Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina ataon’ny mpianakavy dia fomba iray mahery vaika hanampiana ny fianakavianao hianatra ny filazantsara. Ny habetsaky ny fandalinana na ny halavan’ny fandalinana ataonao miaraka amin’ny fianakavianao dia tsy manan-danja noho ny ezaka tsy tapaka ataonareo amin’izany. Rehefa ataonao ampahany manan-danja eo amin’ny fiainam-pianakavianao ny fandalinana ny soratra masina dia hanampy ny olona ao amin’ny fianakavianao hifanakaiky am-po kokoa sy hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ary hanorina ny fijoroana ho vavolombelona ananany ho eo ambonin’ny fanorenan’ireo teniny ianao.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ireo olona ao amin’ny fianakavianao handalina manokana ny soratra masina?

  • Inona no azonao atao mba hamporisihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny zavatra izay ianarany?

  • Ahoana no ahafahanao manamafy ireo fitsipika ianaranao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ireo fotoana ampianaranao isan’andro?

Tadidio fa ny tokantrano no toerana tena tsara hianarana ny filazantsara. Afaka mianatra sy mampianatra ny filazantsara amin’ny fomba izay tsy ho azo tanterahina any amin’ny kilasy any am-piangonana ianao ao an-tokantrano. Mahaiza mamorona zavatra rehefa mieritreritra fomba hanampiana ny fianakavianao hianatra avy amin’ny soratra masina.

Hevitra mikasika ireo asa azo atao

Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina:

Mampiasà hira.

Mihirà hira hanamafisana ireo fitsipika ampianarin’ny soratra masina. Misy hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy omena ao amin’ny rindran-damina isan-kerin’andro. Afaka mametraka fanontaniana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ny tonony ianao. Ankoatra ny fihirana dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ireo hira ny fianakavianao na mihaino ny hira alefa moramora eo am-panaovana zavatra hafa.

Mizara soratra masina manan-danja

Omeo fotoana hizarana andinin-tsoratra masina izay hitany hoe manan-danja nandritra ny fandalinany manokana ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Mampiasa ny teninao manokana

Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hamintina amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra ianarany avy amin’ny soratra masina izay halalininareo.

Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao

Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ireo fomba azo hampiharana ilay andinin-tsoratra masina amin’ny fiainany.

Mametraha fanontaniana

Asao ny fianakavianao hametraka fanontaniana momba ny filazantsara ary avy eo hanokana fotoana hitadiavana ireo andininy izay afaka manampy amin’ny famaliana ilay fanontaniana.

Mampisehoa soratra masina

Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja ary arantio amin’ny toerana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mahita azy matetika izany. Asao ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana hifandimby hisafidy soratra masina mba haranty.

Manaova lisitry ny soratra masina

Iaraho safidiana amin’ny fianakaviana ireo andinin-tsoratra masina maromaro izay tianareo horesahina mandritra ny herinandro ho avy.

Ataovy tsianjery ny soratra masina

Misafidiana soratra masina iray izay manan-danja amin’ny fianakavianao, dia asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao tsianjery izany amin’ny alalan’ny famerenana izany isan’andro na ny fanaovana kilalao fitadidiana.

Mizarà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana

Mitadiava zavatra izay mifandray amin’ireo toko sy andininy izay vakinao miaraka amin’ny fianakavianao. Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ny zavatra tsirairay amin’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.

Misafidiana lohahevitra

Avelao ny olona ao amin’ny fianakavianao hifandimby hisafidy lohahevitra izay hiarahan’ny fianakaviana mandalina. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina hitadiavana andinin-tsoratra masina momba ilay lohahevitra.

Manaova sary

Mamakia andinin-tsoratra masina vitsivitsy miaraka amin’ny fianakaviana ary avy eo dia omeo fotoana ny olona ao amin’ny fianakaviana hanao sarin-javatra izay mifandray amin’ny zavatra izay novakinareo. Manokàna fotoana hiresahana ny sary nataon’ny tsirairay.

