Tahirim-pitaovana
Ireo fitantarana momba ny Fahitana Voalohany


“Fitantarana maro momba ny Fahitana Voalohany,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
fahitana voalohany

Fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny filazantsara

Fitantarana maro momba ny Fahitana Voalohany

Afaka mampanatona antsika kokoa an’i Jesoa Kristy ny fikatsahana ny valin’ireo fanontaniantsika raha toa isika ka mampihatra fitsipika azo ianteherana. Ny fianarana manombantombana ny kalitaon’ireo loharanom-pahalalana ananantsika no iray amin’ireo fitsipika ireo.

Jereo ny lohahevitra “Mampiasà loharanom-pahalalana azo antoka” mba hahazoana torohevitra maro kokoa mikasika ny fanombatombanana fampahalalana.

Topimaso

Nijoro ho vavolombelona i Joseph Smith fa niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tao anaty alakely teo akaikin’ny tranon’ny ray aman-dreniny fony izy teo amin’ny 14 taona teo. Io nisehoan’ Andriamanitra io dia lasa nantsoina hoe ny Fahitana Voalohany. Fitantarana maromaro momba ny Fahitana Voalohany no noraketin’i Joseph sy ny hafa nandritra ny androm-piainan’ny Mpaminany.

Fitantarana roa momba ny Fahitana Voalohany no navoakan’i Joseph. Ny fanta-daza indrindra dia nankatoavina ho soratra masina ary hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Ny fitantarana roa tsy mbola navoaka, izay voarakitra ao amin’ny tantaram-piainan’i Joseph Smith izay nosoratany ihany tany am-piandohana sy tao amin’ny diariny, dia tsy dia fantatry ny besinimaro loatra raha tsy efa navoakan’ny Fiangonana teo anelanelan’ny 1960 sy 1970.

Ireo fitantarana samihafa ny Fahitana Voalohany dia milaza tantara iray ihany, na dia samy hafa aza ny zavatra antitranteriny sy ny eo amin’ny antsipiriany. Misy ny sasany izay diso hevitra manohana fa izay mety ho fahasamihafana eo amin’ireo fanoritsoritana ny Fahitana Voalohany dia porofo fa noforomporonina izany. Mifanohitra amin’izay kosa nefa ny an’ireo mpahay tantara izay manantena fa rehefa misy olona mitantara zavatra niainana iray ao anaty sehatra samy hafa sy eo anatrehan’ny mpanatrika samy hafa ao anatin’ny taona maro, dia lafiny samy hafa amin’ilay zavatra niainana no havohitry ny fitantarana tsirairay ary samy ahitana antsipiriany miavaka.

Ireo fahasamihafana lehibe indrindra eo amin’ireo fitantarana ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith dia hita ao amin’ilay voalohany indrindra, izay nosoratana tamin’ny taona 1832. Lafin-javatra vitsivitsy no tsy itoviany amin’ireo fitantarana hafa:

  1. Tao amin’ny fitantarana tamin’ny taona 1832 dia nampidirin’ny iray amin’ireo mpitantsoratr’i Joseph ny andian-teny hoe “tamin’ny faha-16 taonako.”“ ”Ireo fitantarana hafa dia milaza fa 14 taona izy. Tena azo heverina ho vokatry ny fahadisoan’ny mpitantsoratra izany.

  2. Tao amin’ilay fitantarana voalohany dia nivavaka i Joseph mba hikatsahana famelan-keloka noho ny fahotany. Tao amin’ireo tantara taty aoriana dia ny hahafantatra izay fiangonana tokony hidirana no faniriany. Ireo fanontaniana roa ireo dia mety tena nifandray akaiky tao an-tsain’i Joseph, ary samy naneho ny faniriany ho voavonjy.

  3. Ny fitantarana voalohany dia milaza hoe: “Ny Tompo dia nanokatra ny lanitra tamiko ary nahita ny Tompo aho ary niteny tamiko Izy.” Ao amin’ilay fitantara voarakitra ao amin’ny soratra masina i Joseph dia nanazava fa ny Ray dia nampahafantatra ny Zanaka, izay avy teo niroso tamin’ny fifampiresahana tamin’i Joseph. Na dia tsy ahitana io antsipirian-javatra io aza ny fitantarana tamin’ny 1832 dia samy manantitrantitra ny anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy ao amin’ilay fahitana ireo fitantarana rehetra. Izy no namaly ireo fanontanian’i Joseph.

Ireo fitantarana maro nataon’i Joseph momba ny Fahitana Voalohany dia ahafahantsika mianatra misimisy kokoa momba io tranga miavaka io mihoatra noho izay azontsika natao raha toa ka vitsy noho izao ny tahirin-kevitra mirakitra izany. Ireo Olomasin’ny Andro Farany izay mamaky azy ireo dia afaka mahatsapa fankasitrahana noho ny fijoroana ho vavolombelona amin-kitsimpo nataon’ny Mpaminany fa fahitana miavaka no namalian’ Andriamanitra ny vavaka nataony.

