Tahirim-pitaovana
Ny Andriamanitra


“Ny Andriamanitra”, Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ny Andriamanitra

Finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanakalahy Malalany; ary ny Fanahy Masina.

Rehefa miteny ny olona hoe: “Mino an’Andriamanitra aho,” dia inona no tian’izy ireo holazaina? Mety zavatra maro samihafa ny tian’izy ireo holazaina.

Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika dia “mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’ i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:1). Antsointsika hoe fanekem-pinoana voalohany io teny ambara io—voalohany satria ny fahatakarana ireo olona masina telo ireo no dingana voalohany amin’ny fahatakarana ny maha-izy antsika sy ny antony isiantsika ary ny mety hahatongavantsika.

Inona no atao hoe Ny Andriamanitra?

Ny Andriamanitra dia ahitana olona masina telo: ny Ray any An-danitra, i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Na dia olona misaraka aza Izy Ireo dia miara-miasa ao anatin’ny firaisan-kina tanteraka mba hitahiana sy hanandratana ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Topimaso momba ny lohahevitra: Ny Andriamanitra

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Andriamanitra Ray, Jesoa Kristy, Fanahy Masina

Fizarana 1

Ahoana no amaritana Ny Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa Kristy

Tian’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina hahafantatra momba Azy Ireo ianao. Tsy tian’Izy Ireo ianao hieritreritra fa toa lavitra na feno mistery Izy Ireo. Nanambara fahamarinana manan-danja tamin’ny alalan’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany Izy Ireo mba hanampiana anao hahafantatra Azy Ireo tsara kokoa. Ankoatra izany dia manasa antsika tsirairay Andriamanitra hanatona Azy sy hahafantatra Azy amin’ny alalan’ny zavatra hiainana manokana miaraka Aminy. Araka ny nolazain’i Jesoa tao amin’ny vavaka nataony tamin’ Andriamanitra Ray ho an’ireo mpanara-dia Azy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Andramo fakafakaina ireo andinin-tsoratra masina izay miresaka momba ireo olona ao amin’ny Andriamanitra, ohatra: Matio 3:16–17; 17:5; Jaona 5:19; 14:6–10, 26; Asan’ny Apostoly 7:55–56; 3 Nefia 11:10–11, 25–27, 35–36. Inona no ambaran’ny andinin-tsoratra masina tahaka ireo momba ireo olona ao amin’Ny Andriamanitra? Inona no ianaranao momba ny fifandraisan’Izy samy Izy?

  • Andriamanitra dia nanambara fahamarinana manan-danja momba Ny Andriamanitra amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ohatra, vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:13–17 ka saintsaino ity fanontaniana ity: Inona no ambaran’ny zavatra niainan’i Joseph momba Ny Andriamanitra?

  • Azonao atao koa ny mamaky ny zavatra nampianarin’ny Mpaminany Joseph momba Ny Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22. Ireo fampianarana ireo dia tena samy hafa tokoa amin’ny zavatra ampianarin’ny finoana Kristianina nentim-paharazana. Eritrereto hoe nahoana no manan-danja aminao ny fahamarinana toy izany momba Ny Andriamanitra.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao atao ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22 miaraka amin’ny olon-kafa sy mijery ny sarin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Ifampiresaho ny zavatra ampianarin’ilay andininy sy ny zavatra hitan’ny rehetra eo amin’ilay sary. Sariho amin’ny hoe manana vatana tahaka ny antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny saina—nohariana araka ny endrik’Izy Ireo isika!

Sary
I Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra miseho amin’i Joseph Smith

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Miray hina mba hitahiana antsika

Na dia misy mpikambana telo miavaka aza ao amin’Ny Andriamanitra dia “Andriamanitra iray ihany” Izy Ireo amin’ny lafiny hoe tanjona tonga lafatra iray ihany no iraisan’Izy Ireo. Dia inona izany tanjona izany? Nilaza ny Ray any An-danitra hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia miara-miasa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina mba hanatanterahana ny drafitry ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Samy manana ny anjara asany manokana ao anatin’izany drafitra izany ny tsirairay, saingy mitovy ny tanjon’Izy Ireo—dia ny hanampy anao hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray.

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao atao ny maneho ny firaisan-kinan’Ny Andriamanitra amin’ny alalan’ny seza bory manan-tongotra telo, na trépied na zavatra hafa izay mijoro tsara sy miasa satria ahitana tongotra telo. Na azonao atao ny mandinika ny fomba fiasan’ireo olona ao anatina ekipa iray na ny orkesitra iray mba hanatratrarana tanjona tokana. Azontsika heverina ho toy ny seza bory iray na ekipa iray na orkestra iray izy ireo—tahaka ny maha-Andriamanitra iray Ny Andriamanitra—izay samy manana ny anjara asany manokana sy miara-miasa amin’ny hafa ao anatin’ny firaisan-kina.

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy