“Ilay hany fiangonana marina sy velona,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny Filazantsara
Ilay hany fiangonana marina sy velona
Topimaso
Nanomboka tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ka hatramin’izao dia nanamafy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa zanak’ Andriamanitra avokoa ny olona rehetra. Tia sy maniry ny hitahy ny zanany rehetra ny Raintsika any An-danitra.
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy mitonona ho hany manana ny hatsarana sy ny fahamarinana. Tsy tambo isaina ireo olona manerana izao tontolo izao izay fakan-tahaka amin’ny fahitsiana sy ny hatsaram-panahy. Ary samy ahitana fitsipika marina sy mahasoa avokoa ireo fivavahana sy rafitra etika samihafa misy manerana izao tontolo izao. Isika tsirairay dia samy manana zo hino sy hitsaoka araka izay hitarian’ny feon’ny fieritreretantsika antsika (jereo ny Fanekem-pinoana 1:11).
Etsy ankilan’izany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana andraikitra manokana avy amin’ Andriamanitra hanolotra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao. Ny Tompo mihitsy no nanambara izany ho “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30). Ny hafatry ny filazantsara izay zaraintsika dia ahitana fahamarinana sarobidy maro naverina tamin’ny laoniny izay tsy hita na aiza na aiza momba an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy. Ny Fiangonana dia manana ihany koa ny fahefan’ny fisoronana avy amin’ Andriamanitra hanatanterahana ireo ôrdônansy izay ahafahantsika miditra ao anatina fifandraisana miendrika fanekempihavanana Aminy.
Mino ireo Olomasin’ny Andro Farany ary mijoro ho vavolombelona fa ny fiainana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia mitondra fifaliana maharitra, sy manasitrana ny vokatry ny fahotana, ary manomana ireo zanak’ Andriamanitra hiverina hiaina eo anatrehany indray.
Manao ahoana ny fomba fijerin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany an’ireo fombafomba ara-pivavahana hafa?
Mino isika fa manentana ny fanahin’ny olona tsara avy amin’ny fivavahana sy ny finoana rehetra Andriamanitra. Tamin’ny taona 1978 dia nanambara ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana hoe: “Ireo olomanga mpitondra fivavahana nanerana an’izao tontolo izao tahaka an’i Mahomet, sy Confucius, ary ireo Mpitondra fanavaozana ara-pivavahana, ary koa ireo filôzôfa tahaka an’i Socrate sy i Platon ary ireo hafa dia samy nandray ampahany amin’ny fahazavan’ Andriamanitra. Nomen’ Andriamanitra fahamarinana ara-môraly izy ireo mba hanazavana ny firenena iray manontolo sy hitondrana fahatakarana avo lenta kokoa ho an’ny olona tsirairay.” Miara-miasa amin’ny ireo olon’ny finoana sy tsara sitrapo manerana izao tontolo izao izahay mba hanamafisana orina ny fiarahamonina, hikarakarana ireo sahirana, ary hanaovana ny asan’ Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.
Ireo Olomasin’ny Andro Farany dia manome lanja izay mety ho “zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana” any amin’ireo fiangonana hafa sy fombafomba ara-pivavahana hafa eto amin’izao tontolo izao. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Miteny amim-pitiavana izahay hoe: Ento izay rehetra tsara sy marina noraisinareo na inona na inona loharana nahazoana azy, ka tongava dia ho hitantsika raha toa ka misy azontsika hanampiana izany.”
Midika inona izany hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “hany fiangonana marina sy velona?”
Ny Fiangonana dia tarihin’i Jesoa Kristy, izay manambara ny sitrapony amin’izao androntsika izao amin’ireo mpaminany velona sy ireo mpitarika nentanim-panahy hafa. Ny fanambarana mitohy avy amin’ny Mpamonjy dia ahafahan’ny Fiangonana hifanaraka amin’ny lanitra ary koa hitombo sy hivoatra—mba ho fiangonana sady marina no velona. Mitombo sy miova avokoa ny zavatra velona rehetra. Araka ny voalazan’ny Filoha Russell M. Nelson: “Vavolombelon’ireo dingan’ ny famerenana amin’ny laoniny isika. Raha mihevitra ianareo fa efa voaverina amin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonana, dia vao ny fiantombohany ihany no hitanareo. Mbola betsaka tokoa no ho avy.”
Ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny hita ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia manome fahalalana sy fahamarinana izay tsy hita na aiza na aiza. Manome fahafahana ny tsirairay izany hahazo ny hery manamasin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny famonjena ary ny fisandratan’ny fianakaviamben’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 ny Tompo dia nanambara fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo, izay ankasitrahako, Izaho Tompo, raha miteny amin’ny fiangonana manontolo fa tsy amin’ny mpikambana tsirairay.”
Mila hoe mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ve ianao vao ho voavonjy?
Amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mino isika fa nanomana lalana ho an’ny zanany rehetra Andriamanitra hahafahany mahazo famonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Zanany. Ho voavonjy amin’ny fahafatesana avokoa ny rehetra amin’ny alalan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ny fahitana iray feno voninahitra naseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith dia mampianatra lalindalina kokoa fa saika ireo zanak’ Andriamanitra rehetra no handova fanjakam-boninahitra iray aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Ireo fampianarana ireo dia manamafy ny hery lehiben’ilay Andriamanitsika feno fitiavana entina mamonjy sy ny faniriany lalina hanao izany. Izay rehetra ananan’ Andriamanitra no atolony antsika. Saingy isika no tsy maintsy misafidy ny hanaiky ireo fitahiana ireo. Mba hahazoana ny fisandratana, ilay fahafenoan’ny voninahitra atolotr’ Andriamanitra, dia tsy maintsy manao fanekempihavanana Aminy isika, manaiky an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, miezaka miaina araka ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa, ary mibebaka amim-panetrentena amin’ny fahotantsika rehefa sendra solafaka„“. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana fahefana avy amin’ Andriamanitra hanolorana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay manomana antsika ho amin’ilay ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.
Mazava ho azy fa ny ankamaroan’ireo zanak’ Andriamanitra nandritra ny tantaran’izao tontolo izao dia tsy mbola mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mihitsy hatrizay. Raha ny marina dia tsy mbola nandre momba an’i Jesoa Kristy ny ankamaroan’ireo olona niaina teto an-tany. Kanefa misy olona tsara tsy tambo isaina, amin’ny sokajin-taona, fivavahana, ary kolontsaina eto amin’izao tontolo izao, izay maneho toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Ny olona tsirairay dia hanana fahafahana, eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy, ho ampianarina ny fahafenoan’ny filazantsara sy hanaiky na handà ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ao amin’izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–35, 57–59).
Nahoana ny Fiangonana no tsy manaiky ny batisan’ireo Kristianina hafa?
Fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny taona 1830 dia nanontany tena ireo olona azo aroso ho mpikambana izay efa vita batisa teo aloha raha toa ka ilaina atao batisa indray ao amin’ny Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny izy ireo. Ho valin’izany dia nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith fa nilaina ny natao batisa tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izay naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny. Ny Fiangonana dia manaja ny fikasana marina ananan’ireo Kristianina hafa tamin’ny batisan’izy ireo teo aloha, fa manaraka io fampianarana io ihany koa anefa isika ankehitriny.
Moa ve Andriamanitra manana “vahoaka voafidy?”
Samy zanak’ Andriamanitra tiany isika tsirairay. Mampianatra ny soratra masina fa manao fanekempihavanana amin’ireo zanany Andriamanitra mba hanasana azy ireo ho amina fifandraisana mamatotra mandrakizay Aminy. Mianatra isika ao amin’ny Baiboly fa Andriamanitra dia nanorina ny fanekempihavanany tamin’i Abrahama, izay nanambara fa hotahiana amin’ny alalan’ny fianakavian’i Abrahama izao tontolo izao (jereo ny Genesisy 17:1–7; 22:17–18). Nohavaozina tamin’ny zanak’ Isiraely izay taranak’i Abrahama io fanekempihavanana io (jereo ny Genesisy 28:10–15). Na dia nahatakatra io fanekempihavanana io aza ny olona tamin’ny fotoana samihafa fa voafaritra mazava tsara ho ana foko manokana izany dia nanambara tamin’ireo Apôstôliny ny Tompo fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”
Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia fanavaozana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Na iza na iza misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahefana marina dia anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany. Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia … ho isan’ny taranakao.” Vokatry ny fisafidianana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy dia lasa “taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, olona [notehirizin’] Andriamanitra ho an’ny tenany” izy ireo.
Inona avy ireo fomba fijerin’ny Fiangonana momba ny fahalalahana ara-pivavahana?
Ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra dia miankina amin’ny fahafahantsika misafidy ho an’ny tenantsika, ka mahatonga ny fahalalahana ara-pivavahana ho fitsipika ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Nanome lanja ny fahalalahana ara-pivavahana ny Olomasin’ny Andro farany hatrany am-piandohan’ny Fiangonana. Niharan’ny fanenjehana sy herisetra i Joseph Smith, izay nampianatra azy hijoro ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana, tsy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany fotsiny ihany fa ho an’ny olon-drehetra mihitsy. Nitaona ireo Olomasina izy mba “[hanaisotra]” ao amintsika izay mety ho toe-panahy manambany sy tsy mahay mandefitra amin’ny fahatsapana ananan’ny olona iray momba ny finoana.” Nampianatra izy fa “ny zo tsy azo esorina amin’ny olona hieritreritra arak’izay tiany [sy] mitsaoka araka izay sitrany” no “lalàna voalohany mahakasika ny zavatra rehetra izay masina.”
Manamafy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny ny maha-zava-dehibe ny famelana ny olona rehetra “hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.” Rehefa niresaka tamin’ny olon’ny finoana rehetra ny Filoha Dallin H. Oaks dia nanentana izy hoe: “Miaraka amin’ilay fitiavana sy fifanajana izay nampianarin’ireo didin’ Andriamanitra, dia ilaintsika ny mitady fomba hianarana avy amin’ny tsirairay sy hanamafisana ireo fanoloran-tena iombonana izay mampiray antsika sy mivoy ny fiarahamonina milamina anjakan’ny fahasamihafana. Tokony miara-miantsoroka isika eo amin’ny lalan’ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny rehetra, no sady manohy mampihatra izany fahafahana izany mba hanarahana ny zavatra inoantsika mampiavaka antsika.”