“Tsy Handao Anao na Hahafoy Anao Aho”
Ny Raintsika any an-danitra … dia mahafantatra … fa mianatra sy mivoatra ary lasa matanjaka kokoa isika rehefa miatrika sy maharesy fitsapana izay tsy maintsy lalovantsika.
Izaho dia hanoratra ao amin’ny diariko anio alina hoe “Iray tamin’ireo fivoriana nanentana ny fanahy indrindra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana rehetra natrehiko ity. Nanana endrika tena tsara sy tena ara-panahy ny zavatra rehetra.”
Ry rahalahy sy rahavavy, enim-bolana lasa izay raha niara-nivory nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonantsika isika, dia teo am-pandriana tany amin’ny hopitaly kosa i Frances vady malalako, vokatry ny fianjerana nisy fiantraikany ratsy izay niseho andro vitsivitsy talohan’izany. Ny volana Mey, taorian’ny herinandro maro niadiany mafy mba ho sitrana tamin’ireo ratra nahazo azy dia lasa nody nankany amin’ny mandrakizay izy. Mafy dia mafy tokoa ny famoizana azy. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izahay tamin’ny 7 Ôktôbra 1948. Ho feno 65 taona rahampitso ny fotoana nivadianay. Izy no ilay olon-tiako teo amin’ny fiainako, ilay olona nitokiako ary ilay namako akaiky indrindra. Ny filazana hoe malahelo azy aho dia tsy ampy hanombohana hilazana ny halalin’ny fahatsapako.
Ity fihaonambe ity no manamarika ny faha 50 taona niantsoan’ny Filoha David O. McKay ahy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nandritra izay taona maro izay dia tsy nahatsapa na inona na inona aho afa-tsy ny nahazoako ny fanohanana feno sy tanteraka avy tamin’ilay vady malalako. Tsy tambo ho isaina ny fahafoizan-tena nataony mba hahafahako manatanteraka ny antsoko. Tsy mba naheno azy nimenomenona velively aho rehefa nangatahana matetika mba handao azy sy ny zanakay mandritra ny andro maromaro na herinandro maromaro mihitsy aza indraindray. Tena nanana toetran’anjely tokoa izy.
Te haneho ny fisaorako anareo sy ny fianakaviako ihany koa aho noho ny fanehoam-pitiavana lehibe izay nirotsaka taminay hatramin’izay nahalasan’i Frances izay. Karatra sy taratasy an-jatony avy amin’ny faritra manerana an’izao tontolo izao no voaray, izay naneho ny fankafizan’ny olona azy sy fampiononana ho an’ny fianakavianay. Naharay fehezam-boninkazo tsara tarehy am-polony maro izahay. Feno fankasitrahana izahay noho ireo anjara biriky maro amin’ny anarany izay narotsaka tao amin’ny Kitapom-bola Faoben’ny Fiangonana ho an’ny Asa Fitoriana. Amin’ny anaranay rehetra izay nilaozany dia maneho fankasitrahana feno noho ny hatsaram-panahinareo sy ny fanehoam-pitiavanareo lalina izahay.
Ny zavatra faran’izay lehibe indrindra nampahery ahy nandritra izay fotoana nampihetsi-po nisarahanay izay dia ny fijoroako ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahafantarako fa i Frances malalako dia mbola velona. Fantatro fa mandalo ihany ny fotoam-pisarahanay. Nofehezina tany amin’ny tranon’Andriamanitra izahay tamin’ny alalan’ny olona iray izay manana ny fahefana hamehy ety ambonin’ny tany sy any an-danitra. Fantatro fa ho tafaray indray izahay indray andro any ary tsy hisaraka intsony. Izany no fahalalana manohana ahy.
Ry rahalahy sy rahavavy, mety tena azo antoka ny mihevitra fa tsy mbola nisy olona niaina hatramin’izay ka tsy mba nianjadian’ny fijaliana sy ny fahoriana velively, ary tsy mbola nisy koa vanim-potoana iray hatramin’izay teo amin’ny tantaran’ny olombelona izay tsy nandalovan’ny korontana sy ny fahoriana.
