Tahirim-pitaovana
Abrahama, Bokin’i


“Ny niandohan’ny Bokin’i Abrahama,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Tahadika lah. 1

Fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny Filazantsara

Ny niandohan’ny Bokin’i Abrahama

Afaka mampanakaiky antsika kokoa an’i Jesoa Kristy ny fikatsahana ny valin’ireo fanontaniantsika raha toa ka mampihatra fitsipika azo antoka isika. Zava-dehibe ny mandalina loharanom-pitaovana azo hianteherana rehefa mikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana mifandray amin’ny filazantsara. Jereo ny lohahevitra “Mitady loharanom-pahalalana azo hianteherana” raha hikaroka torohevitra misimisy kokoa mikasika ny fahazoana valim-panontaniana.

Topimaso

Ny bokin’i Abrahama dia boky soratra masina nentanim-panahy izay nomena ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana. Manaraka ny rakitsoratra momba ilay patriarika fahiny ao amin’ny baiboly izany amin’ny lafiny sasantsasany, ary manampy fampahalalana manan-danja momba ny fiainany sy ny fampianarany. Ahitana fahamarinana lalina momba ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisany amintsika amin’ny maha Zanany antsika ary ny tanjon’ity fiainana ity izany.

Ity bokin-tsoratra masina ity dia nambara tamin’i Joseph Smith nanomboka tamin’ny 1835 tamin’ny fotoana iray izay nandalinany ny sasantsasany tamin’ireo papirosy Egyptiana fahiny izay novidian’ny Olomasina. Maro ny olona nahita ireo papirosy, saingy tsy nisy rakitsoratra nataona vavolombelona nanatri-maso ny fomba nandikana izany. Ampahany vitsivitsy ihany tamin’ireo horonan-taratasy papirosy lava dia lava teo am-pelatanan’i Joseph tamin’izany no misy ankehitriny. Tsy tena fantatra ny fifandraisana misy eo amin’ireo rakitsoratra Egyptiana ao amin’ireo papiriosy ireo sy ny lahatsoratra ara-tsoratra masina izay ananantsika ankehitriny.

Mety avy tamin’ny ampahany tamin’ireo papirosy izay tsy hita intsony ankehitriny no nandikan’i Joseph Smith ny bokin’i Abrahama, na koa ny fandalinany ny papirosy no mety ho toy ny fitaovana nitarika tamin’ny fandraisana fanambarana momba an’i Abrahama. Na izany na tsy izany, dia tsy tamin’ny fomba mahazatra no nandikan’i Joseph ilay boky. Raha niresaka momba ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo dia nilaza hoe: “Tsy afaka manoratra izay masina ianao raha tsy omena anao avy Amiko izany.” Izany fitsipika izany ihany koa no mihatra amin’ny bokin’i Abrahama.

Tsy ny adihevitra ataon’ireo avara-pianarana no mamaritra ny fahamarinana sy ny lanjan’ny bokin’i Abrahama. Miankina amin’ireo fahamarinana mandrakizay ampianariny sy ny fanahy mahery vaika ampitainy ny sata maha soratra masina an’ilay boky. Afaka mandalina ny fampianarana ao anatiny isika sy mivavaka mba hahazoana fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina fa avy amin’ Andriamanitra ny hafatra entin’izany.

Torolalana fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany:

Ny valin’ireo fanontanianao

Ahoana no fomba nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Abrahama?

Tsy nazavain’ny Mpaminany Joseph Smith ny fomba nandikany ny bokin’i Abrahama. Fantatsika fa nandalina tsara ireo horonan-taratasy papirosy Egyptiana izay azon’ny Fiangonana izy sy ny hafa, saingy tsy nahay Egyptiana fahiny izy ary tsy afaka nampiasa ireo fitaovana izay afaka nanampy azy handika ilay asa-soratra amin’ny fomba mahazatra. Ireo mpiara-dia tamin’i Joseph dia nitantara tsotra fotsiny fa nambaran’ Andriamanitra ilay dikanteny. Araka ny nolazain’i John Whitmer hoe: “Nahita ireo rakitsoratra ireo i Joseph ilay Mpahita ary tamin’ny alalan’ny fanambaran’i Jesoa Kristy no nahafahany nandika ireo rakitsoratra ireo.” Ireo loharanom-pitaovana dia milaza fa mety nampiasa vaton’ny mpahita izy raha nanonona ny lahatsoratry ny bokin’i Abrahama.

Ny ankamaroan’ireo papirosy izay teny am-pelatananan’i Joseph dia very ankehitriny, saingy voatahiry kosa ny sombiny sasany tamin’izany. Izany dia ahitana sombiny roa amin’ny Bokin’ny Fisefoana ho an’i Horos; sombiny efatra sy sisa maromaro amin’ny Bokin’ny Maty ho an’i Semminis; ary sombiny iray amin’ny Bokin’ny Maty ho an’i Nefer-ir-nebu. Na ireo manampahaizana Olomasin’ny Andro Farany na tsy Olomasin’ny Andro Farany momba ny Egypta dia samy manaiky fa ireo endri-tsoratra ao amin’ireo singa ireo dia tsy mifanaraka amin’ny dikanteny nomena ao amin’ny bokin’i Abrahama.

Mino ny Olomasin’ny Andro Farany sasany fa ny lahatsoratry ny bokin’i Abrahama dia hita ao amin’ny papirosy izay efa tsy hita intsony ankehitriny. Ny hafa dia nanatsoaka hevitra fa ny fandalinan’i Joseph ny papirosy dia nitaona fanambarana iray momba ireo zava-nitranga sy fampianarana manan-danja teo amin’ny fiainan’i Abrahama, tahaka ny nahazoany fanambarana momba ny fiainan’i Mosesy teo aloha rehefa nandalina ny Baiboly. Araka io fomba fijery io, ny papirosy dia niasa ho toy ny fitaovana nipoiran’ny fanambarana momba an’i Abrahama.

Tsy manonona hevitra ijoroana mikasika ireo teôria ireo ny Fiangonana. Manamafy fotsiny ny Fiangonana fa notanterahina tamin’ny alalan’ny fanambarana ilay dikanteny. Tahaka ny Bokin’i Môrmôna, ny bokin’i Abrahama dia navoaka tamin’ny alalan’ny “fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”.

Inona no ifandraisan’ny Bokin’i Abrahama sy ireo asa soratra amin’ny fiteny Egyptiana?

Nanomboka tamin’ny jolay 1835 ka hatramin’ny nôvambra 1835 dia namorona antontan-taratasy maromaro mifandray amin’ireo endri-tsoratra tao amin’ny papirosy Egyptiana i Joseph Smith sy ireo mpitantsorany. Izany dia ahitana ireo zavatra izay fantatra amin’ny hoe “Antontan-taratasy abidia Egyptiana” sy ny “Fitsipi-panoratana sy abidia amin’ny fiteny Egyptiana”. Ireo antontan-taratasy ireo dia toa tafiditra ao anatin’ny fikarohana nataon’i Joseph sy ireo hafa mba hahatakarana ireo fiteny sy hevitra fahiny mba hahafahan’izy ireo mifandray amin’ny fahiny masina iray. Nadikan’i Joseph Smith sy ny mpitantsorany tao anatin’ireo antontan-taratasy ireo ny endri-tsoratra avy tao amin’ireo papirosy sy ireo sy loharanom-pitaovana hafa ary izy ireo dia nanolotra fanazavana marososona (antsoina hoe “ambaratonga”) ho an’ny endri-tsoratra tsirairay. Amin’ny ankapobeny ireo fanazavana ireo dia tsy mifanaraka amin’ny fandikan’ireo avara-pianarana.

