Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10-11: “Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”


“1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11,-Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana

Dika mitovin’ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana voalohany.

1–7 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11

“Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”

Ny fanoratana ireo fahatsapana vaoray rehefa mamaky ny soratra masina dia toy ny mamboly voa; na ireo fahatsapana kely aza dia afaka mitondra mankamin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana tena manan-danja.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa nandroso ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna dia nipoitra ho azy ny fanontaniana iray: Inona no tokony hataon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mikasika ireo pejy nisy dikanteny izay very? Ny lojika dia ny miverina amin’izany ampahany izany ka mamerina mandika izany, kanefa nahita zavatra izay tsy hitan’izy ireo ny Tompo: nitsikombakomba hanova ireo teny teo amin’ireo pejy ireo ny olon-dratsy mba hisian’ny ahiahy teo amin’ny asa nentanim-panahy nataon’i Joseph. Nanana drafitra hampandamoka ireo ezak’i Satana sy hamenoana izay very Andriamanitra. Ity drafitra ity dia niandoha an’arivony taona maro talohan’izay rehefa nahatsapa notaomim-panahy i Nefia mpaminany mba hamorona rakitsoratra faharoa izay nahasahana izany vanim-potoana mitovy tamin’izany fotoana izany ihany. Taty aoriana, dia nahazo tsindrimandry i Môrmôna mba hampidirana ity rakitsoratra ity ao amin’ny Bokin’i Môrmôna “ho an’ny fikasana hendry” izay fantatry Tompo (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1: 3-7).

“Ny fahendreko,” hoy ny Tompo tamin’i Joseph, “dia lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43). Izany dia hafatra mifono toky amin’ny fotoana iray toy ny antsika: rehefa mihamafy ny ezaka mitohy ataon’ny fahavalo mba hampihena ny finoana. Isika koa dia afaka ny ho “mahatoky” ary mitozo amin’ny asa izay niantsoan’ Andriamanitra antsika, tahaka an’i Joseph (andininy 3). Dia ho hitantsika amin’izay fa efa nanome lalana antsika Izy ka “ny vavahadin’ny helo tsy haharesy” antsika (andininy 69).

Jereo ny Olomasina, 1: 51-61.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–33

Mikatsaka ny hanimba ny asan’ Andriamanitra i Satana.

Tian’i Satana ny hanadinoantsika fa misy izy—na farafaharatsiny ny tsy hahatsapantsika ireo ezaka ataony mba hitaomana antsika (jereo ny 2 Nefia 28: 22-23). Saingy ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 dia manambara fa manohitra foana ny asan’ Andriamanitra i Satana. Rehefa mamaky ny andininy 1–33 ianao, dia fantaro ny fomba nikasan’i Satana handrava ny asan’ Andriamanitra tamin’ny andron’i Joseph Smith (jereo koa ny andininy 62–63). Inona no fitoviana hitanao amin’ny fomba fiasan’i Satana amin’izao fotoana izao? Azonao atao ny mangataka ny Tompo hanampy anao hahita ny fomba mety hakan’i Satana fanahy anao. Inona no ianaranao avy amin’ny fizarana 10 izay afaka manampy anao hanohitra ireo ezaka ataon’i Satana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:34–52

“Lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly” ny fahendren’ny Tompo.

Efa maherin’ny 2.400 taona mialoha no niomana hanonitra ireo pejy very tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 9). Inona no nianaranao momba ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10: 34–52? Inona no porofo manamarina ny fahendrena sy fahalalana mialoha izay ananan’ny Tompo ka efa hitanao eo amin’ny fiainanao?

Ny rakitsoratra izay nomanin’ Andriamanitray hanolo ny sora-tanana very dia hita ao amin’ny 1 Nefia ka hatramin’ny Ômnia. Ireo tantara sy fampianarana ao anatin’io firaketana io dia “[n]itondra fahalalana bebe kokoa momba ny [filazantsara]” ho anao tamin’ny fomba ahoana? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:45).

Sary
I Môrmôna mamintina ireo takela-bolamena

I Môrmôna Mamintina ireo Takelaka, nataon’i Tom Lovell

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11

Raha mangataka amin’ Andriamanitra aho dia handray.

