Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana

Afaka mivimbina antsika hamakivaky ny fotoan-tsarotra i Kristy ankehitriny. Nataony tamin’ireo mpamaky lay tany am-boalohany izany, ary ataony amintsika tsirairay avy ankehitriny koa.

Misaotra anareo, ry amboaram-peo, tamin’ny fihirana iny “Faith in every footstep” iny. Ny feo sy ny tonon’io hira io dia nosoratan-dRahalahy Newell Dayley1 tamin’ny 1996 ho fanomanana ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny fahatongavan’ireo mpamaky lay tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny taona 1847.

Na dia nosoratana ho fanomanana an’io fankalazana io aza io hira io, dia mihatra amin’izao tontolo izao ny hafatra fonosiny.

Tiako foana ilay fiverenany izay milaza hoe:

Mandroso isika am-pinoana, Kristy [Tompo] no arahintsika;

Maneho fitia, fanantenana ny hira asandratsika.2

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny dingana feno finoana isika dia misy ny fanantenana. Misy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy Tompo. Misy fanantenana ho an’ny rehetra eto amin’ity fiainana ity. Misy ny fanantenana handresy ny fahadisoantsika, ny alahelontsika sy ny olantsika ary ireo fitsapana sy ny fahasahiranantsika. Misy ny fanantenana ao anatin’ny fibebahana sy ny maha-voavela heloka ary ny famelana ny hafa. Mijoro ho vavolombelona aho fa misy fanantenana sy fiadanana ao amin’i Kristy. Afaka mivimbina antsika hamakivaky ny fotoan-tsarotra Izy ankehitriny. Nataony tamin’ireo mpamaky lay tany am-boalohany izany, ary ataony amintsika tsirairay avy ankehitriny koa.

Ity taona ity dia manamarika ny faha-175 taonan’ny fahatongavan’ireo mpamaky lay tany am-boalohany tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake, izay nahatonga ahy hisaintsaina ny amin’ireo razambeko, ka ny sasany tamin’izy ireo dia nandeha an-tongotra niala an’i Nauvoo nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Manana raibe sy renibe izay nandeha an-tongotra teny amin’ireo tany lemaka aho tamin’ny fahatanorany. Roapolo taona i Henry Ballard tamin’izany;3 13 taona i Margaret McNeil;4 ary i Joseph F. Smith, izay lasa Filoha fahaenina tao amin’ny Fiangonana taty aoriana, dia vao 9 taona monja raha vao nigadona tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.5

Niatrika fahasahiranana isan-karazany izy ireo teny an-dalana, toy ny ririnina mangatsiaka, ny aretina ary ny tsy fahampian-tsakafo sy fitafiana. Ohatra, rehefa niditra ny Lemak’i Salt Lake i Henry Ballard dia nifaly nahita ny “Tany nampanantenaina” saingy raiki-tahotra fa ndrao hisy olona hahita azy noho ireo fitafiana teny an-kodiny izay rota izay tsy izy ka zara raha naharakotra ny vatany. Niafina tany anaty akata izy ny andro manontolo mandra-pahamaizin’ny andro. Avy eo izy dia nandondona trano iray ka nangataka akanjo fitafy mba hahafahany manohy ny diany sy mahita ny toerana misy ireo ray aman-dreniny. Feno fankasitrahana an’ Andriamanitra izy fa tody soa aman-tsara tany amin’ilay toerana izay lasa toeram-ponenany taty aoriana.6

Nanara-dia tam-pinoana an’i Jesoa Kristy ireo ray aman-drenibeko tao anatin’ireo fitsapana tsirairay nolalovany. Feno fankasitrahana azy ireo aho satria tsy mba nilavo lefona mihitsy. Ny dingana feno finoana nataon’izy ireo dia nitahy ahy sy ireo taranaka manaraka, tsy misy hafa amin’ireo dingana feno finoana ataonareo ankehitriny mba hitahiana ny taranakareo.

Samy azo ampiasaina ny teny hoe mpamaky lay sy mamaky lay. Ny mpamaky lay dia midika hoe olona iray izay anisan’ny voalohany nikaroka na nanorim-ponenana amin’ny toerana vaovao. Ny matoanteny hoe mamaky lay dia midika hoe manokatra na manomana ny lalana hoarahin’ny hafa.7

Rehefa mieritreritra ireo mpamaky lay izay nanomana ny lalana ho an’ny hafa aho dia ny Mpaminany Joseph Smith no noeritreretiko voalohany. Mpamaky lay i Joseph satria ny dingam-pinoany dia nitarika azy ho any amin’ny ala kely iray, toerana izay nivavahany tamim-pandohalihana ka nanokatra ny lalana ho antsika mba hanana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny finoan’i Joseph mba “hangataka amin’ Andriamanitra”8 tamin’io marainan’ny lohataon’ny taona 1820 io dia nanokatra ny lalana ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nahitana ireo mpaminany sy apôstôly nantsoina hanompo eto an-tany indray.9 Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Fantatro fa ny dingana feno finoana lehibe nataony no nitarika azy handohalika teo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany Malala.

Ny dingana feno finoana nasehon’ny Mpaminany Joseph dia nahatonga azy ho lasa fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna, izay testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fikirizan’i Joseph Smith teo anatrehan’ny fahasahiranana sy ny fanoherana tsy mampino no nahafahany ho lasa fitaovana teo an-tanan’ny Tompo tamin’ny fananganana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany aho dia niresaka momba ny fomba nahatonga ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno nataoko ho nitahy ahy. Voatahy aho rehefa nampianatra momba ny drafitry ny famonjena be voninahitry ny Raintsika any An-danitra, sy ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith, ary ny fandikany ny Bokin’i Môrmôna. Ireo fampianarana sy fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny ireo no nitarika ny dingam-pinoako tamin’ny fampianarana ireo izay vonona ny hihaino ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Ny misiônerantsika amin’izao fotoana izao dia mpamaky lay amin’ny andro maoderina satria mizara izany hafatra be voninahitra izany amin’ny olona manerana an’izao tontolo izao izy ireo, ka manokatra ny lalana ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra hahafantatra Azy sy i Jesoa Kristy Zanany. Ny fanekena ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manokatra lalana ho an’ny tsirairay mba hiomanana sy handraisana ireo ôrdônansy sy ireo fitahian’ny Fiangonana sy ny tempoly.

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo dia nanamafy indray ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana” ary “fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery [hatao]” ho an’ny “vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany.”10

Ry zatovolahy sy zatovovavy malala, ny dingam-pinoanareo dia hanampy anareo hanaraka ilay fanasan’ny Tompo hanao asa fitoriana, ho mpamaky lay amin’ny andro maoderina, amin’ny fanokafana ny lalana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra, hahita sy hijanona eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana izay miverina indray eo anatrehany be voninahitra.

Mpamaky lay tato amin’ny Fiangonana ny Filoha Nelson hatrizay. Tamin’ny naha-Apôstôly azy dia nandeha sy nanokatra tany maro ho amin’ny fitoriana ny filazantsara izy. Fotoana fohy taorian’ny naha-mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana azy, dia niangavy antsika izy mba “hampitombo ny fahafahan[tsika] ara-panahy mandray fanambarana.”11 Mbola manohy mampianatra antsika hatrany ny fomba hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika izy. Tao anatin’ny fivoriana fampaherezam-panahy iray ho an’ny tanora dia nilaza izy hoe:

“Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. …

“[Avy eo] dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.”12

Mampianatra antsika ny fomba hizakan-tena bebe kokoa ara-panahy izy. Nilaza izy fa “ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”13

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana izao.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no mpamaky lay voalohany indrindra nanomanana ny lalana. Izy tokoa no “lalana”14 hahatanterahan’ny drafitry ny famonjena mba hahafahantsika mibebaka sy miverina any amin’ny Raintsika Any an-danitra amin’ny alalan’ny finoana Azy.

Hoy i Jesoa: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”15 Nampanantena Izy fa tsy hamela antsika ho kamboty. Hanatona antsika Izy ao anatin’ireo fitsapana antsika.16 Nanasa antsika Izy mba “hanatona [Azy] amin’ny fo feno finiavana, ary [Izy] hanasitrana [antsika].”17

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray. Nosokafan’ny Raintsika any An-danitra ny lalana hiverenantsika any Aminy amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy Zanany Malala amim-pinoana isaky ny dingana atao.

Niatrika sakana maro ny ray aman-drenin’ireo raibe sy renibeko sy ireo mpamaky lay tany am-boalohany rehefa nandeha tamin’ny sarety sy sarety tarihin-tanana ary nandeha an-tongotra nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Isika koa dia hiatrika fanamby amin’ireo diantsika manokana mamakivaky ny fiainantsika. Tsy manosika sarety tarihin-tanana na mitondra sarety mitafo mitety ireo tendrombohitra mideza sy mamakivaky ranomandry lalina isika; miezaka manao tahaka ny nataon’izy ireo isika mba handresena ara-panahy ireo fakam-panahy sy fanamby amin’izao androntsika izao. Manana fitsapana holalovana isika, manana havoana—ary indraindray tendrombohitra—hihanihana isika. Na dia tsy mitovy amin’ny an’ireo mpamaky lay tany am-boalohany aza ireo fanamby ankehitriny, dia tsy latsa-danja ho antsika izy ireny.

Zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminany sy ny fihazonana ny tongotsika hifikitra mafy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny fahatokiana, toy ny tamin’ireo mpamaky lay tany am-boalohany.

’Ndeha isika hanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’nydingana feno finoana. Mila manompo ny Tompo sy mifanompo isika. Mila manatanjaka ny tenantsika ara-panahy isika amin’ny alalan’ny fitandremana sy fanajana ny fanekempihavanantsika. Tsy tokony ho avelantsika ilay fahatsapana hamehana amin’ny fitandremana ny didy. I Satana dia miezaka manamaivana ny fanoloran-tenantsika sy ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompo. Mba tsarovy fa raha misy olona very lalana dia tsy ho very mihitsy isika amin’ny Mpamonjy antsika. Afaka mitodika Aminy isika noho ny fitahian’ny fibebahana. Hanampy antsika hianatra sy hivoatra ary hiova Izy rehefa miezaka mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika.

Enga anie isika hanaraka hatrany ny dian’i Jesoa Kristy, omban’ny finoana isaky ny dingana ataontsika, ka hifantoka Aminy, sady hihazona ny tongotsika hifikitra mafy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Hamoaka printy