“Fibebahana,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fibebahana
Mitombo sy mivoatra amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny famindrampon’i Jesoa Kristy
Tian’ ny Ray any An-danitra isika. Mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra dia tiany isika hiverina any Aminy. Ny fahotantsika sy ny tsy fahatanterahantsika anefa no mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra. Manakana antsika tsy hiverina hiaina eo anatrehany sy tsy ho tonga tahaka Azy izy ireny. Kanefa mbola misy ny fanantenana. Satria tena tia antsika ny Ray any An-danitra dia nandefa an’i Jesoa Kristy Zananilahy Izy mba hamonjy antsika. Nitondra an-tsitrapo teo Aminy ny fahotantsika sy ny tsy fahatanterahantsika i Kristy mba hahafahantsika mahazo famelan-keloka sy hanohy hitombo ary hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany. Izany fanomezana lehibe izany no antsoina hoe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manomboka mandray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Kristy isika rehefa mampihatra finoana Azy sy mibebaka amin’ny fahotantsika.
Fizarana 1
Nodiovina tamin’ny alalan’ny fibebahana: “Ahoana no mahatò izany?”
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny mpaminany Enôsa dia nanoritsoritra ny “tolona izay natao[ny] teo anoloan’ Andriamanitra” raha nikatsaka ny famelana ny fahotany izy. Rehefa “nofafana ny hadisoany” tamin’ny farany dia nanontany zavatra izay mety efa nanontanianao an’ny tenenao izy: “Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?” Vakio ao amin’ny Enôsa 1:1–8 ny zavatra niainany. Tamin’ny fomba ahoana no nanovana an’i Enôsa? Inona no ianaranao avy amin’ny fomba namariparitany ny fibebahany?
Mazava ho azy fa ny hany fomba hahatakarana tanteraka ny fibebahana dia ny miaina izany. Rehefa mibebaka sy mahatsapa ny fiadanana sy ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka ianao dia hevero ny hanoratra momba ny zavatra niainanao. Mety hahatsapa fitaomam-panahy mihitsy aza ianao hizara izany amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ahoana no hahazoantsika ny hery manadion’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika? Afaka mahita ny valin’io fanontaniana io ianao ao amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana.” Eritrereto manokana ireo fampianarana hita ao amin’ny fizarana voalohany mitondra ny lohateny hoe “Fibebahana.” Saintsaino ny zavatra tian’ny Tompo hataonao mba hahazoanao famelana ny fahotanao.
-
Fakafakao ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny sorona fanavotana nataony ho antsika ao amin’ny 3 Nefia 9:13–14 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Inona no hafatra mety tian’ny Tompo hampitaina aminao manokana ao amin’ireo teniny?
-
Diniho ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny famelan-keloka ao amin’ny Jeremia 33:6–9; Almà 5:21. Inona no tian’ireo teny sy andian-teny ireo ambara aminao momba ny fibebahana sy ny famelana ny fahotana?
-
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Niresaka momba ny fanasana sy fanadiovana ny mpaminany Isaia rehefa nampianatra momba ny fibebahana izy. Hevero ny hiarahanareo mianakavy mamaky Isaia 1:16–18 rehefa miara-manadio zavatra, toy ny akanjo na ny lovia ianareo. Inona no mahatonga ireo zavatra ireo ho madio? Inona no mahatonga antsika ho afaka ny ho madio ara-panahy—na ho voadio amin’ny fahotantsika? (jereo ny 3 Nefia 27:19–20).
Azonao atao koa ny mampitaha ny zavatra tsapa rehefa voadio ara-batana amin’ny zavatra tsapa rehefa voavela amin’ny fahotantsika.
Hianatra misimisy kokoa
-
Dieter F. Uchtdorf, “Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody,” Liahona, mey 2016, 101–4
Fizarana 2
Ny Fibebahana dia midika hoe fiovana—ary natao ho an’ny olon-drehetra izany
Ny soratra masina dia manome ohatra maro momba ny olona izay toa tsy azo inoana fa hiova kanefa nibebaka sy tonga olo-marina tamin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy. Ny Apôstôly Paoly sy ny Lamanita maro ary i Almà Zanany dia samy niaina fiovam-po mahery vaika sy mahazendana. Niala tamin’ny fahotana ka nankany amin’ny Mpamonjy izy ireo, ary namela Azy hanova ny fiainany. Indraindray io fiovana io dia toa mitranga tampoka, matetika no fiovana tsikelikely izany. Na izany na tsy izany dia fahagagana atolotr’i Jesoa Kristy ho an’izay rehetra mibebaka izany. Ary fahagagana ilaintsika rehetra izany: “fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Alalino ireo ohatra momba ny fibebahana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22:3–21 (momba an’i Paoly); Almà 24:6–19 (momba ny vondrona Lamanita iray); sy ny Almà 36 (momba an’i Almà Zanany). Inona no nataon’ireo olona ireo mba hibebahana? Nahoana ary no manan-danja ny famakiana an’ireo zavatra niainana ireo? Saintsaino sy raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao.