Rehefa ianjadian-javatra mafy tampoka isika eo amin’ny fiainana, dia tonga ny fakam-panahy hametraka ilay fanontaniana hoe: “Fa nahoana no miseho amiko izao?” Indraindray dia toy ny tsy misy fiafarana ilay fahoriana ary toa tsy misy ny fanantenana hahatafavoahana amin’izany. Mahatsapa ho voahodidin’ny fahadisoam-panantenana avy amin’ny tsy fahatanterahan’ireo nofinofintsika sy ny famoizam-po nateraky ny fanjavonan’ireo fanantenana isika. Miray feo ao anatin’ilay fitalahoana hita ao amin’ny Baiboly isika manao hoe: “Moa tsy misy balsama va any Gileada?”1 Mahatsapa ho nilaozana sy feno alahelo ary irery isika. Lasa mijery ny fahoriantsika manokana amin’ny maso mijery ny zavatra rehetra ho ratsy isika. Lasa tsy andrintsika izay hamahana ny olantsika ary adinontsika fa takiana amintsika matetika ny fananana ilay toetra masina dia ny faharetana izany.
Ireo olana mianjady amintsika dia mitondra eo anatrehantsika ilay fitsapana marina ny fahaizantsika miaritra. Misy fanontaniana lehibe iray izay anjarantsika tsirairay ny mamaly azy: Hilavo lefona ve aho sa hiatrika hatramin’ny farany? Tena milavo lefona ny sasany rehefa hitan’izy ireo fa tsy afaka ny handresy ny olany izy ireo. Ny hoe miatrika hatramin’ny farany dia ahitana ilay faharetana hatrany amin’ny fiarafan’ny fiainana mihitsy.
Rehefa misaintsaina ireo toe-javatra mitranga amintsika rehetra isika dia afaka miara-milaza amin’i Joba fahiny hoe: “Teraka ho amin’ny fahoriana ny olombelona.”2 I Joba dia lehilahy “marina sy mahitsy” izay “sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy.”3 Olona tsara fitondrantena ary nandroso harena i Joba nefa niatrika fitsapana izay mety nanimba olona na iza izy na iza. Rehefa namoy ny fananany izy, sy nakorain’ny namany ary nianjadian’ny fanaintainana sy nalahelo mafy noho ny namoizany ny fianakaviany dia nanana faniriana ny “[hamoy an’Andriamanitra ary ho faty.”4 Nahatohitra izany fakam-panahy izany anefa izy ary nanambara avy tany amin’ilay aty fanahiny mendrika lalina tany hoe:
“Indro, any an-danitra ny vavolombeloko, eny ny vavolombeloko dia any amin’ny avo.”5
“Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy.”6
Nihazona ny finoany i Joba. Moa ve isika hanao toy izany koa rehefa hiatrika ireo olana homena antsika?
Isaky ny mitady ho trotraky ny onjam-piainana isika dia aoka hahatsiaro fa efa nandalo izany ny olon-kafa maro ary naharitra sy nandresy avy eo.
Ny tantaran’ny Fiangonana ao anatin’izao fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoam-pahasoavana izao, dia feno toe-javatra niainan’ireo izay nanan’olana nefa nitoetra ho mafy orina foana ary nahatoky. Inona no antony? Nataon’izy ireo ho ivon’ny fiainany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany no zavatra hanampy antsika haharitra na inona na inona miseho amintsika. Mbola hiaina olana sarotra isika, saingy ho afaka ny hiatrika azy ireo amim-pahasahiana isika, ary hivoaka ho mpandresy amin’izany.
Avy eo amin’ilay fandriana niainana fanaintainana sy ondana kotsan-dranomaso isika no hatraka hiandrandra ny lanitra amin’ny alalan’ilay fanomezan-toky masina sy fampanantenana sarobidy hoe: “Tsy handao anao na hahafoy anao aho.”7 Sarobidy tsy hay sandaina ny fampaherezana toy izany.
Rehefa nanao dia tany lavitra rehetra tany nanerana an’izao tontolo aho mba hanatanteraka ireo andraikitro ao anatin’ny antsoko dia lasa nahafantatra zavatra maro—tafiditra tao anatin’izany tokoa ny fahitana fa iainan’ny rehetra ny alahelo sy fahoriana. Tsy afaka hanomboka handrefy ny halehiben’ny alahelo sy ny fahoriana rehetra hitako maso aho rehefa nitsidika ireo izay mandalo fahoriana, ianjadian’ny aretina, miatrika fisaraham-panambadiana, sahirana amin’ny zanaka lahy na zanaka vavy mania na mizaka ny voka-dratsy nateraky ny fahotana. Mety ho lava dia lava ny zavatra azo tanisaina satria olana maro tsy tambo ho isaina no mety ho tonga amintsika. Ny milaza ohatra iray fotsiny aza dia efa sarotra kanefa isaky ny mieritreritra olana atrehana aho dia mankany amin-drahalahy Brems ny saiko, izay iray tamin’ireo mpampianatra ahy tao amin’ny Sekoly Alahady fony aho zatovolahy. Mpikamban’ny Fiangonana mahatoky iray izy ary lehilahy be fitiavana. Nanan-janaka valo izy sy i Sadie vadiny ary maro tamin’izy ireo no nitovy taona tamin’ireo olona tao amin’ny fianakavianay.
Taorian’ny fanambadianay sy i Frances dia niala tao amin’ilay paroasy izahay ary tany amin’ny lanonam-panambadiana sy fandevenana ary koa nandritra ireo fivorian’ny paroasy no nahitanay an-drahalahy sy rahavavy Brems sy ireo olona tao amin’ny fianakaviany.
Namoy an’i Sadie vadiny Rahalahy Brems tamin’ny 1968. Roa tamin’ireo zanany valo koa no maty rehefa nandeha teny ny taona.
Indray andro, efa ho 13 taona lasa izay, dia niantso ahy an-tariby ny zafikelivavin-drahalahy Brems voalohany indrindra. Nohazavainy fa feno 105 taona ny raibeny. Hoy izy hoe: “Mipetraka any amin’ny toerana kely fikarakarana be antitra iray izy saingy mihaona amin’ny fianakaviany iray manontolo isaky ny Alahady izay hizarany lesona momba ny filazantsara.” Notohizany izany tamin’ny filazana hoe: “Tamin’ny Alahady lasa teo dia nanambara an’izao taminay i Dadabe, ‘Ry malalako isany, ho faty amin’ity herinandro ity aho. Azonareo mba hantsoina ve i Tommy Monson. Ho fantany ny tokony hatao.’”
Tonga dia nihaona tamin-drahalahy Brems aho ny hariva taorian’izany. Efa ela aho no tsy nahita azy. Tsy afaka niresaka taminy aho satria tsy naheno intsony izy. Tsy afaka nanoratra hafatra ho azy aho satria tsy nahita intsony izy. Nolazaina tamiko fa ny fianakaviana dia mifandray aminy amin’ny alalan’ny fandraisana ny rantsantanany iray avy amin’ny tanany havanana ary avy eo manoratra eo amin’ny felatanany havia ny anaran’ilay olona mamangy azy. Tsy maintsy atao amin’ny alalan’izay fomba izay ny hafatra izay tiana hampitaina. Narahiko ilay fomba tokony hatao ka noraisiko ny rantsantanany ary nosoratako hoe T-O-M-M-Y M-O-N-S-O-N, izay anarana nahafantarany ahy hatramin’izay. Tena faly Rahalahy Brems ka noraisiny ny tanako ary napetrany teo amin’ny lohany. Fantatro fa ny hahazo tsodranon’ny fisoronana no tadiaviny. Niaraka nanatanteraka izany tamiko ilay mpamily nitondra ahy tany amin’ilay toerana fikarakarana be antitra ary dia napetrakay teo amin’ny lohan-drahalahy Brems ny tananay ka nomena ilay tsodrano notadiaviny izy. Taorian’izay dia nikoriana avy teo amin’ilay masony tsy mahita ny ranomasony. Noraisiny tamim-pankasitrahana ny tananay. Na dia tsy henony aza ilay tsodrano nomenay azy dia nahery vaika ny Fanahy tsapa tamin’izany ary nino aho fa nentanin’ny Fanahy izy mba hahafantatra fa nomenay azy ilay tsodrano nilainy. Tsy nahita intsony io lehilahy maha-te-ho tia io. Tsy afaka nandre intsony izy. Nipetraka andro aman’alina tao amin’ny efitra kely tao amin’ny toerana fikarakarana be antitra izy. Kanefa nanohina ny foko ny tsiky teny amin’ny endriny sy ny teny nolazainy. “Misaotra,” hoy izy. “Tena naneho hatsaram-panahy tamiko ny Raiko any an-danitra.”
