Tahirim-pitaovana
Fanekempihavanana sy ôrdônansy


“Fanekempihavanana sy ôrdônansy,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
vehivavy eo anoloan’ny tempoly

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanekempihavanana sy ôrdônansy

Manampy antsika amin’ny lalana mankany amin’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy manan-danja

Afaka mahita toromarika sy sarintany amin’ny antsipiriany haingana isika mba hanampy antsika ho any amin’izay toerana tiantsika haleha miaraka amin’ny teknôlôjia ankehitriny. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no sarintany sy torolalana amin’ny antsipiriany mba hampisy lanja ity fiainana ity ary koa hahazoana ny fiainana mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy. Rehefa misafidy ny hanaraka an’i Kristy sy hiaina ny filazantsara isika dia manolotra antsika fanekempihavanana masina sy ôrdônansy ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana Andriamanitra; ôrdônansy izay mampifandray antsika Aminy sy mitarika antsika amin’ny lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Inona no atao hoe fanekempihavanana sy ôrdônansy?

Fombafomba masina sy manaraka fitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny ôrdônansy. Matetika ireo ôrdônansy no mifandray amin’ireo fanekempihavanana manokana, na fampanantenana masina eo amin’ Andriamanitra sy ireo zanany. Mandroso amin’ny diantsika ara-panahy hiverina any amin’ Andriamanitra isika rehefa manao fanekempihavanana sy mandray ôrdônansy. Ireo ôrdônansy izay ilaina ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia ahitana ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanokanana ny lehilahy ho amin’ny fisoronana Melkizedeka, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary ny famehezana amin’ny vady any amin’ny tempoly. Tsy mila ôrdônansy ny ankizy izay maty alohan’ny faha-valo taonany, mba ho voavonjy any amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10).

Topimaso momba ny lohahevitra: fanekempihavanana sy ôrdônansy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Batisa, Fanomezana ny Fanahy Masina, Fisoronana Melkizedeka, Fanafiana masina, Famehezana, Fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy, Ôrdônansy isoloana tena ny maty

Fizarana 1

Hitarika anao ho any amin’ny fiainana mandrakizay ny lalan’ny fanekempihavanana

Sary
mpivady eo anoloan’ny tempoly

Raha alainao sary an-tsaina ho toy ny dia miverina any amin’ Andriamanitra ny fiainanao dia ho toy ny fanarahana tondrozotra manaraka ny lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fandraisana ireo ôrdônansy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Ireo dia dingana manan-danja amin’ny ezaka ataonao mba hanatonana an’i Jesoa Kristy, ka ny fanampiany dia ilainao mba hivoarana eo amin’ilay lalana (jereo ny 2 Nephi 9:41). Indraindray izany ato amin’ny Fiangonana dia antsointsika hoe “lalan’ny fanekempihavanana,” izay sarinteny ilazana ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny fahitana ny filazantsara ho toy ny lalana dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana ary ny fandraisana ireo ôrdônansy eo am-pandrosoantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hanome anao fiarovana sy fiadanana ary fifaliana maharitra ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hanome hery anao amin’ireo fotoan-tsarotra izany. Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Izao no lazaiko amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanasa ireo olona tafavory tao amin’ny tempoly tao Soafeno ny Mpamonjy, efa nitsngana tamin’ny maty, mba hanatona Azy (jereo ny 3 Nefia 11:14–17). Jereo ny horonan-tsary “Covenants and Ordinances [Fanekempihavanana sy ôrdônansy]” (1:37), henoy ny zavatra ampianarin’ny Loholona David A. Bednar mikasika ny fomba hanampian’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo fitahiana tonga eo amin’ireo izay manao fanekempihavanana amim-pahamendrehana amin’ Andriamanitra sy mandray ireo ôrdônansiny?

  • Nanoratra nofy iray izay nahitany lalana nankeny amin’ny hazon’aina ny mpaminany Lehia. Vakio ny 1 Nefia 8:19–24, 30. Inona no azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io momba ny maha-zava-dehibe ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Inona no ezaka nataonao teo amin’ny fiainanao mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Ahoana no ahafahan’ny fibebahana manampy anao hijanona eo afovoan’ny lalan’ Andriamanitra?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Afaka mahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina ireo mpanao fanekempihavanana mba ho tonga mpitandrina fanekempihavanana. Jereo ny “The Covenant Path [Ny lalan’ny fanekempihavanana]” (2:30). Resaho ny fomba fitandremana ny fanekempihavanana araka ny nasongadin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’io horonan-tsary io Inona avy ireo fitahiana sasantsasany avy amin’ny fanohizana ny dia eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

  • Angataho ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao handalina ny lahatsoratra “Why Ordinances and Covenants Matter”. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hamantatra ny anjara asa lehibe tanan’ny tranon’ny Tompo eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanohy ny dia sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Manasa anao Andriamanitra mba hampifamatotra ny tenanao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana

Sary
zazalahy kely mitazona sary

Mampifamatotra anao amin’i Jesoa Kristy Tompo ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24). Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fidirana amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana dia mamatotra antsika Aminy amin’ny fomba izay mahatonga ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ho mora kokoa. Aza raisina amin’ny fomba diso ny teniko: Tsy nilaza akory aho hoe ny fanaovana fanekempihavanana dia manamora ny fiainana. … Fa ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heriny izay mampatanjaka sy manavotra ianareo.”

Natao hanomanana anao hanaraka Azy sy ho tonga tahaka Azy kokoa ny zavatra rehetra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nilaza ny Loholona David A. Bednar hoe: “Vato fanorenana izay ahafahantsika manorina ny fiainantsika eo amin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika” [Helamàna 5:12] sy ny Sorompanavotany ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansy.” Hisitraka ny famonjena sy ny fanavotana natolotr’i Jesoa Kristy ianao rehefa mikatsaka ny haharitra hatramin’ny farany amin’ny fitandremana ny fanekempihavananao (jereo ny Ômnia 1:26).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Na dia samy hafa aza ireo ôrdônansy raisintsika dia manana zavatra iray iraisan’izy rehetra ireo—manampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy hanome fahafahana hahazo ny heriny izy ireo. Manampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy kanefa tsy heverina ho tena ilaina amin’ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ny ôrdônansin’ny fisoronana sasany ao amin’ny Fiangonana (toy ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza, fanamasinana menaka, na fitokanana fasana).

    Ireo ôrdônansy hafa dia takina ho an’ny famonjena sy ny fisandratantsika (batisa, fandraisana ho mpikambana ary fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, fanendrena ny lehilahy ho amin’ny fisoronana Melkizedeka, fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary famehezana amin’ny vady any amin’ny tempoly). Ahoana no ahafahan’ny fianarana mikasika ireo ôrdônansy manan-danja ireo sy ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany manampy anao handrefy ny fandrosoanao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ohatra iray amin’ny olona iray izay nahatoky tamin’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ny mpaminany Abrahama ao amin’ny Testamenta Taloha. Jereo ny horonan-tsary “Elder Nelson Talks about Covenants” (4:45), hihainoana ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra an’i Abrahama. Inona amin’ireo fitahiana nampanantenaina ireo no afaka ny ho azon’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny? Ahoana no hanampian’ireo fitahian’ny fanekempihavanana ireo antsika hahatakatra kokoa ny drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany?

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy