Tahirim-pitaovana
Vavaka


“Vavaka”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Fianakaviana mivavaka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Vavaka

Firesahana vokatry amin-kitsim-po sy vokatry ny fo amin’ny Ray any An-danitra

Mety ho tonga ao an-tsainao ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nilanao fanampiana avy any an-danitra na fitarihana. Angamba nisy zavatrao very na nanana fanontaniana manan-danja ianao na nila famonjena maika. Ary indraindray mety nila tanjaka na risi-po fotsiny ianao mba hahafahanao mandroso hatrany. Ny vavaka dia ny fitodihana any amin’ Andriamanitra amin-kitsimpo sy mizara Aminy ny fahatsapanao sy ny eritreritrao ary ny filanao. Ilay fahagagana avy amin’ny vavaka dia ilay hoe rehefa miresaka Aminy ianao dia maheno anao Izy (jereo ny Jeremia 29:12–13). Na iza na iza ianao ary na inona fahadisonao na tsy fahatanterahanao dia tian’ny Ray any An-danitra ianao hiresaka Aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Manome antoka ny fitiavana tonga lafatr’ Andriamanitra fa afaka milaza na inona na inona Aminy ianao, ary dia hihaino Izy.

Inona no atao hoe vavaka?

Ny vavaka dia firesahana amin-kitsim-po sy vokatry ny fo amin’ny Raintsika any An-danitra. Iray amin’ireo fitahiana lehibe nomen’ Andriamanitra ny zanany izy io mba hikatsahana ny fitarihany avy any an-danitra isan’andro. Nampianatra i Jesoa hoe: “Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo”(3 Nefia 18:19).

Topimaso momba ny lohahevitra: Vavaka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Andriamanitra Ray, Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray, Fanambarana ho an’ny tena manokana, Fifadian-kanina, Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Manasa ny zanany Andriamanitra mba hivavaka mandrakariva

Sary
lehilahy mamily fiarakodia

Nampianatra ny mpanara-dia Azy i Jesoa Kristy mba hivavaka amin’ Andriamanitra Ray (jereo ny Matio 6:5–13; 3 Nefia 17:11–20). Mandidy antsika ny Ray any An-danitra hoe “mivavaha mandrakariva” (Fotompapianarana sy Fanekempihavanana 19:38), satria tia antsika Izy ary maniry ny hitahy antsika. Tiany isika hametraka amina hitodihana Aminy amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro. Tiany ihany koa isika hanohy hivavaka ao am-pontsika mandritra ny andro manontolo (jereo ny Môzià 24:11–12; 3 Nefia 20:1). Rehefa mivavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny 3 Nefia 18:19; 19:6), dia maneho ny finoantsika ny Mpamonjy antsika sy ny fahavononantsika hanara-dia Azy. Noho izany dia tononintsika amim-panajana ny anaran’ny Tompo rehefa mamarana vavaka isika manao hoe “amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena”.

Satria ny vavaka no fomba iray hanatonana an’ Andriamanitra Ray, dia miezaka mampiasa teny izay mampiseho histim-po sy fanajana fatratra isika. Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: -Zava-dehibe ny mametraka fangatahana eo am-pelatanan’ Andriamanitra, na ny mankeo anatrehany.- … Ny fiteny manokana ampiasaina amin’ny vavaka dia mampahatsiahy antsika ny halehiben’io tombontsoa io.” Noho ny fahatakarantsika ny fahamasinan’ny vavaka dia tokony hampiasa ireo “mpisolo anarana voalaza ao amin’ny soratra masina isika rehefa miresaka amin’ Andriamanitra—Anao, Ianao,fa tsy ireo teny fampiasa an-davan’andro,” araka izay mety.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Hoy ny Tompo tamin’ny Joseph Smith hoe: “Mivavaha mandrakariva mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy; eny, mba hahazoanao mandresy an’ i Satana ary mba hahazoanao mandositra ny tanan’ ireo mpanompon’ i Satana, izay manohana ny asany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5). Inona no dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva? Inona avy ireo antony sasany mahatonga ny tsirairay amintsika mila ny fiarovana ara-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ahitana ohatra maro momba ny vavaka ao amin’ny soratra masina. Vakio miaraka amin’ny olona hafa ny 2 Nefia 4:30–35 sy ny Almà 34:17–27 hitadiavana tari-dalana momba ny fotoana sy ny anton-javatra tokony hivavahantsika. Ahoana no ahafahan’ilay lamin’ny fomba fivavaka hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo hisy fiantraikany eo amin’ny fomba safidiantsika mba hivavahana?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Hampanakaiky anao bebe kokoa an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny vavaka amin-kitsimpo

Sary
raim-pianakaviana mitrotro zazakely

Misy fotoana isika rehefa mivavaka, dia mahatsapa fa mamerimberina teny na andian-teny foana isika. Mahazo an-tsaina ny tenanao mampiasa fiteny efa mahazatra sy tsy misy lanjany isaky ny mitsidika namana na havana ve ianao? Ireo ezaka ataontsika mba hiresaka amim-kitsimpo amin’ny hafa dia tokony hampahatsiahy antsika ny fomba tokony hiresahantsika amin’ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka. Tian’ Andriamanitra ho tena avy amin’ny fo ireo vavaka ataontsika. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny mpaminany Enôsa dia “[namboraka] tamin’ Andriamanitra ny tao am-po[ny] manontolo” tamin’ny vavaka nikatsahany fitahiana (Enôsa 1:9). Tahaka izany koa dia mitodika amin’ Andriamanitra isika hahazoana ireo fitahiana manokana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa.

Amin’ny maha endrika fitsaohana azy, ny vavaka dia manana hery mampanakaiky antsika amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–64). Rehefa arahina fifadian-kanina ny vavaka amim-kitsimpo, dia mahazo ny fanahin’ny fanambarana isika ary ny fontsika dia afaka ny hodiovina sy hamasinina (jereo ny Almà 17:3; Helamàna 3:35).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ireo Olomasina ny Apôstôly Paoly hoe: “mivavaha, ka aza mitsahatra” ary koa hoe: “misaora amin’ny zavatra rehetra” (1 Tesaloniana 5:17–18). Midika inona aminao ny hoe “mivava[ka] ka tsy mitsahatra”? Nahoana no ampahany manan-danja amin’ny vavaka ny fanehoana fankasitrahana? Inona no azonao atao mba hahatonga ny vavaka amin-kitsim-po hanana toerana lehibe kokoa ao amin’ireo ezaka ataonao hanakaikezana ny Ray any An-danitra?

  • Maheno sy mamaly ny vavaka tsirairay atao amim-kitsim-po ny Ray any An-danitra. Atao mangingina ny vavaka sasany, ary ny sasany kosa dia tononina am-bava. Vakio ary araho ireto ohatrana vavaka notononina manaraka ireto: Matio 26:39–44; Jaona 17:1; 2 Nefia 4:24; Enôsa 1:4; Joseph Smith—Tantara 1:14. Inona no zavatra efa niainanao avy amin’ny vavaka tononina? Manampy amin’ny fomba ahoana ny mivavaka amin’ny feo avo raha ny fahitanao azy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio na jereo ny “Ny faniriana marin’ny fanahy” nataon-dRahavavy Carol F. McConkie. Hoy Rahavavy McConkie ao amin’io hafatra io: “Amim-pinoana no hivavahantsika, hihainoantsika, ary hankatoavantsika mba hahafahantsika mianatra ny ho tonga iray amin’ny Ray sy ny Zanaka.” Mifanakaloza hevitra mikasika ny zavatra nianaran’ny tsirairay avy amin’io hafatra io. Ahoana no afaka handraisana ny vavaka ho toy ny fotoana niarahana tamin’ny Ray any An-danitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Maheno sy mamaly ny vavaka ataonao ny Ray any An-danitra.

Sary
zazavavy mivavaka ho an’ny sakafo

Efa nanontany tena ve ianao raha toa ka henon’ Andriamanitra ny vavakao? Maheno sy mamaly mandrakariva ireo vavaka amim-kitsimpo ataontsika ny Ray any An-danitra: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dòndòny dia hovohana ianareo” (Matio 7:7). Saingy mamaly ny vavaka ataontsika araka ny sitrapony sy ny fotoany ny Tompo (jereo ny Môzià 7:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–32).

“Ny vavaka dia ny fampifanarahana ny sitrapon’ ny Ray sy ny sitrapon’ ny zanaka. Ny tanjon’ ny vavaka dia tsy hoe hanova ny sitrapon’ Andriamanitra, fa mba hahazoantsika sy hahazoan’ ny hafa ireo fitahiana izay efa tian’ Andriamanitra omena antsika, izay tsy ho azo raha tsy angatahantsika.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Inona no faniriana lehibe indrindra ao am-ponao ao? Hanova ny fanirianao sy vavakao amin’ny fomba ahoana ny fikatsahana ny hampitovy ny sitraponao amin’ny sitrapon’ Andriamanitra?

  • Matetika Andriamanitra no mamaly ny vavaka ataontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny sasany amin’ireo vavaka ataontsika dia voavaly rehefa mamaky sy mandalina ny soratra masina isika. Miasa amin’ny alalan’ny olona hafa ihany koa Andriamanitra mba hanomezana fanampiana na ny valin-teny katsahintsika. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba handinihana ny sasany amin’ireo fomba hahatongavan’ny valin-tenin’ Andriamanitra aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina: 1 Mpanjaka 19:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.; 11:11–14. Oviana ianao no nahatsapa fa ren’ Andriamanitra ny vavakao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Tanisao ao amin’ny vondrona misy anao ny sasany amin’ireo fomba izay ahafahantsika mampiasa ny teknôlôjia mba hifandraisana amin’ny hafa. Ifanakalozy hevitra ilay fanontaniana hoe “Nahoana no tsapantsika ho sarotra indraindray ny mifandray tsara amin’ny Ray any An-danitra?” Miaraha mamaky ny 3 Nefia 14:7–11. Inona no nampianarin’i Jesoa Kristy momba ny finiavan’ny Ray any An-danitra hamaly ny vavaka ataontsika?

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “The Language of Prayer,” Ensign,, May 1993, 18.

  2. Lohahevitra sy fanontaniana, “Vavaka”, Médiathèque de l’Évangile

  3. Carol F. McConkie, “Ny faniriana marin’ny fanahy”, Liahona, mey 2016, 25.

  4. Bible Dictionary, “Prayer.”

Hamoaka printy