Tahirim-pitaovana
Andriamanitra Ray


“Andriamanitra Ray,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy miseho amin’i Joseph Smith

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Andriamanitra Ray

Ny Rain’ny fanahintsika izay tia antsika tsirairay avy tanteraka

Ny bokin’ny Apokalypsy dia maneho an’ Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana toy ny mpanjaka (jereo ny Apokalypsy 3:21; 4:2, 10; 5:1). Afaka mieritreritra momba Azy amin’ny fomba manokana koa anefa isika. Amin’ny maha-Raintsika any An-danitra be fitiavana Azy dia tena miraharaha antsika tokoa Izy: ny fihetseham-pontsika, ny zavatra iainantsika, ny fanantenantsika ary ny nofinofintsika. Nanoratra toy izao ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Tena manan-danja tokoa fa amin’ireo anaram-boninahitra sy haja ary fiderana rehetra omena an’ [Andriamanitra], dia nangataka antsika Izy mba hiantso Azy hoe Ray.”

Iza moa ny Ray any aAn-danitra?

Andriamanitra Ray no Ilay Izy Faratampony izay inoantsika sy itsaohantsika ary ivavahantsika. Izy no mpamorona ny drafitry ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Andriamanitra no rain’ny fanahintsika ary tiany isika. Ny asany sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Tanteraka Izy, manana ny fahefana rehetra ary mahafantatra ny zava-drehetra. Izy dia “manana vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana toy ny an’ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22).

Topimaso momba ny lohahevitra: Andriamanitra Ray

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ny Andriamanitra, Zanak’ Andriamanitra, Fiainana talohan’ny nahaterahana, Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray, Fiainana mandrakizay

Fizarana 1

Afaka mahafantatra an’ Andriamanitra isika

Nandritra ilay alina nijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane dia nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy nanao hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Satria tia antsika Andriamanitra dia manasa antsika Izy hahafantatra Azy mba handovantsika ny fiainana mandrakizay. Arakaraka ny ianarantsika misimisy kokoa momba ny Ray any An-danitra no itiavantsika kokoa ho tonga tahaka Azy.

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Na ny ankizy madinika aza dia afaka mifankahalala amin’ Andriamanitra Ray sy mahatsapa ho akaiky Azy. Azonareo atao ny mihira hira toy ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 3), “He! Velona ny Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 8), na ny “Toroy handeha amin’ ny mazava aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 129). Iaraho midinika avy eo ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Ray any An-danitra avy amin’ireo hira ireo.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Fanahy izay zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra avokoa isika rehetra

Sary
lehilahy iray mijoro eo an-tampon-tendrombohitra sady mijery ny filentehan’ny masoandro

Na dia misy fahasamihafana lehibe aza ao anatin’ny fianakavian’olombelona dia fahamarinana iray mampiray ny hoe zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana iray isika rehetra (jereo ny Hebreo 12:9). “Ny olombelona rehetra—lahy sy vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Médiathèque de l’Évangile).

Tian’ Andriamanitra hanana fifaliana maharitra eto amin’ity fiainana ity ny zanany tsirairay ary handray ny fitahiana dia ny fiainana miaraka Aminy mandritra ny mandrakizay.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Andriamanitra dia manolotra fitahiana maro izay nampanantenaina an’ireo mahatoky izay tsy takatry ny saintsika (jereo ny 1 Korintiana 2:9–10). Nizara antsipiriany maro momba ireo fitahiana ireo Izy ao amin’ny soratra masina. Azonao halalinina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 ka tadiavo ireo fitahiana sasantsasany izay miandry an’ireo manaraka an’ Andriamanitra.

  • Hevero ny hijery ny “Earthly Father, Heavenly Father” (3:59). Ahoana no ahafahan’ny anjara asantsika ao amin’ny fianakaviantsika eto an-tany manome antsika fahafahana kely hahita izay tian’ Andriamanitra hahatongavantsika?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Alalino ny Genesisy 1:26–27. Inona no mampitovy antsika amin’ Andriamanitra? Nahoana no mahasoa ny mahafantatra fa tsy vitan’ny hoe fanahy zanak’ Andriamanitra fotsiny ihany isika fa nohariana araka ny endriny ihany koa ny vatantsika?

Fizarana 3

Afaka manamafy ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra ianao

Sary
vehivavy iray mivavaka

Matetika rehefa te hifandray akaiky kokoa amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana isika, dia manao zavatra miaraka amin’izy ireo toy ny miresaka, manokana fotoana iarahana, ary mahazo an-tsaina sy mangoraka kokoa izay mahazo azy ireo. Tian’ny Ray any An-danitra hanakaiky Azy isika—ary te hanakaiky antsika Izy. Ny fanasany antsika dia izao: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63). Alaovy sary an-tsaina ny dikan’ny hoe te hifandray amintsika sy hanatona antsika ilay Olona mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao.

Ny fahatsiarovana ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana niaraka tamin’ Andriamanitra dia nesorina tamintsika. Nanazava anefa ny Filoha Ezra Taft Benson fa “tsy hisy zavatra hanaitra antsika kokoa, rehefa hiampita ny voaly isika ho any ankoatra, mihoatra noho ny fahitantsika fa fantatsika tsara ny Raintsika sy ny hoe, tsy vaovao amintsika ny endriny.”

Zavatra tokony hosaintsainina

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hevero ny hangataka ny hafa hitady zavatra iray ao amin’ilay efitrano izay maneho zavatra iray afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra. Angataho izy ireo hizara ny zavatra hitan’izy ireo sy ny zavatra asehon’izany. Miaraha mifanakalo hevitra momba ny zavatra iray azonareo rehetra atao mba hahatonga anareo ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Father, Consider Your Ways,” Ensign, Jona 2002, 12.

  2. Ezra Taft Benson, “Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, Dec. 1988, 6.

Hamoaka printy