Tahirim-pitaovana
Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray


“Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
lehilahy mivavaka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray

Maneho ny fitiavantsika sy ny fanoloran-tenantsika amin’ Andriamanitra

Rehefa nanontaniana i Jesoa Kristy hoe inona no didy lehibe indrindra dia namaly Izy hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” (Matio 22:37). Nasehon’i Jesoa tanteraka nandritra ny fiainany teto an-tany ny fomba hitiavana an’ Andriamanitra Ray. Nanao “ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana” Izy (3 Nefia 11:11). Ho hitanao fa mitombo ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy ny fanirianao hankatò Azy rehefa mijanona ianao mba hieritreritra ny halehiben’ny zavatra nataony ho anao (jereo ny Môzià 2:20–24). Ny fitsaohana dia fomba iray manan-danja hanehoantsika ny fankasitrahantsika ny fitiavan’ny Ray sy hanehoana fa mikatsaka ny hanakaiky Azy isika.

Inona no dikan’ny hoe mitsaoka ny Ray any An-danitra?

Manolotra an’ Andriamanitra ny fitiavantsika, ny fanajantsika, ny asa fanompoantsika sy ny fanoloran-tenantsika no atao hoe fitsaohana Azy. Mandidy ny zanany ny Ray any An-danitra mba hitsaoka ao anatin’ny fiombonana amin’ireo mpino hafa sy manokana ihany koa. Tsy vitan’ny hoe mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fanoloran-tenantsika Aminy ny ezaka fitsaohana ataontsika, fa manome hery antsika hitandrina ny didiny ihany koa izany.

Topimaso momba ny lohahevitra: Mitsaoka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Andriamanitra Ray, Vavaka, Fanasan’ny Tompo, Tempoly, Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika.

Sary
Lehilahy sy vehivavy mivavaka

Andriamanitra Ray no Ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao. Noho izany dia nanao drafitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratan’ny zanany Izy. Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany tety an-tany Izy mba hanao sorona fanavotana ho antsika rehetra. Tsy maintsy mino Azy sy miezaka manao izay rehetra andidiany isika mba hahazoana ireo fitahiana avy amin’ny drafitry ny Ray.

Nodidiana i Mosesy hoe: “Derao Andriamanitra fa Izy irery ihany no hotompoinao” (Mosesy 1:15). Taonjato maro taty aoriana, rehefa tonga ny devoly naka fanahy an’i Jesoa mba hitsaoka azy dia namaly Jesoa hoe: “Ny Tompo (Jehovah) Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (jereo ny Matio 4:8–10). Nandidy ny zanany Andriamanitra Ray hatramin’ny voalohany mba “[hanao] amin’ny anaran’ny Zanaka izay rehetra ataonao” (Mosesy 5:8). Nodidiana i Joseph Smith, amin’izao androntsika izao, hoe: “Hanompo an’ [Andriamanitra] amin’ny anaran’i Jesoa Kristy [ianao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5).

Manampy antsika hanakaiky ny Ray any An-danitra ny fametrahana Azy ho laharam-pahamehana lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika . Nandidy ny Zanak’Isiraely Andriamanitra hoe: “Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:3). Miseho ny fanompoan-tsampy resahina ao amin’ny soratra masina, amin’izao fotoana izao, rehefa manome lanja kokoa ny zavatra na ny olona isika noho Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny (jereo ny Eksodosy 20:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–16). Mifanohitra amin’izany kosa, mahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra isika ary lasa tahaka Azy kokoa rehefa asehontsika Azy fa tia Azy amin’ny fontsika rehetra isika, tahaka ny itiavany antsika. Fomba lehibe indrindra ahafahantsika mitsaoka an’ Andriamanitra Ray ny manatona an’i Jesoa Kristy Zanany amin’ny alalan’ny finoana sy ny fibebahana ary ny fiezahana handeha amin’ny lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 17:3). Afaka ny ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra indray andro any ireo izay manao Azy ho hany ifantohan’ny fitsaohany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Tena ilaina ny fisafidianana ny hino fa misy ny Ray any An-danitra, ary koa ny fatokiana ny fahendreny sy ny heriny amin’ny fanatonana amim-panetren-tena an’ Andriamanitra ao anatin’ny fitsaohana. Vakio ny Môzià 4:9–10. Oviana ny finoanao an’ Andriamanitra no nanosika anao hikatsaka ny fanampiany sy ny famelany heloka? Nahoana ny fiezahana hibebaka tsy tapaka sy hiala amin’ny fahotana no lafiny manan-danja amin’ny fitsaohana marina?

  • Nasehon’i Jesoa Kristy antsika ny fomba itsaohana ny Ray any An-danitra nandritra ny fotoana niainany teto an-tany. Vakio ny Jaona 5:19–20, ary diniho izay ampianarin’io andinin-tsoratra masina io momba ny fitsaohana. Inona avy ireo fomba sasany hianarantsika momba ny asan’ny Ray sy ny Zanaka? Hanomana anao hitsaoka an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny asany, izay voarakitra ao amin’ny soratra masina?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo ilay horonan-tsary hoe “I Am a Son of God” (6:30). Ifanakalozy hevitra ny zavatra tsapan’ny tsirairay rehefa nianatra momba ny zavatra masina niainan’i Mosesy niaraka tamin’ Andriamanitra izy ireo. Rehefa mametraka ny fitiavana an’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana ambony indrindra isika, dia ahoana no hiarovan’izany antsika amin’ny fakam-panahy? Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataontsika mba hitsaoka an’ Andriamanitra manomana antsika hiatrika zava-tsarotra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Afaka mahazo hery ara-panahy ianao rehefa miaraka amin’ny hafa mitsaoka an’ Andriamanitra

Sary
Olona ao am-piangonana

Mivory isan-kerinandro ao amin’ny trano fiangonana eo an-toerana ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hivavaka, handray ny fanasan’ny Tompo, hihira fihirana, hianatra ny filazantsara, ary hanamafy orina ny fiombonan’izy ireo. Nandidy ny olomasina ny Tompo mba “handeha ho any amin’ny trano fivavahana ary hanatitra ny fanati-pisaoran[’izy ireo] amin’ny andro[ny] masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9). Hetsika manan-danja izay ahafahan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manome torolalana entanim-panahy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany, izay atao indroa isan-taona, ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Heverina ho fomba tena ilaina hitsaohana an’ Andriamanitra Ray ny fandraisana anjara amin’ny fanompoam-pivavahana voarindra ao amin’ny Fiangonana.

Mitsaoka any amin’ny tempoly ihany koa ny mpikamban’ny Fiangonana ankoatra ny fitsaohana amin’ny andro Sabata. Mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana, izay manomana azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay, ao amin’ny tranon’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana. Manomana antsika hifandray amin’ Andriamanitra ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana mifandray amin’ireo ôrdônansy ireo. Midika izany fa afaka mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo isika ary mahazo fiadanana, hery ary fanambarana ho an’ny tena manokana mihitsy aza.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mamariparitra ny fomba nivorian’ny mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy mba hiara-hitsaoka ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Môrônia 6:5–9. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny fomba fitsaohan’izy ireo amin’ny zavatra ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny? Ahoana no hamaritanao ireo fitahian’ny fitsaohana amin’ny andro Sabata amin’ny olona iray akaikin’ny fonao izay tianao hasaina ho any am-piangonana?

  • Nivavaka ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny taona 1836, mba “hahatsapa ny herin’ [Andriamanitra] ny olona rehetra izay miditra ny tokonam-baravaran’ny tranon’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13). Oviana no nanampy anao niaina ny fahatsapana ny herin’ Andriamanitra ny fanokanana fotoana hitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo?

  • Avereno jerena ilay hafatra hoe: “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana” nataon’ny Eveka Dean M. Davies, ka tadiavo ny fomba ahafahan’ny fitsaohana amin-kitsim-po manampy anao hitombo amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao. Inona no hevitra na fahatsapana nanananao momba ny ezaka nataonao manokana hitsaohana rehefa mamaky ilay lahateny ianao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nanorina ny Fiangonany amin’izao androntsika izao i Jesoa Kristy mba hitahiana ireo mpanara-dia Azy. Niresaka momba ny filàna fiangonana ny Filoha Dallin H. Oaks tamin’ny lahateny iray nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2021. Diniho miaraka ny “Ny ilàna Fiangonana,” ka tadiavo ny sasany amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny fiarahana mitsaoka amin’ny mpino hafa. Inona avy ireo antony sasantsasany maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fitsaohana ao am-piangonana ho an’ny fitomboana ara-panahy sy ny fivoaran’ny olona iray?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Afaka ho lasa ampahany amin’ny fiainanao andavanandro ny fitsaohana an’ Andriamanitra

Sary
Vehivavy eo anoloan’ny tempoly

Nitory ny filazantsara teo anivon’ireo sokajin’olona mahantra kokoa izay noroahina tsy hanatrika ny fitsaohana niaraka tamin’ny besinimaro “noho ny fitafiany maraorao” ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (Almà 32:2; jereo koa ny andininy 1–12). Nohazavainy fa mihoatra lavitra noho ny fanatrehana fivoriana ny fitsaohana: “Indro, efa nolazainareo fa tsy afaka mitsaoka an’ Andriamanitrareo ianareo satria roahina ianareo hiala ny sinagoganareo. … Raha heverinareo fa tsy afaka mitsaoka an’ Andriamanitra ianareo, dia mandiso indrindra ianareo” (Almà 33:2). Ankoatra ny mitsaoka tsy tapaka mandritra ny fanompoam-pivavahana Sabata ao amin’ny Fiangonana dia afaka miaina fahatsapana fitsaohana an’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ataonao ianao. Afaka mikolokolo toe-tsaina tia mitsaoka ianao rehefa mitodika amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka (jereo ny Almà 32:3–11; 37:36) ary rehefa maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana azonao ianao (jereo ny Almà 34:38). Afaka manomana anao hifandray amin’ Andriamanitra ny fihainoana mozika mampahery (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nihevitra ilay vehivavy samaritana teo amin’ny fantsakana fa any amin’ny toerana masina ihany no hanaovana fitsaohana. Vakio ny Jaona 4:19–26 Inona no nampianarin’i Jesoa an’io vehivavy io momba ny fitsaohana marina? Inona avy ireo fomba ahafahanao mikolokolo ny fahatsapana fitsaohana an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

  • Nizara ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Tena manan-danja lehibe tokoa amiko fa afaka manantona ny seza fiandrianan’ny famindrampo aho amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra amin’ny alalan’ny vavaka, sy ny hoe hihaino ny fangatahako ny Raiko any An-danitra, ary ny Mpisolovava ahy, Izy izay tsy nanao fahotana, izay nalatsa-drà, dia hiaro ahy.” Inona no fiantraikan’ny fitodihana amin’ny Mpamonjy eo amin’ny fanirianao hitsaoka ny Ray any An-danitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Afaka manampy antsika hanana faniriana hivavaka amin’ Andriamanitra ny fihainoana mozika tsara. Afaka mampitodika ireo eritreritsika ho amin’ny Ray any An-danitra sy ireo fitahiana izay nomeny tamim-pamindram-po ireo tonon-kira mankahery. Manaova lisitra ireo hira izay nanampy anao hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Diniho miaraka ny antony mety hiheveran’ Andriamanitra ny “hiran’ny marina” ho toy ny vavaka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12).

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy