Tahirim-pitaovana
Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara


“Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
I Kristy manendry an’ireo Apôstôly Roambinifolo

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara

Ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao

Fotoana fohy taorin’ny batisany dia nanomboka ny asa fanompoany i Jesoa Kristy ka nampianatra ny vahoaka ny fomba hiainana araka ny drafitry ny Ray any An-danitra. Nampianatra i Jesoa fa misy didy lehibe anankiroa: voalohany, dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra. Ary faharoa dia ny mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Matio 22:36–40). Ny hafany dia ny manasa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra hanatona Azy, hino sy hiaina ireo fahamarinan’ny filazantsarany ary ho voavonjy.

Niantso Apôstôly i Jesoa ary nanome azy ireo fahefana hisolo tena Azy sy hanampy amin’ny asany. Nanangana ny Fiangonany Izy ary nantitranteriny ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara: finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina (jereo ny Matio 9:13; 16:15–19; 17:19–20; Jaona 3:5).

Rehefa ela ela taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Tompo dia maro ireo fahamarinan’ny filazantsara manan-danja izay novaina sy very ary torak’izany koa ny firafitra sy ny fahefan’ny Fiangonana tany am-piandohana (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:29–30). Saingy ho fahatanterahan’ny faminaniana dia naverin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany tamin’ny laoniny na natsangan’izy ireo indray ny Fiangonana sy ny fahafenoan’ny filazantsara. Nanomboka tamin’ny 1820 tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith io famerenana amin’ny laoniny io. Mitohy izany ankehitriny amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izay omena ireo mpaminany maoderina.

Inona no atao hoe Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?

Ny “Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara” dia ilazana ny namerenan’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny fahefan’ny fisoronana ary ny rafitry ny Fiangonany teto ambonin’ny tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ary taty aoriana ireo mpaminany. Mampiavaka ny Famerenana amin’ny laoniny ny fisian’ireo andiana fanambarana avy amin’ny Andriamanitra izay nanomboka tamin’ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith ary mitohy ankehitriny amin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina.

Topimaso momba ny lohahevitra Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Joseph Smith, Mpaminany, Fahitana Voalohany, Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana, Bokin’i Môrmôna, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Fizarana 1

Izao tontolo izao dia nomanina ho amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara

Sary
Fahitana Voalohany

Taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôlin’i Kristy dia maro ireo lafiny manan-danja tamin’ny filazantsaran’i Jesoa izay tsy azon’ny olona, nanjavona na novana. Raha tsy nisy ireo mpaminany velona sy ny fahefana nomen’i Jesoa Kristy tany am-piandohana dia nitsahatra tsy nisy intsony ny Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy. Nandritra io fotoana io, izay antsoina indraindray hoe Apôstazia Lehibe, dia maro ireo olona izay nikatsaka fahatakarana marina momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Maro ireo trangan-javatra izay nanampy tamin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Tompo sy ny Fiangonany. Ohatra, nahafoy zavatra maro ireo olona manan-danja, nanaraka mbamin’ny ain’izy ireo, mba handikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny Anglisy sy hanombohana ny fanapariahana izany teo anivon’ireo olon-kafa. Ny fisian’ireo soratra masina dia nanamora ny fianaran’ny olona misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Nisy ireo mpitondra fanavaozana izay nihiaka nanohitra ireo fifanoherana hitan’izy ireo teo amin’ny fiangonana tamin’ny zavatra ampianarin’ny soratra masina. Maro ireo Eorôpeana izay nikatsaka hitady fahafahana ara-pivavahana ka nanorim-ponenena tany Amerika Avaratra. Olona tsy tambo isaina no nikatsaka fahatakarana mazava kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahitana fiadanana eto amin’ity fiainana ity.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Maro tamin’ireo lafiny manan-danja tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no very taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôly. Io vanim-potoan’ny fihemorana tamin’ny filazantsara marina io dia antsoina indraindray hoe Apôstazia Lehibe. Vakio ny Isaia 24:4–5; Matio 24:9–12; Jaona 16:1–3; 2 Tesaloniana 2:1–4; ary 1 Nefia 13:26–29. Inona no lazain’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa hitranga taorian’ny fahalasanan’i Kristy sy ireo Apôstôliny? Inona no fiantraikan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara teo amin’ny fiainanao?

