Tahirim-pitaovana
Fisoronana Aharôna


“Fisoronana Aharôna,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
zatovolahy manamasina fanasan’ny Tompo

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fisoronana Aharôna

Mihazona ny fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny batisa ho famelana ny fahotana

Miezaka manampy an’ Andriamanitra amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ireo mpanara-dia Azy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Naverina teto an-tany ny fisoronana, na ny hery mandrakizay sy ny fahefan’ Andriamanitra, mba hanampiana ny zanak’ Andriamanitra, hiverina any Aminy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanana masina natao Taminy.

Nalamina ho mizara roa ny fisoronana, izay samy manana andraikitra amin’ny lafiny manan-danja amin’ny fiainana ny filazantsara. Ny fisoronana Aharôna dia ny fisoronana “fiomanana” na fisoronana “ambany”. Mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana izy io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1). Manomana sy mitso-drano ary mitantana ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo ny mpihazona ny fisoronana Aharôna. Manompo amin’ny lafiny ara-nofo ao amin’ny Fiangonana, toy ny fikarakarana ireo mpikambana ao aminy sy ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ihany koa ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna.

Inona no atao hoe fisoronana Aharôna?

Hery sy fahefana mandrakizay an’ Andriamanitra ny fisoronana. Manampy an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny famonjena sy ny fisandratan’ny zanany, amin’ny alalan’ny fanomezana fanekempihavanana sy ôrdônansy masina, ny mpihazona ny fisoronana. Fanampin’ny fisoronana Melkizedeka, izay ambony kokoa, ny fisoronana Aharôna (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 1, 6, 13– 14). Afaka mandray ny fisoronana Aharôna ireo mpikambana lehilahy mendrika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, manomboka ny volana janoary amin’ny taona mahafeno 12 taona azy ireo. Ahitana diakona, mpampianatra, mpisorona, ary eveka ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana Aharôna.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fisoronana Aharôna

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana, Fisoronana Melkizedeka, Fanalahidin’ny Fisoronana

Fizarana 1

Naverin’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny laoniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fisoronana Aharôna

Sary
i Jaona Mpanao Batisa manome ny fisoronana an’i Joseph Smith

Nihazona ny fisoronana Melkizedeka ny mpaminany nanomboka tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’i Mosesy. Saingy nandà ny fitahian’i Jehovah ny Isiraelita nandritra ny fanompoan’i Mosesy ka dia nesorina tamin’ny ankabeazan’ny olona io fisoronana avo io. Nanohy nihazona ny fisoronana Melkizedeka ireo mpaminany. Nomena ny fisoronana Aharôna ny lehilahy mpikambana tao amin’ny fokon’i Levy, anisan’izany ny taranak’i Aharôna. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:23–27).

Amin’ny maha-taranak’i Aharôna sy lahimatoa azy dia nihazona ny fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:16–18; 84:26–27). Taorian’ny fahafatesan’i Jesoa sy ireo Apôstôliny dia nanao fanovana tsy nahazoana lalana tamin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny Fiangonana ny olona. Nesorina teto an-tany ny fisoronana Aharôna sy ny fisoronana ambony nomena an’i Petera, i Jakoba, sy i Jaona ary ireo mpianatr’i Kristy hafa (Lioka 9:1–2), noho io apôstazia io. Niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa, izay efa nitsangana tamin’ny maty, ary nanome azy ireo ny fisoronana Aharôna, mba hamerina izany fahefana izany teto an-tany indray (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 27:7–8; Joseph Smith—Tantara 1:68–72).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mety ho loharanon’ny fitaomam-panahy ho an’ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna ankehitriny ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa. Vakio ny Matio 11:7–13 (tafiditra ao anatin’izany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 11:13–15); Lioka 7:24–30; ary Jaona 5:32–35. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra tsapan’ny Tompo mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa? Nahoana araka ny eritreritrao no namariparitra an’i Jaona ho toy izany i Jesoa? Ahoana no ahafahan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy amin’izao andro izao maka tahaka ny ohatr’i Jaona Mpanao Batisa?

  • Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley tao amin’ny lahateniny mitondra ny lohateny hoe: “The Aaronic Priesthood—a Gift from God,” fa “andraikitry [ny diakona, ny mpampianatra, ary ny mpisorona] ny miambina ny Fiangonana sy mijery ny tsy hisian’ny heloka sy manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy.” Ao amin’ny Fiangonana ankehitriny dia maro ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna no zatovolahy. Ahoana no ahafahan’ireo zatovo ireo manatanteraka amim-pahatokiana ireo adidy ireo ao amin’ny paroasiny sy ny sampana misy azy ankehitriny?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Manampy sahan-kevitra sy antsipiriany amin’ny fahatakarantsika ny zava-nitranga ny tantaran’i Oliver Cowdery momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana Aharôna, tamin’izany andro izany. Vakio ny fitantarany izay hita ao amin’ny faran’ny Joseph Smith—Tantara. Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ny antsipiriany izay tena manan-danja manokana amin’izy ireo. Avy eo dia asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona mba haka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny niaraka tamin’i Joseph sy i Oliver tamin’io andro io. Nahoana araka ny eritreritrao no tena nilaina tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara io zava-nitranga io?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Ny fisoronana Aharôna dia manome fanalahidy sy asa fanompoana tena ilaina

Sary
zatovolahy miresaka amin’ny vehivavy

Ny fisoronana Aharôna dia antsoina indraindray hoe ny fisoronana “ambany” ary antsoina ao amin’ny soratra masina hoe “fanampin’”ny fisoronana Melkizedeka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:14). Kanefa manana hery sy fahefana tena ilaina mba hanomezana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina izay ilaina amin’ny famonjena sy ny fisandratana ny fisoronana Aharôna.

Ahitana ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely, ny filazantsaran’ny fibebahana, ary ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana ny fisoronana Aharôna (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 107:20).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanomana ny lalana handraisan’izao tontolo izao an’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa. Nampianatra ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny batisa ho famelana ny fahotana izy, ary nanao batisa ny Mpamonjy mihitsy aza (jereo ny Marka 1:1–11; Jaona 1:15–34). Nahoana araka ny eritreritrao no noheverina ho fiomanana tena ilaina amin’ny fiavian’i Kristy ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo? Ahoana no fomba hanomanan’ny fibebahana sy ny batisa ireo mpianatr’i Kristy amin’izao andro izao mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao ary hitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany?

  • Nananatra toy izao ny Filoha Gordon B. Hinckley raha niresaka tamin’ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13: “Mamporisika anareo aho hanokatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana … sy hamaky ireo teny ireo ary hanao tsianjery izany. Mandrafitra ny satan’ny fisoronana izy ireo. … Porofo izany fa manan-kery sy marina amin’ny lafiny rehetra io fisoronana io.” Ahoana no mety hitarihan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ny fifantohana sy ny asa ataon’ny zatovo mpihazona ny fisoronana iray? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana momba ny fisoronana Aharôna ireo manampy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra hahatakatra ny lanjan’ny ôrdônansy toy ny batisa sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ary ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

Rehefa avy namaky ireo andinin-tsoratra masina etsy ambony ireo mpikambana ao amin’ny vondrona dia asao izy ireo mba hizara amin’ny ambiny ao amin’ny vondrona ny zavatra nianarany.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Fisoronana fiomanana ny fisoronana Aharôna

Sary
zatovolahy ao an-dakilasy

Nandritry ny taranaka maro no nanomanan’ny Fisoronana Aharôna ny zanak’i Isiraely ho amin’ilay lalàna ambony izay nomen’i Jesoa Kristy tamin’ny farany. Nanomana izao tontolo izao ho amin’ny fiavian’i Kristy no asa nanirahana an’i Jaona Mpanao Batisa. Noho izany dia nanjary fantatra amin’ny anarana hoe “fisoronana fiomanana” ny fisoronana Aharôna. Mampianatra ihany koa ny soratra masina fa ny fisoronana Aharôna dia mihazona ny fanalahidin’ny filazantsara fiomanana, izay ahitana ny fibebahana sy ny batisa ho famelana ny fahotana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:26–27).

Manampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna ankehitriny. Manampy ny olona hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana ary handray ôrdônansy ao amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotana sy ny fanaovana batisa. Ary ny fihazonana ny fisoronana Aharôna dia manomana ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ho amin’ny fanompoana mandritra ny androm-piainany ao amin’ny fisoronana Melkizedeka.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny fanevan’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna dia afaka manampy ny zatovolahy tsirairay hahatakatra ny maha-andriamanitra azy sy ny tanjony amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy. Vakio ilay faneva hita ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.1.2. Nahoana araka ny eritreritrao no manentana ny zatovolahy hanao safidy tsara io faneva io? Ny lafiny inona amin’ny fanevan’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna no azonao ampidirina tsara kokoa amin’ny maha-mpianatra anao manokana?

  • Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana voaray tamin’ny alalan’ny fisoronana Aharôna no manomana antsika ho amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay mifandray amin’ny fisoronana Melkizedeka. Ahoana no ahafahan’ny fibebahana, ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana, ny fanasan’ny Tompo, ary ny fiainana ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany, manomana anao hanao sy hitandrina ny fanekempihavanana ary handray ireo ôrdônansin’ny tranon’ny Tompo?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ampahany manan-danja ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manontolo ny fisoronana Aharôna, nefa mitahy ireo mpihazona fisoronana tsirairay ihany koa izany. Jereo ilay horonan-tsary hoe “Let Every Man Learn His Duty: Aaronic Priesthood” (3:34). Inona, araka ny hevitrao, no fiantraikan’ny fihazonana ny fisoronana eo amin’ny fanapahan-kevitr’ireo zatovolahy ireo? Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hizara ny fahatsapany sy ny heviny eo am- pihainoana ireo zatovolahy samihafa mizara ny dikan’ny herin’ny fisoronana sy ny fahefana.

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “The Aaronic Priesthood—a Gift from God,” Liahona, May 1988, 46.

  2. Gordon B. Hinckley, “The Priesthood of Aaron,” Liahona, Nov. 1982, 44.

Hamoaka printy