Tahirim-pitaovana
Fanahy Masina


Sary
vehivavy mandehandeha eny ivelany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanahy Masina

Iraka sy vavolombelon’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Afaka mitadidy fotoana ve ianao izay nahalalanao fa nahafantatra anao ny Ray any An-danitra na nahatsapanao fankasitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Angamba ianao mahatsiaro fotoana iray izay nihainoanao ny mpaminany velona ka fantatrao fa marina ny zavatra nampianariny. Na mety tsaroanao fa namaky ny soratra masina ianao ary nisy fahatsapana mahery vaika tonga tao aminao. Angamba ianao nahatsikaritra bitsika izay nitarika anao hiala amin’ny toe-javatra mampidi-doza iray na nahatsapa fiadanana na fampiononana nandritra ny fotoan-tsarotra. Ireo rehetra ireo dia fisehon’ny Fanahy Masina avokoa. Manolo-tanana amin’ireo zanany Andriamanitra ary mifandray amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fitarihana sy ny herin’ny Fanahy Masina. Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao rehefa atao batisa ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Rainao any An-danitra be fitiavana dia manome fahafahana anao higoka ny fitiavany sy ny fitarihany—ary indraindray ny fanitsiany—amin’ny alalan’ny iraka avy aminy dia ny Fanahy Masina izany.

Iza ny Fanahy Masina?

Mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Olona fanahy Izy, tsy manana vatana nofo sy taolana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22.). Manana ny toetoetran’ny olona masina ny Fanahy Masina ary matetika no antsoina hoe “ny Fanahy.” Afaka mahatsapa ny “herin’ny” Fanahy Masina ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ireo izay atao batisa kosa dia mandray ny “fanomezana” ny Fanahy Masina, na ny fampanantenana fa afaka miaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanahy Masina

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ny Andriamanitra, Fanomezana ny Fanahy Masina, Fanambarana ho an’ny tena manokana

Fizarana 1

Ny Fanahy Masina dia afaka ny ho lasa fitahiana tsy hay sandaina ho anao

Sary
lehilahy mivavaka

Arakaraka ny hianaranao bebe kokoa momba ny Fanahy Masina no hanirianao kokoa ny handray sy hiaina ireo fisehoan’ny Fanahy Masina. Ny Nefita tao amin’ny tempoly tao Soafeno dia nanana faniriana avy amin’ny fo mba homena ny Fanahy Masina (jereo ny 3 Nefia 19:8–9). Misy dingana azonao atao mba hampitomboana ny fanirianao hahatsapa ny Fanahy Masina, na ny Fanahin’ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 13:37; 2 Nefia 31:12–13; Môrônia 7:31–32; 8:26). Satria nirahina mba hijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary hanentana anao hanaraka Azy Ireo ny Fanahy Masina, dia fitahiana tsy hay sandaina izany (jereo ny 2 Nefia 31:18).

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Voaro ny ain’ny Filoha Lorenzo Snow satria notarihin’ny Fanahy Masina ireo namany. Vakio ny tantara hita ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Lorenzo Snow ary ifanakalozy hevitra ny antony nahafahan’ireo namany nahalala sy nanaraka ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Oviana ianao no nandray fiarovana sy fanampiana avy amin’ Andriamanitra izay nampitaina tamin’ny alalan’ny bitsika sy ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Afaka manampy antsika hahafantatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra ny Fanahy Masina

Sary
vehivavy mitana labozia ary mijery ny lanitra

Tian’ Andriamanitra hianatra ny fahamarinana momba ny drafiny ho an’ny fahasambaran’izy ireo sy ny famonjena azy ireo ny zanany rehetra. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitandrina fa ny fahavalo dia miasa mba “hampanjavozavo ny tsipika eo anelanelan’izay marina sy izay tsy marina. Mampihomehy ihany fa ny tondra-dranom-pahalalana azontsika eo amin’ny ratsantanantsika no mahatonga ny famantarana izay marina ho mihasarotra.” Tian’ Andriamanitra ianao hahatakatra mazava tsara ny fahamarinana sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao hahita fifaliana sy hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no iraky ny Tompo hampianatra sy hijoro ho vavolombelona aminao ny amin’ny fahamarinana. Nampianatra ny mpaminany Môrônia fa “amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5; nampiana fanamafisana).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Fomba iray hianarantsika fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy ny fotoana itenenan’ireo mpaminany sy apôstôly eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–4). Nahoana no zava-dehibe ny mihaino sy mampandry sofina amin’ireo hafatra atolotry ny mpaminany sy ny apôstôly? Mampanantena koa ny Tompo fa hanamafy orina ny teninao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa manao ny asan’ny Tompo ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8).

  • Ao amin’ilay lahateniny hoe “Ny fahamarinan’ny zava-drehetra” ny Loholona David F. Evans dia nizara fomba manan-danja ahafahanao mahita ny fahamarinana ho an’ny tenanao manokana. Oviana ianao no nanaraka io lamina amin’ny fikatsahana fahamarinana avy amin’ny Fanahy Masina io?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba nitarihana anao tamin’ny fihainoana na famakiana ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana. Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson fa ny “fanompoan’ny Fanahy Masina” dia “hanampy anao haheno izay tian’ny Tompo ho henonao” mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao miomana hianatra avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mihaino na mandalina ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana ianao?

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fanahy Masina

Hamoaka printy