Tahirim-pitaovana
Finoana an’i Jesoa Kristy


“Finoana an’i Jesoa Kristy,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
Sary hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Finoana an’i Jesoa Kristy

Mahatoky ny heriny sy ny fahendreny ary ny fitiavany

Rariny ny fahatsapana ho tsy ampy fahaizana, tototra, ary very mihitsy aza indraindray. Ny fitodihana amin’i Jesoa Kristy foana no vahaolana amin’ny fananana fahatsapana toy izany. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia miantehitra Aminy tanteraka—mahatoky ny heriny sy ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. Mino isika fa na dia tsy takatsika aza ny zava-drehetra dia fantany. Tsarovy fa hainy ny fomba hanampiana antsika hiatrika ireo fanamby atrehantsika satria efa niainany ny fanaintainantsika sy ny fahoriantsika rehetra. (Jereo ny Almà 7:11–13.)

Inona no atao hoe finoana an’i Jesoa Kristy?

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fitsipika voalohan’ny filazantsara. Midika izany fa sady mino Azy no mametraka ny fitokianao Aminy koa. Tafiditra ao anatin’ny fananana finoana ny fanantenana sy ny finoana ireo zavatra izay marina na dia tsy hitanao na tsy takatrao tanteraka aza izy ireny. Ny finoana dia fitsipika arahina asa sy hery izay mampandeha ireo zavatra ataontsika isan’andro.

Topimaso momba ny lohahevitra: Finoana an’i Jesoa Kristy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Jesoa Kristy, Fanantenana, Fiantrana, Fibebahana, Fahagagana

Fizarana 1

Hanampy antsika handresy ireo fanamby ny fanamafisana orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

Sary
Sary hosodoko maneho lehilahy ao anaty sambo sy lehilahy iray rendrika izay mitady fanampiana

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, … tsy hisy tsy ho hainareo hatao” (Matio 17:20). Tena kely ny voan-tsinapy iray saingy mitombo ka lasa hazo lehibe izany.

Noho izany, ahoana no ahafahanao mampitombo ny finoanao ny Mpamonjy? Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson fa “mitaky ezaka ny fampitomboana ny finoanao sy ny fahatokianao [an’i Jesoa Kristy].” Hoy izy: “Tsy mitaky finoana tonga lafatra ny Tompo vao hoe ho afaka ny hahazo ny heriny tonga lafatra isika. Saingy mangataka antsika Izy mba hino.” Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manampy anao hahatsapa famporisihana handalina ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany ary hivavaka mba hahazo fitarihana avy amin’ Andriamanitra. Rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy ianao ary mahatsapa ny fitiavany sy ny Fanahiny dia hitombo ny finoanao Azy.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Jereo ilay horonan-tsary “Exercise Faith in Christ” (1:43). Inona no ampianarin’ny Loholona David A. Bednar momba ny fanaovana asa amim-pinoana? Inona no hataonao mba hampiharanao ny finoanao an’i Jesoa?

  • Tsy tonga mora foana ny finoana an’i Jesoa Kristy ary tsy ho tonga lafatra foana ny fomba hampiharanao ny finoanao. Eritrereto ny zavatra niainan’ny Apôstôly Petera tao amin’ny Matio 14:25–33. Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy anao rehefa mampihatra finoana Azy na dia kely monja aza ianao?

  • Nampianatra ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa raha mamboly ny voan’ny filazantsara ao am-pontsika isika ary mamahana izany amin’ny finoantsika dia afaka mampitombo tsikelikely ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Alalino ny Almà 32:21–43 ary eritrereto ny fomba ahafahanao mampihatra finoana mba hampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonareo atao ny miara-manao fanatanjahan-tena sy miresaka momba ny tombotsoan’ny fanaovana izany ho an’ny vatana. Avy eo dia vakio ny ampahany amin’ny lahateniny nataon’ny Loholona Juan Pablo Villar “Manatanjaka ireo hozatsika ara-panahy,” nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 2019 ary resaho ny dikan’ny hoe mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Ny finoana dia fitsipika mifono hery

Sary
Sary hosodoko maneho lehilahy jamba manatona an’i Jesoa

Afaka manovo avy amin’ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy isika mba hahafahantsika manao izay angatahin’ Andriamanitra amintsika. Ny finoana marina dia afaka mitondra fahagagana araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny finoana no ahazoantsika hery hanaovana zavatra sarotra sy hivoatra ara-panahy. Afaka miatrika tsara kokoa ny filantsika ara-batana sy ny toe-javatra sarotra ihany koa isika rehefa mino ny Tompo sy mahatoky ny fampanantenany. Ny vavaka amin-kitsimpo no fomba hahazoana ny herin’ Andriamanitra—mangataka amim-pinoana ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitarihana ilaintsika isika (jereo ny Enôsa 1:15).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Marka 5:21–42. Inona no anjara asan’ny finoana tao amin’ireo fahagagana ireo? Ahoana no henehoan’io tantara io ireo fomba izay mety hitsapana ny finoanao?

  • Vakio na jereo ny lahateny nataon’ny Loholona Brent H. Nielson hoe “Moa tsy misy balsama va any Gileada? Ahoana no namantaran’ny Loholona Nielson ireo fitahiana azony? Eritrereto ny fomba ahafahanao mitady fitahiana na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Ahoana no hampatanjahan’ny fanaovana izany ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Avy eo ianao dia afaka miara-miasa ary mitanisa ireo fomba nitahian’i Jesoa sy ny Ray any An-danitra anao. Ahoana no nanampian’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy anao hiaritra sy handresy ireo fanamby?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Mitaky fotoana sy faharetana ny fahazoana finoana

Sary
Sarin’ny tovovavy iray mandohalika sy mitazana eo am-baravarankely

Azo inoana fa ianao dia efa niaina fotoana izay nahatsapanao fa tsy nohenoina ny vavaka nataonao na nihoatra ny zakanao ny olanao. Nisy lehilahy iray nanatona an’i Jesoa Kristy niaina toe-javatra toy izany. Nila fanasitranana ny zanany lahy, ary nangataka tamin’i Jesoa ilay lehilahy mba hitahy azy. Rehefa nanazava i Kristy fa hain’ny mino ny zava-drehetra, dia hoy ilay lehilahy: “[Tompo ô,] mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsy finoako”. (Jereo ny Marka 9:14–27.) Nanana finoana ampy hangatahana izy saingy fantany fa tsy tonga lafatra ny finoany. Rehefa mivavaka ianao mba hahazoana fanampiana hampitomboana ny finoanao dia mampiseho fa fantatrao fa afaka manampy anao i Jesoa, ary hanao izany Izy.

Miavaka ny traikefan’ny olona tsirairay amin’ny fanorenana finoana an’i Jesoa Kristy. Raha miady misedra olana amin’ny finoany ireo olona akaiky ny fonao, dia tsarovy ny mamaly izany amim-pahalemem-panahy sy fangorahana. Raha manatona anao ka manana fanontaniana izy ireo dia afaka mihaino azy ireo amim-pitiavana sy amim-paharetana ianao ary manohana azy ireo amin’ny fikatsahany ny fahamarinana. Azonao atao koa ny manampy azy ireo hahita loharanom-pahalalana azo antoka izay ahafahany mitady valiny. Ary azonao lazaina amin’izy ireo ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa azy ireo.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland fa rehefa manana fanontaniana na fisalasalana ianao dia “hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa.” Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy manampy anao amin’ireo fanontaniana tsy voavaly?

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Finoana

Hamoaka printy