Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65: “Hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka”


“11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65: -Ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: 2021

Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia

Niantso ahy tamin’ny anarako Izy, nataon’i Michael Malm

11–17 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65

“Ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy”

Afaka mampianatra anao isak’iny ianao mamaky ny soratra masina iny ny Fanahy Masina, eny na dia ireo soratra masina efa novakina im-betsaka teo aloha aza. Koa aoka ianao hinaino ireo hevi-baovao sy fitaomam-panahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Telo taona no lasana hatramin’ny nisehoan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay ala kely saingy mbola tsy nahazo fanambarana fanampiny izy hatramin’izay. Nanomboka nanontany tena ny amin’ny andraikiny teo anoloan’ny Tompo izy. Nanao fahadisoana toa antsika rehetra izy ary nahatsapa tena ho meloka noho ireny. Kanefa dia mbola nanana asa hampanaovina azy Andriamanitra. Ary ny asa niantsoana an’i Joseph mba hataony dia mifandray amin’ny zavatra angatahin’ Andriamanitra amintsika. Namoaka ny Bokin’i Môrmôna no nataon’i Joseph; inona no nasaina hataontsika amin’izany? Nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana hampitodihana ny fon’ny zanaka amin’ny fon’ny rain’izy ireo i Joseph; ahoana ho hampitodihantsika ny fontsika amin’ireo razambentsika? Nambara tamin’i Joseph ireo faminaniana izay hotanteraka tsy ho ela; inona no anjaranao enti-manampy mba hahatanteraka azy ireny? Rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy hiatrika fanoherana mbamin’ny fanenjehana tahaka ny nataon’ny Mpaminany. Kanefa afaka manam-pinoana ihany koa isika fa ny Tompo dia hanao antsika ho fitaovana eo an-tanany tahaka ny nataony ho an’i Joseph.

Jereo koa ny Olomasina, 1:20–48.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Joseph Smith—Tantara 1:27–33

Manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra.

Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:27–33 ianao dia saintsaino hoe manana asa iray hampanaovina anao Andriamanitra tahaka ny nataony ho an’i Joseph Smith. Saintsaino ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson: “Anontanio ny Rainareo any An-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ny zavatra tsapany momba anareo sy ny asa nanirahana anareo eto ambonin’ny tany. Raha toa ka manontany amin’ny fo feno finiavana ianareo dia hibitsika aminareo ireo fahamarinana izay manova fiainana ny Fanahy. … Mampanantena anareo aho fa rehefa manomboka mahatakatra na dia kely fotsiny aza momba ny fomba fahitan’ny Ray any An-danitra anareo ianareo mbamin’izay andrasany ho ataonareo ho Azy dia hiova tanteraka ny fiainanareo!” (“Becoming True Millennials” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 10 jan. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Indraindray ianao dia mety hahatsapa tena toa an’i Joseph tao amin’ny andininy 28–29. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph momba ny zavatra tokony hatao rehefa tsy mifanaraka amin’ny asa niantsoan’ Andriamanitra mba hataonao ny zavatra ataonao?

Joseph Smith—Tantara 1:34–65

Mirakitra ny “fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay” ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:34–65 ianao dia hevero ireo antsipirian-javatra ao amin’ireo andininy ireo izay mety ho manan-danja aminao raha toa ka mbola tsy nahare mihitsy momba ny Bokin’i Môrmôna ianao taloha. Amin’ny maha-mpino anao dia nahoana io tantara io no maman-danja amin’ny fijoroana ho vavolombelana anananao momba ny Bokin’i Môrmôna?

Saintsaino ny hoe tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Bokin’i Môrmôna ireo faminaniana ao amin’ny Isaia 29:4, 11–18.

Joseph Smith—Tantara 1:36–41

Nanatanteraka ireo faminaniana taloha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Maro amin’ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao no notaterin’i Môrônia tamin’i Joseph, toy ny Isaia 11; Asan’ny Apostoly 3:22–23; ary Joela 2:28–32. Nahoana no mety ho nanan-danja tamin’i Joseph ny nahafantatra ireo faminaniana ireo? Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Inona no naverin’i Elia tamin’ny laoniny?

