Tahirim-pitaovana
Fanomezana ny Fanahy Masina


“Fanomezana ny Fanahy Masina,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
tara-masoandro mamakivaky rahona

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanomezana ny Fanahy Masina

Fananana mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra ho namana tsy tapaka

Efa nandinika ny fomba rehetra nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina ve ianao? Afaka mahatsapa ny fiantraikan’ny Fanahy Masina mitarika azy ireo any amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Fa ny fanomezana ny Fanahy Masina dia natokana ho an’ireo izay manao, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, fanekempihavanana amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny batisa. Io fanomezana io dia ny fampanantenana fa afaka mianoka ny fananana ny Fanahy Masina, izay mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra, ho namana tsy tapaka ianao. Tsy fanomezana tsotra izany—tsy hita maso—saingy tsy azo lavina ny heriny rehefa misafidy ny handray izany amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana ianao. Ireo izay mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina dia voadio amin’ny fahotana, mandray fanambarana ho an’ny tena manokana ary mianoka ireo fitahiana fantatra amin’ny hoe “ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.”

Inona no atao hoe fanomezana ny Fanahy Masina?

Ny ôrdônansin’ny fisoronana fandraisana ho mpikambana dia atao aorian’ny nanaovana batisa asitrika ao anaty rano ny olona iray. Ilay ôrdônansy dia tanterahina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ny olona iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Mandritra io ôrdônansy io no anomezana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mpikambana iray ao amin’Ny Andriamanitra ary afaka ny ho namana lalandava ho an’ireo izay miezaka mitandrina ny didy sy manasa Azy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanahy Masina

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanahy Masina, Covenants and Ordinances, Personal Revelation, Gifts of the Spirit

Fizarana 1

“Raiso ny Fanahy Masina”

Sary
vehivavy mandray tsodrano

Rehefa raisina ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray dia lazaina aminy ny hoe “raiso ny Fanahy Masina”. Na iza na iza dia tsy terena handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Lasa andraikitry ny mpikambana ny manasa ny Fanahy Masina hiaraka amin’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33). Hoy ny ny Loholona David A. Bednar: “Rehefa raisintsika io ôrdônansy io, ny tsirairay amintsika dia manaiky ny andraikitra masina sy tsy mitsahatra ny haniry, hikatsaka, hiasa ary hiaina am-pahamendrehana mba tena -handray ny Fanahy Masina- sy ny fanomezana ara-panahy ambiny avy amin’izany.”

Nanazava tamin’i Nikodemosy, izay mpanapaka Jiosy, i Jesoa hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:5). Noho izany, ankoatra ny fanaovana batisa amin’ny rano, dia tian’ny Tompo ho “ateraky ny Fanahy” ianao (andininy 6). Mitranga izany rehefa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao ary miaina ny “batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina” (jereo ny 2 Nefia 31:13–14). Ny afo dia tandindon’ny fanadiovana. Izany hery manamasina izany dia mitondra famelana ny fahotana (jereo ny 2 Nefia 31:17; 3 Nefia 12:1–2). Aorian’ny batisa dia mety hiaina tsikelikely ny batisan’ny afo ny mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny 3 Nefia 9:20) na mivantana kokoa (jereo ny Môzia 4:2–3).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Rehefa nanompo ny olona tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty dia nomeny hery ireo mpianatra roa ambin’ny folo mba hanome ny Fanahy Masina (jereo ny 3 Nefia 18:36–37). Nampianarina momba io fanomezana io ny vahoaka ary “nivavahany ho an’izay niriany indrindra; ary niriany ny hanomezana ny Fanahy Masina azy ireo” (3 Nefia 19:9). Ahoana no hamaritanao ny fahatsapanao momba ny fanomezana ny Fanahy Masina?

  • Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Tsy misy dikany ny batisan’ny rano raha tsy miaraka amin’ny batisan’ny afo ary ny Fanahy Masina miaraka amin’izany eo koa. Tsy maintsy mifamatotra ary tsy azo sarahina izy ireo.” Mba hanampiana anao hahatakatra kokoa ny dikan’ny hoe “batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina,” dia jereo ny “The Baptism of Fire [Ny batisan’ny afo]” (1:41). Ahoana no hanazavanao ny dikan’ny hoe “batisan’ny afo” araka ny fanehoan-kevitry ny Loholona David A. Bednar tao amin’ilay horonan-tsary?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Afaka ny ho lasa namantsika mandrakariva ny Fanahy Masina

Sary
zatovolahy mihazona skateboard

Hoy ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Mila ny Fanahy Masina ho namana lalandava isika. Maniry izany isika saingy fantatsika avy tamin’ny zavatra niainantsika fa tsy mora ny mihazona azy. Samy mieritreritra sy milaza ary manao zavatra izay mety manafintohina ny Fanahy isika tsirairay avy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Nampianatra antsika ny Tompo fa hanana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava isika raha toa ka feno fiantrana ny fontsika ary raha toa ka [m]andravaka tsy an-kijanona ny eritreri[tsika] ny hatsaram-panahy (jereo ny F&F 121:45).” Rehefa mikatsaka ny hampisy ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina ianao dia hahatsapa ny zavatra tokony hovaina eo amin’ny fiainanao.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny vavaky ny fanasan’ny Tompo dia fampahatsiahivana mahery vaika fa afaka miaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Manasa ny Fanahy masina ho namanao ianao rehefa miomana sy mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana. Ahoana no nitahiana ny fiainanao rehefa niezakany ho mendrika ny fanatrehany tsy tapaka ianao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio sy hifampiresaho ny momba ity teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity: “Heveriko fa fantatr’i Môrmôna tsara tamin’ny zavatra niainany manokana ny fahamarinan’ny teniny fa ny -Mpampionona [dia] mameno amin’ny fanantenana sy fitiavana tanteraka, dia ny fitiavana maharitra amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka, ambara-pahatongan’ny farany, rehefa hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra avokoa ny olomasina- (Môrô. 8:26). Na dia mety ho irery aza isika indraindray rehefa eo anivon’izao tontolo izao, dia tsy mila mijanona ho irery isika, satria nomen’ny Tompo antsika ny Fanahy Masina mba ho namana mpiara-mandeha amintsika.” Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny antony nilan’ny mpaminany Môrmôna ireo fitahiana nofaritany ireo. Oviana ny Fanahy Masina no nanolotra fiadanana sy fanampiana ho anao?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Ahoana ahafantarako raha toa ka mahatsapa ny Fanahy Masina aho?

Sary
lehilahy mitsiky

Efa nanandrana nifandray taman’olona miteny fiteny tsy azonao ve ianao? Mety hahakivy toy izany koa rehefa misy olona milaza fa mahatsapa ny Fanahy izy ireo saingy tsy fantatrao ho an’ny tenanao manokana hoe toy ny ahoana izany. Tsy tokony hahamenatra anefa izany, satria samy hafa ny fomba ahatsapantsika ny Fanahy. Mety hitaky fotoana sy ezaka ny fianarana mamantatra sy mahatakatra ny fomba ifandraisan’ny Fanahy Masina aminao. Nianatra ny mpaminany Elia fa ny Fanahy dia azo oharina amin’ny “feo [malefaka]” (jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12). Indraindray ny Fanahy Masina dia miseho amin’ny alalan’ny fahatsapana fanantenana sy fifaliana (jereo ny Romana 15:13). Ny Fanahy Masina dia fomba iray manan-danja hianarantsika ny fahamarinana (jereo ny Jaona 14:26; Môrônia 10:5).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany efa niresahan’ny Fanahy Masina taminao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery rehefa nianatra izy ireo fa indraindray ny Fanahy Masina dia azo fantarina amin’ny alalan’ny fahatsapana “[ma]hamay” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8–9). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23 ; 8:1–2; 11:11–14 ary iaraho ifanakalozana hevitra ny momba ireo fomba mahazatra ifandraisan’ny Fanahy Masina amintsika. Ifanakalozy hevitra ny antony maha-zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy ny fahatsapana mahamay no hany fomba ahafahanao mahatsapa ny Fanahy.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 95.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 89.

  3. Henry B. Eyring, “Ny Fanahy Masina ho namanao,” Liahona, nôv. 2015, 104–7.

  4. Gordon B. Hinckley, “Living with Our Convictions,” Ensign, Sept. 2001, 5.

Hamoaka printy