Mbola vonona ve ianareo?
Ny fahavononantsika hanara-dia an’i Jesoa Kristy dia mifanandrify mivantana amin’ny habetsahan’ny fotoana anolorantsika tena mba ho ao amina toerana masina.
Indray Alahady, raha iny aho niomana handray ny fanasan’ny Tompo iny taorian’ny fanendrena hiahy fihaonamben’ny tsatòka nandritra ny herinandro maromaro, dia nisy eritreritra mahaliana sy nafonja tonga tao an-tsaiko.
Rehefa nanomboka nanamasina ny mofo ny mpisorona, dia nampangaika ny saiko sy ny foko ireo teny efa reko imbetsaka teo aloha. “Sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo, mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy.”1 Impiry isika no nijoro ho vavolombelona tamin’ Andriamanitra fa hoe vonona?
Rehefa nisaintsaina ny maha-zava-dehibe ireo teny masina ireo aho dia nampiaiky volana ahy mihoatra noho ny teo aloha ilay teny hoe vonona. Fihetseham-po mamy sy masina no nameno ny saiko sy ny foko, niaraka tamin’ny fitiavana sy fankasitrahana noho ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, ary ny anjara asany manan-danja ao amin’ny drafitry ny fanavotana nataon’ny Ray ho ahy sy ny fianakaviako. Avy eo dia nandre sy nahatsapa ireo teny lalina tao amin’ilay vavaka ho an’ny rano aho: “Mba hahazoany mijoro ho vavolombelona aminao … fa hotsaroany mandrakariva Izy.”2 Takatro tsara tamin’izay fotoana izay fa ny fitandremana ny fanekempihavanako dia tsy maintsy mihoatra noho ny fikasana tsara.
Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia tsy fombafomba ara-pivavahana tsotra izay maneho ny fiekentsika fotsiny. Fampahatsiahivana mahery vaika ny amin’ny maha-tena misy ny Sorompanavotana tsy manam-petra nataon’ny Mpamonjy izany ary ny ilana ny fahatsiarovana Azy mandrakariva sy ny fitandremana ny didiny. Tena zava-dehibe tokoa ny fahavononana hifantoka amin’ny Mpamonjy ka izany no hafatra fototry ny soratra masina roa voatonona imbetsaka indrindra ato amin’ny Fiangonana: ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Ny fahatakarana ny fahamarinan’ny zavatra atolotry ny Ray any An-danitra an-tsitrapo ho antsika tsirairay avy amin’ny alalan’ny Zanany Lahitokana dia tokony hamongatra ireo ezaka lehibe indrindra vitantsika mba ho vonona mandrakariva ho setrin’izany.
Moa ve miorina mafy amin’i Jesoa Kristy ny fototra ara-panahintsika manokana?
Raha marivo na tsara ivelany fotsiny ny fototra ara-panahy ananantsika, dia mety hirona hametraka ny fahavononantsika amin’ny famakafakana ny tombontsoa ara-tsosialy na ny fanondroana ny fahasahiranana manokana isika. Ary raha manaiky ny fitantarana isika fa ny Fiangonana dia ahitana fitsipika ara-tsosialy efa lany andro na diso, sy fameperana manokana tsy araka ny tokony ho izy, ary fanolorana fotoana betsaka, dia ho diso ny tsoakevitra ataontsika momba ny fahavononana. Tsy tokony hanantena isika fa ny fitsipiky ny fahavononana dia horaisin’ireo mpitari-kevitra ao amin’ny tambajotran-tserasera na mpankafy TikTok tsara. Mahalana no mifanaraka amin’ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ny didin’olombelona.
Ny Fiangonana dia toeram-pivoriana ho an’ireo olona tsy lavorary izay tia an’ Andriamanitra sy vonona ny hanaraka an’i Jesoa Kristy Tompo. Izany fahavononana izany dia miorim-paka eo amin’ny zava-misy fa i Jesoa no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no ahafantarana io fahamarinana masina io. Noho izany, ny fahavononantsika dia mifanandrify mivantana amin’ny habetsahan’ny fotoana anolorantsika tena mba ho ao amin’ny toerana masina izay isian’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
Tsara ho antsika ny mampiasa fotoana betsaka amina resaka manan-danja miompana amin’ireo zava-manahirana antsika izay ifanaovantsika amin’ny Ray be fitia any An-danitra ka tsy mandany fotoana firy amin’ny fikatsahana hevitra avy amin’ireo feo hafa. Azontsika atao koa ny misafidy ny hanova ireo vaovao farany raisintsika isan’andro ho lasa ireo tenin’i Kristy ao amin’ny soratra masina sy ireo teny faminaniana ambaran’ireo mpaminany velona.
Ny lanja omentsika ny fitandremana ny andro Sabata, ny fandoavana fahafolonkarena amin’ny fomba marin-toetra, ny fananana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery, ny fandehanana any amin’ny tempoly, ary ny fanajana ny fanekempihavanana masin’ny tempoly dia famantarana mahery vaika maneho ny fahavononantsika sy ny porofon’ny fanolorantenantsika. Moa ve isika vonona ny hanao mihoatra noho ny ezaka tsotra mba hanamafisana ny finoantsika an’i Kristy?
Ny Ray any An-danitra dia tia antsika tanteraka, kanefa izany fitiavana izany dia omban’ny zavatra andrandraina lehibe. Miandrandra antsika Izy mba hametraka an-tsitrapo ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika amin’ny fahavononana hanoa ny Ray amin’ny zavatra rehetra. Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”3 Nanonitra an-tsitrapo ny fahotantsika Izy. An-tsitrapo no anamaivanany ny enta-mavesatsika, ampitoniany ny tahotsika, sy anomezany hery antsika, ary itondrany fiadanana sy fahatakarana ao am-pontsika mandritra ireo fotoam-pahoriana sy ny alahelo.
Safidy anefa ny finoana an’i Jesoa Kristy. “Raha tsy afaka mihoatra noho ny faniriana ny hino”4 ao amin’ny teniny isika, dia manana toerana hiaingana na hamerenana hatrany am-boalohany indray ny diantsika ara-pinoana. Ny teniny, raha ambolena ao am-pontsika toy ny voa sy kolokoloina amim-pitandremana fatratra, dia hamaka ary ny finoantsika dia hitombo ho fahatokiana ary ho lasa fitsipiky ny asa sy ny hery. Ny Bokin’i Môrmôna no loharano mandaitra indrindra ananantsika hampitomboana sy hamerenana amin’ny laoniny ny finoana. Ny fahavononana no mampitsiry ny finoana.
Ny fiainana an-tany, araka ny fikasan’ Andriamanitra, dia tsy mora ary mety ho mandreraka indraindray. Kanefa, “misy [isika] mba hahazo fifaliana”!5 Mitondra fifaliana maharitra ny fifantohana amin’ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanana masina nataontsika! Ny tanjon’ny fiainana an-tany dia ny hanaporofoana ny fahavononantsika. “Ny asa lehibe eo amin’ny fiainana [sy ny saran’ny maha-mpianatra] dia ny mianatra ny sitrapon’ny Tompo ary ny manao izany avy eo.”6 Ny maha-mpianatra marina dia mitondra any amin’ny fahafenoan’ny fifaliana. Vonona ny hanefa ny saran’ny maha-mpianatra ve isika?
Ny lalan’ny fanekempihavanana dia tsy lisitry ny zava-bita fotsiny; dingan’ny fitomboana ara-panahy sy ny fanolorantena lalina atao amin’i Jesoa Kristy Tompo izany. Ny tanjona fototry ny didy, ny fitsipika, sy ny fanekempihavanana ary ôrdônansy tsirairay dia ny hanorina finoana sy fahatokisana an’i Kristy. Noho izany, ny fahavononantsika hampifantoka ny fiainantsika amin’i Kristy dia tsy maintsy tsy miovaova—tsy misy fepetra, tsy miankina amin’ny toe-javatra misy, tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny. Tsy afaka ny haka andro fialan-tsasatra na fotoana ho an’ny tena manokana isika amin’ny fahavononantsika “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra ary amin’ny toerana rehetra.”7 Tsy mora ny maha-mpianatra, satria tsy voavidim-bola ny fananana ny Fanahy Masina ho namana.
