Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26: “Fampaherezana ny fiangonana”


“8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23-26,-Manamafy orina ny Fiangonana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Emma Smith

8–14 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

“Manamafy orina ny Fiangonana”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26 ianao dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Ahoana no ahafahanao mampihatra ny torohevitra ao amin’ireo fanambarana ireo mba hanamafisana ny maha-mpanaradia anao sy hanamafisana orina ny Fiangonana koa?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia niatrika fanamby vaovao ireo Olomasina—dia ny hanaparitaka ny filazantsara sy hampatanjaka ireo izay efa tafaray tamin’ny Fiangonana, izany rehetra izany raha mbola nitohy ny fanenjehana. Nanatri-maso mivantana ny mpanohitra i Emma Smith . Tamin’ny jona 1830 dia naniry ny hatao batisa i Emma sy ireo olona tao amin’ny fianakaviana Knight. Saingy nanandrana nanakorontana izay tokony ho traikefa masina ireo fahavalon’ny Fiangonana. Voalohany dia nopotehin’izy ireo ilay tohodrano izay natsangana mba hanome rano ampy ho an’ny batisan’ny rano. Na dia taorian’ny nanamboarana ny tohodrano aza dia niara-niangona hihiaka fandrahonana sy haneso ireo natao batisa ireo mpanenjika. Avy eo, rehefa iny handray ho mpikamban’ny Fiangonana an’ireo mpikambana vaovao iny i Joseph, dia nosamborina izy satria hono nanao izay hahatezitra ny fiarahamonina tamin’ny fitoriana momba ny Bokin’i Môrmôna. Toa toy ny fanombohana tsy nitondra fanantenana ho an’ny Fiangonan’ny Tompo vao naverina tamin’ny laoniny izany. Saingy nandritra io fisalasalana sy korontana io, ny Tompo dia nanome teny sarobidy mifono torohevitra sy fampaherezana izay maneho ny “feony ho an’ny rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:16).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:89–90, 94–97.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

Afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny Fiangonan’ny Tompo aho.

Ankehitriny izay efa ho 200 taona taorian’ny nanorenana ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia mitohy ny filana mba “hanamafy orina ny fiangonana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3–5). Ary ity asa ity dia tsy an’i Joseph Smith, sy i Oliver Cowdery, na ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana misy antsika ankehitriny irery ihany, ho antsika rehetra izany. Mandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23-26, dia saintsaino ny torohevitra nomen’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana nentina nanampiana azy ireo hanamafy orina ny Fiangonana. Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao mba handraisanao anjara amin’izany ezaka izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24

Ny Mpamonjy dia afaka mampitraka ahy “hiala tao amin’ny fijalia[ko].”

Tsy maintsy ho enta-mavesatra tokoa ho an’i Joseph Smith ny fitarihana ny Fiangonana nandritra ny fotoana iray tena feno fanenjehana mafy. Tadiavo ireo tenin’ny Tompo izay nampahery azy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24.

Inona no soso-kevitra omen’ireto soratra masina manaraka ireto anao momba ny fomba hanampian’ny Mpamonjy anao hiala ao amin’ny fijalianao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1–3 

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8 

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8 

Isaia 40:28–31 

Môzià 24:14–15 

Ahoana no nanandratan’i Jesoa Kristy anao hiala ao amin’ny fijalianao? Inona no azonao atao mba hanohizana mikatsaka ny fanampiany mandritra ny fotoan-tsarotra?

Sary
I Jesoa nanasitrana olona

Nanasitrana karazana aretina maro Izy, nataon’i J.Kirk Richards

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25

I Emma Smith dia “vehivavy nofinidy.”

Rehefa nanambady an’i Joseph Smith i Emma Hale, dia toa fantany fa hanao fahafoizan-tena maro izy. Tsy nanaraka ny fanirian’ny rainy izy ary natakalony fiainana tsy fantatra izay ho ampitso ny fiainana tsara nananany. Mety nampanontany tena azy ny zavatra nandrasan’ny Tompo taminy tao anatin’ny asa Famerenana amin’ny laoniny. Tadiavo ny valin-teny nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25. Mariho ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 16—mahita zavatra ato amin’ity fizarana ity izay tsapanao fa ny “feony ho [anao]” ve ianao?

