Tahirim-pitaovana
Andro Sabata


“Andro Sabata,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
zatovovavy ao am-piangonana

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Andro Sabata

“Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8)

Toy ny ahoana matetika ny andro Sabata aminao? Hanomboka hihevitra ny Sabata ho toy ny fahafinaretana ianao rehefa mikatsaka ny hanaja ny Sabata araka ny fomban’ny Tompo (jereo ny Isaia 58:13–14). Hitondra hery ara-panahy eo amin’ny fiainanao ary hahatonga anao ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra ny fitsaohana an’ Andriamanitra miaraka amin’ny hafa any am-piangonana, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary ny fitandremana ilay andro ho masina ao an-tokantrano. Fomba iray hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny faniriantsika hankatò Azy sy hitandrina ny fanekempihavanantsika ny fanokanana andro iray isan-kerinandro hialana amin’ny asa sy ny fialam-boly. Nanazava ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Ny herin’ny andro Sabata dia ny fiainana ato am-piangonana sy any an-tokantrano ilay fahafinaretana sy ilay fifaliana ary ilay hafanana amin’ny fahatsapana ny Fanahin’ny Tompo ka tsy misy na inona na inona hampiala amin’ny fifantohana.”

Inona no atao hoe andro Sabata?

Andro masina natokan’ Andriamanitra mba hialantsika sasatra amin’ny asantsika ary hanompoantsika Azy ny Sabata. Nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ary nanamasina izany taorian’ny nahariana izao tontolo izao (jereo ny Genesisy 2:2–3). Nodidian’ Andriamanitra ireo Isiraelita mba “[hahatsiaro] ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8). Nanomboka nitandrina ny Sabata ny Alahady, na ny andro voalohany amin’ny herinandro, ny mpianatr’i Jesoa Kristy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Marka 16:2; Asan’ny Apostoly 20:7; 1 Korintiana 16:1–2). Amin’izao andro farany izao dia nohavaozin’ Andriamanitra indray ny didiny mba hitandremana ny andro Sabata (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59: 9–13; 68:29).

Topimaso momba ny lohahevitra: Andro Sabata

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray, Fanasan’ny Tompo, Fifadiankanina, Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Mariky ny fanoloran-tenanao amin’ Andriamanitra ny fanajanao ny andro Sabata

Sary
daholobe

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ahoana no hanamasinantsika ny andro Sabata? Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tao amin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo ny Eksodosy 31:13]. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: -Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?- Nampahazava tsara ny safidiko momba ny andro sabata izany [fanontaniana izany].” Famantarana toy ny ahoana no omen’ny fitandremanao ny andro Sabata ho an’ Andriamanitra?

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Jereo ny horonan-tsary avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland “Upon My Holy Day—Rest and Renewal” (1:26). Mamporisika ny Loholona Holland mba ho zavatra hafa amin’ireo fanaontsika amin’ny andro hafa no ataontsika amin’ny andro Sabata. Inona no fahatsapana azonao momba ny fanajana ny andro Sabata sy ny fitandremana izany ho masina?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Nanaja ny andro Sabata i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana lehilahy jamba iray

Nisy fitsipika sy fomban-drazana tsy nahazoana lalana nampidirina tao amin’ny kolontsaina Jiosy momba ny zavatra tokony hatao sy tsy tokony hatao amin’ny andro Sabata, tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Matetika i Jesoa no notsikerain’ireo mpitondra fivavahana, tamin’ny androny noho ny fomba nitandreman’Izy sy ny mpianany ny Sabata. Nampianatra i Jesoa fa “ny Sabata no natao ho an’ny [lehilahy sy ny vehivavy]” ary Izy no “Tompon’ny Sabata” (Marka 2:27, 28). Nitandrina ny Sabata ny mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro mba ho fahatsiarovana ny andro nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty (jereo ny Marka 16:2; Asan’ny Apôstôly 20:7; 1 Korintiana 16:1–2).

