Tahirim-pitaovana
Fisoronana Melkizedeka


“Fisoronana Melkizedeka,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
I Abrama mitsodrano an’i Melkizedeka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fisoronana Melkizedeka

Ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra mba hitahiana ny zanany

Vonona hanampy anao ny Ray any An-danitra mba hahazo hery ara-panahy sy fitarihana eo amin’ny lalanao mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny fisoronan’ Andriamanitra dia mahatonga ireo fitahiana ireo ho azon’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra izay misafidy ny hanatona Azy. Nampianatra ny Filoha Joseph Smith fa: “Ny fisoronana Melkizedeka … dia fantsona hanambarana avy an-danitra ny fahalalana, fotopampianarana, sy ny drafitry ny famonjena ary izay zava-manan-danja rehetra.” Afaka manao fanekempihavanana sy mandray ôrdônansy izay manampy azy ireo ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana Melkizedeka, ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:52–60; 84:19–22).

Inona no atao hoe fisoronana Melkizedeka?

Ny fisoronana dia ny hery sy fahefana mandrakizay izay namoronan’ Andriamanitra sy itantanany ny lanitra sy ny tany. Misy fisoronana roa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy: ny Aharôna sy ny Melkizedeka. Ny fisoronana Melkizedeka no fisoronana ambony na lehibe kokoa ary nomena mandrakariva ny mpanompon’ Andriamanitra rehefa nisy teto an-tany ny fahafenoan’ny filazantsara. Nomena lalana hitory ny filazantsara, hanatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ary hitantana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ireo mpanompon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana izay natolotra.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fisoronana Melkizedeka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fisoronana Aharôna, Fanalahidin’ny fisoronana, Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana

Fizarana 1

Manome fahefana sy herin’ny fisoronana ho an’ny mpanompony Andriamanitra

Sary
I Petera sy i Jakoba ary i Jaona manokana an’i Joseph Smith

Nanerana ny tantara rehetra, Andriamanitra dia nanome ny fahefan’ny fisoronana ny mpanompony, mba hiasa amin’ny Anarany sy hanampy amin’ny famonjena sy ny fisandratan’ireo zanany. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ny mpaminany rehetra dia nanana ny fisoronana Melkizedeka.”

Fahiny, izany fisoronana izany dia nantsoina hoe: “ny fisoronana masina araka ny lamin’ny zanak’ Andriamanitra. Nefa ho fanajana fatratra ny anaran’ilay Izy Faratampony, ho fisorohana ny famerenana matetika loatra ny anaran[’ny Tompo,]” dia nantsoina hoe “Fisoronana Melkizedeka” ilay fisoronana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3–4). Mpisorona avo sy mpaminany marina nandritry ny vanim-potoan’ny Testamenta taloha i Melkizedeka. Midika hoe: “mpanjakan’ny fahamarinana” ny anarana hoe Melkizedeka amin’ny teny Hebreo (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Melkizedeka,” Médiathèque de l’Évangile).

Mianatra isika ao amin’ny Testamenta Vaovao fa nanendry ny mpianany i Jesoa ary nanome azy ireo ny fahefan’ny fisoronana (jereo ny Lioka 9:1–2; Jaona 15:16; Hebreo 5:1–10). Nandray ny fanalahidin’ny fisoronana i Petera sy i Jakoba ary i Jaona teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Nanana fahefana hanohy ny asan’ny Fiangonan’i Kristy taorian’ny fiakarany tany an-danitra ireo Apôstôly noho ireo fanalahidy ireo (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovan-tarehy,” Médiathèque de l’Évangile; jereo koa ny Matio 16:15–19; 17:1–9; Asan’ny Apôstôly 1:21–26; Efesiana 4:11–13).

Very niala teto an-tany ny fahefan’ny fisoronana nandritra ny taonjato maro taorian’ny nahafatesan’ny Apôstôlin’ny Tompo. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fisoronana Melkizedeka amin’izao androntsika izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27: 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:72). Nisy iraka hafa avy any an-danitra taty aoriana nanolotra ny fanalahidin’ny fisoronana teo amin’izy ireo tao amin’ny Tempolin’i Kirtland any Ohio, Etazonia (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanambara ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fisoronana dia hery sy fahefan’ Andriamanitra izay ankinina amin’olon-kafa amim-pitokisana mba hampiasaina amin’ny asan’ Andriamanitra ho tombontsoan’ireo zanany rehetra. Nyfisoronana dia tsy ireo izay notendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana na ireo izay mampiasa ny fahefan’izany. Tsy ireo lehilahy mihazona ny fisoronana no atao hoe fisoronana. Koa satria tsy tokony ho antsointsika hoe ny fisoronana ireo lehilahy voatendry dia ny hoe mpihazona ny fisoronana no fomba mety tsara hiantsoantsika azy ireo.” Nahoana no zava-dehibe ny manavaka ny hoe fisoronana sy ny hoe mpihazona ny fisoronana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Eto ny fisoronana. … Fantatsika, satria efa hitantsika, ny herin’io fisoronana io. Efa hitantsika ny marary sitrana, ny malemy nandeha, ary ny fiavian’ny fahazavana sy ny fahalalana ary ny fahatakarana amin’ireo izay tao amin’ny haizina.” Inona no porofo hitanao fa miasa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao ny herin’ny fisoronana sy fahefan’ Andriamanitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Afaka miomana ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny Fanekempihavanana sy ny ôrdônansin’ny fisoronana Melkizedeka

Sary
Vehivavy iray sy ankizy iray eo ivelan’ny tempoly

Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe: “Ny Filazantsara sy ny Fisoronana no fitaovana ampiasain’ [Andriamanitra] mba hanavotana sy hanandratana ireo zanany mpankatò mba hiara-manana Aminy ny voninahitra sy ny hery mba hosatrohina ny satroboninahitry ny fiandrianana, ny tsy fahafatesana ary ny fiainana mandrakizay.” Afaka manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika ary mandray ireo ôrdônansy masina ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Miditra ao amin’ny “fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana” ny lehilahy iray rehefa mandray ny fisoronana Melkizedeka ary tendrena amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44. Inona avy ireo zavatra neken’ny mpihazona ny fisoronana fa hataony? Inona no fampanantenana masina omen’ Andriamanitra an’ireo izay mandray sy milofo amin’ny antsony?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–22 ary hifanakalo hevitra mahakasika ny zavatra nambaran’ny Tompo momba ny fisoronana. Eritrereto ny hizara, mba hanazavana ny dikan’ilay andinin-tsoratra masina, fa “ny misterin’ Andriamanitra” dia ireo “fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Misterin’ Andriamanitra,” Médiathèque de l’Évangile). Mety ilaina ihany koa ny manazava fa ny herin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny herin’ny fahamarinana, izay ahafahantsika mahafantatra an’ Andriamanitra sy tonga tahaka Azy (Jereo ny Bruce R. McConkie, The Promised Messiah [1978], 589). Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo ôrdônansy masina mitarika antsika hahatakatra ny amin’ Andriamanitra sy hanomana antsika ho tonga tahaka Azy kokoa?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Samy manompo ao amin’ny Fiangonan’i Kristy miaraka amin’ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana ny vehivavy sy ny lehilahy

Sary
Olona mifampiarahaba

Samy antsoin’ Andriamanitra avy ny vehivavy sy ny lehilahy ao amin’ny Fiangonany mba hanampy amin’ny asa tena ilaina amin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Afaka mahazo ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana ihany koa ny vehivavy sy ny lehilahy mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra na dia ny lehilahy ihany aza no tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana. Mandray ny herin’ny fisoronana ny isam-batan’olona rehefa mitandrina amim-pahamarinana ny fanekempihavanany amin’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana. Atokana eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny tsirairay mba hiasa ao amin’ny antson’ny Fiangonana Mahazo ny fahefan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana izy mba hanatanteraka ireo adidy nanendrena azy. (Jereo ny Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,” Liahona, mey 2014, 50–51).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Malala-tanana amin’ny heriny ny Raintsika any An-danitra. Afaka mahazo io hery io avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ho fanampiana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mendrika ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana sy hahazo ny fanompoan’ny anjely ary mendrika ny hiray fo aman-tsaina amin’ Andriamanitra, sy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ary ho lasa mpandova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ananan’ny Raintsika amin’ny farany ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaja ireo fanekempihavanana ireo.” Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fitahiana masina dia tsy miankina amin’ny fanendrena olona iray amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity, hoe:

    “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra. Ireo izay nandray fanafiana masina tao amin’ny tranon’ny Tompo dia mandray fanomezana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra, noho ny fanekempihavanana izay nataony, niaraka tamin’ny fanomezana fahalalana ny hahafantatra ny fomba hanovozana amin’io hery io.

    “Misokatra ho an’ ireo vehivavy izay efa notafiana ny herin’ Andriamanitra mitobaka avy amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo ny lanitra, izay tsy misy hafa amin’ny hisokafan’izany ho an’ireo lehilahy mpihazona ny fisoronana.”

    Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra manovo amin’ny herin’ Andriamanitra.

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2021), 108.

  2. Teachings: Joseph Smith,109.

  3. Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, mey 2020, 69.

  4. Teachings of Presidents of the Church: Gordon B. Hinckley (2016),214.

  5. Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 18.

  6. M. Russell Ballard, “Lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny asan’ny Tompo,” Liahona, apr. 2014, 4– 5.

  7. Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 77

Hamoaka printy