-
Inona no fiovana tianao hoentina eo amin’ny fiainanao? Eo am-pisaintsainanao izany dia alalino ny Jakoba 4:17; Môzià 4:29–30; Almà 5:26; ary ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika.” Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo hatsarainao sy hivoaranao?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Feno ohatra ana fiovana manaitra izao tontolo izao—voa kely lasa hazo lehibe, fanday lasa lolo, atody lasa voromahery. Afaka mandinika ny sasany amin’ireo ohatra ireo ianao na ny fianakavianao ary mamaky ny 2 Korintiana 5:17. Mety hitarika ho amin’ny resaka momba ny fiovana misy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany.
-
Mety hankafy ny fianarana momba ny fibebahana avy ao amin’ny Tantara ao aminny Bokin’i Môrmôna ny ankizy madinika, toy ny avy amin’ireo ohatra ao amin’ny “Toko 18: Mibebabaka i Almà Zanany” sy ny “Toko 26: Ny vahoakan’i Amôna.” Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy ireo olona ireo hiova?
-
Azonao atao ihany koa ny manao lisitra ny sasany amin’ireo toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (ilay fihirana hoe “Ah, donne-moi, Père” dia ahitana maro amin’izany). Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika miova mba ho tonga kokoa tahaka Azy Ireo? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’Izy Ireo antsika hanao izany?
Hianatra misimisy kokoa
-
Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?,” Liahona, nôv. 2015, 33–35
Fizarana 3
Mahafaly ny fibebahana
Satria mety ho sarotra ny fiovana dia mety hatahotra ny hibebaka isika indraindray. Mety hihevitra isika fa zavatra mampalahelo na mahakivy na sarotra tsy azo atao izany. Drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Amin’ny alalan’ny fibebahana dia afaka ny ho tonga tsara fanahy, be fitiavana, manam-paharetana, manetry tena, ary faly kokoa isika.
Mitondra fahoriana ny fahotana—ny fibebahana no fomba ialana amin’izany fahoriana izany.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Eritrereto ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto izay mampianatra ny mety ho halehiben’ny fifaliana entin’ny fibebahana: Môzià 4:1–3; Almà 36:17–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16. Soraty avy eo ny fihetseham-ponao. Rehefa mila famporisihana hibebaka ianao dia azonao atao ny mamerina mijery ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ireo fahatsapana noraketinao.
-
Azonao atao ihany koa ny mandalina ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Ny fibebahana: Safidy mahafaly” na jereo ilay horonan-tsary mifandray amin’izany. Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny fibebahana sy ny famelan-keloka mitondra fifaliana?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Azonao atao ny mijery ny iray amin’ireto horonan-tsary ireto na izy roa miaraka amin’ny hafa mba hianarana misimisy kokoa momba ny fifaliana azo avy amin’ny fibebahana: “The Shiny Bicycle” (3:04) sy “The Goal: A Story of Faith, Friendship, and Forgiveness” (7:27). Rehefa mijery an’ireo horonan-tsary ireo ianao dia tadiavo ny 1) zavatra nampalahelo an’ilay olona tao amin’ilay horonan-tsary ary 2) ny zavatra nahafaly ilay olona. Azonao atao koa ny mikaroka ireo zavatra ireo ao amin’ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15.
-
Na azonao atao ny miresaka momba ny fotoana iray izay nahasitrana ny olona iray tamin’ny aretina na ratra nahazo azy ary mampitaha izany traikefa izany amin’ny fibebahana. Vakio ny 3 Nefia 9:13–14, ary resaho ny fifaliana tsapantsika rehefa manasitrana antsika ara-panahy ny Mpamonjy rehefa mibebaka isika. Inona no azontsika lazaina mba hanampiana olona iray izay mahatsapa ho matahotra ny hibebaka?
Hianatra misimisy kokoa
-
Almà 13:21–22; 22:13–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42
-
D. Todd Christofferson, “Ilay Fanomezana Masin’ny Fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38–41