Aoka ny fanaovan-tsoa no ho fomba amam-panaontsika
Raha toa ka miorina mafy sy tsy azo hozongozonina isika amin’ny fanaovan-tsoa, dia hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny fomba amam-panaontsika.
Ho feno fankasitrahana foana aho noho ireo asa nanendrena ahy ato amin’ny Fiangonana izay nitondra ahy hipetraka any amin’ny firenena samihafa. Nahita fahasamihafana lehibe sy olona miavaka manana fomba amam-panao sy fomban-drazana samy hafa izahay tany amin’ireo firenena tsirairay ireo.
Isika rehetra dia manana fomba amam-panao sy fomban-drazana izay antsika manokana, avy amin’ny fianakaviantsika, na avy amin’ny fiarahamonina misy antsika, ary manantena ny hitazona ireo rehetra izay mifanaraka amin’ny fitsipiky ny filazantsara isika. Ny fampiorenana ny fomba amam-panao sy ny fomban-drazana dia fototry ny ezaka ataontsika mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ary ireo izay mitoetra ho sakana dia tokony holavintsika.
Ny fomba amam-panao dia fihetsika na fomba fisainana fanao matetika sy mahazatra ny olona, na ny kolontsaina, na ny fomban-drazana iray. Matetika ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika amin’ny fomba mahazatra no ekentsika ho toy ny fiainana mahazatra.
Mamelà ahy hanazava izany: i Patricia, vadiko malala, dia tia misotro ranom-boaniho ary mihinana an’ilay voaniho avy eo. Tamin’ny fitsidihanay voalohany an’i Puebla, any Meksika, dia nankany amin’ny toerana iray nividiananay voaniho izahay. Rehefa avy nisotro ny ranony ny vadiko dia nangataka azy ireo mba hamaky ny voaniho ary hanome azy ny nofony mba hohaniny. Rehefa tonga ilay izy dia niloko menamena. Nofafazany sakay ilay izy! Voaniho mamy miaro sakay! Toa hafahafa taminay izany. Fantatray anefa tatỳ aoriana fa izahay mivady, izay tsy nihinana voaniho niaro sakay, no hafahafa. Any Meksika anefa dia zavatra tsy hoe mahalana izany, fa tena mahazatra.
Tamin’ny fotoana iray hafa dia nisakafo tany Brésil niaraka tamin’ny namana vitsivitsy izahay, ary norosoin’izy ireo zavokà. Raha iny hanisy sira azy iny izahay, dia hoy ireo namanay taminay hoe: “Inona ity ataonareo ity? Efa nasianay siramamy ny zavokà!” Zavokà misy siramamy! Toa tena hafahafa taminay izany. Fantatray anefa avy eo fa izahay mivady, izay tsy nihinana zavokà misy siramamy, no hafahafa. Saingy any Brésil kosa, ny zavokà asiana siramamy no mahazatra.
Ny zavatra mahazatra ny sasany dia mety ho hafahafa ho an’ny hafa, arakaraka ny fomba amam-panaony sy ny fomban-drazany.
Inona no fomba amam-panao sy fomban-drazana mahazatra eo amin’ny fiainantsika?
Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ankehitriny isika dia mahare matetika momba ny hoe -fiaingana vaovao.- Raha tena te-hahazo fiaingana vaovao ianao, dia manasa anao aho hampitodika bebe kokoa hatrany ny fonao sy ny sainao ary ny fanahinao any amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Aoka ho izany no fiaingana vaovao ho anao” (“Fiaingana vaovao,” Liahônà, nôv. 2020, 118).
Natao ho an’ny rehetra io fanasana io. Tsy maninona na mahantra isika na manan-karena, na nahita fianarana na tsy nahita fianarana, na antitra na tanora, na marary na salama. Manasa antsika izy mba hamela ireo zavatra “mahazatra” eo amin’ny fiainantsika ho ireo izay mampijanona antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
Tsy misy firenena ahitana ny fitambaran’ny zavatra tsara na mendri-piderana. Noho izany, araka ny nampianaran’i Paoly sy ny Mpaminany Joseph Smith:
“Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te-ho tia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika” (Fanekem-pinoana 1:13).
“Raha misy dera, dia hevero izany” (Filipiana 4:8).
Mariho fa fanasana hanao zavatra izany fa tsy fanehoan-kevitra fotsiny.
Tiako isika rehetra mba haka fotoana kely hisaintsainana ny fomba amam-panaontsika sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fianakaviantsika.
Anisan’ireo fahazarana mahatalanjona izay tokony hahazatra ny mpikamban’ny Fiangonana ireto efatra ireto:
-
Fandalinana manokana sy an’ny mpianakavy ny soratra masina. Mba hiova fo ho an’i Jesoa Kristy Tompo, ny olona tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fianarana ny filazantsara. Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany ny ray aman-dreny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25; 93:40).
-
Vavaka manokana sy an’ny mpianakavy. Mandidy antsika ny Mpamonjy mba hivavaka mandrakariva (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38). Ny vavaka no mamela antsika hifandray manokana amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany Lahy.
-
Fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro (jereo ny 3 Nefia 18:1–12; Môrônia 6:5–6). Ataontsika izany mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Ao amin’io ôrdônansy io, ny mpikamban’ny Fiangonana dia manavao ny fanekempihavanan’izy ireo, dia ny hitondra eo aminy ny anaran’ny Mpamonjy, sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).
-
Fandraisana anjara matetika amin’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ity asa ity no fomba fampiraisana sy famehezana fianakaviana ho amin’ny mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15).
Inona no tsapantsika rehefa maheno ireo zavatra efatra ireo isika? Ao anatin’ny zavatra mahazatra antsika eo amin’ny fiainantsika ve izy ireo?
Misy fomban-drazana maro hafa izay mety ho anisan’ny fahazarana noraisintsika, ka mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.
Ahoana no ahafahantsika mamaritra hoe inona no ho zavatra tokony ho mahazatra eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fianakaviantsika? Ao amin’ny soratra masina dia mahita ohatra lehibe isika; ao amin’ny Môzià 5:15 dia milaza hoe: “Mba tiako ianareo hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara.”
Tiako ireo teny ireo satria fantatsika fa ny zavatra lasa mahazatra eo amin’ny fiainantsika dia ireo izay averimberintsika ombieny ombieny. Raha toa ka miorina mafy sy tsy azo hozongozonina isika mba hahefa be amin’ny asa tsara, dia hifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ny fomba amam-panaontsika, ary hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izany.
Nanoro hevitra ihany koa ny Filoha Nelson hoe: “Raiso amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro ny fiainganao vaovao. Katsaho ny ho madio bebe kokoa hatrany amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny atao. Manompoa ny hafa. Manàna tanjona ho amin’ny mandrakizay. Milofosa amin’ny antso anananao. Ary na inona na inona zava-tsarotra iainanareo, ry rahalahy sy ranabavy malalako, dia ataovy izay iainanareo ny isan’andro ka hahatonga anareo ho vonona kokoa hihaona amin’ny Mpahary anareo” (“Fiaingana vaovao,” 118).
Ankehitriny dia tsy hafahafa amiko na amin’i Patricia vadiko ny mihinana voaniho miaro sakay, raha ny marina dia tianay izany. Na izany aza, ny fisandratana dia zavatra mihoatra lavitra noho ny fahatsapana tsiro; lohahevitra mifandray amin’ny mandrakizay izany.
Mivavaka aho mba hahatonga ny fahazarantsika hanome fahafahana antsika hiaina ilay toetry ny “fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” izay nampanantenaina an’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra (Môzià 2:41) ary rehefa manao izany dia mety ho afaka hiteny isika hoe: “Ary ny zava-nitranga dia niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay” (2 Nefia 5:27).
Ry rahalahy sy ranabavy, mijoro ho vavolombelona momba ireo lehilahy 15 izay tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ireo aho, anisan’izany ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Mijoro ho vavolombelona aho fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia marina. Mijoro ho vavolombelona aho indrindra indrindra momba an’i Jesoa Kristy, Ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.