I Joseph Smith sy ireo olona niara-niaina taminy dia tsy nanazava ny fomba ifandraisan’ireo antontan-taratasy ireo amin’ny bokin’i Abrahama. Ny avara-pianarana sasany dia mino fa fikasana hianatra fiteny Egyptiana izy ireo tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo ampahany efa nambara tao amin’ny lahatsoratry ny bokin’i Abrahama. Ny sasany dia manao tsoan-kevitra fa i Joseph sy ireo mpiara-miasa taminy dia namorona ireo antontan-taratasy amin’ny fiteny Egyptiana ho ampahany amin’ny dingana nandraisan’i Joseph fanambarana, tamin’ny alalan’ny “[fandinihana izany ao an-tsai[ny]” aloha. Ny hafa kosa dia mino fa tsy misy marina na iza na iza amin’ireo petra-kevitra ireo.

Moa ve mampiasa ny fiteny ampiasaina ao amin’ny Baiboly King James ny bokin’i Abrahama?

Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiteny Anglisy ny Dikan-teny King James an’ny Baiboly. Nahafantatra tsara izany ny olona tamin’ny andron’i Joseph Smith. Ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana matetika dia ahitana andian-teny hita ao amin’ny Dikan-teny King James. Torak’izany koa ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna sy ny bokin’i Mosesy, ary ny bokin’i Abrahama. Tsy mahagaga loatra raha miseho ao amin’ireo soratra masina ireo ny fiteny ao amin’ny dikan-teny KJV na ireo teny sy andian-teny avy amina loharano hafa aza, izay fantatr’i Joseph Smith. Nanazava ny Tompo fa manome fanambarana ho an’ireo mpanompony Izy “araka ny fomba fiteniny mba hahatongavany amin’ny fahatakarana”. Ny fitenin’i Joseph dia voataonan’ny kolontsaina niainany ary indrindra ny fahazarany mampiasa ny Dikan-teny King James.

Andinin-tsoratra masina maro ao amin’ny fitantaran’i Abrahama no mifanandrify amin’ny bokin’ny Genesisy. Na dia ahitana andian-teny avy ao amin’ilay tantara efa mahazatra ao amin’ny Baiboly aza ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo dia ahitana koa fahasamihafana manan-danja izay afaka mampivoatra ny fahatakarantsika azy ireo.

Inona no fantatsika momba ny fanazavan’i Joseph Smith an’ireo tahadika ao amin’ny bokin’i Abrahama?

Ny bokin’i Abrahama dia ahitana sary telo vita printy, antsoina hoe tahadika, izay mifototra amin’ny sary avy ao amin’ny papirosy. Ireo tahadika ireo dia nampidirina rehefa navoaka voalohany ny bokin’i Abrahama tamin’ny taona 1842. Navoaka niaraka tamin’ireo tahadika ireo ny fanazavan’i Joseph Smith momba ireo sary ireo. Ireo sary ireo dia voaresaka ao amin’ny lahatsoratry ny bokin’i Abrahama. Ohatra, ny Abrahama 1:12 dia miresaka momba ny “fanehoana ny fiandohan’ity rakitsoratra ity” izay midika hoe Tahadika 1.

Ny ankamaroan’ireo fanazavana navoakan’i Joseph niaraka tamin’ireo tahadika dia tsy mifanaraka amin’ny hevitr’ireo manampahaizana maoderina momba i Egypta. Na izany aza dia nahatsikaritra zavatra mitovitovy ireo avara-pianarana. Ohatra, i Joseph Smith dia nanoritsoritra ireo sary efatra ao amin’ny sary 6 ao amin’ny Tahadika 2 hoe: “maneho ny vazan-tany efatr’ity tany ity”. Misy avara-pianarana hafa nandika tahaka izany koa sary mitovitovy amin’izany ao amina lahatsoratra Egyptiana fahiny hafa. Ny Tahadika 1 dia ahitana andriamanitra voay milomano ao amin’ny zavatra izay nantsoin’i Joseph Smith hoe “habakabaka eo ambony lohantsika”. Hitan’ireo avara-pianarana tahaka izany koa ny fandraisan’ny Egytiana ny lanitra ho toy ny “ranomasim-be any an-danitra”.

Tsy fantatsika ny ifandraisan’ireo tahadika ireo amin’ilay lahatsoratra. Voaporofo fa nisy mpanoratra Jiosy sasantsasany, nandritra ny vanim-potoana namoronana ireo papirosy, izay nanamboamboatra sy nampiditra sary sy tantara Egyptiana tao anatin’ireo lahatsoratra masina nosoratan’izy ireo, anisan’izany ireo izay mifandray amin’i Abrahama. Azo heverina fa ireo sary ireo dia nampiasaina ho an’ny tanjona hafa araka izany fomba izany koa.

Moa ve nangarahara ny Fiangonana mikasika ny zavatra fantatsika momba ireo papirosy sy ny votoatin’izy ireo?

Eny. Nandritra ny tantarany manontolo ny Fiangonana dia nizara ampahibemaso ny fahalalany momba ireo lahatsoratra Egyptiana izay mifandray amin’ny bokin’i Abrahama. Nanana horonan-taratasy papirosy Egyptiana roa ny Fiangonana sy sombintsombiny amin’ny horonan-taratasy iray fahatelo teo anelanelan’ny 1835 sy 1847. Naseho tsy tapaka tamin’ny besinimaro ireo papirosy nandritra izany vanim-potoana izany. Taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith dia namidin’i Emma Smith sy ny vadiny faharoa tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Abel Combs izy ireny, ka io no nanatsinjara izany ho angom-piraketana roa farafahakeliny ary nivarotra izany tamina ankolafy maro hafa. Maro tamin’izy ireny no very. Rehefa azon’ny Fiangonana ireo sombina papirosy sisa tavela avy tany amin’ny Tranombakoka Metropolitan momba ny Zavakanto tao New York tamin’ny 1967, dia namoaka filazana ny Fiangonana momba ny fahazoana izany sy ny sarin’ireo sombiny tamin’izany tao amin’ny Deseret News sy tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany, dia ny Improvement Era. Ireo lahatsoratra ireo dia niresaka momba ny fiavian’ireo sombina papirosy sy ny ifandraisan’izany tamin’ny zavatra izay nofaritana tamin’izany hoe Boky Egyptiana fikarakarana ny Maty.

Nanomboka teo dia nomen’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fahafahana ireo avara-pianarana sasany hampiasa mivantana ireo sombina papirosy, ary ireo avara-pianarana na Olomasin’ny Andro Farany na tsy Olomasin’ny Andro Farany dia samy namoaka dikan-teny sy famakafakana momba izany. Ampahany kely monja tamin’ireo horonan-taratasy papirosy roa sy sombina papirosy samihafa teo am-pelatanan’i Joseph Smith no fantatra fa mbola voatahiry. Namoaka sary sy famakafakana vaovao mikasika ireo sombina papirosy rehetra ireo ny Joseph Smith Papers tamin’ny taona 2018.

Firy amin’ireo sombina papirosy ireo no tsy hita intsony ankehitriny?

Amin’ny ankapobeny ireo avara-pianarana dia manaiky fa ireo papirosy misy amin’izao fotoana izao dia tsy maneho afa-tsy ampahany amin’ireo horonan-taratasy roa tany am-boalohany sy sombitsombiny hafa izay azon’i Joseph Smith sy ny Fiangonana tany am-boalohany. Nampiasa fomba samihafa ireo mpikaroka hanombatombanana ny halavan’ireo horonan-taratasy tany am-boalohany. Ny tombantombana nataon’izy ireo mikasika ireo izay ananantsika ankehitriny dia eo anelanelan’ny 2,5 isan-jato monja ka hatramin’ny 30 na 45 isan-jato amin’ireo papirosy teo am-pelatanan’i Joseph.

Nahoana ny bokin’i Abrahama no manambara fa nosoratan’ny tanan’i Abrahama mihitsy izany??

Rehefa navoaka voalohany tamin’ny taona 1842 ny bokin’i Abrahama dia nanomboka tamin’ny fanazavana izay mivaky toy izao: “Fandikana ireo Rakitsoratra tranainy sasantsasany izay tonga teo an-tananay, avy tany amin’ireo zohim-pasan’i Egypta, mitonon-tena ho soratanan’i Abrahama, fony izy tany Egypta, nantsoina hoe ny Bokin’i Abrahama, nosoratan’ny tanany ihany, tamina papirosy.” Nisy teny fampidirana ahitana teny mitovitovy firafitra amin’izany ny dikan-teny soratanana voalohany an’ny bokin’i Abrahama. Ny teny fampidirana araka izay misy ankehitriny dia mety efa novolavolaina tamin’ny fotoana namoahana ny bokin’i Abrahama tamin’ny taona 1842. Teny fampidirana mitovitovy amin’izany koa no nampiarahana tamin’ny famoahana ireo lahatsoratra fanambarana vitsivitsy hafa noraisin’i Joseph Smith.

Nampiseho ny fanadihadiana fa ireo papirosy dia nosoratana teo anelanelan’ny taonjato fahatelo sy faharoa talohan’i Jesoa Kristy, fotoana elabe taorian’ny niainan’i Abrahama. Tsy mandiso ny votoatin’ny bokin’i Abrahama io famaritana fotoana io. Lahatsoratra maro fahiny izay misy ankehitriny no natao tahadika avy tamina tahadika. Torak’izany koa, ny bokin’i Abrahama dia mety ho naverina nadika im-betsaka tanatin’ny taon-jato maro saingy mbola mitonona fa i Abrahama no mpanoratra izany.

Moa ve ny bokin’i Abrahama mifanaraka amin’ny zavatra fantatsika momba ny Proche Orient fahiny?

Ny bokin’i Abrahama dia mirakitra antsipiriany izay tsy hita ao amin’ny Baiboly saingy mifanaraka amin’ny literatiora an’izao tontolo izao fahiny. Ohatra, ny anaran’olona sy toerana sasantsasany dia mitovy amin’ireo anarana izay hita ao amin’ireo rakitsoratra fahiny. Ny “lohasahan’i Olisema”, ohatra, dia nampifandraisin’ireo avara-pianarana sasany tamin’ny tanàna iray tany avaratra andrefan’i Syria izay nantsoina hoe Ulisum. Mety tena io tokoa no Olisema raha ny fenitra fampiasa eo amin’ny linguistique no arahina. Torak’izany koa, ny andriamanitra Elkenà dia naroson’ireo avara-pianarana Olomasin’ny Andro Farany ho endrika nafohezina ho an’ilay anaran’ andriamanitra hoe El Koneh Artzu, izay fantatra avy amin’ireo soratra Semita avaratra andrefana isan-karazany ary midika tahatahaka ny hoe “El, Mpahary ny Tany.”

Ny sasany amin’ireo lohahevitra ankapobeny sy ny firafitry ny fitantarana ao amin’ny bokin’i Abrahama dia mifanindran-dalana amin’ireo tantara avy amin’ireo loharanom-pahalalana fahiny hafa amin’ny Baiboly. Tafiditra ao anatin’izany ny rain’i Abrahama, i Terah, izay mpanompo sampy; mosary iray izay namely ny tanàna niavian’i Abrahama; ary anjely iray nanavotra an’i Abrahama izay saika hataon’ny farao Egyptiana iray sorona velona. Ireo lahatsoratra fahiny dia miresaka koa momba an’i Abrahama mampianatra ny Egyptiana mikasika ny lanitra. Ohatra, i Eupolemus, izay niaina teo ambanin’ny fanapahana Egyptiana tamin’ny taonjato faharoa talohan’i J.K., dia nanoratra fa nampianatra astrônômia sy siansa hafa an’ireo mpisorona Egyptiana i Abrahama. Nisy papirosy iray tamin’ny taonjato fahatelo talohan’i J.K. avy ao amin’ny tahirim-bokin’ny tempoly Egyptiana iray izay miresaka momba ny anarana hoe Abrahama amin’ny alalan’ny sary mitovitovy amin’ny Tahadika 1 ao amin’ny bokin’i Abrahama. Ny sasany amin’ireo antsipirian’ny fiainan’i Abrahama ireo dia tsy fantatra tamin’ny ankapobeny tamin’ny andron’i Joseph Smith.

