Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: “Mihainoa ianareo ry oloko”


“28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: -Mihainoa ianareo ry oloko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

28 desambra–3 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

“Mihainoa ianareo ry oloko”

Raiso ho toy ny teny fanoloran’ny Tompo Izy Tenany mihitsy ho an’ity boky izay mirakitra ireo fanambarany ho an’izao andro farany izao ity ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 . Inona no tian’ny Tompo ho fantatrao momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? Saintsaino io fanontaniana io ary soraty izay mety ho fahatsapana tonga ao aminao eo am-pamakinao ny fizarana 1.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Vao iray taona sy tapany monja ny Fiangonana tafaverina tamin’ny laoniny tamin’ny nôvambra 1831. Na dia teo an-dalam-piroboroboana aza ny Fiangonana, izany dia mbola vondrona mpino tsy dia be mpahalala izay nipetraka tany amina sisin-tany izay vitsy mponina, tarihana mpaminany teo ho eo amin’ny faha-dimy amby roapolo taonany teo. Saingy tamin’ Andriamanitra ireo mpino dia mpanompony sy irakany ary tiany hambara an’izao tontolo izao ireo fanambarana nomeny azy ireo.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 1 no teny fanoloran’ny Tompo ho an’ny fitambaran’ireo fanambarana ireo ary maneho mazava tsara fa na dia vitsy aza ny isan’ny mpikambana dia tsy mba kely kosa raha ny amin’ny hafatra tian’ Andriamanitra hozaraina amin’ny Olomasiny. Izany dia “feo fampitandremana” ho an’ny “mponin’ny tany” rehetra, izay mampianatra azy ireo hibebaka sy hampiorina ny “fanekempihavana[n’ Andriamanitra] maharitra mandrakizay] (andininy 4, 8, 22). “Malemy sy tsotra” ireo mpanompony izay mitondra io hafatra io saingy ny mpanompo manetry tena indrindra no ilain’ Andriamanitra tamin’izany sy ankehitriny mba hamoaka ny Fiangonany “avy ao amin’ny haizimpito” (andininy 23, 30).

Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny tantara ao ambadiky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1, dia jereo ny Olomasina, 1:140–43.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Manasa ahy ny Tompo mba “[handinika] ireo didy ireo.”

Mampahafantatra ny boky iray ny sasin-teny. Izany dia mamaritra ireo lohahevitra sy tanjon’ilay boky ary manampy ny mpamaky hiomana hamaky. Rehefa mamaky ny fizarana 1, izay “sasin-teni[n’y Tompo” ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, (andininy 6) ianao, dia tadiavo ireo lohahevitra sy ireo tanjona nomen’ny Tompo ho an’ireo fanambarany. Inona no ianaranao avy amin’ny fizarana 1 izay hanampy anao hahazo tombontsoa be indrindra avy amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? Ohatra hoe azonao saintsainina ny dikan’ny hoe “handre ny feon’ny Tompo” ao amin’ireo fanambarana ireo (andininy 14) na ilay hoe “[mandinika] ireto didy ireto” (andininy 37).

Jereo ihany koa ny teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–6, 23–24, 37–39

Miteny amin’ny alalan’ireo mpanompony Andriamanitra ary ho tò ny teniny.

Ny Fizarana 1 dia manomboka sy mifarana amin’ny fanambaran’ Andriamanitra fa Izy dia miteny amin’ny alalan’ireo mpanompo voafidiny (jereo ny andininy 4–6, 23–24, 38). Raketo an-tsoratra izay zavatra nianaranao avy amin’io fanambarana momba ny Tompo sy ny feony io. Inona no ianaranao momba ny Tompo sy ireo mpanompony? Oviana ianao no nandre ny feon’ny Tompo tao amin’ny feon’ireo mpanompony? (jereo ny andininy 38).

Sary
fivoriana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Mampianatra antsika ireo didin’ Andriamanitra ireo mpaminany sy apôstôly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:3, 24–28, 31–33

Raha manetry tena aho dia afaka hitondra ahy ho amin’ny fibebahana ny fandevileven’ny Tompo.

Mariho fa ao amin’ny andininy 3 sy andininy 24–28, ny Tompo dia nilaza fa ireo fahotana sy hadisoan’ny vahoakany dia hambara. Maharary sy mampahory ny miaina izany amin’ny lafiny iray ary amin’ny lafiny hafa dia feno fampianarana. Inona no maha-samy hafa be an’ireo toe-javatra ireo? Saintsaino hoe ohatra ny ahoana ny fihetsikao rehefa lasa mahalala ireo fahotanao sy ireo fahalemenao ianao. Inona ireo toetra tsara hitanao ao amin’ny andininy 24–28 izay afaka hanampy anao hanao fihetsika araka ny tokony ho izy? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo sy ny andininy 31–33 anao ny amin’ny eritreritry ny Tompo momba ireo fahalemenao sy ireo fahotanao?

Jereo koa ny Ohabolana 3:11–12; Etera 12:27; Môrônia 6:8.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30, 35–36

Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany mba hanampiana ahy hiatrika ireo fanambin’ny andro farany.

Na dia mampitandrina antsika ny amin’ireo andro sarotra ho avy aza ny fizarana 1 dia mirakitra hafatra mampahery ihany koa manao hoe: “Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, ka niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy” (andininy 17).

Mariho ireo antambo izay nampitandreman’ny Tompo (jereo, ohatra, ny andininy 13–16, 35). Inona ireo antambo hafa hitanao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny na eo amin’ny fiainanao manokana? Ny andininy 17–30 dia manoritsoritra ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao ho fiomanana amin’ireny antambo ireny. Ataovy lisitra ny zavatra hitanao.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–6, 37–39.Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo fampitandremana avy amin’ny Tompo dia azonareo atao ny miresaka ny amin’ireo fampitandremana azontsika avy amin’ny hafa momba ireo loza izay tsy afaka hitan’ny masontsika toy ny hoe gorodona malama, rivo-mahery, na fiara iray manakaiky. Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika momba ireo fampitandreman’ny Tompo? Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–6, 37–39, ohatra ny ahoana no hampitandreman’ny Tompo antsika? Inona no zavatra nampitandremany anao vao haingana? Azonareo atao ny mijery na mamaky ampahany amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana ka mitady ohatra amin’ny “feon’ny fampitandremana” avy amin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:16.Inona no dikan’ny hoe “[m]anorina ny fahamarina[n’ny Tompo”? Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa manao izany isika fa tsy mandeha “amin’ny lalan[tsika] avy”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30.Inona no dikan’ny filazana fa “marina sy velona” ny Fiangonana? Mba hisarihana ny fianakavianao hisaintsaina momba io fanontaniana io dia azonao atao ny mampiseho sarina zavatra miaina sy zavatra tsy miaina. Azonareo atao ihany koa ny mifampiresaka ny amin’ny zavatra azon’ny fianakavianareo atao mba hanampiana “hamoaka [ny Fiangonana] avy ao amin’ny haizimpito.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37.Hevero ny hanaovan’ny fianakaviana drafitra hoe ahoana no handinihana mandritra ity taona ity “ireo didy ireo” izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Amin’ny fomba ahoana no hanaovanareo ny fandalinana ny soratra masina ho anisan’ny zavatra fanao tsy tapaka eo amin’ny fiainam-pianakavianareo? Inona ireo hevitra amin’ny fandalinana izay afaka hanampy anareo hianatra avy amin’ny soratra masina? (Jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina” hita any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.)

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Araho hatrany ny mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58, indrindra fa ny andininy farany.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Ny tanjon’ny soratra masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Hevero ny hanisy marika na soratra fanamarihana amin’ireo andininy izay mampianatra zavatra momba an’i Jesoa Kristy eo am-pamakinao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1.

Sary
Bokin’ireo didy

Natambatra ho ny Bokin’ireo didy ireo fanambarana voalohany ho an’ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny.

Hamoaka printy