Tahirim-pitaovana
Fiainana talohan’ny nahaterahana


“Fiainana talohan’ny nahaterahana,”Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
izao rehetra izao

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fiainana talohan’ny nahaterahana

Ny fiainantsika niaraka tamin’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahantsika

Tsy maintsy hisy fotoana izay hanontanian’ny ankamaroan’ny olona tena hoe inona no hitranga rehefa maty izy ireo. Saingy efa nanontany tena ve ianao hoe efa nisy ve ianao talohan’ny nahaterahanao ary, raha eny, dia iza ianao tamin’izany?

Fantatsika avy amin’ny soratra masina fa talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany dia niara-niaina tamin’ Andriamanitra isika ary nitsaoka Azy amin’ny maha Raintsika Mandrakizay Azy. Nahazo fampianarana sy fanomanana ho an’ny fiainantsika eto an-tany ihany koa isika ary nisafidy ny hanaraka ny drafitry ny Raintsika ho an’ny famonjena antsika.

Ity drafitry ny famonjena ity dia nahitana ny fahatongavantsika teto an-tany. Ao anatin’ny fiainana an-tany dia hahazo vatana mety maty isika ary hisy voaly hanarona ny fahatsiarovantsika ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. Eto an-tany isika dia tsy maintsy mampiasa ny safidim-pitondrantenantsika na ny fahafahantsika misafidy. Tao anatin’ny Filankevitra Lehibe iray izay natao nandritra ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia nifidy an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hanefa ny saran’ny fahotantsika sy handresy ny fahafatesana ary nanaiky an-tsitrapo ilay anjara asa i Jesoa. Nianatra isika fa ny fivoarantsika ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra dia mitaky ny hametrahantsika ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny hankatoavantsika ny didin’ Andriamanitra.

Inona no atao hoe Fiainana talohan’ny nahaterahana?

Ny “fiainana talohan’ny nahaterahana” dia entina ilazana ny fiainana niainantsika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany amin’ny maha-olona mety maty antsika. Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia niara-niaina tamin’ Andriamanitra amin’ny maha fanahy zanany ny olona rehetra.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fiainanana talohan’ny nahaterahana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny famonjena, Fiainana an-tany, Tontolon’ny fanahy, Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra

Fizarana 1

Niaina niaraka tamin’ Andriamanitra ianao talohan’ny nahaterahanao

Sary
vehivavy misaintsaina ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Talohan’ny nahaterahantsika dia nanana vatana fanahy isika ary niara-niaina tamin’ Andriamanitra amin’ny maha fanahy izay zanakavavy sy zanakalahy an’ny ray aman-dreny any an-danitra antsika (jereo ny Mosesy 3:4–5). Tany isika dia “nahafantatra sy nanompo an’Andriamanitra tahaka ny Rai[ntsika].”  Fotoana fianarana sy fiomanana izany ary nahafantatra antsika Andriamanitra (jereo ny Jeremia 1:5) ary nanampy antsika hiomana amin’ny fiainantsika eto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia manampy antsika hahatakatra ny fomba ifandraisan’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana amin’ny drafitry Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika. Vakio ny andiam-pehezanteny telo voalohany amin’ilay fanambarana ka diniho manokana ireo firesahana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. Ahoana no hanampian’ny fahatakaranao ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana anao rehefa miatrika olana ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no nanambaran’ Andriamanitra ireo fahamarinana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana ireo?

  • Tsy dia mahafantatra firy momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana isika. Kanefa, fantatsika fa “[maro no] … nandray ny lesona voalohany tao amin’ny tontolon’ny fanahy niaraka tamin’ireo maro hafa […], ary nomanina mba hivoaka amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56). Rehefa dinihina ny zavatra fantatrao momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia inona no lesona mety ho nianarantsika nandritra izany fotoana izany? Alalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–57 ka hifantohy manokana ny (andininy 56). Raha manana ny tsodranon’ny patriarika ianao dia mety hanampy koa ny famakiana izany. Manome anao fatokiana mandritra ny fotoan-tsarotra amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ianao dia nomanina mba hiatrika ny fiainanao ety an-tany?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nampahatsiahy ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Iza moa ianareo? Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao.” Asao ny tsirairay hizara ny antony maha-zava-dehibe amin’izy ireo ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo. Dia iaraho mamaky avy eo ny Hebreo 12:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24; Asan’ny Apostoly 17:29; sy ny Romana 8:16. Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ireo andininy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny dikan’ny hoe zanak’ Andriamanitra? Zarao amin’ny vondrona ny hevitrao.