  • Vakio ny fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany hitany izay hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:14–20. Inona no nianaran’i Joseph Smith momba ny toetry ny tontolo ara-pivavahana teo amin’ny manodidina azy? Nahoana no manan-danja ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Asao ireo olona ao anaty vondrona mba hamariparitra ny fahatsapan’ny olona iray rehefa noana. Inona no fiantraikan’ny hanoanana eo amin’ny toe-tsaintsika? Ny laharam-pahamehantsika? Ny faniriantsika? Aorian’io fifanakalozan-kevitra io dia vakio miaraka ny Amosa 8:11–12. Nahoana araka ny eritreritrao i Amosa mpaminany no nisafidy an’io sarin-teny io mba hamariparitana izao tontolo izao nandritra ny Apôstazia Lehibe? Inona no mampitovy ny fahaverezan’ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny “mosary amin’ny tany”? Inona no ho fiantraikany eo amin’ny fiainantsika raha toa ka noana ireo fahamarinana ara-panahy tahaka ny maha noana sakafo antsika isika?

  • Tao amin’ny lahateniny hoe “Préparations pour le Rétablissement et la Seconde Venue: -Ma main sera sur toi-,” ny Loholona Robert D. Hales dia nanasongadina trangan-javatra maro manokana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izay nanomana izao tontolo izao ho amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Miaraha mihaino na mamaky ity lahateny ity ary avy eo dia asao ireo olona anaty vondrona mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nampiharihary ny tanan’ny Tompo tao anatin’ireo tranga-javatra ireo izay nitondra tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manokatra ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana

Sary
Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka

Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nitondra fahatakarana vaovao teo amin’izao tontolo izao. Tamin’ny lohataonan’ny taona 1820 no niandohan’izany raha nivavaka tao amin’ny ala kely iray teo akaikin’ny tranony tao Palmyra i Joseph Smith. Niahiahy ny amin’ ny toerany ara-panahy teo imason’ Andriamanitra izy ka naniry ny hahafantatra hoe iza no Fiangonana marina. Ho valin’ny vavaka nataony dia niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka namerina fahamarinana amin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith Andriamanitra. Io fitosahana fahamarinana io dia nitondra soratra masina, fahefan’ny fisoronana, rafitry ny Fiangonana, fotopampianarana ary ôrdônansy tena ilaina amin’ny famonjena ary amin’ny fisandratana. Io dingan’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara teto an-tany io dia nitondra ilay antsoin’ny soratra masina hoe “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” (Efesiana 1:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:30). Ny fotoampitantanana dia fotoana anankiray izay ametrahan’ny Tompo mpaminany iray sy ny filazantsarany eto an-tany. Mandritra ity fotoampitantanan’ny filazantsara farany ity dia homanina ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izao tontolo izao.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Miaina ao anatin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana isika—vanim-potoana izay tsy mitovy amin’ny vanim-potoana hafa mihitsy. Fantatsika fa tsy hiafara amin’ny apôstazia ity fotoampitantanana ity kanefa tsy midika izany fa tsy hiatrika fanamby goavana isika. Halalino ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland “Cette dispensation, la plus grande de toutes.” Inona avy ireo fanamby izay tsipihan’ny Loholona Holland ao anatin’io hafatra io? Inona no ianaranao avy amin’ny hafany momba ny fihetsika azonao safidiana rehefa miatrika ireo fanamby ireo?

  • Ampahany mampietanentana amin’ny fiainana anatin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana ny maha mpandray anjara antsika ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy ny filazantsara. Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19–21; Efesiana 1:3, 10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:13; 112:30; 128:18. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra hitranga mandritra ity fotoampitantanana ity? Ahoana no ahafahanao mitondra ny anjara birikinao amin’ity asa lehibe ity?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny fikatsahana sy ny finoana ny fanambarana mitohy dia afaka ny hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainanao. Ao amin’ilay “Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa: “Roanjato taona izay no lasana hatramin’ny nampanombohan’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka Malalany, Jesoa Kristy, an’ity Famerenana amin’ny laoniny ity. … Ambaranay amim-piravoravoana fa mandroso amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy ilay Famerenana amin’ny laoniny nampanantenaina.” Asao ireo olona anaty vondrona mba hizara ireo fanambarana maoderina na fampianarana nentanim-panahy izay nisy fiantraikany manan-danja teo amin’izy ireo. Inona no ianaranao avy amin’ireo zavatra niainan’ireo olona anaty vondrona mikasika ny fanambarana maoderina?

  • Ny foto-kevitry ny fotoampitantanana dia mety ho saro-takarina. Jereo miaraka ilay horonan-tsary hoe “Dispensations: The Pattern of Apostasy and Restoration” (6:52) ka hajanony rehefa ilaina mba hifametrahanareo fanontaniana sy hahitana valiny. Amin’ny fomba ahoana no hanamafisan’ny fahatakarana ny lamin’ny fotoampitantanana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao androntska izao? Inona no tsapanao momba ny fiainanao ao anatin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Mitohy amin’ny alalan’ny Mpaminany sy ny Apôstôly maoderina ny Famerenana amin’ny laoniny

Ankehitriny, efa mihoatra ny 200 taona taorian’ny nisehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith, dia mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny. Mikatsaka sy mandray fanambarana mba hitarihana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo mpaminany velona sy Apôstôly. Manomana ny Fiangonany sy ny vahoakany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ny Tompo. Mitohy mikodiadia amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy sy ny fitarihana nentanim-panahin’ireo mpanompon’ny Tompo ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Fanekem-pinoana 1:9).

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny 2018 hoe: “Manatri-maso ny fivoaran’ny famerenana amin’ny laoniny isika. Raha mihevitra ianareo fa efa naverina tamin’ny laoniny tanteraka ny Fiangonana dia tsy izay satria mbola ny fiantombohany ihany no hitanareo. Mbola betsaka tokoa no ho avy. … Miandrasa mandra-pahatonga ny taona ho avy. Ary avy eo ny taona manaraka aorian’izay. Mihinàna otrikaina. Matoria tsara. Fa mampientanentana izy ity.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nandritra ny lahateny nataony tamin’ny 2014 hoe “Sondrian-tory Ve Ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny Laoniny? ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nilaza momba ireo fakam-panahy telo izay mety hanakana antsika tsy handray anjara amim-pahavitrihana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy an’ny filazantsara. Halalino io lahateny io ary mifantoha amin’ireo vato misakana izay lazainy fa manakana antsika tsy hahatratra ny maha-izy izay tokony hahatongavantsika. Iza amin’ireo no ho ezahinao horesena? Manaova drafitra mba hanaovanao izany.

  • Ny sasany tamin’ireo olona maro nanatri-maso an’ireo trangan-javatry ny Famerenana amin’ny laoniny no nentanim-panahy hanoratra momba izany. Misafidiana hira iray ao amin’ny pejin’ny lohahevitra “Rétablissement de l’Évangile” ao amin’ny Cantiques ka vakio ny tonon’izany. Inona no ampianarin’ny tonon’izany anao momba ny lanjan’ny Famerenana amin’ny laoniny? Inona no tsapanao avy amin’ireo teny ireo? Inona no tsapanao fa tokony hataonao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nanditra ny lahateny nataony mitondra ny lohateny hoe “Fahatanterahan’ny faminaniana ny Loholona Ronald A. Rasband dia nitanisa faminaniana fahiny sy maoderina maromaro izay tanteraka ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Halalino miaraka io lahateny io ary asao avy eo ny olona anaty vondrona hizara ireo faminaniana efa tanteraka izay manan-danja indrindra amin’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanovan’ity fanazarana ity ny fomba fijerinao momba ny Famerenana amin’ny laoniny? Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny lanjan’ny fiainana amin’izao vanim-potoana izay nandrandraina hatry ny ela izao ianao?

  • Ao amin’ilay lahatsoratra hoe The Ongoing Restoration,” ny Loholona LeGrand R. Curtis Jr. izay Mpahaitantaran’ny Fiangonana ary Mpanao firaketana dia nitanisa fomba telo izay ahafahantsika mandray anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy:

    • Manao sy mitandrina fanekempihavanana masina

    • Manatanteraka ireo antso sy asa nanendrena antsika

    • Manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely

    Iaraho mamaky ao anatin’ny vondrona ny zavatra nampianarin’ny Loholona Curtis momba ireo anjara biriky tsirairay ireo. Iza amin’ireo no tsapanao fa tokony handraisanao anjara amin’izao fotoana izao? Ahoana no hanaovanao izany? Zarao amin’ilay vondrona ny hevitrao ary tadiavo ireo fomba izay ahafahanareo mifanampy amin’ny fanatratrarana ny tanjonareo.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara

Hamoaka printy