Jereo ihany koa ny “An Elect Lady” (horonan-tsary, ChurchofJesusChrist.org); “Thou Art an Elect Lady,” Revelations in Context, 33–39; Joy D. Jones, “Antso mendri-kaja manokana,” Liahona, mey 2020, 15–18.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2

Inona no atao hoe faneken’ny rehetra?

Rehefa mandray antso na fanendrena ao amin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana, dia manana fahafahana hanohana azy ireo amin’ny fananganana tanana isika ho fampisehoana fanohanana. Ny fitsipiky ny fanehoana ny fanohanana sy ny fanekena ampahibemaso no antsoina hoe faneken’ny rehetra. Araka ny nampianarin’ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny fomba fanao rehefa manohana dia tsy fananganana tanana havanana mahazatra fotsiny. Izany dia fanolorantena ny hamporisika sy hanohana ary hanampy ireo izay voafidy” (“This Work Is Concerned with People,” Ensign, May 1995, 51).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:6.Nahoana no tian’ny Tompo isika hivavaka “eo amin’ny fianakavian[tsika] sy eo anivon’ny naman[tsika] ary amin’ny toerana rehetra”? Mampianatra antsika inona momba ny herin’ny vavaka ny hira “Fitia no ao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 102, na ny hira hafa izay mampianatra antsika momba ny herin’ny vavaka?

Jereo koa ny 2 Nefia 32:8-9; 3 Nefia 18:18–23.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8.Mety hanampy ny fianakavianao ve ny miresaka momba ny dikan’izany hoe “mahareta amin’ny fahoriana” izany? Raha manan-janaka ianao, dia mety hahafinaritra ny mamerina manao ilay fanandramana izay nofariparitan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Mitozoa amin’ny faharetana” ( Liahona, mey 2010, 56; jereo ihany koa ny horonan-tsary ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8 momba ny faharetana? Ahoana no anampian’ny Tompo antsika haharitra amin’ny fahoriantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12.Azonareo hatao ny mihira ny hira tian’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana indrindra ka miresaka momba ny antony maha-“hiran’ny fo” izany ho azy. Ahoana no mahatonga ireo hira ireo ho “vavaka ho [an’ Andriamanitra]”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2.Mety hanampy ny mijery ny “Faneken’ny rehetra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no ampisehoantsika ny fanohanantsika ireo mpitarika antsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ndao hihira sy hanandram-peo,” Bokin-kiran’ny ankizy, 124 ( jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina).

Sary
sary famantarana ny feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feo’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Emma Hale Smith

Ny tenin’ny Tompo ho an’i Emma Smith voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 dia maneho ny zavatra tsapan’ny Tompo momba azy sy ny anjara biriky azony entina eo amin’ny asany. Kanefa olona manao ahoana i Emma? Inona no fantatsika momba ny toetrany, ny fifandraisany aman’olona, ny tanjany? Ny fomba iray hahafantarana an’io “vehivavy nofinidy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3) io dia ny mamaky ny tenin’ny olona izay nahafantatra azy manokana.

Sary
Emma Smith

Emma Smith, nataon’i Lee Greene Richards

Joseph Smith Zanany, vadiny

Sary
Joseph Smith

“Faly loatra aho ka tsy haiko akory ny hilaza izany, ary tsapako ho heniky ny hafaliana aho tamin’io alina io, raha noraisiko tamin’ny tanany i, i Emma malalako— izy izay vadiko, eny dia ny vadiko tao amin’ny fahatanorako, ary safidin’ny foko. Zavatra maro no nandalo ao an-tsaiko rehefa mandinika mandritra ny fotoana fohy ireo fitrangan-javatra maro izay tsy maintsy nolalovanay aho. Ny asa mafy sy ny havizanana, ny alahelo sy ny fangirifiriana, ary ny hafaliana sy ny fiononana tsindraindray, izay nitranga nandritra ny fiainanay sy nitahy ny fiainanay. Endrey, tsaroako ireo zavatra tsara sy ratsy rehetra nisy fotoana! Fa teo ihany izy, eny na inona na inona fitsapana nolalovanay dia tsy mba kivy, mafy orina, tsy voahozongozina, tsy miova, ary feno fitiavana.”1

Lucy Mack Smith, rafozambaviny

Sary
Lucy Mack Smith

“Fony izy tanora, ary, noho ny toetra voajanahary tao aminy izay tia manatontosa zavatra na toa inona fahasarotana, dia nazoto tanteraka tamin’ny asan’ny Tompo izy, ary nanolo-tena tanteraka ho an’ny fiangonana sy ny foto-kevitry ny fahamarinana izy. Na inona na inona nataony dia nataony tamin’ny heriny izany ary izy dia tsy mba nanana eritreritra feno fitiavan-tena toy ny hoe: -Tsy mba tokony hahazo tombony mihoatra noho ny hafa ve aho?- Raha nirahina hitory ireo loholona, dia izy no voalohany nanolo-tena hanolo-tanana mba hanampy amin’ny fanafiana azy ireo ho an’ny dian’izy ireo, na inona na inona mety ho fahoriana niainany manokana.2

“Tsy mbola nahita vehivavy toy izany aho teo amin’ny fiainako, izay niaritra karazana zava-manasatra sy zava-tsarotra nandritra ny volana maro, sy nandritra ny taona maro, niaraka tamin’ny herimpo sy fahazotoana ary faharetana tsy voahozongozona izay nataony mandrakariva, satria fantatro ireo zavatra izay tsy maintsy niaretany. Natopatopan’ny onjam-piainana izy ary tsy fantany izay hiafarany. Niaritra ireo zava-tsarotra nateraky ny fanenjehana izy ary nandresy ny fahatezeran’ny olona sy ny devoly, hatramin’ny fiharetana fitsapana maro izay ho nandrendrika vehivavy hafa.”3

Joseph Smith Rainy, rafozandahiny

Ny tsodranon’ny patriarika an’i Emma, notononon’i Joseph Smith Rainy, izay patriariky ny Fiangonana tamin’izany:

“Emma vinantovaviko, hotahian’ny Tompo ianao, noho ny fahatokianao sy ny fahamarinanao; hiara-hotahiana amin’ny vadinao ianao, ary hiravoravo amin’ny voninahitra izay ho avy aminy. Ny fanahinao dia efa nijaly noho ny faharatsian’ny olona amin’ny fitadiavana ny fandravana ny vadinao, ary ny fanahinao manontolo dia efa nirotsaka tao anaty vavaka ho fanafahana azy; mifalia, fa ny Tompo Andriamanitrao no efa nandre ny fitalahoanao.

“Nalahelo ianao noho ny hamafin’ny fon’ny olona ao amin’ny fianakavian-drainao, ary naniry mafy hatrany ny famonjena ho azy ireo ianao. Hihaino ny fitarainanao ny Tompo, ary amin’ny alalan’ny fitsarany dia hataony izay hahitan’ny sasany amin’izy ireo ny hadalany ka hibebaka amin’ny fahotany izy ireo; fa amin’ny alalan’ny fijaliana kosa no hamonjena azy ireo. Ho maro ny andronao; eny, ny Tompo dia hitsimbina anao ambara-pahafapo anao, fa hahita ny Mpanavotra anao ianao. Hifaly dia hifaly amin’ny asa lehiben’ny Tompo ny fonao ary tsy hisy olona hanaisotra ny fifalianao aminao.

“Hotsaroanao mandrakariva ny fiambaniana lehiben’ilay Andriamanitrao tamin’ny famelana anao hiaraka amin’ny zanako lahy rehefa nanolotra ny rakitsoratry ny Nefita ho eo an-tanany ny anjely. Nahita fahoriana be ianao noho ny nakan’ny Tompo taminao ny telo tamin’ireo zanakao; tsy homena tsiny ianao ny amin’izany, satria fantany ny faniriana madio anananao mba hitondra fianakaviana, mba ho voatahy ny anaran’ny zanako lahy. Ary ankehitriny, indro, lazaiko aminao fa izao no lazain’ny Tompo, raha mino ianao dia hotahiana amin’ ity zavatra ity ary hitondra taranaka hafa ho fifaliana sy fahafaham-po ho an’ny fanahinao, ary ho fifaliana ho an’ireo namanao.

“Homena fahatakarana ianao, ary hanana hery hampianatra ireo vehivavy hafa. Ampianaro ny fahamarinana ny ankohonanao, ary ampianaro ny lalan’ny fiainana ireo zanakao, fa ireo anjely masina no hiambina anao; ary hovonjena ianao ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; izany tokoa. Amena.”4

Sary
i Emma Smith miaraka amin’ireo zanany

I Emma Smith miaraka amin’ireo zanany. Fotoana hihomehezana, nataon’ i Liz Lemon Swindle

Sary
I Emma Smith manoratra

Ireo fihirana nosoratan’i Emma, nataon’i Liz Lemon Swindle

Hamoaka printy