Torolalana fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany:

Ny valin’ireo fanontanianao

Nahoana no misy fahasamihafana eo amin’ireo fitantarana nataon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany?

Fitantarana efatra momba ny Fahitana Voalohany no napetrak’i Joseph Smith. Ankoatra ireo fitantarana ireo dia dimy tamin’ireo olona niara-niaina taminy no nitantara izany an-tsoratra rehefa avy nandre an’i Joseph niresaka momba ny zavatra niainany. Ireo fitantarana maro izay manantitrantitra zavatra samihafa ary ahitana antsipiriany samihafa dia manome antsika sary feno kokoa momba an’io zavatra niainana mahagaga io.

Matetika ny olona no mampivohitra lafin-javatra samihafa momba ny zavatra niainana iray arakaraka ny mpihaino azy ireo na ny antony hizarany izany. Ohatra tena tsara maneho izany ireo fitantarana nataon’i Joseph. Na dia samihafa aza izy ireo eo amin’ny zavatra avohitra sy ny antsipiriany dia tantara iray tsy miovaova no tanteriny. Ny ohatra iray ao amin’ny soratra masina maneho izany dia hita eo amin’ireo fitantarana maro momba ny fiovam-pon’i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ireo fitantarana ny Fahitana Voalohany dia novokarina tao anatin’ny toe-javatra samihafa: manoratra tantaran’ny tena manokana, mitantara zavatra niainana amina vahiny iray ao an-tranony, mitantara am-bava ny tantaram-piainany mba ho tantara ôfisialy, na mamaly fanontaniana apetraky ny mpanao gazety iray. Tamin’ny tranga tsirairay i Joseph dia toa nanovo tamin’ireo fahatsiarovana izay tsapany fa tena nilain’ireo mpihaino azy. Ny fasamihafana eo amin’ ireo fitantarana ireo dia ireo karazany efa ampoizin’ireo mpahay tantara sy avara-pianarana mandalina ny fahatsiarovana ho hita ao amin’ireo antontan-taratasy novokarina ao anatin’ny sahan-kevitra samihafa toy izany.

Ny fahasamihafana misy eo amin’ireo fitantarana ireo dia mampiseho ihany koa ny fomba niitaran’ny fahatakaran’i Joseph sy ny fomba fijeriny rehefa nandeha ny fotoana sy nitombo ny traikefa ary niampy ny fanambarana. Vao tany am-pihandohan’ny asa fanompoany i Joseph raha nanonona ny fitantarany voalohany tamin’ny 1832. Ilay tantara amin’ny ankapobeny dia mahakasika manokana ny tenany ary mifantoka amin’ny dikan’ilay fahitana ho an’i Joseph. Taty aoriana tamin’izy nanonona ilay fitantarana izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ankehitriny, dia nisaintsaina ny dikan’ilay fahitana tsy taminy fotsiny ihany izy, fa tamin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao.

Firy no olona avy any an-danitra hitan’i Joseph Smith tamin’ilay Fahitana Voalohany?

Ny telo amin’ireo tantara efatra nosoratan’i Joseph dia manoritsoritra mazava tsara hoe “olona” roa: dia Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Tamin’ny fitantarana iray dia nilaza izy fa nahita anjely ihany koa. Tsy dia amin’ny antsipiriany loatra ny fitantaran’i Joseph voalohany. Nosoratana tamin’ny taona 1832 ilay fitantarana izay mamariparitra hoe “ny Tompo” dia nanokatra ny lanitra ary avy eo i Joseph dia nahita “ny Tompo“.

Misy fomba maro hieritreretana momba io fitantarana io. I Joseph Smith dia mety niteny an’ilay hoe “ny Tompo” mba hilazana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka, mitovy amin’ny fomba niantsoan’ny sasany Azy Ireo tamin’ny andron’i Joseph. Na mety nifantoka fotsiny tamin’i Jesoa Kristy izy, ilay Olona masina izay namela azy tamin’ny fahotany sy nanolotra ny hafatry ny fahitana azy.

Moa ve i Joseph Smith nivavaka mba hahazoana famelan-keloka sa mba hahafantarana izay fiangonana tokony hidirany?

Ny fitantaran’i Joseph voalohany momba Fahitana Voalohany, izay nosoratana fony izy zatovolahy, dia nilaza fa nivavaka izy mba hikatsaka ny famelana ny fahotany. Ny fitantarany taty aoriana, izay nosoratana taorian’ny taona maro nanompoana tamin’ny naha-mpitarika ny fiangonana vao nitombo azy, dia nifantoka tamin’ny fikarohany momba ny fiangonana izay tokony hidirany. Raha ny marina dia nifandray akaiky tamin’i Joseph ireo fanontaniana roa ireo. Samy naneho ny faniriany ny ho voavonjy izany.

Nahoana no tsy mitovy ireo fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany eo amin’ny namariparitany ny taonany?

Nanoratra voalohany tamin’ny soratanany i Joseph Smith momba ny fitantarana ny Fahitana Voalohany tamin’ny 1832. Fotoana vitsy rehefa vita ny fanoratan’i Joseph dia nisy mpitantsoratra iray nampiditra ny taonan’i Joseph teo anelanelan’ireo tsipika, izay nilaza fa teo amin’ny faha “enina ambin’ny folo taonany” (na 15 taona) izy tamin’ny fotoan’ilay fahitana. Tsy fantatsika raha toa ka nifampiresaka tamin’i Joseph momba izany fanampian-javatra izany ilay mpitantsoratra na tsia. Nilaza i Joseph tao anatin’ny tsirairay tamin’ireo fitantarany taty aoriana fa 14 taona izy tamin’izany.

Ireo fitantaran’i Joseph dia nosoratana daholo mihoatra ny folo taona taorian’ny nitrangan’ilay fahitana. Na dia nitarika ny mpitantsorany aza izy hanoratra fa 15 taona izy dia hita fa taorian’ny fisaintsainana tsara kokoa dia nofaranany fa 14 taona izy tamin’ny fotoan’ilay fahitana. Ireo mpahay tantara dia manantena ny hahita tsy fahatomombanana toy ireny rehefa mitantara ny fiainany araka ny fitadidiany ny olona. Amin’ny tranga rehetra, dia manan-danja lavitra kokoa ny hoe nitranga ilay fahitana noho ny daty marina nitrangan’izany.

Moa ve misy porofo ara-tantara ny fientanentanana ara-pivavahana nanodidina an’i Palmyra, New York, tamin’ny taona 1820?

Eny. Tao anatin’ny tantarany tamin’ny 1838 dia nilaza i Joseph Smith fa nitranga tamin’ny lohataonan’ny 1820 ny Fahitana Voalohany. Nodinihin’i Joseph ireo fanontaniana izay nitarika azy hivavaka nandritra ny fotoana fohy talohan’ilay fahitana. Tao amin’ny fitantarany tamin’ny 1832 dia nanoratra i Joseph fa nanomboka nisaintsaina “ireo olana manan-danja rehetra ho an’ny fiadanan’ny fanahiko tsy mety maty” izy fony izy 12 taona, na nanodidina ny taona 1818. Mazava ireo raki-tantara fa nisy fientanentanana amin’ny ankapobeny momba ny fivavahana nanenika an’i Etazonia tamin’io fotoana io, indrindra fa tany andrefan’i New York, izay toerana nipetrahan’i Joseph.

Indraindray izany fientanentanana izany dia niseho tamin’ny endrika fivoriana fifohazam-panahy, toy ilay iray izay notanterahan’ireo Metôdista teo ivelan’ny tanànan’i Palmyra tamin’ny 1818. Nivory ihany koa ireo Metôdista teo an-toerana herin-taona manaraka izany tany Vienna (Phelps amin’izao fotoana izao), New York, 24 kilaometatra avy eo amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny fianakaviana Smith. Ireo diarin’ny mpitory Metôdista mpandehandeha iray dia niresaka momba ny fientanentanana ara-pivavahana tao amin’ny faritra nisy an’i Joseph tamin’ny 1819 sy 1820. Nilaza izany fa i Révérend George Lane, mpitoriteny fifohazana Metôdista dia tao amin’io faritra io tamin’ireo taona roa ireo, niresaka “momba ny fomba hanatanterahan’ Andriamanitra Fanavaozana ara-pivavahana.” Nisy fivorian’ny toby Metôdista nandritra ny telo andro tany Palmyra tamin’ny faramparan’ny lohataonan’ny 1820, ary nisy fifohazam-panahy lehibe nitranga taona maro taty aoriana tamin’ny 1824. Na dia tsy nilaza manokana momba ireo fifohazana ireo aza i Joseph dia porofo tsy azo hiodivirana izy ireny ny amin’ny “fientanentanana tsy mahazatra” izay nosoritsoritany.

Nahoana no niandry ela tokoa i Joseph vao nanoratra ny fitantarana ny Fahitana Voalohany?

Tsy namorona rakitsoratra momba ny tantaram-piainany nandritra ny 24 taona voalohany teo amin’ny fiainany i Joseph Smith. Lehibe tao anatin’ny fianakaviana nianatra izy, saingy zara raha nahita fianarana. Fantatsika fa nananosarotra azy ny manoratra.

