Ny adidintsika amin’ny fikolokoloana ny tany
Fitahiana ara-panahy lehibe no ampanantenaina an’ireo izay mitia sy mikolokolo ny tany sy ireo lehilahy sy vehivavy mpiara-belona aminy.
Nandritra ny fitsidihanay an’i Frantsa tanin-drazanay, dia nahafinaritra anay mivady ny nitondra ny sasany amin’ireo zafikelinay nizaha zaridaina kanto iray tao amin’ny tanàna kelin’i Giverny. Nankafizinay ny nandehandeha nanaraka ireo lalan-kely tao amin’izany ka nahasondriana ny nijery ireo tanim-boninkazo tsara tarehy sy ireo lisin-drano kanto ary ny tara-pahazavana teny amin’ireo kamory.
Io toerana mahatalanjona io dia vokatry ny fitiavana mamorona nananan’ny lehilahy iray: i Claude Monet ilay mpanao hosodoko malaza, izay nanefy sy namboly io zaridaina io, nandritra ny 40 taona, mba hanaovana izany ho toerana hanaovany hosodoko. Nandany fotoana betsaka nizaha ny hakanton’ny natiora i Monet; avy eo dia ampitainy amin’ny alalan’ny hoso-dokony izay ifangaroan’ny loko sy hazavana ireo fahatsapana azony. An-taonany no nanangonany karazana hosodoko mahavariana an-jatony izay avy amin’ny aingam-panahy mivantana azony tamin’ny zaridainany.
Ry rahalahy sy ranabavy, ny fifaneraserantsika amin’ny hakanton’ny zava-boary manodidina antsika dia afaka miteraka ny sasany amin’ireo traikefa mitaona fanahy sy tsara indrindra eo amin’ny fiainana. Ireo fihetseham-po tsapantsika dia miteraka fahatsapana fankasitrahana lalina ao anatintsika ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Zanany, izay nahary ity tany meva ity—mbamin’ireo tendrombohitra sy renirano; zava-maniry sy biby eo aminy—ary i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany.1
Natao ho amin’ny tanjona lehibe kokoa anefa ny asan’ny fahariana. Ampahany feno amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany izany. Ny tanjon’izany dia ny hanome toerana sy toe-javatra ahafahana mizaha toetra ny lehilahy sy ny vehivavy, hampiharany ny fahafahany misafidy sy hahitany fifaliana ary hianatra sy hivoatra mba hahafahan’izy ireo miverina eo anatrehan’ny Mpahary azy ireo indray andro any ka handova ny fiainana mandrakizay.
Ireny zava-boary mahatalanjona ireny dia nomanina tanteraka ho tombontsoantsika sy porofo velona ny amin’ny fitiavana ananan’ilay Mpahary ho an’ireo zanany. Nanambara ny Tompo hoe: “Eny, ny zavatra rehetra izay avy amin’ny tany … dia natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo.”2
Kanefa tsy ilaozan’ny adidy sy andraikitra ny fanomezana masin’ny Fahariana. Ilay hevitra hoe fitantanan-draharaha no mahalaza tsara indrindra ireny adidy ireny. Ao amin’ny filazantsara, ny teny hoe fitantanan-draharaha dia manondro ireo andraikitra masina ara-panahy na ara-batana mba hikolokolo zavatra izay an’ Andriamanitra, izay maha-tompon’ andraikitra antsika.3
Araka ny ampianarina ao amin’ny soratra masina, ireo fitantanan-draharahantsika eto an-tany dia ahitana ireto fitsipika manaraka ireto:
Fitsipika voalohany: Ny tany manontolo, anisan’izany ireo zava-manan’aina rehetra eo aminy, dia an’ Andriamanitra.
Nankinin’ilay Mpahary tamintsika ny fikarakarana ireo loharanon-karenan’ny tany sy ireo zava-manan’aina rehetra eo aminy saingy Azy manontolo izany. Hoy Izy: “Izaho Tompo no namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, izay tena asan’ny tanako; ary ny zavatra rehetra eo aminy dia Ahy.”4 An’ Andriamanitra ny zava-drehetra eto an-tany, anisan’izany ny fianakaviantsika, ny vatantsika, eny fa na dia ny aintsika mihitsy aza.5
Fitsipika faharoa: Amin’ny maha-mpitantana ireo zava-boarin’ Andriamanitra antsika dia manana adidy isika ny hanaja sy hikarakara azy ireny.
Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia nahazo andraikitra isika mba ho mpitantana sy ho mpikarakara ary ho mpiambina ireo zava-boariny masina. Niteny ny Tompo fa “ny olona tsirairay [dia tanany] ho tompon’andraikitra, ho mpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany, izay efa nataoko sy nomaniko ho an’ny voariko.”6
Avelan’ny Raintsika any An-danitra isika hampiasa ireo loharano eto an-tany araka izay safidintsika malalaka. Kanefa ny fahafahantsika misafidy dia tsy tokony horaisina ho fahefana hampiasa na handany ireo haren’ity tany ity tsy amim-pahendrena na tsy misy fetra. Nanome izao fananarana izao ny Tompo: “Ary ankasitrahan’ Andriamanitra ny efa nanomezany ireo zava-drehetra ireo ho an’ny olona; fa ho an’izany tanjona izany no nanaovana azy ireo, mba hampiasaina amin’ny fandanjalanjana, fa tsy mihoa-pampana sady tsy an-keriny.”7
Nanao fanamarihana toy izao ny Filoha Russell M. Nelson indray mandeha: “Noho isika mpisitraka ireo tombontsoa avy amin’ny Fahariana nataon’ Andriamanitra, dia inona no tokony hataontsika? Tokony hikarakara ny tany isika, ho mpitantana hendry ary hiaro izany ho an’ny taranaka ho avy.”8
Ankoatra ny maha-zavatra ifotorana ara-tsiansa sy ara-politika, ny fikolokoloana ny tany sy ny tontolo voajanahary iainantsika dia andraikitra masina nankinin’ Andriamanitra tamintsika, izay tokony hahatonga antsika ho heniky ny fahatsapana lalina ho tompon’andraikitra sy hanana fanetrentena. Izany ihany koa dia singa feno amin’ny maha-mpianatra antsika. Ahoana no ahafahantsika manaja sy mitia an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy kanefa tsy manaja sy mitia ireo zavatra noharian’Izy Ireo?
Maro ireo zavatra azontsika atao mba hahatongavana ho mpitantana tsara—miaraka sy samirery. Raha dinihina ny toe-javatra misy antsika tsirairay, ny tsirairay avy amintsika dia afaka mampiasa harena sesehena ananan’ny tany amim-panajana sy amim-pitandremana. Azontsika atao ny manohana ireo ezaka ataon’ny fiarahamonina mba hikolokoloana ny tany. Azontsika atao ny mirona amina fomba fiainana sy fitondrantena izay manaja ireo zava-boarin’ Andriamanitra sy hanao izay hahatonga ny toerana ipetrahantsika ho milamina kokoa sy tsara kokoa ary mitaona fanahy kokoa.9
Ny zavatra faratampony indrindra amin’ny fitantanantsika ireo zava-boarin’ Andriamanitra dia ahitana ny adidy masina mba hitia sy hanaja ary hikarakara ireo olombelona rehetra miara-miaina amintsika eto an-tany. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izy ireo, anabavy sy rahalahantsika, ka ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay no tena tanjon’ny asan’ny fahariana.
Toy izao manaraka izao no notantarain’ny mpanoratra Antoine de Saint-Exupéry: Indray andro izy raha nandeha fiaran-dalamby, dia tafaraka tamina vondron’olona mpitsoa-ponenana. Nampihetsi-po lalina azy ny nahita ny fahakiviana teny amin’ny tarehina zazakely iray ka nihiaka izy hoe: “Rehefa misy karazana raozy vaovao miforona avy amin’ny fanaovana grefy raozy roa samihafa dia mifaly ny mpikarakara zaridaina rehetra. Atokany sy karakarainy ary kolokoloiny ilay raozy. Saingy tsy mba misy mpikarakara olombelona.”10
Ry rahalahy sy anabaviko, tsy tokony ho mpikarakara ireo lehilahy sy vevihavy mpiara-belona amintsika ve isika? Moa ve tsy isika no mpiambina ny rahalahintsika? Nandidy antsika i Jesoa mba hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika.11 Ilay teny hoe namana izay nivoaka ny vavany dia tsy midika fotsiny hoe ireo izay mipetraka akaikintsika; fa midika ihany koa izany hoe akaikin’ny fo. Mahafoaka ireo mponina rehetra eto amin’ity planeta ity izany—na monina eo akaikintsika na any amin’ny firenen-davitra, tsy mijery fiaviana na tantaram-piainana na toe-piainana.
Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia manana adidy masina isika ny tsy hitandro hasasarana amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny filaminana eo anivon’ny firenena rehetra eto an-tany. Tsy maintsy manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hiarovana sy hintondrana fampiononana ary fanampiana ho an’ireo marefo sy sahirana ary ireo rehetra izay mijaly na ory. Ambonin’izany rehetra izany, ny fanomezana ehibe indrindra avy amin’ny fitiavana azontsika omena ireo mpiara-belona amintsika dia ny mizara ny fifaliana avy amin’ny filazantsara amin’izy ireo sy ny manasa azy ireo hanatona ny Mpamonjy azy ireo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina.
Fitsipika fahatelo: Isika dia voasa handray anjara amin’ny asan’ny fahariana.
Tsy mbola vita ny dingana masin’ny fahariana. Mitohy mitombo sy mivelatra ary mihamaro isan’andro ireo zava-boarin’ Andriamanitra. Ny zavatra iray lehibe indrindra dia hoe ny Raintsika any An-danitra dia manasa antsika handray anjara amin’ny asa famoronana ataony.
