Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny ankamaroan’ireo loharanom-pitaovana ireo dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hira ao amin’ny fihirana sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ireo andiany efa vita printy tamin’ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.orgsy ao amin’ny application Musique Sacree

Boky torolalana ho an’ny Seminera sy Institiota

Ny boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra fampahalalana fototra ara-tantara sy fanazavana ny fotopampianarana ho an’ireo fitsipika sy tantara hita ao amin’ny soratra masina.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ny gazetiboky Namana, ary Liahona dia ahitana tantara sy asa atao izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Sujets de l’évangile

Ao amin’ny Sujets de l’évangile ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Ao ihany koa ny Essais sur des sujets de l’évangile izay manome valiny lalina kokoa an’ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana sy ny tantara.

Tantara avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ny Tantara avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampiasa sary sy fiteny tsotra izay afaka hanampy ny ankizy hianatra avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Afaka mahita ny horonan-tsarin’ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny Gospel Media Library ary ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Boky misy tantara avy ao amin’ny soratra masina ho lokoina: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Io loharanom-pitaovana io dia misy pejy ahitana ny asa atao ho fanatsarana ny fianaran’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ireo asa haikanto, horonan-tsary, ary sary sy feo dia afaka manampy ny fianakavianao hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Gospel Media Library sy ny ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny loharanom-pitaovan’ny Fiangonana ahitana ireo sary sy feo. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia hita ihany koa ao amin’ny the Gospel Media app ihany koa, ary ny sary dia hita ao amin’ny Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara.

Olomasina

Ny Olomasina dia boky maromaro fitantarana ny tantaran’ny Fiangonana. Ny boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, sy ny boky 2, No Unhallowed Hand (Tsy misy tanana tsy mendrika), dia miresaka vanimpotoana mitovy ao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana tahaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo tantara ireo dia afaka hanome anao hevi-baovao amin’ny sehatra manodidina ny fanambarana izay halalininao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Lohahevitra momba ny Tantaran’ny Fiangonana

Lahatsoratra betsaka momba ny olona, ny zavatra nataon’izy ireo, ny toe-tany, sy ireo zava-nitranga teo amin’ny tantaran’ ny Fiangonana no hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy.

Hamoaka printy