Toy izao no nolazain’ny Filoha B. Eyring: “Zava-dehibe ny mahafantatra ny antony nahatonga ny Tompo nampanantena fa haniraka an’i Elia. I Elia dia mpaminany lehibe iray izay nomen’ Andriamanitra fahefana lehibe. Nihazona ilay fahefana lehibe indrindra izay omen’ Andriamanitra ny zanany izy: nihazona ny fahefan’ny famehezana izy, dia ilay fahefana hamehy eto an-tany ka hahatonga izany ho voafehy any an-danitra” (“Hearts Bound Together,” Ensign na Liahona, mey 2005, 78).

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; David A. Bednar, “Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako,” Liahona, mey 2020.

Sary
Tempolin’ny Palmyra New York amin’ny fotoam-pararano

Tempolin’ny Palmyra New York. Fehezina any amin’ny tempoly ny fianakaviana amin’ny alalan’ilay hery naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Elia.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Tonga i Elia mba hampitodika ny foko amin’ireo razambeko.

Mampianatra inona anao momba ny iraka notanterahin’i Elia sy ireo fitahiana avy amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay naveriny tamin’ny laoniny ny teny toy hoe “mamboly”, “fo”, ary “mitodika” ao amin’ity fizarana ity? Efa nahatsapa ve ianao fa nitodika tamin’ny razambenao ny fonao? Eritrereto ireo fomba ahafahanao miaina matetika kokoa ny fahatsapana toy izany. Azonao atao ny mangataka havana iray hizara aminao ny tantara iray momba ny iray amin’ireo razambenao, ary mety ho tsaratsara kokoa raha raketinao izany. Azonao atao koa ny mamantatra ny iray amin’ireo razambe efa maty izay tsy mbola nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara ary manatanteraka asa mifanaraka amin’izany any amin’ny tempoly.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Joseph Smith—Tantara 1:28–29.Inona no tsapan’i Joseph Smith momba ireo hadisoany? Inona no nataony noho ireny fahatsapana ireny? Inona no ianarantsika avy aminy momba ny zavatra tokony hatao rehefa manao hadisoana?

Joseph Smith—Tantara 1:33–54.Azonao atao ny mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana hamaky mafy in-efatra amin’ny ampahany na manontolo ny hafatr’i Môrônia ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:33–42 (satria in-efatra namerina io hafatra io i Môrônia). Aorian’ny vakiteny tsirairay dia angataho ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny zavatra tadidin’izy ireo avy amin’ny hafany, ka tsy hijery ny soratra masina. Inona no antony mety hamerenan’ny Tompo im-betsaka ireo hafatra manan-danja? Inona avy ireo fomba hafa sasany ampianarin’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny famerimberenana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2.Mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra ireo “fampanantenana natao tamin’ireo rainy,” dia azonareo atao ny miara-mamaky ny Abrahama 2:9–11 na miara-mijery ny horonan-tsary “Special Witnesses of Christ—President Russell M. Nelson” (ChurchofJesusChrist.org). Fantaro ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra izay anisan’ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama. Ahoana no “hambolen[tsika]” ireny fampanantenana ireny ao am-pontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2–3.Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny fianakaviana hampitodika ny fony amin’ireo rainy (na ny razambeny) dia azonao asaina izy ireo hamantatra momba ny razambe iray na hizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana. Nahoana ny Tompo no maniry ny hamantarantsika ny momba ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ny hanaovantsika ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireny? Ahoana no hitahiana antsika rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ireo asa atao any amin’ny tempoly isika? (jereo ny Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 46–49).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Hanao ny tantaram-pianakaviana aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 100.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina. Afaka manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ireo olona, sy ireo zava-nitranga, ary ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina ny fitaovana toy ireo fanamarihana eny ambany pejy, ny Torolalana ho an’ny soratra masina ary ny ChurchofJesusChrist.org .

Sary
i Môrônia manolotra an’i Joseph Smith ireo takela-bolamena

i Joseph mandray ireo takelaka, nataon’i Gary E. Smith

Hamoaka printy