Mandray ny fanasan’ny Tompo isika, amin’ny maha ampahany manan-danja izany amin’ny fitandremana ny Sabatantsika, ho fahatsiarovana ny sorona fanavotana nataon’i Kristy sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Manao fanekempihavanana mba hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, hitandrina ny didiny ary hahatsiaro Azy mandrakariva isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Mampanantena antsika kosa Andriamanitra ho setrin’izany fa hiaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina. Ny fananana ny Fanahy dia midika fa nohamasinina isika ary voavela ny fahotantsika. Midika ihany koa izany hoe fananana ny Fanahy Masina tsy tapaka ho namana sy fananana ny fitarihana avy Aminy. Fotoana iray hisaintsainana ireo fitahiana azonao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao ny andro Sabata.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ireto tantaran’ny Mpamonjy manaraka momba ny fanajana ny andro Sabata ireto: Jaona 5:2–15; Lioka 13:11–17; 14:1–6. Nitahy ireo olona ireo tao amin’ireo tantara ireo tamin’ny fomba ahoana ny fanompoan’ny Mpamonjy? Hoy i Jesoa ao amin’ny andininy hafa: “Mety ny manao soa amin’ny Sabata” (Matio 12:12). Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “manao soa” amin’ny andro Sabata?

    Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatr’i Jesoa amin’ny fanompoana ny hafa amin’ny andro Sabata?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo miaraka amin’ny vondrona ilay horonan-tsary “*Gratitude on the Sabbath Day” (3:39). Miresaha momba ny fomba ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika sy ny fankatelemana an’i Jesoa Kristy amin’ny andro Sabata. Inona no ifandraisan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina sy ny fahatsapana fankasitrahana noho ireo fitahian’ Andriamanitra?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Manampy antsika hijanona ho “tsy hisy pentimpentina amin’izao tontolo izao” ny fitandremana ny andro Sabata ho masina

Sary
fianakaviana miara-mamaky boky

Nampianatra ny Tompo hoe: “Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao, dia handeha any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny androko masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9). Tsy vitan’ny hoe mandray ny fanasan’ny Tompo ihany ny fitsaohana ataontsika miaraka amin’ny hafa amin’ny andro Sabata fa mivavaka ihany koa, mihira ny fihirana, manome sy mandray tsodranon’ny fisoronana, mizara fijoroana ho vavolombelona, mandalina ny soratra masina ary manao asa fanompoana.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Fomba iray manan-danja hampifantoka ny fiainanao amin’i Jesoa Kristy sy hitombo hery ara-panahy ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Vonona kokoa hisoroka sy handresy ny fakam-panahy isika rehefa matanjaka ara-panahy. Ahoana no nanampian’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina sy ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo anao amin’ny ezaka ataonao mba “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”?

  • Avereno jerena ny hafatry ny Tompo momba ny andro Sabata hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–15. Nizara ny Filoha M. Russell Ballard mikasika io andalan-tsoratra masina io hoe: “Eritrereto tsara ny sasany amin’ireo teny manan-danja ao amin’io fanambarana io: fifaliana, firavoravoana, fankasitrahana, fo ravoravo, fo falifaly, ary endrika miramirana. Ho ahy izany dia toa milaza hoe tokony hahatonga antsika ho faly ny fanajana ny andro Sabata.” Oviana ianao no niaina ireo karazana fahatsapana ireo tamin’ny andro Sabata? Inona no azonao atao mba hahatonga ny fitsaohanao amin’ny andro Sabata ho traikefa mahafaly?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Jereo ilay horonan-tsary hoe “Is There a Place for Me?” (3:59). Resaho ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ny hafa hahatsapa fa manana ny toerana eo anivon’ny mpiara-mivavaka ato am-piangonana izy ireo. Ahoana no ahafahan’ny ezaka ataonao, hanampiana ny hafa hahatsapa ho manan-toerana, hampitombo ny fahatsapanao manokana ny fitsaohana amin’ny andro Sabata?

Hianatra misimisy kokoa

Hamoaka printy