  • Mieritrereta tantara notantarain’ny hafa taminao momba ny fahazazanao. Na dia tsy tsaroanao aza ny naha-zaza menavava na miana-mandeha anao dia mety hisy fiantraikany aminao mandritra ny androm-piainanao ny zava-nitranga taminao. Asao ny vondrona mba hizara ohatra vitsivitsy. Tahaka ny tsy hahatsiarovantsika ny fahazazantsika no tsy ahafahantsika mahatsiaro koa ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. Ahoana no iantraikan’io tranga io amin’ny fomba fieritreretantsika momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana?

Hianatra misimisy kokoa

  • Dieter F. Uchtdorf, “Ilay dianao mahafinaritra mody any an-trano,” Liahona, mey 2013, 125–29

  • Neal A. Maxwell, “Premortality, a Glorious Reality,” Ensign, nôv. 1985, 15–18

  • Chapter 6: Our Premortal Life,” Doctrines of the Gospel Student Manual (2010), 13–15

Fizarana 2

Notendrena mialoha tany amin’ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Sary
I Jesoa Kristy voafidy ho Mpamonjy antsika

Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia niantso Filankevitra Lehibe ny Ray any An-danitra mba hanolorany ny drafiny ho an’ny fivoarantsika mandrakizay. Nianatra isika fa ho tonga ety an-tany isika, toerana izay ahafahantsika mampiasa ny fahafahantsika misafidy sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra kokoa (jereo ny Abrahama 3:23–26). Nifidy an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao ny Ray any An-danitra, ary nanaiky an-tsitrapo izany andraikitra izany Izy (jereo ny 1 Petera 1:19–20). Amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy dia hanao izay ahafahantsika miverina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandresena ny fahafatesana sy ny fahotana Izy.

Kanefa i Losifera (Satana) dia nikatsaka ny handrava ny fahafahana misafidy izay nomen’Andriamanitra ny zanany (jereo ny Mosesy 4:1–3). Te hahazo ny voninahitr’ Andriamanitra koa izy (jereo ny Isaia 14:12–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–29). Niteraka fisaraham-bazana lehibe teo amin’ny zanak’ Andriamanitra izany (jereo ny Abrahama 3:27–28; Apokalypsy 12:7). Ireo izay nanaraka an’i Losifera dia noroahina niaraka taminy avy tany an-danitra (jereo ny Apokalypsy 12:8–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–37). Ireo rehetra izay nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy dia afaka nandroso sy nahazo vatana ara-nofo teto an-tany.

Nomen’ Andriamanitra antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny safidim-pitondrantena. Vakio ny 2 Nefia 2:27–29 ka hifantohy ny anjara asan’ny fahafahana misafidy eo amin’ny fiainantsika. Nahoana ny fanomezana fahafahana misafidy no ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny zavatra iainantsika eto an-tany? Inona no ampianarin’ny fandroahana an’i Losifera sy ireo mpanara-dia azy momba ny maha-zava-dehibe ny fahafahana misafidy?

Notendrena mialoha i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy antsika Inona no dikan’ilay anaram-boninahitra hoe “Mpamonjy”? Vakio ny Jaona 3:17; Asan’ny Apostoly 2:21; Helamàna 14:15; ary Mosesy 1:6. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny anjara asan’i Jesoa Kristy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

Nahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isika nandritra ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. Eto amin’ny fiainana an-tany dia tsy manana fahatsiarovana an’io fotoana io isika ary tsy maintsy “finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana” (2 Korintiana 5:7). Raha mampianatra ankizy kely ianao dia azonao atao ny manasa azy ireo handeha manerana ny efitrano kanefa tampena-maso mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny dikan’izany. Alalino miaraka amin’ny vondrona ny sasany amin’ireo soratra masina voatanisa eo ambanin’ny “Finoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ifampiresaho avy eo ny anjara asan’ny finoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny diantsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Hamoaka printy