Tsy Manana Andriamani-kafa
Moa ve isika manompo laharam-pahamehana na andriamanitra eo alohan’ilay Andriamanitra izay lazaintsika fa tompointsika?
Ny Didy Folo dia fototra manan-danja ho an’ny fivavahana Kristiana sy Jiosy. Nomen’Andriamanitra ho an’ny Zanak’i Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany ireo didy ireo ka ny roa voalohany amin’izy ireo dia manome torolalana mikasika ny fivavahantsika sy ny laharam-pahamehantsika. Ao amin’ilay voalohany, dia nandidy ny Tompo hoe: “Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:3). Taonjato maro taty aoriana, rehefa nanontaniana i Jesoa hoe: “Ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?” dia namaly Izy hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” (Matio 22:36–37).
Ny faharoa amin’ireo Didy Folo dia manome ny antsipirian’ny torolalana mba tsy hanana andriamani-kafa ary mamaritra izay tokony ho laharam-pahamehana lehibe indrindra ao amin’ny fiainantsika amin’ny maha-zanany antsika. “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra” eny amin’ny lanitra na ety an-tany (Eksodosy 20:4). Avy eo misy fanampiny ao amin’ilay didy hoe: “Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy” (Eksodosy 20:5). Tsy hoe mandrara ny sampy hita maso fotsiny ihany izany, fa tena maneho laharam-pahamehana fototra ho amin’ny fotoana rehetra. Manazava i Jehovah hoe: “Fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, … mamindra fo amin’ … ” izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko” (Eksodosy 20:5–6). Ny hevitry ny hoe saro-piaro dia manambara zavatra tena ilaina. Ny teny Hebreo niavian’izany teny izany dia midika hoe “manana fahatsapana mora mandre sy tena lalina” (Eksodosy 20:5, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b). Noho izany dia maniratsira an’Andriamanitra isika rehefa “manompo” andriamani-kafa—rehefa manana laharam-pahamehana hafa.1
I.
Inona ireo laharam-pahamehana hafa izay “[tompoin’]” ny olona eo alohan’Andriamanitra—na dia olona mivavaka aza—amin’izao andro iainantsika izao? Hevero ireto zavatra mety ho isan’izany ireto, izay tena fahita ao amin’ny tontolo misy antsika:
-
Fombafomba ara-kolontsaina sy an’ny fianakaviana
-
Fanaovana izay tsy hanafintohana ny hafa fijery
-
Faniriana hivoatra eo amin’ny asa
-
Fananana harena
-
Fitadiavana fialam-boly
-
Fahefana sy fananana toerana ambony ary laza
Raha toa tsy misy mahakasika antsika ireo ohatra voalaza ireo, dia mety mahita hafa izay mahakasika antsika isika. Ny fitsipika no manan-danja kokoa noho ny ohatra ho an’ny tsirairay. Ny fitsipika dia tsy hoe manana laharam-pahamehana hafa ve isika. Fa ny fanontaniana apetraky ny didy faharoa dia hoe “Inona no laharam-pahamehantsika lehibe indrindra?” Moa ve isika manompo laharam-pahamehana na andriamanitra eo alohan’ilay Andriamanitra izay lazaintsika fa tompointsika? Moa ve isika nanadino ny fanarahana ilay Mpamonjy izay nampianatra fa raha tia Azy isika, dia hanaja ny didiny? (jereo ny Jaona 14:15). Raha izay no izy, dia nankorontan’ny fanamaivanana ny ara-panahy sy ny filàna tsy voafehy izay fahita amin’izao andro iainantsika izao ny laharam-pahamehantsika.
II.
Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ireo didin’Andriamanitra dia mifototra ary tsy afa-misaraka amin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany—ilay drafitra lehiben’ny famonjena. Io drafitra io, izay antsoina matetika hoe “drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8), dia manazava ny fiaviantsika sy ny hoavintsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika—avy aiza isika, nahoana isika no etỳ, ary ho aiza isika. Ny drafitry ny famonjena dia manazava ny tanjon’ny famoronana sy izay zavatra takiana amin’ ny toetra mety maty, anisan’izany ireo didin’Andriamanitra, ny antony ilàna Mpamonjy, ary ny anjara asa lehiben’ny fianakaviana eto an-tany sy ny fianakaviana mandrakizay. Raha toa isika Olomasin’ny Andro Farany, izay nahazo izany fahalalana izany, ka tsy mametraka ny laharam-pahamehantsika mifanaraka amin’io drafitra io, dia atahorana hanompo andriamani-kafa isika.
Manome fomba fijery miavaka ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny fahafantarana ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany. Fantatra amin’ny ara-drariny ho fiangonana mifantoka amin’ny fianakaviana isika. Ny teôlôjiantsika dia miantomboka amin’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary ny faniriantsika lehibe indrindra dia ny hahazo ny fahafenoan’ny fisandratana mandrakizay. Fantatsika fa tsy azo raha tsy ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana irery ihany izany. Fantatsika fa ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy dia tena ilaina mba hahatanteraka ny drafitr’Andriamanitra. Io fanambadiana io irery ihany no hahazoana ny toerana ankatoavina mba ho an’ny fahaterahana ara-nofo sy hiomanan’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ho antsika ny fanambadiana sy ny fitondrana sy fikolokoloana ny ankizy dia ampahan’ny drafitr’Andriamanitra sady andraikitra masina ho an’ireo izay nomena ny fahafahana hanao izany. Mino isika fa ny harena manan-danja indrindra eto an-tany sy any an-danitra dia ireo zanatsika sy ireo taranatsika.
III.
Noho ny zavatra takatsika mikasika ny anjara asan’ny fianakaviana izay afaka ny ho mandrakizay, dia malahelo isika mahita fa mihena tokoa ny isan’ny fahaterahana sy ny fanambadiana any amin’ny firenena Tandrefana izay raha ny kolontsainy ara-tantara dia Kristiana sy Jiosy. Ireo loharanom-baovao tompon’andraikitra amin’izany dia manao izao tatitra izao:
-
Amin’izao fotoana izao no ambany indrindra teo amin’ny tantara ny taham-piterahana any Etazonia,2 ary any amin’ireo firenena maro ao amin’ny Vondrona Eorôpeana sy any amin’ny firenena mandroso hafa dia ambany noho ny tokony ho izy ny taham-pahaterahana mba hihazonana ny isan’ny vahoaka.3 Noho izany dia atahorana ny fihazonana ny kolontsaina sy ny firenena mihitsy aza.
-
Any Amerika, ny tahan’ireo tanora 18 hatramin’ny 29 taona izay manambady dia nihena ho 20 isan-jato tamin’ny taona 2010 raha 59 isan-jato izany tamin’ny taona 1960.4 Ny taona salasalany hanambadian’ny olona voalohany amin’izao fotoana izao dia farany avo indrindra teo amin’ny tantara: 26 taona ho an’ny vehivavy ary 29 taona ho an’ny lehilahy.5
-
Any amin’ny firenena sy kolontsaina maro (1) ny fianakaviana mahazatra ahitana ray sy reny mivady sy zanaka dia lasa heverina ho maningana raha tokony hoe izay no manara-dalàna, (2) ny fikatsahana fivoarana eo amin’ny asa fa tsy fanambadiana na fitondrana vohoka dia safidy tsy mitsaha-mitombo ataon’ny zatovovavy maro, ary (3) mihena ny anjara asan’ny raim-pianakaviana sy ny fahatsapana fa ilaina izy ireo.
Eo anivon’izany fironana izay mampiasa saina izany, dia mahafantatra isika fa ny drafitr’Andriamanitra dia natao ho an’ny zanany rehetra ary tian’Andriamanitra ny zanany rehetra, na aiza na aiza.6 Manambara ny toko voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny “her[y] sy ny hatsaran[a] ary ny fampindram-pon’ [Andriamanitra] dia manerana ny mponin’ny tany rehetra” (1 Nefia 1:14). Manambara ny toko aty afara kokoa fa “nomeny maimaim-poana ny olon-drehetra [ny famonjeny]” ary “manan-jo hitovy ny olon-drehetra, ka tsy misy voarara amin’izany” (2 Nefia 26:27–28). Noho izany dia mampianatra ny soratra masina fa isika dia manana andraikitra ny hangoraka sy hiantra ny olon-drehetra (jereo ny 1 Tesaloniana 3:12; 1 Jaona 3:17; F&F 121:45).
IV.
Isika koa dia manaja ny finoana ara-pivavahan’ny olona rehetra, eny na ireo izay milaza ho tsy mino an’Andriamanitra izay tsy mitsaha-mitombo an’isa aza. Fantatsika fa amin’ny alalan’ny safidy izay hery nomen’Andriamanitra, maro no hanana finoana tsy mitovy amin’ny antsika, saingy manantena isika fa ireo hafa dia hanaja mitovy amin’izany koa ny finoantsika ara-pivavahana ary hanaiky fa ny finoantsika dia manery antsika hanao safidy sy fihetsika tsy mitovy amin’ny azy ireo. Ohatra, mino isika fa, noho izy manan-danja eo amin’ny drafitry ny famonjeny, dia napetrak’Andriamanitra ny fenitra mandrakizay hoe tokony eo amin’ny lehilahy sy vehivavy izay mpivady irery ihany no hisy ny firaisana ara-nofo.
Ny hery hamoronana fiainana eto an-tany no hery feno fisandratana indrindra izay nomen’Andriamanitra ho an’ireo zanany. Ny fampiasana izany dia napetraky ny didy voalohany nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva (jereo ny Genesisy 1:28), saingy misy didy hafa manan-danja nomena mba handrara ny fampiasana izany amin’ny tsy tokony ho izy (jereo ny Eksodosy 20:14; 1 Tesaloniana 4:3). Ny fahatakarantsika ny tanjon’ny fahefan’ny fananahantsika ao amin’ny fanatanterahana ny drafitr’Andriamanitra no manazava ny mahatonga antsika hanatintrantitra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Izay mety ho fampiasana ny fahefan’ny fananahana ivelan’ny fanambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy, dia fahotana sy mifanohitra amin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fisandratan’ireo zanany, na kely na lehibe ny halaliny.
Ny fanomezantsika lanja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia manazava ny fanolorantenantsika amin’ilay lamin’ny fanambadiana izay niantomboka tamin’i Adama sy i Eva ary nitohy nandritra ny tantaran’izao tontolo izao, tahaka ilay lamina nomen’Andriamanitra ho an’ny fifandraisana natao hitondra fananahana izay misy eo amin’ireo zanany lahy sy ny zanany vavy sy ho an’ny fikolokoloana ireo zanany. Soa ihany fa olona maro izay avy amin’ny rafitra na fikambanana hafa no miombon-kevitra amintsika ny amin’ny toetra sy ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana, ny sasany avy amin’ny fotopampianarana ara-pivavahana ary ny sasany avy amin’izay heverin’izy ireo ho tsara indrindra ho an’ny fiaraha-monina.
Ny fahafantarantsika ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany7 no manazava hoe nahoana isika no kivy satria mitombo hatrany ny isan’ireo ankizy izay teraka ivelan’ny fanambadiana—amin’izao fotoana izao dia 41 isan-jaton’ny fahaterahana any Etazonia8—ary mitombo haingana be ihany koa ny isan’ireo olon-droa miara-mipetraka nefa tsy mpivady nandritra ny tapaky ny taonjato farany teo. Dimampolo taona lasa izay, dia ampahany kely amin’ireo fanambadiana voalohany no nandalo tamin’ny fanaovana tokantrano maso aloha. Ankehitriny, dia 60 isan-jaton’ny fanambadiana no mandalo tokantrano maso aloha.9 Ary mitombo hatrany ny faneken’ny olona izany, indrindra ireo zatovo. Ny valin’ny fandinihana natao vao haingana no nahitana fa eo ho eo amin’ny 50 isan-jaton’ny tanora no milaza fa ny fananana anaka ivelan’ny fanambadiana dia “fomba fiaina tsara.”10
V.
Maro ireo fanerena ara-pôlitika sy ara-piaraha-monina mba hisian’ny fiovan’ny lalàna sy ny fitsipika arahina mba hametrahana fihetsika izay mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra mikasika ny fahadiovam-pitondrantena sy ny toetra mandrakizay ary ny tanjon’ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka. Ireny fanerena ireny dia efa namela ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy any amin’ny firenena samihafa. Ny fanerena hafa dia hampanjavozavo ny maha-lahy na maha-vavy na hampitovy ireo fahasamihafana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy izay tena ilaina mba hanatanterahana ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.
Ny fahatakarantsika ny drafitr’Andriamanitra sy ny fotopampianarany dia manampy antsika hahita ny zavatra amin’ny fijery mandrakizay ka tsy afaka ny hamela ny fihetsika tahaka izany isika na hitady fanamarinana ao amin’ny lalàna izay hanomezan-dalana azy ireny. Ary ny fitsipika ampiharintsika dia napetraka avy amin’ireo fahamarinana izay nambaran’Andriamanitra fa tsy azo ovaina, tsy toy ireo fikambanana hafa izay afaka manova ny fitsipika ampihariny sy ireo fotopampianarany mihitsy aza.
Ny fanekem-pinoantsika faha-roa ambin’ny folo dia milaza ny finoantsika ny fanoavana ny fahefana misy eo amin’ny fiaraha-monina sy “ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny lalàna.” Saingy ny lalàna dia tsy afaka ny hanova izay nambaran’Andriamanitra fa faharatsiam-pitondrantena ho fahatsaram-pitondrantena. Ny manolo-tena ho amin’ny laharam-pahamehantsika lehibe indrindra—ny ho tia sy hanompo an’Andriamanitra—dia mitaky ny fianteherana amin’ ny lalàny eo amin’ny fenitra arahan’ny fitondrantenantsika. Ohatra, manan-kery hatrany ny fandidian’Andriamanitra antsika mba tsy hanitsakitsa-bady sy tsy hijangajanga na dia efa tsy raran’ny lalàn’ireo firenena misy antsika intsony aza ireo fihetsika ireo. Toy izany koa ny lalàna izay tsy mandrara ilay antsoina hoe “fanambadiana samy lahy na samy vavy” dia tsy manova ny lalan’ny fanambadiana napetrak’Andriamanitra na ireo didiny sy ireo fenitra mikasika izany. Isika dia mbola voafehin’ny fanekempihavanana ho tia an’Andriamanitra sy hitandrina ireo didiny ary tsy hanompo andriamani-kafa na laharam-pahamehana hafa—eny fa na ireo izay lasa fanaon’olona amin’ny fotoana sy toerana miavaka izay misy antsika aza.
Rehefa manana izany fahavononana izany isika, dia mety tsy ho azon’ny olona, ary mety hiharan’ny fanendrikendrehana isika hoe manavakavaka na mety hianjadian’ny fanavakavahana, na voatery hiharitra ireo fiantsiana ny fahafahantsika hivavaka amin-kahalalahana. Raha izay no izy, dia mino aho fa tokony hahatsiaro ny laharam-pahamehantsika voalohany isika—dia ny hanompo an’Andriamanitra— ary, toy ireo mpamaky lay nialoha lalana antsika, dia hitarika hatrany ireo sarety tarihin-tanantsika manokana amin’ny herimpo lehibe tahaka izay nasehon’izy ireo.
Misy fampianaran’ny Filoha Thomas S. Monson izay miantefa amin’izany toe-javatra izany. Tamin’ny fihaonambe tahaka ity, 27 taona lasa izay, dia nilaza tamim-pahasahiana izy hoe: “Ndeha isika hanana ny herimpo hanohitra izay fanaon’ny olona, ilay herimpo hiaro ny fitsipika ijoroantsika. Ny herimpo, fa tsy ny marimaritra iraisana, no mitondra ilay tsiky maneho ny fankatoavan’Andriamanitra. Ny herimpo dia lasa fomba fiainana sy hatsaran-toetra mahasarika ny saina rehefa raisina tsy ho toy ny fahavononana ho faty amim-boninahitra fotsiny ihany, fa ho toy ny fahavononana hiaina amim-pahamendrehana. Ny olona saro-tahotra ara-pahatsaran-toetra dia olona iray izay matahotra ny hanao izay heveriny ho tsara satria tsy mankatò izany na mihomehy izany ny hafa. Tsarovy fa ny olona rehetra dia manana ny tahony avokoa, saingy ireo izay miatrika ny tahony amim-pahamendrehana dia manana herimpo ihany koa.”11
Mivavaka aho ny mba tsy hamelantsika ireo olana ara-nofo mandritra ny fiainantsika ety an-tany hahatonga antsika hanadino ireo didy lehibe sy ireo laharam-pahamehana izay azontsika avy amin’ny Mpahary antsika sy Mpamonjy antsika. Tsy tokony hametraka fatratra ny fontsika amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy hiandrandra ny voninahitry ny olona isika (jereo ny F&F 121:35) hany ka tsy miezaka manatratra ny hoavintsika mandrakizay intsony isika. Isika izay mahafantatra ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany—isika izay nanao ny fanekempihavanana fa handray anjara amin’izany— dia manana andraikitra mazava. Tsy tokony hivilivily mihitsy amin’ny faniriantsika ambony indrindra isika, dia ny hahazoana ny fiainana mandrakizay izany.12 Tsy tokony hiova amin’ny laharam-pahamehantsika voalohany isika—dia ny tsy hanana andriamani-kafa sy ny tsy hanompo laharam-pahamehana hafa alohan’Andriamanitra ilay Ray sy Jesoa Kristy Zanany, Mpamonjy antsika.
Enga anie Andriamanitra hanampy antsika mba hahatakatra izany laharam-pahamehana izany sy mba ho eken’ny hafa rehefa mikatsaka ny hanaraka izany amin’ny fomba feno fahendrena sy fitiavana isika, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.