Azo antoka fa nieritreritra ny androntsika ny Tompo rehefa nampianatra ny fanoharana momba ny virijiny folo Izy. Ny amin’ireo dimy izay hendry dia nilaza Izy hoe: “nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ireo ka tsy voafitaka,”8 raha “ho faty” kosa ny fanalan’ny adala noho ny tsy fisian’ny solika.9 Angamba ny tenin’i Nefia no mamaritra tsara an’ireo mpikamban’ny Fiangonana nahatoky fahiny ireo: “Ary hampitoniany ny sasany ka handrotsirotsiany amin’ny fiadanana ara-nofo izay hitenenan’ireo hoe: mandry fehizay ny rehetra ao Ziona.”10
Ny fiarovana ara-nofo dia mikatsaka sy mitoky amin’ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy amin’ny an’i Kristy—amin’ny teny hafa, mijery amin’ny fomba fijery tsy ara-pivavahana toy izay amin’ny fomba fijery ara-panahy. Ny Fanahy Masina dia manome antsika fahafahana hahita “zavatra araka ny tena toetrany, sy … araka ny ho tena toetrany.”11 “Amin’ny herin’ny Fanahy Masina [ihany no ahazoantsika mamantatra] ny fahamarinan’ny zava-drehetra”12 ka tsy ho voatifaka. Tsy hoe satria jamba isika dia mametraka an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika sy manome antoka ny fahavononantsika hankatò ny didiny, fa noho isika afaka mahita no anaovantsika izany.13
Ahoana ny amin’ireo virijiny adala? Nahoana izy ireo no tsy nety nitondra fitoerana solika ara-panahy? Nangataka andro fotsiny ve izy ireo? Angamba tsy niraharaha loatra izy ireo satria somary nanahirana na koa toa tsy ilaina izany. Na inona na inona antony, dia voafitaka izy ireo ny amin’ny anjara asa lehibe sahanin’i Kristy. Izany no fitaka fototra ataon’i Satana hatrany sy antony nahafaty ny fanalan’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo tamin’ny farany noho ny tsy fahampian’ny solika ara-panahy. Io fanoharana io dia fanoharana ho an’ny androntsika. Maro no nandao ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanany ela be talohan’ny nandaozan’izy ireo ny Fiangonany.
Miaina ao anatin’ny fotoana tsy mbola nisy toy izany isika, izay efa nambaran’ireo mpaminany fahiny, andro izay mahatonga an’i Satana “ho romotra ao am-pon’ny zanak’olombelona izy amin’izany andro izany ka hamporisika azy ho tezitra amin’izay tsara.”14 Maro loatra amintsika no miaina ao anatin’ny tontolo virtoaly izay feno fialam-boly sy fandefasana hafatra manohitra ny toetra maha-andriamanitra sy ny finoana an’i Kristy.
Ny fitaomana ara-panahy mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainan’ny ankizy iray dia ny ohatra tsara asehon’ny ray aman-dreny sy ny raibe sy renibe be fitiavana izay mitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanana masin’izy ireo manokana. Ny ray aman-dreny manam-paniriana tsara dia mampianatra ny zanany ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, mba “hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”15 Ny fanamaivanana sy ny fanaovana kitoatoa ny fitandremana fanekempihavanana dia mitarika amin’ny tsy firaharahana ara-panahy. Matetika ny fahasimbana ara-panahy no tena goavana eo amin’ny zanatsika sy zafikelintsika. Ry ray sy reny, ry raibe sy renibe, moa ve isika mbola vonona?
Nampitandrina ny Filoha Russell M. Nelson fa “ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”16 Izany dia fampitandremana mazava sy tsy azo lavina mba hikolokoloana ny fanalantsika sy hampitomboana ny tahirin-tsolikantsika ara-panahy. Mbola vonona ny hanaraka ireo mpaminany velona ve isika? Toy ny ahoana ny habetsahan’ny solika ara-panahy ao anatin’ny fanalanao? Inona avy ireo fanovana atao eo amin’ny fiainanao manokana izay hanampy anao hanana misimisy kokoa fitaomana tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina?
Amin’izao andro izao, tahaka ny tamin’ny andron’i Jesoa, dia hisy ireo izay hihemotra, tsy te hanaiky ny saran’ny maha-mpianatra. Rehefa mihamitombo hatrany ny fanakianana masiaka sy feno fankahalana ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ireo izay manaraka Azy, ny maha-mpianatra antsika dia hitaky fahavononana bebe kokoa mba hanitsy sy hanamafy orina ny hazondamosintsika ara-panahy ary tsy hiraharaha azy ireny.17
Raha miorina mafy amin’i Jesoa Kristy ny fototra ara-panahy ananantsika, dia tsy ho lavo isika, ary tsy tokony hatahotra.
“Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo; ary ny marisika sy ny mpankatò no hihinana ny soa amin’ny tanin’i Ziona amin’izao andro farany izao.”18
Enga anie isika ho vonona lalandava. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.