Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17: “Mijoro[a] ho vavolombelona”


“15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17,-Mijoro ho vavolombelona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo mandohalika mivavaka

15–21 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17

“Mijoro ho vavolombelona”

Ny fianakavian’i Joseph Smith sy ireo namany dia nangataka azy indraindray mba hikatsaka fanambarana mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo. Rehefa mamaky ireo fanambarana ireo ianao, dia diniho hoe inona no fitarihana omen’ Andriamanitra anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia nandroso tsara aza ny asa fandikana, dia nanjary sarotra kokoa tamin’i Joseph, sy i Emma, ary i Oliver ny toe-javatra tao Harmony tamin’ny mey 1829. Nihamafy ny fankahalana avy tamin’ny mpifanolobodirindrina ary nihena ny fanohanan’ny fianakavian’i Emma tetsy an-kilany. Koa satria nahatsapa izy ireo fa tsy azo antoka intsony ny hitoeran’izy ireo tao Harmony, dia nanatona namana iray izay naneho fahalianana tamin’ny asan’i Joseph i Oliver: dia i David Whitmer izany. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny iray tampo aminy tany Fayette, New York, i David, izay tokony ho 160 kilaometatra niala teo. Nihaona tamin’i Oliver izy iray taona talohan’io, ary i Oliver dia nanoratra taratasy maromaro taminy nanomboka teo, nizara ny zavatra niainany raha niasa niaraka tamin’ny Mpaminany. Na i David na ny fianakaviany dia tsy mbola nihaona tamin’i Joseph mihitsy. Kanefa rehefa nanontany i Oliver raha afaka nifindra tany amin’ny tranon-dry Whitmer izy sy i Joseph mba hamita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia tamin-kafaliana no nandraisan-dry Whitmer mianakavy azy ireo tao aminy. Ary ny Tompo dia nahafantatra fa zavatra manan-danja maro no hitranga amin-dry Whitmer ankoatra ny fampiantranoana fotsiny ny Mpaminany. Nanana torolalana mazava ho azy ireo Izy, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17, ary ho avy ny fotoana hahatongavan’izy ireo ho anisan’ireo fianakaviana nampiorina ny Fiangonana ary ho vavolombelon’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ny fianakaviana Whitmer, dia jereo ny Olomasina, 1:68–71.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14

Afaka mandray anjara amin’ny “asa lehibe sy mahatalanjon’” Andriamanitra aho.

Rehefa nihaona tamin’i Joseph Smith i David Whitmer dia tovolahy iray nanokan-tena tamin’ny asany tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny fianakaviana izy. Saingy ny Tompo dia naniry ny hanaovan’i David asa hafa—na dia toy ny fiompiana sy fambolena ihany izany tamin’ny lafiny sasantsasany. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1–4 ianao, dia jereo ny fomba nampitahain’ny Tompo ny asany amin’ny karazana asa efa nahazatra an’i David. Inona no ianaranao momba ny asan’ny Tompo avy amin’io fampitahana io?

Ahoana no ahafahanao “[m]androso ny antsimbilo[nao]”? (andininy 4). Mariho ireo fampanantenana nomena manerana ity fizarana ity ho an’ireo izay “[mikatsaka] ny hampiboroboro sy hampiorina [an’i] … Ziona” (andininy 6).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:2

Ny tenin’ Andriamanitra dia “mailaka sy mahery.”

Ny Tompo dia nampitaha ny teniny tamin’ny “sabatra roa lela” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:2). Inona no ambaran’io fampitahana io aminao momba ny tenin’ Andriamanitra? Ohatra, mailaka sy mahery ary maranitra amin’ny fomba ahoana ny teniny? Ahoana no niainanao ny herin’ny tenin’ Andriamanitra?

Diniho ireo fomba hafa izay amaritan’ Andriamanitra ny teniny. Ohatra, inona no ianaranao momba ny tenin’ Andriamanitra avy amin’ireo fampitahana ao amin’ireto andalana manaraka ireto?

Salamo 119:105 

Isaia 55:10–11 

Matio 4:4 

1 Nefia 15:23–24 

Almà 32:28 

Sary
sabatra eo ambony soratra masina

Nampitahain’ny Tompo tamin’ny sabatra ny teniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7

Ny fiainana mandrakizay no “lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7 ianao, dia diniho hoe nahoana ny fiainana mandrakizay no “lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.” Ity fomba fijery avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity dia mety manampy: “Ao amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambaran’ Andriamanitra dia azo fehezina any amin’ny tempoly sy hiomana hiverina hiara-hipetraka eo anatrehany mandrakizay ny fianakaviana. Izany no atao hoe fiainana mandrakizay!” (“Isaorana anie Andriamanitra,” Liahona, mey 2012, 77).

Hevero ny hanampy soratra masina mifandray amin’ny andininy 7 izay manampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainana mandrakizay (jereo ny “Fiainana mandrakizay” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Inona no ianaranao ka manentana anao hikatsaka ny fiainana mandrakizay?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15–16

Tena sorobidy ny mitondra fanahy ho an’i Kristy.

I John sy i Peter Whitmer dia samy naniry ny hahafantatra izay “ho manan-danja indrindra” eo amin’ny fiainan’izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:4; 16:4). Efa nanontany tena momba izany ve ianao? Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15–16 ianao dia diniho ny antony mahatonga ny fitondrana fanahy ho any amin’i Kristy ho tena manan-danja toy izany. Ahoana no ahafahanao manasa fanahy ho amin’i Kristy?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Mampiasa vavolombelona ny Tompo hampiorenana ny teniny.

Inona no atao hoe vavolombelona? Nahoana ny Tompo no mampiasa vavolombelona eo amin’ny asany? (jereo ny 2 Korintiana 13:1). Saintsaino ireto fanontaniana ireto rehefa mamaky ny tenin’ Andriamanitra amin’ireo Vavolombelona Telo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 ianao. Mety hanampy koa ny mamerina mijery “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Manampy amin’ny fanatontosana ireo “fikasa[na] marina” amin’ny fomba ahoana ireo vavolombelona? (andininy 4).

Fantatrao ve fa nahita ireo takela-bolamena ihany koa i Mary Whitmer? Nasehon’ny anjely Môrônia taminy izany ho fankasitrahana azy tamin’ny fanoloran-tena nataony raha nonina tao an-tranony i Joseph sy i Emma ary i Oliver (jereo ny Olomasina, 1:70–71). Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainany mikasika ny fahazoana teny vavolombelona?

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:73–75; Ulisses Soares, “Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2020.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1–4.Asao ny fianakavianao hitady ireo andian-teny mifandraika amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’ireo andininy ireo? Nahoana ho ampitahain’ny Tompo amin’ny fijinjana ny asany. Inona no azontsika atao mba hanampiana ao amin’ny asany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:2.Ny asa atao ho an’ity andininy ity ao amin’ny “Soso-kevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina” dia mitanisa andalan-tsoratra masina sasany mikasika ny tenin’ Andriamanitra. Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mamaky izany sy mizara izay nianaran’izy ireo. Ahoana no hanentanan’ireo andalan-tsoratra masina ireo antsika mba “hampandry sofina” amin’ny tenin’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6; 16:6.Ireo andininy ireo ihany koa dia afaka mitondra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra izay manan-danja amin’ny fianakavianareo (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17.Mety ho tian’ny fianakavianareo ny manao sary ireo zavatra tsirairay hitan’ireo Vavolombelona Telo (jereo ny andininy 1). Rehefa mamaky ny fizarana 17 ianao dia mitadiava andian-teny izay mampianatra momba ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana ho ahafahantsika ho tonga vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna? Azon’ny fianakavianareo atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary “A Day for the Eternities” (ChurchofJesusChrist.org).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56.

Sary
sary famantarana ny feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny

I Lucy Mack Smith sy ireo Vavolombelona Telo ary ireo Vavolombelona Valo

Nasehon’ny anjely Môrônia tamin’i Joseph Smith, sy i Oliver Cowdery, ary i David Whitmer tao anaty ala teo akaikin’ny tranon-dry Whitmer tao Fayette, New York ireo takelaka volamena. Nitsidika an-dry Whitmer ny ray aman-drenin’i Joseph tamin’io fotoana io. I Lucy Mack Smith, renin’i Joseph dia namariparitra ny fiantraikan’io zavatra niainana mahagaga io teo amin’ireo vavolombelona:

Sary
i Lucy Mack Smith

“Teo anelanelan’ny tamin’ny telo sy tamin’ny efatra tolakandro teo tamin’izay. Nipetraka tao amin’ny efitra fatoriana iray izaho sy Ramatoa Whitmer ary Andriamatoa Smith. Nipetraka teo an-jorom-pandriana aho. Rehefa niditra i Joseph dia nitorevaky ny havizanana teo akaikiko izy. -Dada! Neny! - hoy izy. -Tsy takatrareo mihitsy ny hafaliako izao. Nataon’ny Tompo izay hanehoana ireo takelaka tamin’ny olona telo hafa ankoatra ny tenako, izay nahita anjely iray ihany koa sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izay nolazaiko. Satria fantatr’izy ireo mihitsy fa tsy hamitaka ny olona no tanjoko. Ary mahatsapa ho toy ny nohamaivanina tamin’ny enta-mavesatra goavana aho, izay saika ho mavesatra loatra ka tsy vitako ny hiharitra izany. Saingy mila mizioga ampahany amin’izany izy ireo izao, ary mahafaly ny fanahiko ny hoe tsy ho izaho irery intsony no olona eto amin’izao tontolo izao nahita sy nihazona tamin’ny tanana ireo takela-bolamena.- Dia niditra i Martin Harris avy eo. Toa heniky ny fifaliana be loatra izy. Dia nijoro ho vavolombelona ny amin’izay hitany sy reny izy, ary nanao toy izany koa i Oliver sy i David. Ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo dia mitovy amin’ny hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. …

“I Martin Harris manokana dia tsy nahita teny mahalaza tanteraka ny fihetseham-pony. Hoy izy hoe: -Nahita anjely iray avy any an-danitra aho izao izay nijoro ho vavolombelona marina ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra rehetra reko momba ilay rakitsoratra, ary nahita azy ny masoko. Nijery ireo takelaka ihany koa aho ary nihazona azy ireo tamin’ny tanako ary afaka mijoro ho vavolombelona momba izany amin’izao tontolo izao. Saingy izaho dia nahazo fijoroana vavolombelona ho an’ny tenako, izay tsy voalaza amin’ny teny, izay tsy misy lela afaka mamaritra izany, ary manome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny fahatsoran’ny fanahiko aho fa niambany Izy ka nanao ahy ho vavolombelon’ny halehiben’ny asany sy ny drafiny ho an’ny zanak’olombelona.- Niaraka nanolotra taminy fiderana ho an’ Andriamanitra noho ny hatsaram-pony sy ny famindram-pony i Oliver sy i David. Niverina nody izahay [nankany Palmyra, New York,] ny ampitson’io, vondron’olona kely feno fientanentanana sy fifaliana.”1

Sary
ireo Vavolombelona Telo

Sarin’i Oliver Cowdery, sy i David Whitmer, ary i Martin Harris nataon’i Lewis A. Ramsey

Teo ihany koa i Lucy Mack Smith rehefa niverina avy tamin’ny zavatra niainany ireo Vavolombelona Valo:

“Rehefa niverina tao an-trano ireo vavolombelona ireo, dia niseho indray tamin’i Joseph ilay anjely; tamin’izay fotoana izay dia nanolotra ireo takelaka teo an-tanany i Joseph. Ny harivan’io dia nanao fivoriana izahay, ka nizara fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny zava-nisy voalaza tetsy ambony ireo vavolombelona rehetra; ary ny fianakavianay rehetra, eny fa na dia i Don Carlos [Smith] izay 14 taona monja aza, dia nijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny fotoampitantanan’ny andro farany—fa efa naroso tanteraka izany.”2

Sary
i Joseph Smith nampiseho ireo takelaka tamin’ireo Vavolombelona valo

Sarivongan’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Valo nataon’i Gary Ernest Smith

Sary
ny anjely Môrônia mampiseho ireo takelaka volamena tamin’i Joseph Smith, sy i Oliver Cowdery, ary i David Whitmer

ny anjely Môrônia mampiseho ireo takelaka volamena tamin’i Joseph Smith, sy i Oliver Cowdery, ary i David Whitmer, nataon’i Gary B. Smith

Hamoaka printy