Tahirim-pitaovana
Tontolon’ny fanahy


“Tontolon’ny fanahy,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
tara-pahazavana manivatsiva ny rahona

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Tontolon’ny fanahy

Aiza no mitoetra ireo fanahy eo anelanelan’ny fahafatesantsika sy ny fitsanganantsika amin’ny maty

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no mitranga aorian’ny fahafatesantsika? Mampianatra mazava tsara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa tsy ny fiainana eto an-tany ihany no misy. Efa nisy talohan’ny nahaterahantsika ny vatantsika ara-panahy ary mbola ho velona aorian’ny fahafatesantsika. Mandeha any amin’ny tontolon’ny fanahy isika mba hiandry ny fitsanganantsika amin’ny maty aorian’ny fahafatesana. Ampianarina any amin’ny tontolon’ny fanahy koa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Koa satria sarobidy amin’ Andriamanitra ny fanahy rehetra, dia nanome lalana mankany amin’ny famonjena ho an’ireo izay maty tsy nanana fahafahana handray ny filazantsara i Jesoa Kristy.

Inona no atao hoe tontolon’ny fanahy?

Toerana itoeran’ny fanahin’ireo izay maty, mandritra ny fotoana voafetra, eo am-piandrasany ny fitsanganana amin’ny maty ny tontolon’ny fanahy. Ahitana paradisa sy fonja ara-panahy ny tontolon’ny fanahy. Toriana amin’ireo olona izay tsy nanana fahafahana teto amin’ny fiainana an-tany mba hanaiky ny filazantsara sy handray ireo ôrdônansy ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Topimaso momba ny lohahevitra: Tontolon’ny fanahy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Drafitry ny fanavotana, Fitsanganana amin’ny maty, Ôrdônansy isoloana tena ny maty, Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mahakasika ny tantaram-pianakaviana

Fizarana 1

Misy fiainana aorian’ny fahafatesana

Sary
Zazavavy mametraka voninkazo eo amin’ny fasana

Ny fahafatesan’ny namana na olona ankamamiana dia tarahim-panaintainana sy alahelo. Na dia anisan’ny zavatra iainantsika eto an-tany aza ny fisaonana noho ny fahafatesan’ny hafa dia manambara ny soratra masina fa nanaisotra “ny fanindronan’ny fahafatesana” tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa Kristy (Môzià 16:8; Almà 22:14; Môrmôna 7:5). Ho velona indray isika rehetra noho i Jesoa Kristy nanapaka ny famatoran’ny fahafatesana (jereo ny Almà 11:42–43). Misaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika rehefa maty isika. “[Avy eo] voatendry ho amin’ny toerana iray, araka ny asan[tsika], miaraka amin’ny marina na koa ny tsy marina, mba hiandry ny fitsanganana amin’ny maty” ny vatantsika ara-panahy. (Jereo ny Almà 40:11–13.)

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanamarika ny Loholona Weatherford T. Clayton hoe: “Izao tontolo izao dia mahita ny fahaterahana sy ny fahafatesana ho fiandohana sy fiafarana. Saingy noho ny drafitra masin’ Andriamanitra dia fantatsika fa raha ny marina ny fahaterahana sy fahafatesana dia dingana lehibe fotsiny eo amin’ny diantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra.” Ahoana no ahafahan’io fomba fijery io manomana anao amin’ny fotoana hahafatesan’ny olona ankamamianao?

  • Vakio ny 1 Korintiana 15:51–55, 57. Eritrereto ny fotoana iray nahafatesan’ny olona akaikin’ny fonao iray. Nanampy anao tamin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy? Ahoana no mety ahafahanao mampiasa izany fahalalana izany mba hampatanjahana ny hafa izay manana fanontaniana momba ny famoizana olona sy ny fahafatesana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao atao ny mampiasa fonon-tanana hanehoana ny vatana ary ny tananao hanehoana ny fanahy mba hanampiana ireo izay tsy mbola mahafantatra ny hevitry ny hoe vatana ara-panahy. Ampidiro ao anaty fonon-tanana ny tananao ary mariho fa rehefa ao anatin’ilay fonon-tanana ny tanana vao “velona” ilay fonon-tanana. Tsoahy avy eo ny tananao ary hazavao fa mbola velona ny tanana na inona na inona manjo ilay fonon-tanana. Azonao atao avy eo ny mamerina ny fonon-tanana ary manazava fa tsy hisaraka intsony ny fanahintsika sy ny vatantsika aorian’ny fitsanganana amin’ny maty. (Jereo ny Almà 11:45.)