Fotoana fohy taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia nandidy an’i Joseph ny Tompo mba hitahiry tantara. Zava-dehibe ny hoe fotoana fohy taorian’ny nandraisan’i Joseph io didy io, dia anisan’ny zavatra voalohany noraketiny ny fitantarana ny Fahitana Voalohany.

Nahoana ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana no tsy niresaka momba ny Fahitana Voalohany tao amin’ny fitantaran’izy ireo ny Famerenana amin’ny laoniny?

Indraindray ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nitantara ny Famerenana amin’ny laoniny kanefa tsy niresaka momba ny Fahitana Voalohany. Ohatra, i Lucy renin’i Joseph Smith sy i William rahalahiny dia samy namela raki-tantara izay nanomboka tamin’ny fitsidihan’ny anjely Môrônia tamin’ny 1823 ary tsy niresaka momba ny nisehoan’ny Ray sy ny Zanaka. Torak’izany koa, ny fitantarana voalohany nivoaka nataon’i Oliver Cowdery momba ny Famerenana amin’ny laoniny dia manomboka amin’ny nisehoan’i Môrônia.

Na i Joseph aza dia tsy nanantitrantitra na niresaka matetika momba ilay fahitana teo imasom-bahoaka nandritra ny taona maro. Ny iray amin’ireo fitantarany dia ahafahana milaza fa tamin’ny voalohany dia nisalasala mihitsy izy hizara antsipirian-javatra tamin’ny fianakaviany, angamba noho ny tsy fahazotoana hizara zavatra niainana izay niavaka noho ny fahamasinany. Tetsy ankilany kosa dia matetika i Joseph no nijoro ho vavolombelona momba ny fitsidihan’i Môrônia sy ny nandikana ny Bokin’i Môrmôna. Ireo zava-nitranga ireo dia lasa noraisin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana ho porofo lehibe indrindra ny amin’ny antso masin’i Joseph. Ny fitantarana nomen’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo dia tsy manamaivana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra hitan’i Joseph maso, saingy maneho ny fientanentanan’ireo Olomasin’ ny Andro Farany tany am-boalohany momba ny Bokin’ny Môrmôna sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba izany.

Moa ve misy fitoviana eo amin’ny fitantarana nataon’i Joseph Smith tamin’ny 1832 momba ny Fahitana Voalohany sy ny tantaran’ny fiovam-pon’ireo Kristianina hafa tamin’ny androny?

Fotoana lehibe teo amin’ny tantaran’ny zanakolombelona ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith. Raha nanoratra fahitana ara-panahy ny olona hafa tamin’ny androny dia nijanona kosa ho tantaran’ny fiovam-pon’ny tenany manokana avokoa ny fitantaran’izy ireo. Ny zavatra tsy manam-paharoa niainan’i Joseph dia nanamarika ny fiantombohan’ireo andiana fahagagana izay nitarika tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny fitantarana ny Fahitana Voalohany tamin’ny taona 1832 dia mizara fiteny sasantsasany izay hita ihany koa ao amin’ny fitantarana ny fiovam-pon’ireo Kristianina hafa tamin’ny androny. Tsy mahagaga raha fiteny mahazatra azy no nampiasain’i Joseph hamariparitana ilay fahitana. Mitovitovy amin’izany koa, ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny dia mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fampiasana andian-teny nianaran’izy ireo avy tamin’ny hafa. Kanefa na dia manaraka lamina iray aza matetika ny fiteny ampiasaintsika hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia miavaka sy an’ny tena manokana ny zavatra iainantsika tsirairay ara-panahy.

Hamantatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, ao amin’ny “History, circa Summer 1832,” 3, josephsmithpapers.org.

  2. Jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–9; 22:6–10; 26:12–18.

  3. Joseph Smith, ao amin’ny “History, circa Summer 1832,” 3, josephsmithpapers.org.

  4. Joseph Smith, ao amin’ny “History, circa Summer 1832,” 3, josephsmithpapers.org.

  5. Diarin’i Benajah Williams, 15 jolay 1820, tahadika ao amin’ny Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; fitsipi-panoratana nampanarahana fenitra.

  6. Joseph Smith—Tantara 1:5.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:2–8.

  8. Jereo ny Oliver Cowdery, “Letter III,” Messenger and Advocate, des. 1834; “Letter IV,” Messenger and Advocate, feb. 1835.

  9. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:20, 49.

  10. Jereo ny D. Todd Christofferson, “The Book of Mormon and Your Mission” (Fampaherezam-panahy ao amin’ny MTC, Provo, Utah, 17 Jan. 2023); jereo koa ny 3 Nefia 21:1–2, 7.

Hamoaka printy