Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana


“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Ho an’iza ity fitaovana ity?

Ity fitaovana ity dia ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ato amin’ny Fiangonana. Natao hanampiana anao hianatra ny filazantsara izany, na izany ho anao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao. Raha tsy nandalina tsy tapaka ny filazantsara ianao taloha dia afaka manampy anao hanomboka izany ity fitaovana ity. Raha efa manana fahazarana tsara amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao dia afaka manampy anao hahazo traikefa manan-danja kokoa ity fitaovana ity.

Ahoana no tokony hampiasako ity fitaovana ity?

Ampiasao amin’izay fomba manampy anao ity fitaovana ity. Mety ho hitanao fa manampy izany raha atao torolalana na fanampiana amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina na miaraka amin’ny fianakaviana. Azonao ampiasaina amin’ny takarivan’ny mpianakavy ihany koa izany. Ireo rindran-damina dia manasongadina ireo fitsipika manan-danja hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, manolotra hevitra hoenti-mandalina sy asa atao ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny fianakaviana, ary manome toerana hanoratana ireo fahatsapana anananao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia tsy natao hisolo toerana na hifaninana amin’ireo zavatra tsara efa ataonao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana ny fomba handalinanao manokana ny tenin’ Andriamanitra.

Inona no ifandraisan’ity fitaovana ity amin’ny zavatra mitranga ato amin’ny Fiangonana?

Ny rindran-damina ao anatin’ity fitaovana ity dia narafitra mifanaraka amin’ny lamina famakian-teny isan-kerinandro. Manaraka io lamina famakian-teny io ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga sy ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady . Mba hanohanana ireo ezaka ataonao hianarana sy hiainana ny filazantsara any an-tokantrano dia hanome fahafahana anao hizara ireo zavatra niainanao sy ireo eritreritrao ary ireo fanontaniana anananao momba ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalininao tany an-trano ny mpampianatra anao any am-piangonana.

Koa satria in-droa isam-bolana ihany no hampianarana ny Sekoly Alahady, dia afaka misafidy ny handingana na hanambatra ireo fandaharam-pianarana ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady mba hifanaraka amin’ny lamina famakian-teny isan-kerinandro. Mety ho ilaina koa ny hanaovana izany amin’ireo herinandro izay tsy hisian’ny fivoriam-piangonana mahazatra noho ny fisian’ny fivoriamben’ny tsatòka na noho ny antony hafa. Mandritra ireny herinandro ireny dia asaina ianao mba hanohy handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana any an-tokantrano.

Mila manaraka ilay lamina famakian-teny ve aho?

Hanampy anao hamarana ny famakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandra-paha-tapitry ny taona ny lamina famakian-teny isan-kerinandro. Ankoatra izany dia afaka ny hitondra traikefa manan-danja any an-tokantrano, any am-piangonana ary any amin’ny toeran-kafa ny fanarahanao ilay lamina famakian-teny. Kanefa aza mahatsapa tena ho voateriterin’ny lamina famakian-teny. Torolalana fotsiny ihany izy io hanampiana anao tsy handeha haingana na miadana loatra. Ny zavatra tena manan-danja dia ny fianaranao ny filazantsara manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

Sary
mpivady mandalina ny soratra masina

Hamoaka printy