Mandray anjara amin’io asan’ny fahariana io isika isaky ny mamboly eo amin’ny tany na manampy amin’ny zavatra atsangatsika eto amin’ity tany ity, raha mbola maneho fanajana koa ireo zava-boarin’ Andriamanitra. Ny anjara birikintsika dia azo aseho amin’ny alalan’ny famoronana asa kanto, hai-tao-trano, mozika, literatiora sy kolontsaina, izay manatsara ity planeta ity, mampavitrika ireo retsi-pamantarantsika, ary mampamiratra ny fiainantsika. Mandray anjara ihany koa isika amin’ny alalan’ireo voka-pikarohana siantifika sy ara-pitsaboana izay mitandro ny tany sy ny manan’aina eo ambonin’izany. Nofintinin’ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ireto teny kanto ireto io hevitra io: “Tsy nataon’ Andriamanitra vita tanteraka ny fahariana izao tontolo izao mba hampiasan’ny olombelona ny fahaiza-manao eo aminy … mba hahafahan’ny olombelona mahafantatra ireo hafaliana sy voninahitra azo avy amin’ny fahariana.”12
Ao amin’ilay fanoharan’i Jesoa momba ireo talenta, rehefa niverina avy tany amin’ny dia nalehany ny tompony dia noderainy sy novaliany soa ireo mpanompo roa izay nampitombo sy nampivelatra ny talentany. Mifanohitra amin’izany, “tsy mahasoa” no niantsoany ilay mpanompo izay nandevina ilay talentany tokana tao anaty tany, ka nalainy taminy izay efa azony.13
Sahala amin’izany, ny andraikitsika amin’ny maha-mpitantana ireo zava-boary eto an-tany dia tsy mionona fotsiny amin’ny hoe mitana sy mitandro azy ireny. Miandrandra ny hiasantsika amim-pahazotoana ny Tompo, rehefa entanin’ny Fanahiny Masina isika, mba hampitombo sy hanatsara ary hampivoatra ireo harena nankininy tamintsika—fa tsy ho an’ny tombontsoantsika irery ihany fa mba hitahiana ny hafa koa.
Amin’ireo zava-bitan’olombelona dia tsy misy sahala amin’ilay traikefa amin’ny fahatongavana ho mpiara-mamorona amin’ Andriamanitra amin’ny fanomezana aina na fanampiana ankizy hianatra sy hitombo ary hiroborobo—na izay amin’ny maha-ray aman-dreny na mpampianatra na mpitarika na amina andraikitra hafa. Tsy misy fitantanan-draharaha masina kokoa sy mahafa-po kokoa, ary mavesatra kokoa noho ny fiaraha-miasa amin’ny Mpahary antsika amin’ny alalan’ny fanomezana vatana ireo fanahy zanany ary avy eo manampy azy ireo manatratra ny fahafahany ho lasa tahaka an’ Andriamanitra.
Ny andraikitra amin’ny fiaraha-mamorona dia natao ho fampatsiahivana tsy tapaka fa masina ny aina sy ny vatan’ny olona tsirairay, fa tsy misy tompon’izy ireo ankoatra an’ Andriamanitra, ary Izy dia nanao antsika ho mpiambina mba hanaja sy hiaro ary hikolokolo azy ireny. Ireo didin’ Andriamanitra, izay mifehy ny hery ahafahana miteraka sy manorina fianakaviana mandrakizay, dia mitarika antsika ao anatin’io fitantanan-draharaha masina io, izay manan-danja amin’ny drafiny.
Ry rahalahy sy anabaviko, tokony hanaiky isika fa ara-panahy avokoa ny zava-drehetra amin’ny Tompo—anisan’izany ireo lafin-javatra ara-batana indrindra eo amin’ny fiainantsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa fitahiana ara-panahy lehibe no ampanantenaina ireo izay misafidy ny hitia sy hikolokolo ny tany sy ireo lehilahy sy vehivavy mpiara-belona aminy. Rehefa mijanona ho mahatoky ianareo ao anatin’io fitantanan-draharaha masina io ary manaja ireo fanekempihavanana mandrakizay nataonareo, dia hitombo ny fahalalanareo an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany, ka ho tsapanareo bebe kokoa eo amin’ny fiainanareo ny fitiavan’Izy Ireo sy ny fitaoman’Izy Ireo. Izany rehetra izany dia hanomana anao hitoetra miaraka amin’Izy Ireo sy handray hery fanampiny hahafahana mamorona14 any amin’ny fiainan-ko avy.
Any am-piafaran’ity fiainana an-tany ity ny Mpampianatra dia hangataka antsika mba hanome tatitra momba ireo fitantanan-draharahantsika; anisan’izany ny fomba nikarakarantsika ireo zava-boariny. Mivavaka aho mba handrenesantsika ireo teny feno fitiavana bitsihany ao am-pontsika hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.”15 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.