Aoka Ianareo Hiova Fo
Mitranga ny fiovam-po marina rehefa manohy miasa araka ireo fotopampianarana fantatrao fa marina ianao sy mitandrina ireo didy isan’andro ary mandavantaona.
Ry rahalahy sy rahavavy, tena mampanetry tena tokoa ny mijoro eto amin’ity polipitra ity izay nijoroan’ireo olona maro dia maro noraisiko ho be herimpo teo amin’ny fiainako. Te hizara aminareo ny sasany amin’ireo zavatra tsapan’ny foko aho ary hampiantefa izany any amin’ny tanora indrindra indrindra.
Ny iray amin’ireo olona be herimpo tao amin’ny Testamenta Taloha dia ny mpaminany mpitolona Josoa. Nanao izao fanasana izao tamin’ny zanak’i Isiraely izay notarihiny izy: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo; … fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.”1 Naneho fiovam-po marina amin’ny filazantsara ny fanambarana nataon’i Josoa. Ho an’i Josoa sy ho antsika rehetra, ny fiovam-po amin’ny filazantsara dia tonga amin’ny alalan’ny fiainana am-pahamarinana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny fanehoana hoe mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo.
Te hizara tantaran’ny fiovam-po iray avy tamin’ny tantaram-pianakaviako aho izay mikasika ny olona anankiray hafa noraisiko ho be herimpo. I Agnes Hoggan no anarany, ary lasa mpikamban’ny Fiangonana tany Écosse izy sy ny vadiny tamin’ny 1861. Raha nianjadian’ny fanenjehana lehibe izy ireo tany amin’ny tanindrazany dia nifindra monina taty Etazonia niaraka tamin’ireo zanany. Taona maro taty aoriana dia lasa mananotena i Agnes, niaraka tamin’ny zanaka miisa valo novelomina ary niasa mafy mba hamelomana sy hanafiana azy ireo izy. I Isabelle zanany vavy, 12 taona, dia mba tsara vintana fa nahita asa ho mpanampin’ny fianakaviana manan-karena iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.
Nipetraka tao amin’ny trano lehiben’izy ireo i Isabelle ary nanampy tamin’ny fikarakarana ireo ankizy madinika. Ho tambin’ny asa nataony dia nisy karama kely naloa isan-kerinandro tany amin-dreniny. Vetivety foana i Isabelle dia lasa noraisina ho isan’ny fianakaviana ary nanomboka niaraka nigoka tamin’ilay fianakaviana ireo tombontsoa nananan’izy ireo, toy ny fianarana dihy, ny fanaovana akanjo tsara tarehy sy ny fijerena tantara an-tsehatra. Nitohy nandritra ny efa-taona izany fifanarahana izany mandra-pifindran’ilay fianakaviana izay niasan’i Isabelle tany amin’ny faritany iray hafa noho ny antony arak’asa. Lasa tena tia an’i Isabelle izy ireo ka nanatona an’i Agnes reniny ary nangataka fahazoan-dalana mba hanangana azy ara-dalàna. Nampanantena izy ireo fa hampanovo fianarana tsara azy sy hanao izay hanambadiany olona tsara ary hanao izay hahatonga azy ho mpandova miaraka amin’ny tena zanak’izy ireo. Hanohy hanome vola an’i Agnes ihany koa izy ireo.
Nila nandray fanapahan-kevitra sarotra ity reny mananotena ity, kanefa tsy nisalasala na dia kely akory izy. Henoy ny tenin’ny zafikeliny vavy, izay nosoratana taona maro taty aoriana: “Raha toa ka tsy nitaky [azy] hiteny hoe tsia ny fitiavany dia nanana antony tsaratsara kokoa noho izany izy—tonga avy any Écosse lavitra any izy ary nandalo fahoriana sy fisedrana maro ho an’ny Filazantsara, ary tsy nanan-kevitra na oviana na oviana ny hamela na iza na iza amin’ireo zanany hamoy ilay zavatra izay nanaovany dia lavitra mihitsy mba hahazoana azy.”2 Nandresy lahatra araka izay vitany ilay fianakaviana mpanan-karena, ary nitomany sy nitalaho mihitsy i Isabelle mba ho afaka ny handeha, kanefa dia nijoro hatramin’ny farany i Agnes. Azonao alaina sary an-tsaina tsara fa tsapan’i Isabelle 16 taona ho toy ny rava ny fiainany.
Renin’ny dadabeko avy amin’ny reniko i Isabelle Hoggan, ary tena feno fankasitrahana aho ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy hamafin’ny finoana izay niredareda mafy tao am-pon’ny reniny, izay tsy namela azy hanakalo ny maha-mpikambana ny zanany vavy ato amin’ny Fiangonana amin’ireo fampanantenana ara-nofo. Ankehitriny dia taranany an-jatony izay migoka ireo fitahiana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo no mahazo tombontsoa avy amin’ny finoana lalim-paka nananan’i Agnes sy ny fiovam-pony tamin’ny filazantsara.
Ry tanora namana, miaina amin’ny andro mahory isika, ary manana vokany mandrakizay ireo fanapahan-kevitra izay asaina raisinareo isan’andro, na isan’ora mihitsy aza. Hamaritra izay zavatra hitranga aminareo any aoriana ireo fanapahan-kevitra raisinareo isan’andro. Raha toa ka tsy mbola manana fijoroana ho vavolombelona sy finoana mafy orina ianareo fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, dia izao no fotoana hanaovana izay takiana mba hahazoana izany finoana izany. Mety hampidi-doza ny fanahinareo ny fanemorana ny fanaovana ilay ezaka takiana mba hahazoana izany karazana finoana izany.
Ny hoe fananana fiovam-po marina dia mihoatra noho ny fananana fahalalana fotsiny ireo fitsipiky ny filazantsara ary mitaky zavatra mihoatra noho ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika ireo aza izany. Azo atao ny manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara kanefa tsy miaina araka izany. Ny hoe niova fo marina dia midika fa manao asa mifanaraka amin’izay inoantsika isika ary mamela izany hampisy “fiovana mahery vaika ao amintsika na ao am-pontsika.”3 Ao anatin’ilay bokikely Ancrés dans la Foi (Miorim-paka amin’ny Finoana), dia mianatra isika fa ny fiovam-po dia dingana arahana fa tsy zava-miseho indray mandeha monja. Manjary miova fo ianao vokatry … ny ezaka marina natao mba hanarahana ny Mpamonjy.”4 Mitaky fotoana sy ezaka ary asa izany. Ny renin’ny renibeko dia nanana finoana matanjaka fa ny filazantsara dia manan-danja bebe kokoa ho an’ny zanany noho izay zavatra rehetra azon’izao tontolo izao atolotra ao anatin’ny harena sy ny fiadanana satria nanao fahafoizan-tena sy niaritra ho an’ny filazantsara izy ary niaina ny filazantsara. Tonga tamin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara sy fanaovana fahafoizan-tena ho an’izany ny fiovam-pony.
Mila mandalo dingana toy izany isika raha te hanana karazana fanoloran-tena mitovy amin’izany. Nampianatra ny Tompo hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.”5 Indraindray dia miezaka ny manao izany avy any amin’ny farany mankany aloha isika. Toy izao ohatra no fomba mety hanaovantsika izany: Ho faly aho hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena kanefa mila mahafantatra aho aloha hoe marina izany. Angamba aza isika mivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny lalàn’ny fahafolonkarena ary manantena fa hanome antsika izany fijoroana ho vavolombelona izany ny Tompo na dia mbola tsy nameno akory taratasy fandoavana fahafolonkarena aza isika. Tsy izany mihitsy no fizotrany. Miandry antsika hampihatra finoana ny Tompo. Mila mandoa fahafolonkarena feno sy marina tsy tapaka isika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahafolonkarena. Io lamina io dia mihatra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra na ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany, na ny fitsipiky ny fahamaotinana, na ny Tenin’ny Fahendrena, na ny lalàn’ny fifadian-kanina.
Te hizara ohatra iray mikasika ny fomba hanampian’ny fiainana fitsipika iray antsika mba ho lasa niova fo amin’izany fitsipika izany aho. Zatovovavy aho tamin’ny taona 60 ary izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny lycée nisy ahy. Fotoam-piovana nomarihin’ny fandavana ny fitondrantena ara-pomban-drazana izany sy ny fampiasana zava-mahadomelina, ary ny toe-tsaina hoe “ataovy izay tianao atao”. Maro tamin’ireo namako no olona tsara kanefa mora voafandrik’ilay fientanentanana hanaraka ity fitondrantena vaovao ity, izay tsy inona fa ilay tsy fahadiovam-pitondrantena taloha ihany. Nohamafisin’ny ray aman-dreniko sy ireo mpampianatra ao am-piangonana tamiko ny soatoavin’ny fanajana ny vatako, ny fananana saina madio, ary indrindra ny fianarana mba hatoky ireo didin’ny Tompo. Nanapa-kevitra ny hisoroka ireo toe-javatra izay fantatro fa hahitako zava-pisotro misy alikaola aho sy hanalavitra ny sigara sy zava-mahadomelina. Nidika izany matetika fa tsy hita tany amin’ny fety aho ary mahalana vao nampiaraka. Ny fampiasana zava-mahadomelina dia nanjary fahita matetika teny anivon’ny tanora, ary tsy dia fantatra loatra tahaka ny ankehitriny ireo loza nentin’izany tamin’izany fotoana izany. Betsaka tamin’ireo namako taty aoriana no niharan’ny fijaliana maharitra avy tamin’ireo zava-mahadomelina misy fiantraikany amin’ny saina na voafandrika tao anatin’ny fiankinan-doha lehibe tokoa. Feno fankasitrahana aho fa nampianarina ny hiaina ny Tenin’ny Fahendrena tao an-tokantranoko, ary nahazo fijoroana ho vavolombelona lalina mikasika io fitsipiky ny filazantsara io aho rehefa nampihatra finoana sy niaina araka izany. Ilay zavatra tsara tsapako avy tamin’ny fiainana fitsipiky ny filazantsara marina iray dia ny Fanahin’ny Fanahy Masina izay nanamafy fa marina ilay fitsipika. Amin’izay no fotoana hanombohan’ny fakan’ny fiovam-po marina toerana.
Nampianatra ny mpaminany Môrônia, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Tiako haseho izao tontolo izao fa ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita; koa aza mitohika, satria tsy mahita ianareo, fa tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ ny fizahan-toetra ny finoanareo.”6 Eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity izay ny valisoa eo no ho eo no andrasana dia matetika isika no meloka amin’ny fanantenana valisoa nefa tsy misasatra akory hahazoana azy. Mino aho fa miteny amintsika i Môrônia hoe mila manao asa aloha isika ary mampihatra finoana amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara, dia hahazo fijoroana ho vavolombelona isika avy eo fa marina izany. Mitranga ny fiovam-po marina rehefa manohy miasa araka ireo fotopampianarana fantatrao fa marina ianao sy mitandrina ireo didy isan’andro ary mandavan-taona.
Ao anatin’ny fotoana iray izay tena tsara ianareo izao raha toa ka tanora eto amin’ny Fiangonana. Ianareo no tanora mandray anjara voalohany amin’ilay fandaharam-pampianarana ho an’ny tanora Viens et Suis-Moi, izay manana ny iray amin’ireo tanjony voalohany indrindra dia ny fiovam-ponareo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsara ny mahatsiaro fa na toy inona na toy inona fitaomam-panahy entin’ireo ray aman-dreninareo na mpampianatrareo dia “manana ny andraikitra [voalohany] amin’ny fiovam-ponareo manokana ianareo. Tsy misy afaka hiova fo ho anareo, ary tsy misy afaka hanery anareo hiova fo.”7 Miseho ny fiovam-po rehefa mazoto mivavaka isika, mamaky ny soratra masintsika, sy miangona, ary mendrika ny handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tonga ny fiovam-po rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fitsipika marina ianarantsika any an-tokantranontsika sy any amin’ny kilasy misy antsika isika. Tonga ny fiovam-po rehefa miaina fiainana madio sy mendrika isika ary manana ny Fanahy Masina ho namana. Tonga ny fiovam-po rehefa mahatakatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, ary mandray Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary mamela ny Sorompanavotana hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika.
Ny fiovam-ponareo manokana dia hanampy anareo rehefa miomana hanao fanekempihavanana any amin’ny tempoly ianareo, hanao asa fitoriana filazantsara ary hanorina ny tokantranonareo manokana. Rehefa miova fo ianareo dia hanana faniriana hizara amin’ny hafa izay nianaranareo, ary hitombo ny fahatokianareo sy ny fahafahanareo mijoro ho vavolombelona am-pahatokiana sy amin-kery amin’ny hafa. Vokatra miseho ho azy avy amin’ny fiovam-po marina izany faniriana hizara ny filazantsara amin’ny hafa izany sy ilay fahatokiana mba hijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana. Nampianatra an’i Petera ny Mpamonjy hoe: “Ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”8
Tadidio i Josoa ilay mpaminany mpitolona? Tsy hoe niova fo fotsiny izy fa niasa tsy nitaraina tana-miepaka koa mandra-pahatapitry ny ainy mba hitondra ny zanak’i Isiraely any amin’Andriamanitra. Hitantsika ao amin’ny Testamenta Taloha ny hoe: “Ary nanompo an’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa.”9 Ny olona iray izay niaina fiovam-po marina dia manovo avy amin’ny herin’ny Sorompanavotana ary mandray famonjena ho an’ny fanahiny manokana, ary manolo-tanana hampiasa hery mitarika mahery vaika amin’ireo rehetra izay mahafantatra azy avy eo.
Tsy mora sy mahafinaritra foana akory ny fiainana ny filazantsara sy ny fijoroana amin’ny toerana masina, saingy mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tsy hanenenana izany! Nanoro hevitra an’i Emma ny Tompo mba “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa.”10 Miahiahy aho hoe tsy takatry ny saintsika ny tena halehiben’ny hakanton’ireo “zavatry ny tontolo tsara kokoa” ireo!
Mijoro ho vavolombelona aho fa manana Ray any an-danitra tia antsika isika izay ny hanampy antsika sy ny hitahy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hiaina ny filazantsara sy ny hiova fo no faniriany lehibe indrindra. Nilaza mazava Izy fa ny tena hifantohany sy ny asany dia ny hanatanteraka ny hahazoantsika “ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.”11 Maniry ny hitondra antsika hody eo anatrehany Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fotopampianaran’ny filazantsara isika ary mampihatra izany isan’andro dia hanjary hiova fo isika ary hanjary ho fitaovana amin’ ny fanaovan-tsoa lehibe ao amin’ny fianakaviantsika sy eo amin’izao tontolo izao. Ny vavaka ataoko dia enga anie isika hotahiana amin’ny ezaka ataontsika isan’andro mba hahatratrarana izany tanjona izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.