Maro tamin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakavian’i Joseph Smith sy ireo namany no nangataka taminy mba hikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ho azy ireo. Faly i Joseph ny hanao izany, saingy naniry ny hanome azy ireo ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Tompo. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, fanambarana iray azon’i Joseph ho an’i Hyrum zokiny lahy, dia hoy ny Tompo hoe: “Hanomezako amin’ny Fanahiko ianao … , ary amin’izay no hahafantaranao … ny zava-drehetra irinao Amiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13–14).

Ny Tompo dia nilaza fa ny teny nataony dia ho an’ “izay rehetra manana faniriana tsara ary efa nandroso ny antsimbilony mba hijinja” (andininy 27). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, inona no tian’ny Tompo holazaina aminao momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana? momba ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra? Hafatra hafa inona ihany koa no ananany ho anao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–26

Rehefa mikatsaka ny “hahazo ny teni[n’ Andriamanitra]” aho, dia handray ny Fanahiny sy ny heriny.

Na dia mbola tsy voadika akory aza ny Bokin’i Môrmôna dia nientanentana ny hitory ny filazantsara i Hyrum Smith. Rehefa mamaky ny valin-tenin’ny Tompo momba ny faniriany ianao dia diniho hoe midika inona aminao ny hoe “mahazo ny teni[n’ Andriamanitra]” (andininy 21). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahazoana ny tenin’ Andriamanitra anao hanompo ao amin’ny Fiangonana? Ahoana no fomba hitondran’izany ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5.Inona no ianarantsika avy amin’io andininy io momba ny herin’ny vavaka? Ohatry ny ahoana no ataontsika amin’ izany hoe “[mivavaka] mandrakariva” izany ? (Ho an’ny hevitra sasantsasany, dia jereo ny David A. Bednar, “Prier toujours,” Liahona, nov. 2008, 41–44.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–46.Mba hanampiana ny fianakavianao hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba namenoan’ny Tompo ireo pejy very tao amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia azon’ny mpianakavy atao ny miresaka momba ny zavatra izay very vao haingana. Inona no tsapan’izy ireo rehefa tsikariny fa very izany? Inona no tsapan’izy ireo rehefa hita izany? Na dia tsy hita mihitsy aza ireo pejin’ny Bokin’i Môrmôna very, tamin’ny fomba dia tamin’ny fomba ahoana no namenoan’ny Tompo ny fahaverezan’ireo, araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–46?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:55–70.Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hitady na hanisy marika ireo andian-teny izay manomboka amin’ny hoe “Izaho no” na “h…ko.” Inona no ianarantsika avy amin’ny hoe “Izaho no” momba an’i Jesoa Kristy sy ny hoe toy ny ahoana Izy? Inona no ianarantsika avy amin’ny andian-teny “h…ko” momba ny zavatra ataony? Amporisiho ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny fomba hampatanjahan’ireo fahamarinana ireo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14.Ny famakiana ireo andininy ireo dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakavianao hahafantatra rehefa mifampiresaka amin’izy ireo ny Fanahy. Afaka mandrehitra jiro fanao am-paosy eo amin’ny gorodona ianao ka manasa olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hifindra amin’ny toerana izay tarafin’ilay hazavana. Ahoana no mampitovy izany amin’ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina? Inona no traikefa manokana izay azonao zaraina?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–30.Hevero ny hanao ny lisitr’ireo zavatra nasain’ny Tompo hataon’i Hyrum Smith ka nahatonga azy ho vonona hizara ny filazantsara. Inona no tokony ataontsika mianakavy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Te hiaina ny filazantsara aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 72; jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.”

Manatsara ny fampianarantsika

Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina ianareo dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ireo fomba fiantefan’ilay hafatra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, afaka mizara ny fomba nitarihan’ny Fanahy azy ireo araka ireo fomba voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11: 12–13 izy ireo.

Sary
Joseph sy i Hyrum Smith

Joseph and Hyrum Smith, nataon’i Ken Corbett

Hamoaka printy