Tahirim-pitaovana
Fankatoavana


“Fankatoavana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
zatovovavy mitsiky

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fankatoavana

Manaraka an’ Andriamanitra amin’ny fo marisika

Eken’ny ray aman-dreny ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ny ankizy kely mba tsy hikasika fatana mahamay na hihazakazaka eny amin’ny arabe manoloana fiara. Raha mankatò ny ankizy, na takany na tsia hoe nahoana no ilaina ny fankatoavana, dia hieren-doza sy ho voaro kokoa izy ireo.

Nanambara ny Tompo tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany fa ny fanomezana ny zanak’ Andriamanitra traikefa eto an-tany dia ilaina mba “[hisedrana azy ireo] … mba hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:25). Irian’ Andriamanitra ny mba hianarantsika tsirairay hanaraka Azy sy hankatò ny didiny. Handray ny fitahiana hiara-hiaina Aminy, ao anatin’ “ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (Mozià 2:41) isika rehefa manao izany. Afaka manomboka mahita ny antony nanomezan’ Andriamanitra antsika lalàna ho ankatoavina isika amin’ny fampiasana ny safidim-pitondrantena sy ny fitarihan’ny Fanahy. Mampanantena fahasambarana sy fitahiana ho an’ireo rehetra izay mihaino ny teniny sy mitandrina an-tsitrapo ny didiny ny Ray any An-danitra.

Inona no atao hoe fankatoavana?

Raisina ho toy ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fitandremana ireo didiny ny fankatoavana, ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy, na ny safidy malalaka, mba hanarahana an’ Andriamanitra amin’ny fo feno finiavana. Maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika rehefa misafidy ny hatoky sy hanaiky ny sitrapony.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fankatoavana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ireo didy, Fibebahana, Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Nankatò an’ Andriamanitra Ray tamin’ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa tao Getsemane

Nanambara i Jesoa Kristy hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38). Naneho fankatoavana ny lalàna sy ny didin’ny Rainy rehetra i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany. Hoy Izy: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:29).

Nivavaka i Jesoa tao amin’ny sahan’ny Getsemane nanao hoe: “Raiko o, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42). Nanaiky tamim-panetren-tena ny sitrapon’ny Rainy Izy ary nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ka nanao ny tenany ho fanatitra mba hanavotra antsika rehetra, taorian’ny fijaliana tao Getsemane (jereo ny Môzià 15:7). Nataon’i Jesoa Kristy ho azo tanterahina ny famonjena sy ny fisandratana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra, satria Izy nankatò ny Rainy tamin’ny zava-drehetra.

Mangataka antsika ny Tompo amin’izao androntsika izao hanaraka ny diany sy “hivelona amin’ny teny rehetra izay miloaka ny vavan’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11; jereo koa Deoteronomia 8:3). Nohazavain’i Jesoa Kristy ny antony lehibe indrindra tokony hankatoavantsika an’ Andriamanitra rehefa namoaka ilay fanasana mivantana sy tsotra Izy hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Niaina tamin’ny fiainana tsy nisy ota sy masina i Jesoa Kristy. Manasa antsika Izy hanaraka Azy. Vakio ny 2 Nefia 31:7–10. Inona no takina amin’ireo izay maniry ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy?

  • Nanambara Andriamanitra fa ny asany sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:20 ary diniho izay lazain’ny Tompo ho “asanao.”

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Koa satria nankatò ny Mpamonjy antsika dia nanao sorona Izy noho ny fahotantsika, ka nanao izay hahatanteraka ny fitsanganantsika amin’ny maty ary nanomana ny lalana hiverenantsika any amin’ny Raintsika any An-danitra.” Ifanakalozy hevitra hoe inona avy ireo fitahiana sitrahantsika noho i Jesoa Kristy nankatò tanteraka an’ Andriamanitra Ray. Inona no tian’ Andriamanitra hataontsika mba hanehoantsika ny fankasitrahantsika ireo fitahiana maro azontsika?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Hitondra ho amin’ny fahasambarana sy fitahiana ny fankatoavanao an’ Andriamanitra

Sary
fianakaviana vao herotrerony mihomehy

Mianatra isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa izay rehetra nandre ny toriteny manan-danja nataon’ny Mpanjaka Benjamina dia niova fo lalina ho an’i Jesoa Kristy. Naneho fahavononana hanao fanekempihavanana hitandrina ny didin’ Andriamanitra izy ireo vokatr’izany (Jereo ny Môzià 5:1–7). Iray amin’ireo andraikitry ny mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy amin’izao androntsika izao ny mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:78). Nanazava ny maha-zava-dehibe izany adidy izany taminy ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nilaza izy hoe: “Nataoko ho fitsipika ny hoe: Rehefa mandidy ny Tompo dia ataovy izany.

Ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia nanambara ny fitsipika mandrakizay izay mifehy ny fomba hanomezana fitahiana: “Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21). Misy antony samihafa mety hisafidianantsika ny hankatò ny didin’ Andriamanitra. Mety hanao izany isika indraindray noho ny fahatahorana sazy. Indraindray isika dia mety hikatsaka fotsiny ny valisoa nampanantenaina. Saingy ny antony manan-danja indrindra tokony hankatoavana dia ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny faniriana hanompo Azy ireo. “Mitaky ny fo sy ny saina marisika” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mieritrereta momba ireo fomba rehetra nanehoan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany anao. Vakio ny Môzià 2:20–24. Nahoana no ny fankatoavantsika no hany takin’ Andriamanitra amintsika? Vakio izao ny Môzià 2:41. Ahoana no fomba hamaritanao amin’ny olona iray hafa fa malala-tanana amin’ireo izay mikatsaka amin-kitsimpo ny hankatò ny didiny Andriamanitra?

  • Niaina fahasahiranana lehibe ny fianakavian’i Lehia rehefa nandeha tany an-tany foana nandritra ny taona maromaro. Nitahy azy ireo ny Tompo noho izy ireo nikatsaka ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Vakio ny 1 Nefia 17:1–4. Araka ny andininy 3, dia vonona ny hanao inona ho an’ireo izay mitandrina ny didiny Andriamanitra?

  • Tsy ary ho azontsika foana hoe nahoana Andriamanitra no nanome ireo didy sasany. Kanefa afaka matoky isika fa ny zava-drehetra dia hiasa hahasoa antsika rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika ary misafidy ny hatoky sy hankatò an’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:15). Mampanantena antsika ny Tompo hoe: “Ary raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nanambara ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia haka ny toerana tokony hisy azy ny zavatra hafa rehetra na tsy hanan-danja amintsika intsony.” Midika inona aminao ny hoe “mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana”? Angataho ireo olona ao amin’ny vondrona mba hilaza hoe oviana izy ireo no nahita fa rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia “haka ny toerana tokony hisy azy eo amin’ny fianantsika ny zavatra hafa rehetra na tsy hanan-danja amintsika intsony.”

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko,” Liahona, mey 2014, 35.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 160.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 40.

Hamoaka printy