Nodimandry tsy nihoatra ilay herinandro araka ny efa nambarany mialoha Rahalahy Brems. Tsy mba nifantoka loatra tamin’izay tsy nananany velively izy fa naneho fankasitrahana lalina foana noho ireo fitahiana maro azony.
Ny Raintsika any an-danitra izay manome antsika fahafahana hianoka ao anatin’ny zavatra maro dia mahafantatra koa fa mianatra sy mivoatra ary lasa matanjaka kokoa isika rehefa miatrika sy maharesy fitsapana izay tsy maintsy lalovantsika. Fantatsika fa hisy fotoana izay hiainantsika alahelo mahavaky fo, sy hijaliantsika ary mety hitsapana mihitsy ny fetra zakantsika aza. Kanefa ny olana toy izany dia manome fahafahana antsika hivoatra, sy hanitsy ny fiainantsika araka ny fomba nampianarin’ny Raintsika any an-danitra ary ho lasa tsy hitovy amin’ilay isika teo aloha isika—olona tsara kokoa noho ny teo aloha, mahataka-javatra bebe kokoa noho ny teo aloha, mahay maneho fitiavana kokoa noho ny teo aloha ary manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa noho ny teo aloha.
Izao no tokony ho tanjontsika—tsy hoe maharitra fotsiny ihany fa lasa madio ara-panahy bebe kokoa koa ao anatin’ny fotoam-pilaminana sy ny fahoriana lalovantsika. Raha toa ka tsy nisy ireo olana tokony hatrehina sy hovahana dia ho nijanona toa antsika hatrizay isika, zara raha mivoatra na tsy mivoatra mihitsy eo amin’ ilay tanjontsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Naneho hevitra mitovy amin’izany ny mpahaitononkalo iray tao anatin’ireto teny ireto:
Tsy moramora vao mitombo ny hazo tsara,
Arakaraky ny hamafin’ny rivotra no maha mafy kokoa ireo hazo.
Arakaraky ny haavon’ny lanitra no mampijoalajoala azy.
Ny oram-baratra bebe kokoa dia hanome azy tanjaka kokoa.
Na ny masoandro na ny hatsiaka na ny orana na ny ranomandry izay mandalo,
Dia sady mampitombo ny hazo no mampivoatra ny olona.8
Ilay Mpampianatra ihany no mahafantatra ny halalin’ny fitsapana mahazo antsika sy ny fanaintainantsika ary ny fijaliantsika. Izy irery ihany no afaka manome antsika fiadanana mandrakizay ao anatin’ny fotoam-pahoriana. Izy irery ihany no afaka mampahery ilay fanahintsika maratra amin’ny alalan’ireo teny feno fampaherezana omeny manao hoe:
“Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.
“Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.”9
Na ao anatin’ny fotoana tena tsara indrindra izany na ao anatin’ny tena mafy indrindra dia miaraka amintsika Izy. Nampanantena antsika Izy fa tsy hiova velively izany.
Ry rahalahiko sy anabaviko, enga anie isika ka haneho fanoloran-tena amin’ny Raintsika any an-danitra izay tsy hiova rehefa mandeha ny fotoana na rehefa miseho ireo olana eo amin’ny fiainantsika. Tsy tokony hoe miaina olana aloha isika vao hahatsiaro Azy ary tsy tokony hoe terena hanetry tena isika vao haneho Aminy ny finoantsika sy ny fahatokiantsika.
Enga anie isika ka hiezaka hatrany ny ho akaiky kokoa ny Raintsika any an-danitra. Mba hanatanterahana izany dia tokony hivavaka Aminy sy hihaino Azy isika isan’andro. Tena mila Azy isan’ora isika na ao anatin’ny fotoam-pilaminana izany na ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Enga anie isika hahatsiaro foana ilay fampanantenany hoe: “Tsy handao anao na hahafoy anao aho.”10
Mijoro ho vavolombelona amin’ny herin’ny fanahiko iray manontolo aho fa velona Andriamanitra ary tia antsika Izy. Velona sy maty ho antsika ilay Zanany Lahitokana ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ilay hazavana lalina izay manazava rehefa rakotry ny haizina ny fiainantsika. Enga anie mba ho toy izany mandrakariva. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.