Tahirim-pitaovana
Fanasan’ny Tompo


“Fanasan’ny Tompo,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

Sary
I Jesoa Kristy mitantana ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ireo mpianany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanasan’ny Tompo

Ôrdônansy masina mba hahatonga antsika hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy

Midika inona aminao ny fanasan’ny Tompo? Ny fandraisana anjara amin’io ôrdônansy masina io isan-kerinandro dia mety ho lasa zava-dehibe ara-panahy eo amin’ny fiainanao rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny dikan’izany ianao. Fotoana fohy talohan’ny nanomboana Azy dia namory ny mpianany i Jesoa mba hisakafo ho fahatsiarovana ny Paska. Fantany fa efa hifarana ny fiainany teto an-tany ary handao ny mpianany Izy. Tiany hahatsiaro ny fampianarany izy ireo. Tao anatin’izany toe-javatra izany dia nanome mofo sy divay ny mpianany i Jesoa ary nanazava fa tokony handray izany ho fahatsiarovana ny vatany sy ny rany izy ireo.

Ny ezaka ataonao amin’ny fandalinana ny dikan’ny fanasan’ny Tompo sy ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo dia afaka manampy anao hahatsapa fankasitrahana lalina noho izay rehetra nataony ho anao.

Inona ny atao hoe fanasan’ny Tompo?

Ny fanasan’ny Tompo dia ôrdônansin’ny fisoronana izay ahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana mandray mofo sy rano isan-kerinandro ho fahatsiarovana ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy. Ny mofo voatapatapaka dia fampahatsiahivana ny amin’ny vatany sy ny fijaliana ara-batana nozakainy. Ny rano dia tandindon’ny ran’i Jesoa izay nalatsaka tao anatin’ny fahoriana mafy. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isika dia manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo, mitana ny famelana ny fahotantsika ary manolo-tena indray hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanasan’ny Tompo

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Jesoa Kristy, Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Fanekempihavanana sy Ôrdônansy, Andro Sabata

Fizarana 1

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

Sary
mpikambana ao amin’ny Fiangonana mandray ny fanasan’ny Tompo

Ny ampitson’ny namahanany tamin’ny fomba mahagaga ireo 5000 dia nitory sy nampianatra i Jesoa fa “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” (Jaona 6:54). Tamin’izany fotoana izany dia azo inoana fa nampisafotofoto ny mpianany ireo teny ireo. Na izany aza, ny dikan’izy ireo dia nazava kokoa taty aoriana rehefa nampahafantatra ny fanasan’ny Tompo tamin’ny mpianany nandritra ilay Fanasana Farany ny Tompo.

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao dia manana fahafahana ny handray anjara isan-kerinandro amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ianao. Ny fandraisana ny mofo sy ny rano dia manampy anao hahatsiaro ny nofo sy ny ran’i Jesoa Kristy izay nomeny maimaimpoana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny tantara ao amin’ny soratra masina momba an’i Jesoa Kristy izay nampahafantatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo mpianany tao Jerosalema (jereo ny Matio 26:26–28; Marka 14:22–24; Lioka 22:19–20) sy tamin’ny Nefita (jereo ny 3 Nefia 18:1–11). Inona no ianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fanasan’ny Tompo? Mety hanampy koa ny mamaky ireo tantara hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 26:22, 24–25 (ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana) ary ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:20–25 (ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana).

  • Vakio ny Mosesy 5:4–8. Fahiny dia nandidy ny zanany Andriamanitra mba hanoloran’izy ireo sorona biby ho tandindon’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy—ilay Zanakondrin’Andriamanitra. Inona no mampitovy ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo ankehitriny amin’ny tanjon’ireo sorona fanao tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha? (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–12.)

  • Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa tsy maninona akory na inona na inona hohanina na hosotrointsika amin’ny fanasan’ny Tompo rehefa mahatsiaro ny antony hanaovana izany isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2). Eritrereto ny antony tsy maha-manan-danja ny zavatra ampiasaintsika ho mariky ny fanasan’ny Tompo raha oharina amin’ny zavatra tokony hotsaroantsika momba ireo marika ireo.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Hevero ny hiara-mijery ilay horonan-tsary hoe “Sacrament” (2:59) na “Always Remember Him” (5:27). Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny ezaka ataonareo hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany hisy fiantraikany eo amin’ny fahatsapanareo sy ny fihetsikareo. Inona no azonao atao mba hifantohana kokoa amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Mitondra Fitahiana ny fiomanana amim-pahamendrehana amin’ny fanasan’ny Tompo

Sary
tapa-mofo voatapatapaka sy kaopy kely fasiana rano

Indraindray dia mety ho hitanao fa nipetraka fotsiny ianao nandritra fanasan’ny Tompo ka nanadino nandray sy niaina tokoa ity ôrdônansy masina ity araka ny fikasan’ny Tompo. Saingy ny ezaka ataonao mba hiomanana sy handraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo dia mety hahatonga anao ho mendrika hahazo fitahiam-be.

Ny Loholona David A. Bednar dia nanazava fa: “Ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo dia fanasana masina sy miverimberina mba hibebaka amin-kitsimpo ary mba hihavao ara-panahy. Tsy ilay hoe fandraisana fotsiny ny Fanasan’ny Tompo no manadio amin’ny fahotana. Fa rehefa miomana amin-kitsimpo sy mandray anjara amin’io ôrdônansy masina io isika miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina dia mahazo fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika. Ary amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina izay namantsika lalandava dia afaka mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny 1 Korintiana 11:23–29. Inona no dikan’ny hoe “hamantatra ny tenany” rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ny olona iray? Nahoana no zava-dehibe ny miomana handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo?

  • Henoy na vakio ny tonon’ny hiran’ny fanasan’ny Tompo iray toy ny “Misy havoana iray” na “Amim-panetren-tena Tompo.” Ahoana no ahafahan’ny fisaintsainana ny hafatra hita ao amin’ny fihirana ho an’ny fanasan’ny Tompo mampitombo ny fankasitrahanao ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79. Asao ny olona sasany ao amin’ny vondrona misy anao hitady ny zavatra ampanantenaintsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika ary ny hafa kosa mitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa hataony ho setrin’izany. Azonao atao koa ny manasa ny vondrona hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 sy mifanakalo hevitra momba ireo fitoviana misy eo amin’ireo fampanantenana natao nandritra ny fanasan’ny Tompo sy ny fanekempihavanan’ny batisa.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fanasan’ny Tompo

Hamoaka printy