Na dia maharesy lahatra aza ireo ohatra ireo dia maro ihany koa ireo ohatra amin’ny fanazavan’i Joseph Smith an’ireo tahadika izay tsy mifanaraka amin’ny zavatra fantatsika amin’izao fotoana izao momba ny tontolo fahiny. Na dia ekena aza fa betsaka ny zavatra tsy takatsika momba ny fizotran’ny fandikan-teny dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama sy ny lanjany dia tsy azo faritana amin’ny alalana adihevitra ataon’ireo avara-pianarana mikasika ny nandikana ilay boky. Ny famakiana ny bokin’i Abrahama, ny fisaintsainana ny votoatiny, ary ny fivavahana momba ny fampianarana ao anatiny dia afaka manampy anao hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny lanjany mandrakizay.

Ahoana no ahafahako mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny bokin’i Abrahama sy ireo soratra masina hafa izay nambara tamin’i Joseph Smith?

Betsaka ny zavatra tsy fantatsika mikasika ny fomba nanambarana ny bokin’i Abrahama tamin’i Joseph Smith. Saingy amin’ny lafiny maro, ny fanontaniantsika momba ireo dingana dia tsy manan-danja noho ilay fanontaniana hoe nanambara soratra masina vaovao tamin’i Joseph Smith ve Andriamanitra sa tsia. Resaka finoana ilay izy. Ny fomba tsara indrindra handraisana fanamafisana ara-panahy momba io fanontaniana io dia ny mamaky ny bokin’i Abrahama, misaintsaina ireo fahamarinana ambarany, mampihatra ireo fampianarana ao anatin’izany, ary mikatsaka fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina. Afaka manampy antsika hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy ireo dingana ireo. Izany no sedra faratampony hamantarana ny lanjan’ny bokin’i Abrahama.

Hianatra misimisy kokoa

  • Essais sur des sujets de l’Évangile “Traduction et historicité du livre d’Abraham

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:9.

  2. John Whitmer, History, 1831–ca. 1837, 76, ao amin’ny Karen Lynn Davidson, Richard L. Jensen, ary David J. Whittaker, eds., Histories, Volume 2: Asssigned Historical Writings, 1831–1847, vol. 2 of the Histories series of The Joseph Smith Papers, edited by Dean C. Jessee, Ronald K. Esplin, and Richard Lyman Bushman (2012), 86.

  3. Wilford Woodruff, Journal, 19 Feb. 1842, 134, wilfordwoodruffpapers.org; Parley P. Pratt, “Editorial Remarks,” Millennial Star, no. 3 (Jolay 1842), 46–47.

  4. Jereo ny teny fampidirana ho an’ny Mosesy 1.

  5. Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna.

  6. Ireo antontan-taratasy ireo dia navoaka ao amin’ny Robin Scott Jensen sy Brian M. Hauglid, eds., Joseph Smith Papers, Revelations and Translations, Volume 4: Book of Abraham and Related Manuscripts (2018).

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:24.

  9. Introduction to Egyptian Papyri, circa 300–100 BC, The Joseph Smith Papers, josephsmithpapers.org.

  10. Teny fampidirana ny Abrahama 1.

  11. Jensen and Hauglid, eds., Joseph Smith Papers, Revelations and Translations, Volume 4: Book of Abraham and Related Manuscripts, 219.

  12. Abrahama 1:10.

  13. John Gee, “Has Olishem Been Discovered?” Journal of the Book of Mormon and Other Restoration Scriptures, lah. 2 (2013), 104–7.

  14. Jereo ny Abrahama 1:17.

  15. Jereo ny Kerry Muhlestein, “Egyptian Papyri and the Book of Abraham: A Faithful, Egyptological Point of View,” ao amin’ny Robert L. Millet, ed., No Weapon Shall Prosper: New Light on Sensitive Issues (2011), 222–24.

  16. Jereo ny E. Douglas Clark, review of Michael E. Stone, Armenian Apocrypha Relating to Abraham (2012), ao amin’ny BYU Studies Quarterly, 53:2 (2014), 173–79; Tvedtnes, Hauglid, and Gee, Traditions about the Early Life of Abraham; Hugh Nibley, Abraham in Egypt, 2nd ed. (2000), 1–73.

  17. Jereo ny Môrônia 10:5.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63.