Tahirim-pitaovana
Zanak’ Andriamanitra


“Zanak’Andriamanitra,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
Ankizy miaraka amin’ Andriamanitra

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Zanak’ Andriamanitra

Ny toetra mampiavaka ny olona tsirairay eto an-tany

Alaovy sary an-tsaina hoe sambany ianao no mihaona amin’olona iray ary miteny izy hoe: “Lazao ahy ny mombamomba anao.” Inona no mety holazainao? Mazava ho azy fa miankina amin’ny toe-java-misy izany saingy ireo zavatra izay nofidinao hozaraina dia milaza zavatra maro momba ny fomba fijerinao ny tenanao, sy ny fomba tianao hahitan’ny hafa anao.

Misy zavatra iray momba anao izay manan-danja kokoa noho ny hafa rehetra. Ary na dia mety tsy resahinao aza izany rehefa mampahafantatra ny tenanao ianao, izany dia zava-dehibe kokoa amin’ny maha-izy anao noho ny anaranao, ny tanàna niavianao, na ireo tombontsoanao manokana. Dia ilay fahamarinana tsy hay ovaina fa zanak’Andriamanitra ianao. Rainao Izy. Tahaka ny anananao ray aman-dreny eto an-tany izay nandovanao toetra ara-batana, ianao koa dia “fanahy izay zanakalahy na zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany dia manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra [ianao].” Ahoana no ho fiantraikan’izany eo amin’ny fomba fijerinao ny tenanao? Ahoana no mety hanovan’izany ny fomba fijerinao ireo fanamby sy fahafahana eo amin’ny fiainana?

Inona no dikan’ny hoe zanak’ Andriamanitra?

Ny olombelona rehetra dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana. Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ny olona tsirairay, nateraka ara-panahy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia manana hery anaty mandrakizay izy (jereo ny Romana 8:16–17).

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanahy izay zanaka ray aman-dreny any an-danitra

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Andriamanitra Ray, Drafitry ny famonjena, Fiainana talohan’ny nahaterahana

Fizarana 1

Tsy Mpamorona anao fotsiny Andriamanitra; Izy no Rainao

Sary
Fianakaviana mitsikitsiky

Samy manana ny rainy eto an-tany ny tsirairay, ary tsy misy tonga lafatra ireo ray ireo. Na izany aza, na inona na inona zavatra iainantsika miaraka amin’ny ray sy ny maha-ray eto an-tany dia manana Ray any An-danitra ihany koa isika, izay manana ny tokony ananan’ny ray: be fitiavana, manohana, hendry, tsy tia tena, manolo-tena amin’ny fahombiazanao. Ilay Olona faran’izay mahery sy be voninahitra indrindra eo amin’izao tontolo izao dia tia anao amin’ny maha-zanany sarobidy anao. Azony tanteraka ny zava-misy iainanao ary fantany tsara ny zavatra ilainao mba hivoaranao sy hitomboana ary hahitanao fifaliana mandrakizay. Azo antoka fa mihatra Aminy ny anaram-boninahitra toy ny hoe “Ilay Izy Faratampony”, “Mpahary”, ary “Mpanjaka Tsitoha”. Kanefa, ambonin’ny zavatra hafa rehetra, dia tiany ny hahafantarantsika Azy amin’ny hoe “Ray”.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nianatra tao amin’ny fahitana avy any an-danitra i Mosesy fa zanak’ Andriamanitra izy. Vakio ny momba ny zavatra niainany ao amin’ny Mosesy 1:1–11. Mariho ihany koa ny fomba nanampian’io fahalalana io an’i Mosesy rehefa nanandrana naka fanahy azy i Satana ao amin’ireo andininy 12–18. Saintsaino ny fomba mety anampian’ny fahatsiarovana fa zanak’ Andriamanitra anao mandritra ny fotoan’ny fakam-panahy.

  • Ny Loholona Brian K. Taylor dia nitantara momba ny zatovovavy iray izay nilaza hoe: “Ny fahafantarana fa izaho dia zanak’ Andriamanitra no fahalalana mahery indrindra ananako!” Vakio ny momba azy ao amin’ny “Zanaky ny Ray ve aho? mba hahitana ny antony nilazany izany. Nahoana no nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainany ny fahafantarana fa Rainy Andriamanitra? Inona no fiovana azon’izany entina eo amin’ny fiainanao?

  • Efa namorona karazana asa tanana na taozava-kanto ve ianao? Na mety efa namorona zavatra toy ny fandaharam-potoana, teti-bola, na sakafo ianao. Diniho ny maha-samy hafa ny fifandraisanao amin’ilay zavatra noforoninao sy ny fifandraisan’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka iray. Eritrereto izany rehefa misaintsaina ireto soratra masina ireto ianao: Galatiana 4:6–7; 1 Jaona 3:2. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa zanakavavy na zanakalahy ianao—fa tsy zavatra noharian’ Andriamanitra fotsiny?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mba hampianarana momba ny hery anaty ananantsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia diniho ny fomba ahafahanao maneho fa ny ray aman-dreny sy ny zanany dia manana toetra ara-batana itoviany. Azonao atao angamba ny mampiseho sarina ray aman-dreny sy ny zanany ka tadiavo ireo zavatra mampitovy azy ireo. Avy eo dia afaka mamaky soratra masina mikasika ny toetran’ny Ray any An-danitra ianao, toy ireto:

    Inona no porofon’ireo toetra ireo izay hitantsika ao anatintsika tsirairay avy? Ahoana no ahafahantsika mampivelatra azy ireo kokoa sy ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Raiso amin’ny maha zanak’ Andriamanitra azy ireo ny olona rehetra.

Sary
Vehivavy miresaka

Mahazatra ny mandre ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mifampiantso hoe “rahalahy” sy “rahavavy.” Araka ny nohazavain’ny Filoha Henry B. Eyring, ireo teny ireo dia “tsy hoe entina mba hifampiarahabana amim-pitiavana fotsiny na teny maneho fitiavana izay ifampiantsoantsika. Maneho fahamarinana mandrakizay izy ireo: Rain’ny olombelona rehetra ara-bakiteny Andriamanitra. Anisan’ny fianakaviany mandrakizay isika tsirairay avy.” Io fahamarinana tsotra io dia manana hery hanovana ny fomba hifampitondrantsika tsirairay. Mety ho samy hafa ny eritreritsika sy ny ataontsika ary ny bika aman’ endrintsika, kanefa mora kokoa ny mankasitraka sy manaja ireo fahasamihafana ireo rehefa tsaroantsika fa mpianakavy daholo isika rehetra.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara vondron’olona roa—ny Nefita sy ny Lamanita—izay mpifahavalo lozabe nandritra ny taranaka maro. Nisy fotoana anefa nandresen’ireo antokon’olona ireo ny fankahalany ka nifampitondra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy izy ireo. Vakio ny momba ireo zavatra niainana ireo ao amin’ny Môzia 28:1–3; Almà 26:23–31; 27:20–24; 4 Nefia 1:1–3, 14–18. Rehefa mamaky ianao dia saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny Mpamonjy hitondra fiadanana ho an’ny fianakavian’ Andriamanitra.

  • Mety tsy hampahafantatra ny tenany amin’ny maha zanak’ Andriamanitra azy ny olona mifanena aminao kanefa azonao raisina tahaka izany izy ireo rehefa mihaona aminy ianao. Andramo anie e! Ary isaky ny alaim-panahy hieritreri-dratsy momba ny olona iray ianao dia soloy amin’ny hoe “Zanak’ Andriamanitra ity olona ity” izany eritreritra izany. Diniho ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiheveranao ny olona — sy ny fomba fitondranao azy ireo.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hevero ny hampiseho sarin’olona avy amin’ny karazana firazanana sy kolontsaina ary fiaviana samihafa. Resaho ireo fomba maro izay itovian’ny olona. Ifanakalozy hevitra ny antony anirian’ Andriamanitra ny hanajantsika sy hitondrantsika ny hafa amin-katsaram-panahy mandrakariva.

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy