Tahirim-pitaovana
Ireo didy


“Ireo didy”, Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
I Mosesy sy ny didy folo

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ireo didy

Ireo fahamarinana masina hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra

Efa tsikaritrao ve hoe firy ny famantarana izay napetraka eny amin’ny arabe sy ny lalambe? Ny famantarana sasany dia manome torolàlana hanampiana ny mpamily handeha amin’ny toerana tiany haleha. Ny famantarana hafa dia mandray anjara amin’ny fiarovana amin’ny alàlan’ny fanehoana fetran’ny hafainganam-pandeha na hafatra fampitandremana momba ny toetry ny lalana. Raha manapa-kevitra ny tsy hiraharaha ny famantarana eny an-dalana ny mpamily, dia mety hampidi-doza ny tenany sy ny hafa. Ny didin’ny Ray any An-danitra dia mitovy amin’ny famantarana eny amin’ny lalana. Rehefa ankatoavina ireo didy dia mitarika anao amin’ny lalana mitondra ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Izy ireny dia mampianatra anao ny fomba hahitana fiadanana sy fifaliana eto amin’ity fiainana ity. Ny didin’Andriamanitra dia afaka manampy anao ihany koa hisoroka ny maro amin’ireo loza ara-panahy sy ara-batana eto amin’ity tontolo ity.

Ny didy dia endrika isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Mitondra fitahiana sy fifaliana eo amin’ny fiainanao ny fisafidianana ny hitandrina ny didy. Ny fankatoavana ny didy dia hanomana anao koa hiverina hiara-hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10). Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fitiavan’ Andriamanitra tonga lafatra sy manerana izao tontolo izao dia miseho amin’ireo fitahiana rehetra avy amin’ny drafitry ny filazantsarany, anisan’izany ireo fitahiana avo indrindra izay natokany ho an’ireo izay mankato ny lalàny.”

Inona no atao hoe didy?

Ny didy dia lalàna sy fepetra masina izay omen’ Andriamanitra ho tombotsoantsika. Ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia ilaina amin’ny fisandratana. Amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy no hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy hahazoantsika fitahiana ara-panahy sy ara-nofo.

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fankatoavana, Fahafahana misafidy, Finoana an’i Jesoa Kristy, Fibebahana

Fizarana 1

Ampahany manan-danja amin’ny fiainana ny Filazantsara ny didy

Sary
I Jesoa mampianatra mpanapaka tanora manan-karena

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny didy lehibe indrindra dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa. Ny didy hafa rehetra dia manome fitarihana mikasika ny fomba hanaovana ireo zavatra roa ireo. (Jereo ny Matio 22:37–40.)

Ny soratra masina dia maneho fa Andriamanitra dia nampianatra ny didy tamin’ny alalan’ny mpaminany hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva (jereo ny Mosesy 5:4–5). Olona maro manerana izao tontolo izao no mahafantatra ny Didy Folo izay nambaran’i Jehovah tamin’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 20:3–17). Ireo lalàn’ Andriamanitra ireo dia nohamafisina indray amin’izao androntsika izao miaraka amin’ireo fahamarinana manan-danja hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:19–29; 59:5–13). Mandrara ny fitondran-tena mamohehatra toy ny tsy fahamarinan-toetra, ny fanitsakitsaham-bady, ary ny famonoan’olona ny didin’ Andriamanitra. Andriamanitra koa dia nanome didy mba hanaovana ny tsara, toy ny mivavaka, mamela heloka, ary mikarakara ireo sahirana.

Ny fankatoavantsika ireo didy dia atosiky ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa sahirana amin’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra isika dia manasa antsika hibebaka sy hiverina Aminy Izy.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Matio 22:37–40. Nahoana araka ny eritreritrao no nilaza i Jesoa fa ny didy lehibe indrindra dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa? Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ireo didy hafa ny dikan’ireo didy roa ireo?

  • Alaivo sary an-tsaina hoe nisy olona nanoro hevitra fa tsy zava-dehibe ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra tsirairay. Ahoana no ho fihetsikao? Inona no zavatra niainanao izay mampitombo ny fankasitrahanao ny didin’ Andriamanitra?

  • Vakio ny Marka 10:17–22, ka tadiavo ny zavatra tsapan’ilay tovolahy mpanankarena momba ireo didy. Inona no ianaranao momba ny fankatoavana ny didy avy amin’ny firesahany tamin’i Jesoa Kristy? Raha mametraka ny tenanao eo amin’ny toeran’io lehilahy io ianao, dia inona no fiovana tsapanao fa hanasan’i Jesoa anao mba hataonao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo ny “Why Does God Give Us Commandments?” (0:39). Rehefa avy mijery ilay horonan-tsary ianao dia azonao atao ny manao lisitra ireo didy izay niainanao sy ireo fitahiana noraisinao noho ny fankatoavanao. Azonao atao koa ny miresaka momba ny antony maha-zava-dehibe ny fijerena ny didy amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Mampanakaiky antsika kokoa an’i Jesoa Kristy ny didy

Sary
Mandeha eo amina tondro

Nampianatra ireo mpianany i Jesoa hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” (Jaona 14:15; jereo koa ny andininy 21). Ny dingana tsirairay amin’ny fankatoavana dia fanehoana ny fitiavanao an’ Andriamanitra ary mampanakaiky anao kokoa an’i Jesoa Kristy. Rehefa natao batisa ianao dia nanao fanekempihavanana, na fampanantenana ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra. Mety ho sarotra aminao anefa izany indraindray. Satria tia anao Andriamanitra dia manasa anao Izy hibebaka matetika sy hiverina Aminy. Mety hisy koa ny fotoana tsy mazava ny antony nanomezan’ Andriamanitra didy iray manokana. Amin’izay fotoana izay dia tian’ Andriamanitra haneho finoana Azy ianao. Hilamina tsara ny zava-drehetra rehefa matoky an’ Andriamanitra ianao ary miezaka mankatò ireo didiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:15).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nilaza ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny manan-danja indrindra amin’ireo didin’ Andriamanitra rehetra dia ilay iray izay tena sarotra ho anao ankehitriny ny mitandrina azy.” Inona no azonao atao mba hifantohana amin’ny fiezahana hankatò izany didy izany?

  • Indraindray ny fankatoavana ny didy dia mety ho toy ny fitsapana ny finoantsika. Vakio ny 1 Nefia 3:7. Ahoana no ahafahan’io andinin-tsoratra masina io manampy raha toa ianao ka sahirana amin’ny fankatoavana ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra, toy ny fandoavana fahafolonkarena na ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao ampiasaina ilay horonan-tsary “Following God” (1:25) mba hifanakalozana hevitra ny maha ampahany manan-danja ny fibebahana tsy tapaka amin’ny fiezahana ny hankatò ireo didin’ Andriamanitra.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny maha-zava-dehibe ireo didin’ Andriamanitra

Hamoaka printy