Lalaovy an-tsehatra ny tantara iray

Rehefa avy mamaky tantara iray dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hilalao an-tsehatra izany. Aorian’izany dia mifanakaloza hevitra momba ny fomba ifandraisan’ilay tantara amin’ireo zavatra iainan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Mampianatra ny ankizy

Raha misy ankizy madinika ao amin’ny fianakavianao dia ireto misy zavatra atao izay mety hanampy azy ireo hianatra:

Mihira

Ny hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy dia mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Ny rindran-damina tsirairay ao amin’ny ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana hira efa voafantina. Azonao ampiasaina ihany koa ny Ireo lohahevitra any amin’ny faran’ny Bokin-kiran’ny ankizy mba hahitana ireo hira izay mifandray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao. Ampio ny zanakao hampifandray ny hafatra ao amin’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo.

Mihainoa na milalaova tantara iray.

Ny ankizy madinika dia tia tantara, mety ho avy ao amin’ny soratra masina izany na avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ireo gazetibokim-piangonana. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fitantarana tantara. Afaka mitazona sary na zavatra izy ireo, na manao sarin’ny zavatra izay henony, na milalao an-tsehatra ilay tantara na manampy amin’ny fitantarana ilay tantara mihitsy aza. Ampio ny zanakao hahita ireo fahamarinana ara-pilazantsara ao anatin’ireo tantara izay zarainao.

Mamakia soratra masina

Mety tsy tena hahay hamaky teny loatra ny ankizy madinika, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Mety ho mila mifantoka amin’ny andininy na andian-teny manan-danja, na teny iray ianao.

Mijere sary iray na mijere horonan-tsary

Mametraha fanontaniana momba ny sary iray na horonan-tsary iray mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray izay resahinareo. Ohatra, afaka manontany ianao hoe: “Inona no mitranga eo amin’io sary? Mahatonga anao hahatsapa inona izany?” Ny application Bibliothèque de l’Évangile, ny Gospel Media Library ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, sy children.ChurchofJesusChrist.org dia toerana tsara hitadiavana sary na horonan-tsary.

Mamorona

Ny ankizy dia afaka manorina zavatra, na manao sary na mandoko zavatra mifanaraka amin’ny tantara na fitsipika izay ianarany.

Mandraisa anjara amin’ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana

Ny lesona tsotra ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ny fitsipiky ny filazantsara iray izay sarotra takarina. Rehefa manao lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia mitadiava fomba ahafahan’ny zanakao mandray anjara. Hianatra bebe kokoa izy ireo avy amin’ny fanaovana zavatra izay andraisana anjara toy izay mijery fampisehoan-javatra fotsiny.

Milalaova toe-javatra an-tsehatra

Rehefa milalao an-tsehatra toe-javatra iray izay hitranga eo amin’ny fiainany ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fiantefan’ny fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainany.

Averimbereno ireo asa atao

Mety ho mila maheno hevitra imbetsaka ny ankizy madinika vao hahatakatra izany. Ohatra, mety hizara tantara ao amin’ny soratra masina imbetsaka amin’ny fomba samihafa ianao: mamaky soratra masina, mamintina izany amin’ny teninao manokana, mamela ny zanakao hanampy anao hitantara ilay tantara, manasa azy ireo hilalao an-tsehatra ilay tantara, sy ny sisa sy ny sisa.

Ampifandraiso amin’ny tanjon’izy ireo ho an’ny fivelarany manokana

Ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina dia afaka ny hanolotra fanentanam-panahy ho an’ny zatovo sy ny ankizy mba hametraka tanjona ho an’ny fivoaran’izy ireo ara- panahy, ara-batana, ara-tsaina sy ara-tsôsialy (jereo ny Lioka 2:52).

