo isak’alahady amin’ny fomba ahoana ireo zavatra ao amin’ny lisitra nosoratan’izy ireo?

  • Ampio ny ankizy hieritreritra momba ny dikan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo “amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr[’ Andriamanitra]” (andininy 2). Ifanakalozy hevitra ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Inona avy ireo zavatra manelingelina sasany mety hifantohan’ny masontsika sy ny saintsika mandritra ny fanasan’ny Tompo? Inona no azontsika atao mba hampifantohana antsika amin’ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo? Hanampy antsika amin’ny fanarahana Azy isan’andro amin’ny fomba ahoana izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Manampy ahy hanohitra ny ratsy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra.

Ireo ankizy ampianarinao dia hiatrika fitaoman-dratsy maro mandritra ny fiainany manontolo. Ny Ray any An-danitra dia te hanampy azy ireo hanohitra ny ratsy. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 ary hanao ny sarin’ireo singa ao amin’ny fiarovan-tena voalaza ao amin’izany (raha ilaina dia azon’izy ireo atao ny mijery ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Inona no ampianarin’ireo teny mamariparitra ny singa tsirairay amin’ny fiarovan-tena momba ny zavatra ilaintsika mba hiadiana amin’ny ratsy manodidina antsika (ohatra: fahamarinana, finoana, famonjena, sy ny sisa)?

  • Asao ireo ankizy hieritreritra ireo zavatra azony atao mba hanoherana ireo fakam-panahy manodidina azy ireo. Asaivo faranan’izy ireo amin’ny hevitra ananany ny fehezan-teny hoe: “Mitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra isika isan’andro amin’ny alalan’ny …”. Ampio izy ireo hahita fa ny ezaka ataony hanatonana an’i Kristy dia manampy azy ireo hitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7, 15

Ny Ray any An-danitra dia mitarika ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7, 15 dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hahatakatra fa ny olona tsirairay avy dia afaka ny ho tarihin’ny Fanahy Masina, saingy ny fanambarana ho an’ny Fiangonana dia azo amin’ny alalan’ny mpaminany foana.

Asa atao azo tanterahina

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hangataka ny ray aman-dreniny raha toa afaka mampianatra lesona mandritra ny takarivan’ny mpianakavy izay miompana amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao an-dakilasy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ireo hiran’ny kilonga sy fihirana dia afaka manampy ny ankizy amin’ny taona rehetra hahatakatra sy hampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny fomba miavaka. Izany ihany koa dia afaka mihazona ny ankizy hazoto handray anjara amin’ny fianarana.

Hamoaka printy