Tahirim-pitaovana
Batisa


“Batisa”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
batisa

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Batisa

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (Jaona 3:5).

Oviana teo amin’ny fiainanao ianao no nahatsapa nenina vokatry ny hadisoana lehibe na fahotana? Ilay hafatra fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia hoe afaka mahazo famelan-keloka sy famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin-kitsimpo ary ny batisa asitrika izay ataon’ny olona iray manana fahefana. Tandindon’ny fahaterahana indray ny batisa, fiantobohana fiainana vaovao. Io no dingana voalohany eo amin’ny lalana mankany amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonany ary fiomanana handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina hita any amin’ny tranon’ny Tompo. Rehefa atao batisa ianao dia mijoro ho vavolombelona amin’ Andriamanitra Ray fa “vonona hitondra ny anaran’i Kristy” (2 Nefia 31:13). Izany fampanantenana manan-danja izany dia havaozina isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).

Inona no atao hoe batisa?

Ny batisa asitrika ao anaty rano izay ataon’ny olona iray manana fahefana dia ôrdônansin’ny fisoronana voalohany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ilain’ny olona iray ny batisa mba hahafahany ho tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ary hahafahany miditra ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Jaona 3:5). Misitraka ireo fitahiana azo raisina noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny batisa.

Topimaso momba ny lohahevitra: Batisa

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Finoana an’i Jesoa Kristy, Fibebahana, Famonjena, Fiainana mandrakizay, Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Ôrdônansy hisoloan-tena ho an’ny maty

Fizarana 1

Manasa ny rehetra i Jesoa Kristy mba hanaraka Azy sy mba hatao batisa

Sary
i Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa Kristy

Na dia masina sy tsy nisy fahotana aza i Jesoa Kristy, dia nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa Izy ary natao batisa mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra (jereo ny Matio 3:13-17; Hebreo 4:15; 2 Nefia 31: 5-7). Nandidy ny zanany rehetra Andriamanitra mba hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ka hatao batisa mba hahafahan’izy ireo mahazo ny famelana ny fahotan’izy ireo ary handova ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31:13, 17-18). Miomana ho amin’ny batisa isika rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka amin’ireo fahotantsika, fibebahana izay miseho amin’ny alalan’ny fo torotoro sy fanahy manenina (jereo ny Môrônia 6:1-3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Andriamanitra dia nandidy ny fanaovana batisa amin’ny alalan’ny olona iray mihazona ny fahefan’ny fisoronana (jereo ny 3 Nefia 11:21-28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:72–74.; 22: 1-4, anisan’izany ny fampidirana momba ny tantara). Tamin’ny mey 1829 no naverina tamin’ny laonina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fahefana hanao batisa tamin’ny alalan’ny iraky ny lanitra, dia i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–73).

Teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia maro tamin’ireo zanak’ Andriamanitra no niaina sy maty tsy nianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na tsy natao batisa teo ambanin’ny fahefan’ny fisoronany. Satria sarobidy avokoa ny fanahy rehetra eo imason’ Andriamanitra, ny drafiny dia manome fahafahana an’ireo olona maty ireo mba hianatra ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–37). Miezaka ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny mba hikaroka ny anaran’ireo razambe efa maty izay tsy nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara manan-danja tamin’ity fiainana ity ka hatao batisa hisoloan-tena any amin’ireo tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:16–18).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanoratra mikasika ny antony nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy ny mpaminany Nefia. Alalino ny 2 Nefia 31:4–31. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny tanjon’ny batisan’ny Tompo? Midika inona izany hoe ny batisanao dia vavolombelona “amin’ny Ray fa vonona ny hitondra ny anaran’i Kristy [eo aminao ianao]”? (2 Nefia 31:13).

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, mba hitadiavana ireo fomba manan-danja izay tokony ataon’ny olona iray hiomanany amin’ny batisa. Ahoana no ahafahan’io andinin-tsoratra masina io manome fitarihana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay natao batisa tamin’ny fahakeliny?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny fotopampianarana momba ny batisa ho an’ny maty naverina tamin’ny laoniny dia fitahiana lehibe na ho an’i Joseph Smith sy ireo Olomasin’ny Andro Farany voalohany na ho antsika ankehitriny. Jereo ilay horonan-tsary “Glad Tidings: The History of Baptisms for the Dead” (6:55), ary eritrereto ny fahatsapana mety ho nanananao raha toa ianao ka iray tamin’ireo Olomasina voalohany izay nianatra momba ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Inona no ampianarin’io fotopampianarana io anao momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Manomana anao ho amin’ny fiainana mandrakizay ny batisa

Sary
Fianakaviana mifamihina

Tandindon’ny fahafatesana sy ny fandevenana an’i Jesoa Kristy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ny batisa. Io fanoharana manan-danja io dia manampy antsika hahita ny tandindon’ny fahaterahantsika ara-panahy indray rehefa atao batisa isika. Tahaka an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty ho amin’ny fiainana vaovao, isika ihany koa dia tokony “[handeha] … amin’ny fiainam-baovao” rehefa mivoaka ny ranon’ny batisa (Romana 6:4; jereo koa ireo andininy 3-11).

Oharin’ny soratra masina amin’ny fahaterahana ihany koa ny batisa sy ireo fiovana ara-panahy izay tonga amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy manetry tena (jereo ny Jaona 3:1-8). Tahaka ny zaza teraka amin’ny alalan’ny rano sy ny ra ary ny fanahy, ireo izay atao batisa sy miezaka ny manaraka an’i Jesoa Kristy dia teraka indray amin’ny alalan’ny rano sy ny Fanahy ary “[diovina] amin’ny ra, dia ny ran’[i Kristy]” (Mosesy 6:59). Noho izany, dia tsara ny mandinika ny fomba anomezan’ny fahaterahana indray ara-panahy antsika, na ny “ateraka indray”, fanombohana vaovao sy madio eo amin’ny fiainana (jereo ny Môzià 5:7; 27:25-26).

Mampianatra ny Tompo fa ny batisan’ny rano dia mialoha ny batisan’ny afo. Manondro ny fanomezana ny Fanahy Masina izany, izay manadio sy manamasina toy ny afo (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:5; 2 Nefia 31:13). Mitondra famelana ny fahotana ny batisan’ny afo (jereo ny 2 Nefia 31:17; 3 Nefia 9:19-20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe:

    “Olombelona tsy lavorary isika izay miezaka ny hiaina eto an-tany araka ny drafitra lavorarin’ny fivoarana mandrakizay izay an’ny Ray any An-danitra. Tena feno voninahitra sy feno famindrampo ary hentitra ireo fepetra takin’ny drafiny. Indraindray isika mety ho feno fahavononana ary indraindray kosa mahatsapa ho tsy hahavita izany mihitsy. Mety manontany tena isika raha toa ka mba hahatanteraka ihany eo amin’ny ara-panahy ilay didy hoe hijoro tsisy pentina eo anoloany amin’ny andro farany.

    “Tena afaka manatanteraka ireo zavatra ara-panahy azontsika tanterahina isika miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny izay -hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra- [Jaona 14:26]. Ireo ôrdônansy dia ahafahana manana tanjona sy hery ara-panahy eo amin’ny fiainantsika rehefa miezaka ny ho ateraka indray isika sy ho lasa lehilahy sy vehivavin’i Kristy. Azo hatanjahina ny fahalementsika ary azo hihoarana ireo zavatra mametra antsika”.

    Inona no anjara asantsika mba ho “ateraka indray”? Inona avy ireo fitahiana afaka ho azon’ny olona iray izay miezaka ny ho “ateraka indray”?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hevero ny hijery ny “Jesus Teaches of Being Born Again” (6:03), sy hanasa ireo mpikambana ao amin’ny vondrona hihaino ireo fitsipika izay nampianarin’i Jesoa Kristy an’i Nikodemosy. Ahoana no fomba nampiasain’i Jesoa ny tandindona momba fahaterahana ara-batana mba hanampiana an’i Nikodemosy hahatakatra bebe kokoa ny fomba hiomanana ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Tsy mila batisa ny ankizy madinika

Sary
ankizy mihazakazaka

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny ankizy madinika dia tsy manota eo anatrehan’Andriamanitra (jereo ny Matio 18:3; Marka 2:17; Môrônia 8:8). Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy mila batisa ny ankizy madinika. Manana andraikitra ny hampianatra ny zanak’izy ireo ny maha zava-dehibe ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina ireo ray aman-dreny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Tokony hatao batisa ireo ankizy rehefa valo taona, taona izay voalazan’ny soratra masina ho taona maha-tompon’andraikitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:71; 29:46–47; 68:27). “Ny ankizy rehetra izay maty alohan’ny hahatongavany amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy dia ho voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10).

Manana fahasembanana izay manakana azy ireo tsy ho tompon’andraikitra ny olona sasany. Tsy mila fibebahana na batisa izy ireo fa voavonjy kosa ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Môrônia 8:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:49–50; 137:10). Nanazava ireo mpitarika fa “tsy tokony hosakanana ny fanatanterahana ireo ôrdônansy [ho an’ireo olona manana fahasembanana] raha toa ilay olona ka mendrika sy maniry ny handray izany ary mampiseho fahavononana ampy tsara ny ho tompon’andraikitra sy ho tompon’antoka amin’izany”.

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nilaza ny Filoha Brigham Young hoe: “Madio ny zaza, tsy manana alahelo am-po na fahotana tokony hibebahana sy hafoy izy ireo, vokatr’izany dia tsy afaka ny ho atao batisa ho an’ny famelana ny fahotana izy ireo.” Vakio miaraka amin’ny vondrona misy anao ny Môrônia 8:4–15, 19–24. Ahoana no hanampian’io andinin-tsoratra masina io anao hanazava amin’ny hafa ny sasany amin’ireo antony tsy ilana anaovana batisa ny zazakely?

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo”, Liahona, mey 2016, 62.

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.2.4, Médiathèque de l’Évangile.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 62.

Hamoaka printy