Sary
fianakaviana miara-mitsiky

Mampianatra zatovo

Raha misy zatovo ao amin’ny fianakavianao dia ireto misy zavatra atao izay mety hanampy azy ireo hianatra:

Asao izy ireo mba hampianatra

Matetika dia mianatra kokoa isika rehefa mampianatra zavatra iray toy izay rehefa mihaino ny momba izany fotsiny. Omeo fahafahana ny zatovonao mba hitarika ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny fianakaviana momba ny soratra masina.

Ampifandraiso amin’ny seminera

Amin’ny ity taona ity ny mpianatra seminera dia mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Raha toa ka manatrika seminera ny zatovonao dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay ianarany ao.

Ampiharo amin’ny tena ny soratra masina

Indraindray ny zatovo dia manana fahasahiranana amin’ny fahitana ny fomba ifandraisan’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina amin’ny fiainan’izy ireo. Ampio izy ireo hahita ny fomba ifandraisan’ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina amin’ny toe-javatra iainana izay atrehan’izy ireo any an-trano, any am-pianarana na miaraka amin’ny naman’izy ireo.

Mametraha fanontaniana izay mamporisika ny fisaintsainana

Betsaka ny zatovo izay tia ny fanontaniana izay mamela azy ireo haneho ny ao an-tsain’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo mahakasika ny soratra masina fa tsy mamerina fotsiny ny zavatra izay lazain’ny soratra masina. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe, “Inona no mety ampianarin’ny Tompo anao ao amin’ireo andininy ireo?” na “Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho nanan-danja tamin’ny Olomasina teo anelanelan’ny taona 1830 ka hatramin’ny 1839 io fanambarana io?”

Ampifandraiso amin’ny tanjon’izy ireo ho an’ny fivelarany manokana

Ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina dia afaka ny hanolotra fanentanam-panahy ho an’ny zatovo sy ny ankizy mba hametraka tanjona ho an’ny fivoaran’izy ireo ara- panahy, ara-batana, ara-tsaina sy ara-tsôsialy (jereo ny Lioka 2:52).

Raiso tsara ny fanontaniana apetrak’izy ireo

Ny fanontaniana avy amin’ny zatovo iray dia fahafahana sarobidy mba hizarana ny fahamarinana sy hikatsahana fahatakarana momba ny lohahevitra iray izay tena mahaliana azy. Aza matahotra fanontaniana na manao tsinontsinona izany, na dia toa tsy mifandray amin’ilay lohahevitra resahina aza izany. Raha tsy manana ny valiny rehetra ianao dia tsy maninona izany. Ny tokantrano no toerana tsara indrindra mba hiarahana mitady ireo valim-panontaniana.

Amporisiho izy ireo hizara ny heviny

Ny zatovo dia manana fomba fijery miavaka sy hevi-baovao mba hitondrana anjara biriky amin’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Ampahafantaro azy ireo fa liana amin’ny zavatra izay ampianarin’ny Fanahy azy ireo momba ny soratra masina ianao. Azonao atao koa aza ny mangataka azy ireo mba hizara hevi-baovao avy amin’ny fandalinan’izy ireo manokana.

Aoka ianao ho vonona hitady fomba hafa

Raha toa ianao ka manana zatovo izay tsy mazoto handray anjara amin’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, dia mitadiava fomba hafa mba hifandraisana aminy. Ohatra, afaka miresaka ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy ao amin’ny resaka ifanaovanareo ve ianao na mizara soratra masina manan-danja manokana amin’ny fomba izay tsy toy ny mitory teny be loatra na atao amin’ny feo feno fahefana? Tsy voatery hitovy ny fandalinana ny soratra masina ao amin’ny fianakaviana. Ny ankizy sasany dia mety ho tia kokoa ny fandalinana ny soratra masina raha mandalina izay tsirairay miaraka amin’ny ray na reny. Mivavaha matetika ary araho ny fitarihan’ny Fanahy.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara ianareo dia ho tena fahafinaretana ny andro Sabata nareo rehefa mandeha ny fotoana. Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo ary hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo. Ho lehibe sy hampahery ny fiovana eo amin’ny fianakavianareo” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,,” Liahona, nôv. 2018, 113).

Hamoaka printy