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Inona no fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy?

Sary
Fasana foana

Mankany amin’ny tontolon’ny fanahy ny vatana ara-panahintsika aorian’ny fahafatesana. Rehefa any, ny fanahin’ireo marina “dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo” (Almà 40:12). Ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina kosa no “ireo izay efa maty tao amin’ny fahotany, tsy nahalala ny fahamarinana, na tao amin’ny fandikan-dalàna sady efa nitsipaka ny mpaminany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:32; jereo koa ny 1 Petera 3:18–20).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Afaka mandray ny fampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina. Saingy indraindray dia antsoina ao amin’ny soratra masina hoe “helo,” ny toetoetra iainan’ny fanahy sasany any am-ponja na ilay toerana tsy maharitra izay hijalian’ireo tsy mahatoky sy ireo izay tsy handray ny filazantsara mandra-pitsanganany amin’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–85). Ireo olona izay nisafidy ny tsy hibebaka amin’ny fahotany na manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hijaly noho fahotan’izy ireo mialoha ny hamonjena azy ireo amin’ny fanjakam-boninahitra any amin’ny mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–18). Ahoana no ahafahan’io andinin-tsoratra masina io manampy anao hahatakatra kokoa ny zavatra iainan’ireo ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy?

  • Mitoetra ao amin’ny paradisa ny fanahin’ireo marina izay “raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana …, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo” (Almà 40:12). Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io hampitombo ny fanirianao hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy hiaina amim-pahamarinana?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Manaova tsanganana roa amin’ny taratasy ary asio marika hoe “Marina” ny lafiny iray ary “Ratsy fanahy” ny lafiny iray, mba hianarana ny zavatra ampianarin’ny soratra masina momba ny tontolon’ny fanahy. Halalino avy eo ny Almà 40:6–14 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–14, 20–22. Ifanakalozy hevitra ny zava-baovao hitanao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Hianatra misimisy kokoa

  • Almà 34:32–34

  • The Spirit World,” Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 279–84

Fizarana 3

Toriana ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny filazantsara

Sary
zatovovavy

Moa ve ianao efa nandinika ny zava-mitranga amin’ny olona izay maty nefa tsy nandre ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na tsy nanana fahafahana handray ireo ôrdônansy ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana? Nanomana fomba iray ho an’ny zanany rehetra ilay Ray any An-danitra hendry sy be fitiavana mba hiverenany sy hiarahany hiaina Aminy, raha misafidy ny hanao izany izy ireo. Nanambara tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Aoka ny maty hiventy antsam-piderana mandrakizay ho an’i Imanoela Mpanjaka, izay efa nanokana talohan’ny nisian’izao tontolo izao ny fomba hahafahantsika manavotra azy ireo hiala avy ao amin’ny fonjan’izy ireo; fa handeha malalaka ny voafonja” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22).

Nahita fahitana avy any an-danitra momba ny tontolon’ny fanahy ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny 1918. Manazava ny fahatakarantsika ny fomba nanomezan’i Jesoa Kristy fahafahana ho an’ireo izay tao amin’ny fatoran’ny fonjan’ny fanahy mba hianatra ny filazantsara sy hibebaka ary handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana tena ilaina ny antsipirian’io fahitana io, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:16–19, 50–52. Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, amin’ny fomba ahoana no maha-toy ny fonja, na dia ho an’ireo fanahy marina aza, ny tontolon’ny fanahy iray manontolo? (jereo koa ny 1 Petera 3:18–20; 4:6). Inona no fihetseham-po niainan’ireo olona ireo tao amin’ny paradisa tamin’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fisehoany tany amin’ny tontolon’ny fanahy?

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–37, 57–59, ary tadiavo ny fomba hahafahana mampisy ireo fitahian’ny filazantsara ho an’ny olona izay maty tsy nandray ny filazantsara teto amin’ity fiainana ity. Midika inona aminao ny hoe azo vonjena ireo razambenao noho ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona—[eo amin’ny lafy roan’ny voaly]—ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly tena ilaina, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao.” Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahanao manampy ireo izay efa nodimandry mba ho voavotra sy handray ireo ôrdônansy tena ilaina. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona izay nandray anjara tamin’izany asa izany mba hizara ny traikefany manokana.

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy