Tahirim-pitaovana
Fanambarana


“Fanambarana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Zazavavy mivavaka eny ivelany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanambarana

Fitarihana isan’andro avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ho an’ny tsirairay avy

Ampahany mahazatra amin’ny fiainana ny fanontaniana sy ny tsy fahazoana antoka. Tena zava-dehibe tokoa izay itodihanao mba hahazoana valiny sy fanomezan-toky. Soa ihany fa eo Andriamanitra hanampy anao amin’ny fitadiavana valiny sy fahatakarana. Afaka matoky ilay fampanantenana ianao fa “raha … tsy manam-pahendrena [ianao],” dia afaka mangataka fanampiana Aminy ary “dia homena [anao] izany” (Jakoba 1:5).

Miresaka amin’ny zanany tsirairay amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Nanome mpaminany sy olona hafa ary loharanom-pitaovana Izy mba hitarika antsika hamakivaky ireo fanamby sy zavatra iainana eto amin’ity fiainana ity. Isan’ireo zavatra tena ilaina indrindra ny fifandraisana nampanantenaina izay afaka ny ho tonga amintsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Inona no atao hoe fanambarana?

Fitarihana sy fifandraisana masina omen’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ny zanany no atao hoe fanambarana. Matetika no amin’ny alalana fahatsapana mangina na eritreritra izay faritana amin’ny hoe: “feo tony sy malefaka” an’ny Fanahy Masina no iainana izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6). Mampitombo ny fahafahantsika mandray sy mahafantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana isika rehefa mitodika amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka sy mandalina ny soratra masina ary mikatsaka ny hankatò ny didin’ Andriamanitra. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana izay omeny ireo mpanompony nahazo lalana ny Tompo. Fanampin’izany, ny tsirairay amintsika dia afaka mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana mba hanampiana antsika amin’ny filana sy andraikitra ary fanontaniana manokana.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanambarana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanomezana ny Fanahy Masina, Vavaka, Soratra masina, Mikatsaka fahamarinana sy misoroka ny fitaka

Fizarana 1

Afaka mifandray aminao amin’ny alalan’ny Fanambarana ho an’ny tena manokana Andriamanitra

Sary
zazavavy mandohalika mivavaka eo akaikin’ny -fandriana

Tia anao Andriamanitra ary mahafantatra tsara ireo fanamby sy fitsapana atrehanao; tsy navelany ho irery ianao (jereo ny Jaona 14:18). Afaka manao dingana manan-danja ianao mba hanomanana ny tenanao handray sy hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Isan’ny fiomanana ara-panahy ny fandalinana ny soratra masina, ny fitsaohana amin’ny andro Sabata sy ao amin’ny tranon’ny Tompo, ny fibebahana isan’andro, ny fifadian-kanina, ary ny fivavahana amin-kitsim-po. Mampanantena ny Tompo fa hitarika anao Izy raha mikatsaka ny hanatona Azy ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63).

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

“Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any an-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana sy fampiononana.

“Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. …

“Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana [isan’andro] amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanokanana fotoana tsy tapaka hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Teraka eto an-tany omban’ny Fahazavan’i Kristy ny zanak’ Andriamanitra tsirairay. Vakio ny Môrônia 7:16–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46–48; 93:2, mba hitadiavana hoe inona avy no tafiditra ao amin’io fanomezana io ary nahoana no ilaina izany.

  • Mety hitombo ny fanirianao hikatsaka ny fanahin’ny fanambarana rehefa takatrao tsara kokoa ny fahavononan’ Andriamanitra hizara izany aminao. Ampitahao ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hahitana fitsipika izay afaka manomana anao hiaina ny fanahin’ny fanambarana: 1 Nefia 10:17–19; 2 Nefia 32:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8; Joseph Smith—Tantara 1:10–17. Inona avy ireo fitsipiky ny fanambarana ho an’ny tena manokana ampianarina ao amin’ireo soratra masina ireo? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa manana andraikitra hanomana ny tenantsika isika mba handray fanambarana ho an’ny tena manokana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Miresaka ny fomba ahafahantsika mahatakatra tsara kokoa ny fomba hanasana ny fitarihan’ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainantsika ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Liahona janoary 2021, ao amin’ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Mitombo ao anatin’ny fitsipiky ny fandraisana fanambaràna.” Asao ireo olona ao amin’ny vondrona misy anao handalina ny ampahany amin’ilay lahatsoratra. Mifampiresaha momba ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo fitsipika nohamafisin’ny Filoha Nelson? Inona no tsapanao fa asain’ny Fanahy ataonao amin’ny fomba hafa taorian’ny famakiana ity hafatra ity?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Mazàna ny fanambarana ho an’ny tena manokana no tonga toy ny fahatsapana, eritreritra na fihetseham-po

Sary
lehilahy mieritreritra

Efa nianatra andian-teny tamin’ny fiteny vaovao ve ianao? Afaka manomboka mahafantatra ireny teny ireny ianao, rehefa lazain’ny hafa ao anatin’ny resaka izany, rehefa mandalina sy manazatra tena. Mitovitovy amin’izany ihany, mety tsy ho fantatrao foana ny feon’ny Fanahy amin’ny voalohany, kanefa ny fianarana ireo fitsipika manan-danja dia afaka manomana anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba firesahan’ Andriamanitra. Ohatra, nanatri-maso rivo-mahery sy horohoron-tany ary afo i Elia mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha saingy nanamarika i Elia fa “tsy tao amin’” ireo zavatra ireo “ny Tompo.” Saingy nandre “feo nitsoka malemy” izy avy eo ary dia nahafantatra fa feon’ny Tompo izany (jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–13). Miteny amintsika amin’ny “feo [m]itsoka malemy” ny Tompo (jereo koa Helamàna 5:28–30) ary miaraka amin’ny fahatsapana toy ny fiadanana, fampiononana ary fifaliana (jereo ny Galatiana 5:22–23).

Ny fitsipiky ny fanambarana iray hafa dia ny hoe: “Hanome ho an’ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [Andriamanitra], ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” (2 Nefia 28:30). Midika izany fa tsy omen’ Andriamanitra antsika indray mandeha ny zava-drehetra. Fa ny fanambarana ho an’ny tena manokana kosa dia afaka miseho rehefa mandeha ny fotoana.

Nanasongadina ity foto-kevitra ity ny Loholona David A. Bednar: “Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia toa mifantoka be loatra amin’ireo fisehoana ara-panahy mahavariana sy mampitolagaga isika hany ka tsy mahay mamantatra ary tena tsy mahita ilay lamina mahazatra mihitsy aza izay entin’ny Fanahy Masina hanaovana ny asany. Ny -fahatsoran’ny làlana- (1 Nefia 17:41) amin’ny fandraisana ireo fahatsapana ara-panahy kely sy mitombo miandalana, izay rehefa mandeha ny fotoana ary rehefa atao bango tokana dia mirakitra ny valiny izay niriantsika na ny fitarihana izay nilaintsika, dia mety hahatonga antsika hibanjina ny -any ivelan’ny tanjona- (Jakôba 4:14).”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nilaza ny Filoha Nelson tao amin’ilay lahateny “Henoy Izy,” nataony nadritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2020 hoe: “Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny amin’izao ankehitriny izao ny hoe tsy maintsy hamantarana kokoa ny fomba hiresahan’ny Fanahy aminareo. … Havaoziko indray ny fiangaviako anareo mba hanao izay rehetra tokony hatao mba hampitomboana ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambaràna ho an’ny tenanareo manokana.” Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fanambarana ho an’ny tena manokana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Miresaka ny fomba ahafahantsika mahatakatra kokoa ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Loholona David A. Bednar ao amin’ilay andiana horonan-tsary misy fizarana telo Patterns of Light. Iaraho mijery amin’ny vondrona ny iray na ny mihoatra izany amin’ireo horonan-tsary. Asao ny olona ao amin’ny vondrona hizara ny fomba nanampian’ireo hafatra ireo azy ireo hijery amin’ny fomba mazava kokoa ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Azonareo atao koa ny mamerina mijery ny lahatenin’ny Loholona Bednar tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 2011 mitondra ny lohateny hoe “Ny Fanahin’ny fanambarana.”

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo

Sary
Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Afaka mitarika antsika tsirairay avy ny fanahin’ny fanambarana, kanefa miteny amin’ny alalan’ny mpaminany velona izay Filohan’ny Fiangonana ny Tompo rehefa te hitarika ny Fiangonany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:91–92). Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny mpaminany ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana. -Mifanohitra amin’ny lamin’ Andriamanitra’ ny handraisan’ny hafa fanambarana toy izany. … Zon’ny isam-batan’olona ny mandray fanambarana ho an’ny tena manokana. Afaka mandray fanambaràna ianao, ohatra, momba ny toerana izay honenanao, ny lalan’asa arahinao, na izay olona hovadianao. Mety hampianatra fotopampianarana sy hizara torohevitra nentanim-panahy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana saingy andraikitrao ny manapa-kevitra amin’ireny. Anjaranao ny mandray izany fanambarana izany.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nohazavaina tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana ny anjara asa lehibe nananan’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminany azy fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7. Ahoana no ahafahan’ilay fitsipika voalaza ao amin’io andinin-tsoratra masina io miaro anao tsy ho voafitak’ireo izay tsy avy amin’ Andriamanitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho mamaky amin’ny vondrona misy anao ny hafatry Filoha M. Russell Ballard “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty,” mba hitadiavana ny fomba nanomanan’ny Tompo ny Filoha Joseph F. Smith handray fanambarana manan-danja toy izany ho an’ny Fiangonana. Tamin’ny fomba ahoana no nanomanan’ny zavatra niainan’ny Filoha Smith ny tenany tamin’ilay fahitana noraisiny? Inona ny nataon’ny Filoha Smith ka nanomana azy ho ampianarina avy any an-danitra, araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138: 1–11? Manampy antsika hahatakatra ny lanjan’ny fiomanana mba hamantatra ny fanahin’ny fanambarana amin’ny fomba ahoana io ohatra io?

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy