Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75 : “Ianareo ry mpiara-manompo amiko”


“8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75: ‘Ianareo ry mpiara-manompo amiko,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1: 66– 75,” Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Ny renirano Susquehanna

8–14 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

“Ianareo ry mpiara-manompo amiko”

Ny ankizy izay ampianarinao dia miaina toe-javatra samihafa ary samy manana ny zavatra ilainy. Rehefa manomana ianao dia eritrereto ny fomba tsara indrindra ahafahanao manampy azy ireo hianatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13 sy ny Joseph Smith—Tantara 1:66–75.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana izay nahitan’izy ireo olona fantatr’izy ireo natao batisa na nandray tsodranon’ny fisoronana. Ahoana no fomba nandraisan’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ny fisoronana?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Namerina ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny i Jaona Mpanao Batisa.

Ny 15 mey 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa ary nanome azy ireo ny Fisoronana Aharôna. Fomba ahoana no ahafahan’ireo ankizy izay ampianarinao hahazo fitahiana noho ny fianarana an’io zava-nitranga io?

Asa atao azo tanterahina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Ny Fisoronana dia herin’Andriamanitra.

Ireo lesona momba ny famerenana ny Fisoronana Aharôna amin’ny laoniny dia fotoana tsara hanampiana ireo ankizy hahatakatra tsara kokoa hoe inona ny fisoronana ary ahoana no ahafahan’izany hitahy azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà zavatra vitsivitsy ao an-dakilasy, anisan’izany ny fanalahidy iray. Asehoy ireo zavatra ireo ary asaivo mihaino ireo ankizy eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ary mitady ilay zavatra izay voalaza ao amin’ilay soratra masina. Azontsika anaovana inona ny fanalahidy? Mampisehoa sarina zavatra azontsika atao noho ny hoe tafaverina amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna (jereo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity; jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, 103–4, 107–8). Tantarao amin’ireo ankizy ny nahazoanao fitahiana teo amin’ny fiainanao noho ny fisoronana.

  • Mba hanampiana ireo ankizy hianatra ilay andian-teny hoe Ny fisoronana dia herin’Andriamanitra, dia asaivo mitehaka izy ireo isaky ny manonona ny singam-peo tsirairay. Mampisehoa fitaovana iray mandeha amin’ny vatoaratra, dia ampianaro fa toy ny vatoaratra izay manome hery an’ilay fitaovana, ny fisoronana dia mitondra ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana izay tonga teo aminao noho ny fisoronana.

Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Azo atao batisa aho.

Namaky momba ny batisa tao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ka naniry hahalala misimisy kokoa. Azonao ampiana ireo ankizy ampianarinao hitsinjo sahady ny batisan’izy ireo ary hianatra misimisy kokoa momba an’io ôrdônansy masina io.

Asa atao azo tanterahina

  • Alefaso ilay horonan-tsary hoe “Restoration of the Aaronic Priesthood” (ChurchofJesusChrist.org). Ampiatoy tsindraindray ilay horonan-tsary ahafahana mametraka fanontaniana amin’ireo ankizy toy ny hoe “Inona no antony nandehanan’i Joseph Smith sy OIiver Cowdery tany anaty ala?” sy “Ahoana araka ny hevitrao no fahatsapan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery rehefa vita batisa izy ireo?” Asao izy ireo hizara izay mety ho fahatsapany rehefa atao batisa.

  • Tantarao amin’ireo ankizy ny naha-vita batisa an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–74; jereo ihany koa ny “Chapitre 6: Joseph et Oliver reçoivent la prêtrise,” Histoires des Doctrine et Alliances, 26–28). Antitrantero ny fifaliana tsapan’i Joseph sy Oliver, ary tantarao amin’ireo ankizy ny mikasika ny batisanao. Asao izy ireo hanao sary ny tenan’izy ireo rehefa atao batisa indray andro any.

    Sary
    ankizilahy iray atao batisa

    Azo atao batisa aho satria naverina amin’ny laoniny ny fisoronana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; Joseph Smith—Tantara 1:66-72

Namerina ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny i Jaona Mpanao Batisa.

Ny tantaran’ny namerenana ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hahatakatra ireo fahamarinana manan-danja mikasika ny fisoronana sy ireo fanendrena ao amin’ny fisoronana.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka ny Joseph Smith—Tantara 1:66–72, ary asao ny ankizy hanao sary ireo zavatra voasoritra ao amin’ireo andininy ireo. Ary avy eo dia avelao ny ankizy hitantara ilay tantara amin’ny fampiasana ny sary nataon’izy ireo. Asao ny ankizy iray hizara zavatra niainana anankiray tamin’izy nanatrika ny fanendrena olona anankiray tamin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana. Inona no mampitovy an’izany amin’ny fomba nanendrena an’i Joseph sy Oliver araka ny voasoritra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:66-72?

  • Omeo minitra vitsy ireo ankizy hanaovana lisitry ny zavatra rehetra fantatr’izy ireo mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa, dia avy eo avelao izy ireo hizara izay voasoratr’izy ireo. Asao ireo ankizy handeha tsiroaroa hamaky ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto ary hanampy izany ao amin’ny lisitr’izy ireo: Matio 3:13–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; Joseph Smith—Tantara 1:66-72.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Mahazo fitahiana aho amin’ny alalan’ny Fisoronana Aharôna.

Fitahiana maro no azontsika amin’ny alalan’ny Fisoronana Aharôna. Inona no azonao atao hanampiana ireo ankizy ampianarinao hahatakatra fa ireo fitahiana ireo dia lasa tanteraka satria naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana?

Asa atao azo tanterahina

  • Ataovy anaty boaty mila sokafana amina fanalahidy ny sary ahitana batisa sy fanasan’ny Tompo. Ifanakalozy hevitra ny maha zava-dehibe ny fanalahidy; ary avelao ireo ankizy hampiasa ilay fanalahidy hanokafana ilay boaty. Asao ireo ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ka hitady ireo teny sy andian-teny izay mampianatra azy ireo ireo fitahiana azo avy amin’ny Fisoronana Aharôna.

  • Alefaso ilay horonan-tsary hoe “Les bénédictions de la prêtrise” (ChurchofJesusChrist.org), ary angataho ireo ankizy hamantatra ireo fomba ahafahan’ireo olona ao amin’ilay horonan-tsary hahazo fitahiana noho ny fisoronana.

Joseph Smith—Tantara 1:73–74

Afaka manampy ahy hahatakatra ny soratra masina ny Fanahy Masina.

Rehefa vita batisa i Joseph Smith sy Oliver Cowdery dia nampian’ny Fanahy Masina izy ireo hahatakatra kokoa ny soratra masina. Afaka mankahery ireo ankizy izany, izay mety hahita hoe sarotra takarina ny soratra masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà piozila tsotsotra any an-dakilasy ary asao ireo ankizy hanambatra izany miaraka. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia anontanio azy ireo ny mampitovy ny famakiana soratra masina amin’ny fanatambarana piozila. Vakio miaraka ny Joseph Smith—Tantara 1:73–74, ary asao ny ankizy hizara hoe inona no nanampy an’i Joseph sy Oliver hahatakatra ny soratra masina. Inona no azontsika atao mba hikatsahana ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina?

  • Asao ireo ankizy hanao fanamariham-pejy izay azon’izy ireo atao anatin’ny soratra masin’izy ireo mba hampahatsiahy azy ireo hikatsaka ny Fanahy Masina rehefa mamaky. Angamba afaka mahita andian-teny mitaona fanahy izy ireo ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:74 ka azon’izy ireo soratana eo amin’ilay fanamariham-pejy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Raha tsy ampy ny fotoana hamitan’ireo ankizy ilay pejin’ny asa atao ao an-dakilasy dia diniho ny hampitondrana tahadikan’izany any an-trano mba hahafahan’ireo ankizy hanao izany miaraka amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao hanaiky hanova zavatra ary henoy ny Fanahy. Aza mahatsiaro tena ho tsy maintsy mampiasa ireo hevitra ao amin’ity rindran-damina ity. Mahafantatra ireo ankizy ampianarinao ianao; angataho ny Ray any An-danitra hitarika anao ho amin’ireo fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo hianatra fotopampianaran’ny filazantsara sy hanorina finoana.

Hamoaka printy